tsetratsetra tsy aritra

21. ramhors ( 01/06/2007 18:08)
Hitanao ihany koa fa misy labozia mirehitra ao amin'ny fiangonana Katolika rehefa miditra ao ianao. Ireo dia tsy natao fotsiny hoe hanome fahazavana,fa anisan'ny famantarana(serve as symbols). Famantarana ny fampianaran'i Kristy ihany "Ilay fahazavan'izao tontolo izao" (John 8-12). Anisan'ny famataram-pivavahana ihany koa ny labozia mirehitra. Rehefa misy olona mivavaka matetika dia mandrehitra labozia, izay mampahatsiaro azy fa i Kristy no fahazavan'izao Tontolo ary avy amin'ny alalan'i Kristy izay fahazavan'izao tontolo izao irery ihany no hazahoantsika famonjena.

ho an'ny XXX. Ny Katolika dia manaja an'i Masina Maria amin'ny maha-renin'i Kristy azy. Raha manambady ianao ry xxx, ny vadinao milaza fa tia anao kanefa mankahala ny reninao. Mety hahafaly anao ve izany? Ho anay Kristianina Katolika izay mpanara-dia an'i Kristy Jesoa dia, manaja ny reniny izahay satria raha tsy nisy Azy tsy nisy ny famonjena. Ny fanajana azy akory tsy hoe midika hoe manompo azy. Ary ny vavaka izay atao mikasika an'i Masina Maria dia vavaka ho fanajana Azy, ary fangataham-pahasoavana amin'i Kristy zanany avy amin'ny alalany. Tadidinao ilay fampakaram-bady tany Cana, izay ao amin'ny baiboly? Raha tapitra ny divay an'ireo mpampakatra, dia i M.Maria no niteny tamin-janany fa tsy misy divay intsony. Dia inona no nataon'i Kristy avy eo rehefa nangataka ny reniny?
22. diamondra27 ( 01/06/2007 18:11)
xxx: azafady fa nisy diso
tsy lakolosy le izy kay fa emboka

zany hoe: misy rojo iny de zavatra kely manetroka(azafady fa mifangaro)

de ao @ katolila koa moa le misarona voaly aloha vao mihinana le kominio sa tsy tao @ katolika?
sa olona sasa-tsasany ihany no manao iny?
De inona ny dikany?

misy tsy tadidy fa efa tena elabe daholo zany zavatra hitako rehetra izany no niseho ka aza omena tsiny raha misy diso ny filazako azy.
23. pissoa ( 01/06/2007 18:20)
xxx:
Maninona koa no miantsoantso an'i Maria kanefa hoy ny didy folo hoe aza miankohoka amin'izay sarin-javatra nataon'ny olona,

I Maria angaha sarin-javatra nataon'olona ?!
Sao TENA olona izy ry xxx ? Ary tsy olona toa anao, fa olona nofidian'Andriamanitra ho renin'ny zanany ?!

xxx:
ahona no mitoraka salut sady mandohalika foana isaky ny mahita ireny olomasina sary vongana eny amin'ny arabe ireny.Jesosy irery ihany no andoalihana sy iakohofana.

Miankina amin'ny ataonao rehefa mandohalika ihany io ! Raha mody mandohalika amin'i Jesosy ianao nefa feno fankahalana ny namanao ... misy dikany ve ? Ary raha mandohalika ianao rehefa mahita sarin'ny olona nanao tsara taloha dia mahatsiaro an'Andriamanitra hoe : "Endrey ny fitiavanao anay ! nomenao olona tsara fanahy toy azy ny taninay ... " inona no olana ?!

xxx:
Rehefa manodikodina iny saplet iny dia inona no ataoanareo?Aza manao vavaka lavareny koa fa nahoana no iny vavaka iny ihany no averimberina?

* Rehefa manodikodina saple izahay dia mivavaka no ataonay ! Tsy amin'ny saple akory sanatria, fa fitaritana anay fotsiny iny.

* tsy voafehin'ny hoe "Aza manao vavaka lavareny" ny Baiboly. Raha mahay Baiboly tokoa ianao dia tokony ho fantatrao fa tamin'i Kristy niaraka tamin'ny mpianany 3 tany an-tendrombohitra dia rendrika ny mpianatra ... ary rehefa niverina teo aminy i Kristy dia nanontany hoe niteny azy ireo hiari-tory mihitsy ary haharitra hivavaka ! Laaaaaaaaaava be anie izany vavaka + fiareta-tory izany e ! nefa izany no nagatahin'i Kristy tamin'ny mpianany !

* Ny Saple dia tsy "vavaka averimberina" fotsiny araka ny fahafantaran'i xxx azy. Misy zavatra dinihina rehefa manao ilay atao hoe "Raozery" (Rosary) izahay. Ohatra iray ity : amin'ny "Mistery Mampalahelo" dia ireto no dinihinay Katolika :
1 - I Jesoa Kristy miady aina ao anatin'ny tanimbolin'ny Oliva.
2 - I Jesoa Kristy kapohina mafy.
3 - I Jesoa Kristy satrohina fehiloha tsilo
4 - I Jesoa Kristy ampitondraina hazofijaliana ka lavo intelo.
5 - I Jesoa Kristy fantsihana amin'ny hazofijaliana ka miala aina eo.

Ohatra iray io ! Raha manana olana amin'ny handinihanay zavatra toy izao i xxx dia miala tsiny fa tsisy azoko atao aminy !
24. pissoa ( 01/06/2007 18:25)
Tohin'ny tenin'i xxx etsy ambony :
diamondra27:

De hono ho' aho : olona firy taona kay no mahazo mihinana iny mofo iny? De ahoana ny condition raha misy conditions


Conditions : Amin'ny Katolika dia tsy mofo no raisina fa Kristy ! Ka ankoatra ny voalazan' i xxx dia anjaranao ny mandinika hoe Ahoana ny conditions handraisako an'i Kristy ato anatiko ?!. Mendrika an'i Kristy ve izay toerana handraisako Azy ?
25. diamondra27 ( 01/06/2007 19:03)
pissoa:

Tohin'ny tenin'i xxx etsy ambony :
diamondra27:

De hono ho' aho : olona firy taona kay no mahazo mihinana iny mofo iny? De ahoana ny condition raha misy conditions


Conditions : Amin'ny Katolika dia tsy mofo no raisina fa Kristy ! Ka ankoatra ny voalazan' i xxx dia anjaranao ny mandinika hoe Ahoana ny conditions handraisako an'i Kristy ato anatiko ?!. Mendrika an'i Kristy ve izay toerana handraisako Azy ?

________________________________

ka izay ange no tsara amantarana sy hiresahana azy fa raha ohatra ahy t@izany fotoana izany de tsy mahalala na inona na inona , fa na dia izany aza dia tsy nihinana ilay mofo = vatan'i Kristy aho fa nanara-maso

26. diamondra27 ( 01/06/2007 19:08)
rehefa vita izany ny culte,
de ahoana no hanaovana ny ambin'ilay mofo sy le divay @ fiangonana katolika?

Ny tany @ protesta ze nalehako izany dia afaka ohanina le izy fa tsy tehirizina(satria mofo dipaina tapatapahina ilay izy sy ambina divay...)

Miala tsiny fa sao dia misy choqué fa zava-misy no lazaiko an!

raha tena le eokaristia iny le izy de tsy hanina kosa fa tehirizina...
27. niryna ( 01/06/2007 20:04)
Ny Mat 26:26-28 Ary raha mbola nihinana Izy,dia nandray mofo Jesosy ,ka nony efa nisaotra Izy ,dia novakiny ka natolony ny mpianatra,ary hoy Izy:Raiso ,hano,ity no tenako.Ary nandray kapoaka Izy ,ka nony efa nisaotra,dia natolona azy ka nataony hoe: Sotroinareo rehetra ity ,fa ity no rako,dia ny amin'ny fanekena izay alatsaka ho an'ny maro ho famelan-keloka.
Ny fanekena nomeny izany dia ny rany sy ny tenany
Raha ny mofo izany no tenany,ny divay no rany,ahoana toa mofo ihany no omena ny olona?
Fa ny divay tsy nomena?Sa efa nisy fiovana?
28. xxx ( 01/06/2007 20:27)

niryna: Velona Kristy. Ka raha olona velona dia tsy afaka misaraka ny nofo aman-drà. Izay mandray ny vatany dia efa misotro ny ràny koa.
Izany hoe: izay mandray ny Eokaristia (na dia ny mofo ihany aza) dia mandray an'i Kristy manontolo. Tsy ny vatana na ny ràn'i Kristy ihany no raisina amin'izay fotoana handraisana ny Eokaristia fa i Kristy manontolo mihitsy.

Ho amintsika hatrany anie ny fitiavan'i Kristy. Amen
29. xxx ( 01/06/2007 20:30)
de ahoana no hanaovana ny ambin'ilay mofo sy le divay @ fiangonana katolika?

Ny ambin'ny kominio dia apetraka ao amin'ny tabernakla. Io no tsahon'ny olona rehefa miditra ny fiangonana izy.

Hitombo ao amintsika hatrany anie ny fahalalana an'i Kristy. Amen
30. niryna ( 01/06/2007 20:32)
ramhors:

Ho Raha tapitra ny divay an'ireo mpampakatra, dia i M.Maria no niteny tamin-janany fa tsy misy divay intsony. Dia inona no nataon'i Kristy avy eo rehefa nangataka ny reniny?


Jaona 2:3-8Ary rehefa lany ny divay,dia hoy ny renin'i Jesosy taminy:Tsy manana divay izy.Hoy Jesosy taminy :Ravehivavy,moa mifaninona akory Izaho sy hianao?Tsy mbola tonga ny fotoako.Fa hoy ny reniny taminy'ny mpanompo:Ataovy izay asainy ataonareoAry nisy siny vato enina mahalany rano indroa na intelon'ny vata ary nipetraka teo ho fanadiovana arka ny fanaon'ny jiosy.Dia hoy Jesoy taminy:Fenoy rano ny siny.
Jesosy izany no nanao ilay fahagagana satria lany daholo ilay divay mahamamo(intoxicating drink ) ary noho ny fampisehoana ny fahagagana nataony koa dia nanova divay i Jesosy ary divay tsy nahamamo ilay izy fa divay vita amin'ny ranomboaloboka tsy misy fangarony(nonintoxication).
31. piste ( 01/06/2007 20:41)
Tsy mitovy ny concéption ny Eokaristia @ Katòlika sy Protestant. @ finoana katòlika , ny Eokaristia dia vatana aman-dran\'i Kristy @ endriky ny mofo sy divay. Izany hoe ny endriny ety ivelany dia mofo sy divay fa ny substance( ny maha-izy azy) dia efa niova ho vatana aman-dran\'i Kristy. Io no atao hoe : Corps sacramentale. Efa voalaza\'ny namana tao ambony tao moa ny référence @ Baiboly milaza izany. T@ sakafo farany moa no nanaovan\'i Kristy an\'io Eokaristia io. Noho izany rehefa misy ambiny ny Komonio nozaraina dia tehirizina ao anatin\'ny tabernakla.

Rah mamaly kely an\'i LD : tsy misaraka fa zavatra iray ihany ireo: Jesoa ihany ilay Teny( Soratra Masina) tonga Nofo( Izy tenany na ny Eokaristia.

Ho an\'ny Protestant dia manome lanjany kokoa @ ilay hoe Fanasana na fiaraha-misakafo @ i Kristy. Ka ho azy tsy misy fiovana na fa inoana fa ao anatin\'ny mofo sy divay i Kristy. Fa rehefa vita ny Fandraisana dia miala ao izy. Izany hoe tsy permanent ao izy.

Alohan\'ny andraisana komonio dia misy fianarana katesizy mandritry roa taona farafahakeliny raha ankizy. 3 hatr@ 6 a mois raha olon-dehibe. Antony dia mba hahafantaranao izay tokony hinoanao.


Ho an\'ny xxx : ny Katòlika dia mampiasa symbole be dia be @ fivavahana. Ka raha tsy manana izay notion de symbole izay ianao dia tonga dia mitsara am-bolony hoe : manompo sampy.
Ohatra fotsiny rehefa misy fananganan-tsaina dia manao jery atrika ny olona, ho fanajana ilay fanevam-pirenena. Ambadik\'izay dia masina ny tanindrazana ka mila hajaina.
Dia ohatra2 izay koa @ ilay fomba fivaavahana katòlika.
32. xxx ( 01/06/2007 21:27)
niryna
Jesosy izany no nanao ilay fahagagana satria lany daholo ilay divay mahamamo(intoxicating drink ) ary noho ny fampisehoana ny fahagagana nataony koa dia nanova divay i Jesosy ary divay tsy nahamamo ilay izy fa divay vita amin'ny ranomboaloboka tsy misy fangarony(nonintoxication).

Aza mamorona re ry niryna. Tsy misy milaza ao amin'ny Evanjely fa hoe: divay tsy mahamamo no nataon'i Jesoa na kely aza. Ny voalaza ao dia hoe: rano no novany ho divay, ary lasa tena divay tsara. Dia farito ny atao hoe: divay tsara.
Raha ny Baiboly ihany no jerena dia ahita ianao fa izay divay ela nihotrehena no lazaina fa tsara. Arakaraky ny hitehirizana azy anefa no mampahery ny divay. Noho Izany: ny divay tena tsara izany dia izay divay tena mahery.
33. xxx ( 01/06/2007 21:34)
Ilay hoe: Jesoa no nanao ny fahagagana dia ekeko. Fa ny tsy azo lavina koa dia hoe: i Masina Maria no niresaka sy niangavy azy, ary niteny tamin'ireo mpanompo hoe: ataovy izay rehetra lazainy anareo.

Ho amintsika hatrany anie ny Fitiavan'i Kristy. Amen
34. diamondra27 ( 01/06/2007 21:48)
de hono ho'aho: apetraka eo @ tabernakla le ambon'ny divay mandra-pahoviana? hafiriana
de tsy soloina mihintsy zany iny ve fa iandrasana ho lany sa ahoana?

ny divay any amintsika le etsy soavimbahoaka, raha vao miandry andro iray na le mafana be iny de mivadika an!
35. marozevo ( 01/06/2007 22:11)
Satria araka ny efa voalaza ao ambony ao, dia KRISTY VELONA no raisin'ny mpanao komonio, ary Kristy velona koa no apetraka ao amin'ny tabernakla. Ny ràn'i Kristy, amin'ny endriky ny divay, tsy apetraka ao, fa sotroin'ny mpisorona ho lany tanteraka. Ny antony dia io lazainao io.

Entre pa !... Mahafinaritra be ity sujet ity, saingy miparitaka be ilay hevitra fa hita ato daholo ny zavatra maro : Sorona Masina, Fanajana ny Eokaristia Masina, Chapelet, Statues sacrées, sns...

Ny mba hanampiako fotsiny, hanamafisako ilay voalaza momba ny Soratra Masina sy ny Sorona Masina, dia ity : Amin'ny fotoana fankalazana Sorona Masina, na lamesa, dia mizara roa ny fotoana ka ny voalohany dia fihainoana ny Teny mahavelona ary faharoa dia fandraisana an'i Kristy velona. Velomin'ny TENIN'ANDRIAMANITRA sy ny TENAN'ANDRIAMANITRA isika.
36. ikaretsaka ( 02/06/2007 03:26)
De hono ho\' aho : olona firy taona kay no mahazo mihinana iny mofo iny? De ahoana ny condition raha misy conditions

rehefa mahatsapa tena sy mino fa tena vatan\'i kristy tokoa iny mofo iny!

de hono ho\'aho: apetraka eo @ tabernakla le ambon\'ny divay mandra-pahoviana? hafiriana
de tsy soloina mihintsy zany iny ve fa iandrasana ho lany sa ahoana?

ny divay izay tsy lany manditra ny kominio dia sotroin\'i mompera, na diakra,ny mofo no atao ao anaty tabernakla ka
Aiza indray izany divay tsy mahamamo izany?

io indrindra manko, Misaotra an\'i marozevo
TENY +TENAn\' Andriamanitra no mamelona antsika.... fa tsy ny teny fotsiny
37. booboo ( 02/06/2007 11:10)
-Fa maninona no tsy mitovy ny lakroan'ny katolika romana sy ny an'ny katolika orthodoxe ? dia inona no dikan'ilay an'ny romana dia ny an'ny orthodoxe ?
38. diamondra27 ( 02/06/2007 11:25)
booboo:

-Fa maninona no tsy mitovy ny lakroan'ny katolika romana sy ny an'ny katolika orthodoxe ? dia inona no dikan'ilay an'ny romana dia ny an'ny orthodoxe ?


hay ve misy an'izany koa e!
tsara marina ity moha-hevitra ity izany fa ahalalana zavatra betsaka an!


39. diamondra27 ( 02/06/2007 11:33)
miresaka momban'ny lakroa ihany isika
hafa mihintsy koa ve ny lakroa fampiasa @ ireny fanaovana exorciste ireny sa ahoana?

Dia iza no olona voatendry mahazo manala demony aminareo katolika?

______________________________

za zao taloha nanome sary masina Maria de misy rano ao anatiny, fa faly be ilay olona nomeko azy, dia nilaza fa hoe: efa lany hono ilay rano voahasina.
De tsy maintsy mila makany Lourdes ve vao mahazo an'iny sa aiza no mety ahitàna azy?
________________________________

dia mbola tiako fantatra koa momba ny Saint rehetra fa misy dikany daholo izany aminareo
ohatra hoe: St-Benoît izao toa miao @ aretina sa ankizy izy izay tsy tadidiko
dia misy vavaka mihintsy aza tehirizina ...

Dia hitako t@ reportage koa fa misy Saint iray miaro @ lalana, izany hoe: nisy transporteur camion izay natao reportage de zay no teneniny hoe: tsy misaraka @ le Saint io izy , accrocher-ny @ retroviseur intérieur , fa miaro azy eny an-dalana hono iny

De mba azonareo lazaina koa ve ny momba ireo Saint rehetra izay fatanareo de lazaina hoe: ity miaro @izao sy izao?


40. diamondra27 ( 02/06/2007 11:39)
ity aloha misy blaogy iray fa miala tsiny fa mbola tsy voavakiko hatr@ farany izay voasoratra ao an!

http://harilova.blaogy.com/post/182/2966

:-*:-*
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2875