tsetratsetra tsy aritra

41. johnnyandri ( 02/06/2007 11:57)
Aleo ary atomboko dia ampiann-dry zalahy avy eo.
Ny Saints dia ireo olona Maritiora katolika, nanana oha-piainana mafy nanara-dia an'i Kristy izy ireny fahavelony. Azo antoka fa efa eoanilan'Andriamanitra izy amin'izao ary raisina ho mpanelanelana antsika amin'Andriamanitra satria akaiky azy sady efa niaraka tamintsika tety a-tany. FINOANA io. Samy nanana ny tantara nampiavaka azy izy ireny ka azo lazaina ihany hoe samy manana ny ahafantarana azy manokana tamin'ny fiharetana niainany niarovana ny lalan'i Kristy. Ohatra: Saint Christophe ilay mpiharo amin'ny DIA. Asandratra ho olon-tsambatra aloha izy ireny, ary andrasana ho voaporofo ny fahagagana avy amin'ny valim-bavaka natao niaraka taminy. Rehefa hitan'ny fiangonana fa marina ny porofo dia asandratra ho olo-masina (saint)ilay olona. Tsy ao anaty fotoana fohy izany akory fa arakaraky ny fipoiran'ny fahagagana. Ny Malagasy izao ohatra dia efa manna OLON-TSAMBATRA iray dia I Victoire Rasoamanarivo izany.
42. diamondra27 ( 02/06/2007 12:26)
J.A: misaotra anao, tsy naharaka tantara fa inona izany izao no nataon'io Victoire Rasoamanarivo io fony fahavelony?

za aloha de be question fa za manaja ny hevitrareo rehetra na dia finoana hafa aza ny finoako an!
Tsy misy hanihany mihintsy eto fa liana dia liana tokoa ny tenako
Nisy fianakaviana nankasitraka be io Victoire Rasoamanarivo io fa tena tsy kopy mihintsy za t@izany fotoana hoe: misy inona.
43. ikaretsaka ( 02/06/2007 12:38)
Diam\'s:
1)Miovaova arakaraky ny Toerana sy ny fomban-tany ilay lakroa ka, fa matetika ilay izy dia ilay lakroa efa fampiasa amin\'ny lamesa ohatra (misy lakroa koa matetika eo ambony alitara rehefa manao sorona masina )
ny sasany lakroa Voahasina tsotra fotsiny (angatahana ny fanahy masina mba hanome ny heriny ho anao rehefa mitondra ilay lakroa ianao!
ny teny hoe exorcism dia avy amin\'ny teny Grika hoe \"Ek-horkizo\" izay midika hoe miantso ny olona 1 hianiana. Izany hoe fametrahana ilay demony ao anaty olona 1 hianiana fa tsy hanakorontana intsony.
Amin\'ny katolika dia Pretra nahazo fanomezam-pahasoavana no manao an\'io. Izany no ianarany ilay izy , eny hatrany@ fomba fifohazana aza, any @ tany tsisy fifohazana io dia dons mihitsy, dia rehefa mahazo an\'io fanomezam-pahasoavana io izy no miverina any @ katolika dia eken\'ny papa sy ny eveka ho afaka manao izany asa masina izany.

2) Ilay rano ao anatin\'ilay Masina Maria avy any Lourdes iny no atao hoe Ranon\'i Lourdes, an isan\'ny promesses nataon\'i Maria t@ Bernadety fony izy niseho taminy ny hoe rehefa avy manao penance, na fiekena heloka ianao , na mihaiky ny fahararianao na ara-batana na ara-panahy , dia sasaina amin\'iny hadio, rehefa avy mangataka amin\'i masina marina mba hivavaka ho anao, ny helokao, sy ny fahararianao.
Hafa koa iny rano iny, satria loharano kely eo akaikin\'ny grotte an\'i Lourdes no angalana azy,tsy nisy io loharano io taloha, fa i Bernadety no nangady azy t@ tanana teo @ ilay toerana natoron\'i Maria azy no nampisy ilay loharano!
hafa raha samy Rano koa iny, satria raha ilay vao tovozina iny dia misy fofona Raozy ilay izy. ary efa nojeren\'ny manam-pahaizana fa io irery no rano misy an\'izay @ rano nivoaka t@ loharano rehetra!

3)Ny oha piainan\'ilay Saint sy ny zavatra nataony fahavelony (mety nahavita miracle ohatra) no hi attribuena hoe Saint mpiaro amin\'izao sy izao izy!
sy mpivavaka amin\'Andriamanitra amin\'ny cas ohatran\'izao sy izao .
Saint benoit miaro amin\'ny fanampoizinana ka, satria izy saika nisy nanampoizina dia raha handeha hisotro ilay vera misy ilay rano sy poizina izy no nipoaka tampoka teny an-tanany ilay verre!

Ohatra hoe i Christophe (ilay saint lazainao mpiaro @ lalana)
Saint Michel Arkanjely, mpiaro ny fanahy tsy voafitaky ny hevitr\'i Satana

\"Ny Saints dia ohatran\'ny kintana, namboarin\'Andriamanitra izy ireny hanilo sy hanoro lalana rehefa misy tena ilaina azy, fa miafina kosa rehefa hitanao ny lalanao.fa na izany aza dia eny sy vonona lalandava izy ireny hanampy anao @ contemplation manginan\'ny asam-pamonjena\"
Saint Antoine de Padoue, Sermons
44. marozevo ( 02/06/2007 13:41)
Ny saint na bienheureux tsirairay dia samy manana ny tantarany tsirairay koa. Ny Fiangonana no mahita, rehefa avy mandalina, hoe inona amin'ny fiainan'ity olona ity no mendrika halain-tahaka ka azo anambarana fa Saint izy.
Ny devotion amin'ny Saint tsirairay dia matetika mifandray amin'ny tantaram-piainany. Ohatra : Mb Cécile, teo am-pamonoana azy ho martiry, dia nanandratra antsa ho an'Andrimanitra. Noho io dia nofidiana izy ho mpiaro ny mpanao hira masina sy ny mozika masina.
Ny Saint dia tsy an'ny Katolika irery ihany, fa an'ny Fiangonana manontolo mihitsy, satria raha tamin'ny 16ème siècle ny fisarahana, dia efa nisy talohan'izany ny Saint na Bienheureux.
45. johnnyandri ( 02/06/2007 14:06)
Victoire Rasoamanarivo dia vehivavy kristianina, tso-po sy be fanetren-tena. Niaina tao anaty tokantrano tsy nilamina izy. Nampijaly azy ny vadiny ary niatretany hatramin'ny farany niaraka tamin'i Masina Maria izany fiainana izany. Miala tsiny aho fa tsy haiko amin'ny antsihiny sy ny pirihiny ny tantara fa izay no fomba hamintinako azy. Voaporofon'ny mpiara-belona sy ny fiangonana izany fiainana niharetany izany ka nampipetraka ny tantarany sy nahaolontsambatra amin'izao. Raha te hahafantatra kokoa ny momba azy dia misy ny boky mitantara ny fiainany eny amin'ny Librairie Md Paoly.
46. ikaretsaka ( 02/06/2007 22:18)
Ilay tapa-mofo iny izany ve tompoina sy omen-danja kokoa mihoatra ny Baiboly raha tsy diso ny fazahoako azy satria araka ny finoany dia ao anatin'iny i Jesoa?

Manitikitika be ahy io voalazan'ikaretsaka io fa mampahatsiahy ny voalazan'i Jesoa hoe:
Koa raha misy manao aminareo hoe: Indro, aty Kristy, na: Indro, ary; aza mino hianareo Matio 24:23


Ianao moa tia tsimpona ka aleo tsimpona mivaly tsimpona ary e
Dia mampatsiahy ahy koa ilay nolazain'i jesoa manao hoe
"Izaho ny mofon'ny fiainana"(Joany 6:35)
dia naveriny ihany "izaho no mofon'ny fiainana (Joany 6,48)
"hoe raha tsy mihinana ny nofony sy misotro ny rany isika dia tsy hanana ny fiainana"(joany 6, 47-48)

"tena fihinana ny nofoko ary tena fisotro ny rako, ary izay mino sy mihinana ary misotro izany no hanana ny fiainana mandrakizay ary hatsangako amin'ny fara andro" (joany 6,54-56)

"natolony ny mofo sy divay dia nolazainy hoe ity ny vatany, samia mandray sy misotro ianareo sy hoe ity no ra iorenan'ny fanekem-pihavanana vaovao sady mandrakizay samia misotro (lioka 22,19-20)
Dia ATAOVY izao ho fahatsiarovana ahy ho'zy!


47. diamondra27 ( 03/06/2007 09:29)
asa aloha any @ faritra hafa fa hita eto izany fa tsy maintsy manaraka fepetra mihintsy ny église e!

http://www.unavoce.fr/content/view/521/2/

de tsy azo soloina fa io ihany.
48. ikaretsaka ( 03/06/2007 11:07)
Izay ilay hoe mofo madio tsy misy lalivay , sy ilay hoe mofo iray, vatana iray e
mitovy aby manerana ny tany
49. xxx ( 03/06/2007 12:17)
diamondra27:
de tsy azo soloina fa io ihany.

Misy ny zavatra azo hatsaraina sy azo soloina, saingy misy kosa ny zavatra efa napetrak'i Kristy ary nolovaina tamin'ireo Apostoly izay tsy azo ovaina mihitsy. Toy ny hoe: mofo madio tsy misy lalivay no natolotr'i Kristy ary nohamasininy ka tonga vatanany. Avy eo divay no novainy ho ràny. Ireo izao dia tsy azo ovana zavatra hafa.

Misy koa ny zavatra iraisana amin'ny Fiangonana maneran-tany ka tsy azo soloina na ovaina. Ny fialana na fanovana an'izany dia isany fialana amin'ny firaisana amin'ny Fiangonana.

Ny mikasika ny akanjo fanaovan'ny pretra lamesa koa dia misy antony lehibe ny anaovany an'ireny: ny étole, sns... Izay pretra ato no afaka hanome fanazavana momba an'io angamba.
Fa ny azoko zaraina aminao dia hoe: ialana mihitsy amin'ny fankalazana ny eokaristia ny hoe: Izaho (na ny pretra ) no ifantohan'ny mason'ny olona. Atao izay fomba hitodihan'ny mpivavaka rehetra amin'i Kristy, sy ifantohany aminy. Izay no antony anaovan'ireo olona rehetra miandraikitra ny litorjia akanjo fotsy mitovy. Izay koa no andraran'ireo mpiandraikitra maro ao amin'ny fiangonana ny tsy hanaovan'ny vehivavy akanjo sexy rehefa mivavaka. (lazaiko hoe: sexy satria misy faritra sasany eto Madagascar efa mahazatra ny olona ka tsy misy olana aminy ny mijery vehivavy manao akanjo fohy noho ny toe-trandro )

Ho amintsika rehetra hatrany anie ny Fahasoavan'i Kristy. Amen
50. ikaretsaka ( 03/06/2007 12:20)
misaotra an'i XXX
ary ianao kosa tia mamarana dominus vobiscum foana an
51. xxx ( 03/06/2007 17:14)
Ikaretsaka: aleo mitso-drano toy izay re manozona. Taloha aho nanozona olona foana rehefa very ny ankohoko, nefa tsy nisy fiantraikany tamin'ny mpangalatra ireny, fa sady tsy nahasoa azy no tsy nitondra zava-tsoa ho ahy koa.

Amin'zao fotoana izao anefa rehefa mitso-drano aho dia sady mivavaka no mirary soa ho an'ny rehetra. Ary mino fa hisy voka-tsoa ho antsika rehetra izany.

Isany fomba tsara koa ny fanaon'ireo Ray aman-dReny mitso-drano ny zanany isaky ny hatory, sy isaky ny hanao voyage. Taloha nataoko hoe fombafomba fotsiny io, fa izao tsapako fa tena fitiavana ilay izy, sady hatarafana ilay fitiavan'Andriamanitra.

Tsy hisaraka amintsika hatrany anie ny fitiavan'i Kristy. Amen.
52. marozevo ( 03/06/2007 22:50)
Ireto misy santionany mba henoko tetsy sy teroa :
Md Christophe mpiaro ny voyageurs.
Md François de Sales mpiaro ny mpanao gazety.
Md Thomas d'Aquin mpiaro ny universitaires.
Mb Barbe mpiaro amin'ny varatra sy ny andro ratsy.
Md Eloi mpiaro ny mpikarakara soavaly.
Mb Cécile efa voalaza ao ambony ao.
Md Benoit mpiaro amin'ny fakam-panahy.

Ny antony na ny tantara nahatonga izany kosa... aza anontaniana ahy.
53. diamondra27 ( 04/06/2007 04:03)
misy koa ho aho md mpiaro ny zaza na ankizy izy zay , de misy medaille mihintsy.Tsy haiko le anarany
T@ izany fotoana de tsy nisy nilavako azy le pantatifa volamena dia nomeko le ankizy lahy kely izay fa ry zareo moa katolika.
54. prime ( 04/06/2007 12:22)
Mahaliana fa ny indro kely d be loatra ilay xxx... tsara ihany ny mijoro hatr@ farany hoe iza aho d ity ny inoako... miala tsiny fa fanamarihana fotsiny iny...

Misaotra dia mazotoa...
55. ari.malala ( 04/06/2007 13:02)
diamondra27:

xxx: azafady fa nisy diso
tsy lakolosy le izy kay fa emboka

zany hoe: misy rojo iny de zavatra kely manetroka(azafady fa mifangaro)


Encens ve no tian'i Diamondra27 tenenina e! :) ilay anembohana ny otely dia aveo anembohana ny pretra dia aveo koa anembohana ny vahoaka? Embohina ny Ötely satria i Kritsy dia sady Ôtely anaovan-tsorona no Mpisorona no efa Sorona rahateo,manambara ny maha Mpanjaka Azy rahateo izany, embohina ny pretra satria ny pretra dia mpisorona toa an'i Kristy, ary embohina ny vahoaka satria ny vahoaka rehefa nandray ny Fanahy Masina dia tonga mpanjaka sy mpisorona iany koa. Tsy haiko na diso ilay fanazavako fa io no fahazoako ny fampianarana nomena anay t@ zany andro :)

diamondra27:

de ao @ katolila koa moa le misarona voaly aloha vao mihinana le kominio sa tsy tao @ katolika?
sa olona sasa-tsasany ihany no manao iny?
De inona ny dikany?


Ny any @ sasany alo tsy haiko fa ao @ Katôlika no misy an'io hoe misaromboaly io rehefa handray Komonio e, ny olona efa lehibebe ireny no matetika hitako, toa fomba sy lalàna taloha izy io raha tsy diso ny fahalalako...

56. marozevo ( 04/06/2007 21:00)
Medaille, mitovitovy amin'ny pendantif : Misy karazany maro, izany hoe arakarak'ilay sary eo aminy. Ity amiko ity izao dia St Christophe ny ilany ary St Benoît ny ilany. Fa ny ahy tsy iambozonako fa ataoko miaraka amin'ny lakilen'ny fiara.

Fa ny tena fahita matetika dia ny "medaille miraculeuse", misy sarin'i Masina Maria. Ny tantaran'io dia niseho tamin'olona iray i M Maria tao Paris (Rue du bac). Raha tsy diso aho dia i Mb Catherine Labouré ilay nisehoany. Misy boky maro mitantara momba io.
57. diamondra27 ( 04/06/2007 22:22)
de aty france koa ry marozevo misy le miracle zany hita any LISIEUX a!
tsy tadidiko le resaka fa malaza ay dago le izy we : nareo ve mba efa tany Lisieux , de gaga be za!
58. diamondra27 ( 04/06/2007 22:34)
ity zany no litako tato @ net

http://therese-de-lisieux.cef.fr/fr/pelerome07.htm

http://therese-de-lisieux.cef.fr/

http://fr.wikipedia.org/wiki/Th%C3%A9r%C3%A8se_de_Lisieux

de za zany tena tsy mahzo le resaka aloha satria mbola tsy namaky tsara fa vao nahita de izy alefako eto io de mba manantena ny fanazavanareo namana

za manko mila mandinika lalina fa tsy maimaika
59. diamondra27 ( 04/06/2007 22:40)
de sainte Odile
de etc etc
60. LazaDaddy ( 05/06/2007 03:57)
marozevo:
Ireto misy santionany mba henoko tetsy sy teroa :
Md Christophe mpiaro ny voyageurs.
Md François de Sales mpiaro ny mpanao gazety.
Md Thomas d'Aquin mpiaro ny universitaires.
Mb Barbe mpiaro amin'ny varatra sy ny andro ratsy.
Md Eloi mpiaro ny mpikarakara soavaly.
Mb Cécile efa voalaza ao ambony ao.
Md Benoit mpiaro amin'ny fakam-panahy.

Ny antony na ny tantara nahatonga izany kosa... aza anontaniana ahy.
Ary i Kristy ve araka izany renao "tetsy sy teroa" izany mbola misy hilan-dry zareo "etsy sy eroa" azy ihany sa efa nahitany solony maromaro?

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1343