tsetratsetra tsy aritra

81. diamondra27 ( 06/06/2007 15:12)
misaotra mialoha

mety mbola tsy nahataitra ny resaka karemy t@izany fotoana fa izao vao liana aho

izay ange no mahatsara ilay zavatra averimberina fa tsy hoe: leo be na we efa nande teto de tsy tokony alefa tsony
ny olona mandalo miova, ny diposonibilité mbola tsy tao de zao ngamba no andro mahamety de mba mangataka fanazavàna e! tsy maninona akory raha tsy mety fa mba fangatahana tsotra tsy voatery ihany koa we hahazo fahafahampo @ rehetra ange e!

mifaly @izay efa azo e!
efa be dia be ihany izay zavatra azoko teto izay an
Ianareo koa tsy nihafahafa nanome fanazavana:-*:-*
82. niryna ( 06/06/2007 15:55)
niryna:

Izao izany no voasoratra:Eksodosy 20:4--Aza manao sarin-javatra voasikotra ho anao,na ny mety ho endriky ny zavatra izay eny amin'ny lanitra ambony,na izay ety amin'ny tany ambany,na izay any amin'ny rano amban'ny tany.5-Aza miankohoka eo anatrehany ary aza manompo azy,fa Izaho Jehovah Andriamanitra, dia Andriamanitra saro-piaro ka mamaly ny heloky ny ray amin'ny zanaka ,hatramin'ny zafy sy ny zafindohalika,dia amin'izay mankahala Ahy.

Eksodosy 20:17Aza mitsiriritra ny tranon'ny namanao,aza mitsiriritra ny vadin'ny namanao,na ny ankizilahiny na ny ankizivaviny...
Marina ve izany fa io no nozaraina roa :
-Aza mitsiriritra.......namanao (didy iray)
-Aza mitsiriritra.......ny vadin'ny namanao (didy iray ihany koa)?
Misaotra mialoha

Mba omeo kely hoe( sorato eto ny ao anaty baibolinareo)azafady fa mandainga ilay article raha misy ao kanefa lazainy fa tsy misy ireo Eksodosy 20:4-5,17 ireo azafady.Io no mba tiako hampitoviana,satria io no ao anaty didy folo.

83. ikaretsaka ( 06/06/2007 16:08)
diams
http://fr.wikipedia.org/wiki/Carême
84. marozevo ( 06/06/2007 16:16)
Ankoatra izay fampanantenana ataon'i ari.malala hitady ilay liens, dia hitako fa tena feno io asain'ikaretsaka jerena eto io.

Izaho aloha miala tsiny fa tsy haiko ny mitady ilay liens.
85. pissoa ( 06/06/2007 17:01)
Niryna:
Mba omeo kely hoe( sorato eto ny ao anaty baibolinareo)azafady fa mandainga ilay article raha misy ao kanefa lazainy fa tsy misy ireo Eksodosy 20:4-5,17 ireo azafady.Io no mba tiako hampitoviana,satria io no ao anaty didy folo.

http://www.vatican.va/archive/ccc_css/archive/catechism/command.htm ny didy folo ao amin'ny Fiangonana Katolika. Samy voarakitra ao ny Exodus 20: 2-17 sy ny Deuteronomy 5: 6-21 !
86. booboo ( 06/06/2007 19:58)
Tywa68, Ari.malala, Marozevo > misaotra ny @ ilay momba ny lakroa ô
87. ikaretsaka ( 07/06/2007 03:38)
momba ilay "sary" ihany
ny sary @ katolika dia aide memoire no fitaovana mahomby tokoa satria :

-Tsy voatery hahay mamaky teny ny olona vao ho afaka hahalala ny tantaram-pamonjena! ny sary hono mahasolo teny an'arivony!

-Tsy voatery hisy pasitera na masera na mompera na baiboly na olona hafa afaka hitory teny aminy lalandava vao ho tafita ny hafatr'Andriamanitra, Mijery sary izy dia tafita!
88. tslem ( 07/06/2007 05:59)
arimalala:
Ilay mandohalika dia mivavaka, fa ilay hoe mandohalika kely tsy azoko

angamba koa mariky ny fanetren-tena , izay no fahatsapako azy hatramizay .
89. niryna ( 07/06/2007 06:30)
pissoa:

Niryna:
Mba omeo kely hoe( sorato eto ny ao anaty baibolinareo)azafady fa mandainga ilay article raha misy ao kanefa lazainy fa tsy misy ireo Eksodosy 20:4-5,17 ireo azafady.Io no mba tiako hampitoviana,satria io no ao anaty didy folo.

http://www.vatican.va/archive/ccc_css/archive/catechism/command.htm ny didy folo ao amin'ny Fiangonana Katolika. Samy voarakitra ao ny Exodus 20: 2-17 sy ny Deuteronomy 5: 6-21 !
compliment for you pissoa.
Misaotra betsaka anao aho ry pissoa fa tsy mitovy marina ny voalazan'ny anareo sy ny anay.Marina ihany ilay hitako hoe nozarainy roa ny andininy 9 ka nataony 9 sy 10. Soratana ilay izy ery amin'ny ilany saingy rehefa nanao ilay didy folo dia Deotoronomia 5:7,8,9 tsy tafiditra ary io foana no tadiaviko fa tsy nisy nanome.You shall have no other gods before me.(aza manana andriamanin-kafa),you shall not make yourself any image-.Aza manao sarin-javatra voasikotra ..sns.
ny 21 izay iray ihany no fehiny fa nozarainy maro.
You shall not cover your neighbor's wife and you shall not shall not desire your nighbor's house.Iray ihany ireo fa tsy misaraka.Io ilay noteneniko,aiza izany ny maha folo azy.Tsy misy fahadisoan'i pissoa io pissoa a,fa io no tiako ho hita hay tena nosarahana ilay izy.
90. niryna ( 07/06/2007 06:35)
Fanitsiana kely,you shall not desire your neigbor's house no izy. fa tsy miverina indroa ilay teny akory.misaotra neighbor koa ny iray.
91. ari.malala ( 07/06/2007 11:58)
Diamondra27, tena ialako tsiny fa efa tsy hitako intsony ilay izy! resaka herinandro masina sisa aky no ao, nefa efa feno dia feno io nalefan'ika io ka dia mazotoa mamaky sy mandalina!
92. ikaretsaka ( 07/06/2007 14:05)
niryna> tsy azoko: ka efa voalaza daholo hoe izao ny tsy azo atao ko na zacainy isan-teny aza io, inona ny olana?
93. niryna ( 07/06/2007 14:43)
ikaretsaka:

niryna> tsy azoko: ka efa voalaza daholo hoe izao ny tsy azo atao ko na zacainy isan-teny aza io, inona ny olana?

Rehefa nampianarina ny didy folo izahay dia notenenina daholo ny ao anatiny.
Io aza manana andriamani-ka io no anisany iray ary io aza manao sarin-javatra io no manaraka,eo amin'ny fianarana katesizy anefa manaja ny rainao sy ny reninao.Ny aza mitsiriritra ny zavatry ny vadin'ny namana na ny fananan'ny namanao dia iray ihany ,fa tsy nozaraina roa.Io izany no mampisamihafa azy.Ny isany folo,ny tokony ho tenenina tsy notenenina, ny tokony ho iray nozaraina.Tsy misy mifanome tsiny fa izay voasoratra dia voasoratra,nanamafy ny hitako fotsiny ilay izy dia ampy ahy izay.
94. ikaretsaka ( 07/06/2007 15:37)
ka izay mantsy.. ny fotokevitra dia hoe aza mano an'izao sy izao sy izao sy izao (10 ny isany)
ka na andininy firy io na firy na nozaraina io na natambatra.. tsy ilay zavatra folo tsy azo atao ihany ve no iverenana sy tian-kolazaina?
95. pissoa ( 07/06/2007 16:22)
Niryna:
Misaotra betsaka anao aho ry pissoa fa tsy mitovy marina ny voalazan'ny anareo sy ny anay.Marina ihany ilay hitako hoe nozarainy roa ny andininy 9 ka nataony 9 sy 10. Soratana ilay izy ery amin'ny ilany saingy rehefa nanao ilay didy folo dia Deotoronomia 5:7,8,9 tsy tafiditra ary io foana no tadiaviko fa tsy nisy nanome.You shall have no other gods before me.(aza manana andriamanin-kafa),you shall not make yourself any image-.Aza manao sarin-javatra voasikotra ..sns.
ny 21 izay iray ihany no fehiny fa nozarainy maro.
You shall not cover your neighbor's wife and you shall not shall not desire your nighbor's house.Iray ihany ireo fa tsy misaraka.Io ilay noteneniko,aiza izany ny maha folo azy.Tsy misy fahadisoan'i pissoa io pissoa a,fa io no tiako ho hita hay tena nosarahana ilay izy.

Niryna : raha sendrasendra namaky ianao dia efa noresahiko tery ambony io resaka andriamanitra hafa sy sary io ! Ianao moa comme d'hab tsy mba mamaky, nefa dia ny fanontanianao no novaliako 8O Asa raha ho hitanao ito soratra eto ito fa ataoko ngoza :oops:
[size=14]Ny Didy tsy hananana andriamanitra hafa dia tena misy tokoa ao amin'ny fiangonana Katolika. Ny resaka sary koa dia efa noresahiko teo ambony ![/size]

# resaka "aza manana andriamanitra hafa"
Pissoa:

Misy dia misy tokoa ! Ary ny didy VOALOHANY ao amin'ny Didy Folo (amin'ny Version Katolika) dia hoe "Izaho no Tompo Andriamanitrao :
1 - Ianao aza manana Andriamanitra hafa tsy izaho.
Manompo an'Andriamanitra ianao
Tiava azy amin'ny fonao manontolo
"
Voalaza mazava ny tsy hananana Andriamanitra hafa.

#Resaka sary
Pissoa:

Heveriko fa tsy ny hananantsika sary hosodoko na sary sikotra no tsy tin'Andriamanitra fa ny hananantsika sary toy izany ka asolontsika Azy. Ny resaka "sary" tsotra fotsiny mantsy, dia avy amin'iza moa ny talenta ananan'ireny mpanao hosodoko sy mpanao sary sikotra ireny ? Tsy avy amin'Andriamanitra koa ve ? Toy ny "talenta" mety ho ananan'ireo mpitory tena lava resaka ihany io ! Ka rehefa mitory an'Andriamanitra sy ny Fitiavany ny sary vita noho ny talenta izay avy Aminy ihany, fahotana eo anatrehany ve ?

# Resaka miondrika

Pissoa:
Amin'ny Katolika dia tena manan-danja tokoa ny "famantarana hita maso". Rehefa hoe i Jesoa no andoalihana dia mandohalika tokoa, fa tsy be resaka fotsiny hoe Jesoa no handoalihana nefa tsy mandohalika akory. Ary I Jesoa/Andriamanitra dia manerana fa tsy takon'ny sary. Ny sary izany dia nampatsiaro anao fotsiny an'ilay Jesoa Andriamanitra, hitarafanao ny Fitiavany sns, fa rehefa mandohalika sy mivavaka dia amin'Andriamanitra no miantefa. Tokony ho hitanareo fa ny Katolika dia tsy hoe misy sary foana eo alohany rehefa mandohalika izy, indraindray misy - indraindray tsisy ... satria tsy ny sary no antony handohaliany fa Andriamanitra.
96. xxx ( 07/06/2007 17:13)
Pissoa: i niryna anie mody manao tsy mahita izay e. Te hanamarin-tena izy manao an'izay.

niryna:
Toetra efa nolovain'ny tamin'i Eva sy Adama io tsy mety ho diso io fa te hanamarin-tena lalandava. Raha tia fahamarinana ianao dia ialao io toetra ratsy io.

Ny antony mahatonga an'io dia ianao te ho mpampianatra. nefa ve ampy ny fahalalanao enti-mampianatra ny hafa? Ekeko fa tsy tokony hiandry ho fanamperana vao hampianatra ny hafa, nefa kosa tokony mba efa manana izay azo zaraina tsara vao milatsaka hampianatra ny hafa.
Ny maharatsy io toetranao io dia izao: tsy mety ahitsy amin'ny hadisoana intsony ary izay hevi-diso mipetraka ao an-tsaina dia izay no tazonina foana. Ilay pastera nampianatra anao voalohany izao no nilaza fa ratsy sy mpanompo sampy ny katolika dia izay no vohizina etsy sy eroa, ary na misy zavatra tsara lazain'ny katoliaka aza dia tsy ekena fa tsy mahay an'izany ny katolika. Indrisy!
Rehefa tsy misy avaly dia manao valin-teny boraingina amin'ny soratra tsy hay vakina, na amin'ny teny tsy voahevitra loatra.

Teny antsipy am-pitiavana ireo ka anjaranao ny mandika azy.

Ho aminao hatrany anie ny Fahasoavan'Andriamanitra! Amen.
97. linarako2 ( 08/06/2007 21:34)
xxx:

Aiza kosa ary ianareo izany?Ampiasao ary ny didy folo raha tena izy isika:Aza mitsara mba tsy ho tsaraina.
Iza moa aho no hitsara ny olona ?Andriamanitra no hitsara izay ataontsika eto.Na izy tsy manaiky izay fivavahana ataonareo,na ianareo manamarin-tena.Ampiaro amin'ny fiainana ny fivavahana noratovina e.Lany mitsikera olona fotsiny isika dia faly ny devoly satria izay no tadiaviny:cry::cry:
98. pissoa ( 08/06/2007 21:49)
Aiza koa aza i Linarako2 izany !
Iza moa ianao ry Linarako2 no hitsara fa "manamarin-tena" izahay ? Sao tokony ampiarinao aminao aloha ny resakao fa be fitsara anie ianao izany e ! Fa i Niryna moa no iza no afaka hanaiky na tsia ny fivavahanay, tsy tany aminy anie izahay no nivavaka e :-D:-D:-D Misy tokony hanamarinanay tena amin'i Niryna ve ? :roll: Andriamanitra mahafantatra tsara hoe iza ianao ary Izy koa no hitsara anao ! :wink:
99. marozevo ( 09/06/2007 00:17)
Aoka hatao mazava ilay resaka eh... Fifampizarana no eto fa tsy hoe ny anay marina ny anareo diso. Na hoe ny momba izay, dia izao no finoanay... sns...

Ny mahasosotra kely fotsiny tokoa indraindray dia ity : Apetraka le fanontaniana, nony mamaly ny namana tsy vakiana akory ilay mba valin-teny fa ny eo ihany no asesika... Io anie no maha-somisika ny namana eh...
100. diamondra27 ( 09/06/2007 16:28)
marozevo: za aloha namaky an! en tout cas t@ ity resaka ity satria tena nisy zavatra tiako ho fantatra tokoa

ari: refa tsy nahita tsy maninona fa zay no mahasoa e!efa nahazo ihany

ohatra: samy nisy teny azoko izao t@ fampianarana momba ny resaka fahasalamana(t@ teny gasy sy teny vazah)izay voalaza fa tokony hitandrina izany isika mba hahazoana mitory sy manantanteraka ny asan'i Tompo etc tao @ site guadadvent, de nahita ihany koa aho le boky fampianarana lesona ; fa le namaky azy t@ teny gasy no niditra bebe kokoa le fampianarana sy ny effet-ny tamiko.

ny tiako lazaina dia : tiako bebe kokoa ny hevitra @ teny gasy noho ny teny vazah

indraindray kosa anefa refa mamaky baiboly aho de le @ teny vazah indray no misy effet bebe kokoa

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2531