tsetratsetra tsy aritra

61. niryna ( 05/06/2007 04:45)
Misaotra anareo rehetra namaly fa mahaliana tokoa.
1-Efa nanontaniako ity fa tsy nisy namaly.Aty aminay dia misy fotoana milanja an'i Maria ny olona eo amin'ny valo eo satria mavesatra be ilay sary vongana.Nisy niteny tamiko hoe inona ilay daty.Tsy maninona izay daty satria misy karazany maro hoy ianareo.Rehefa misy valiny dia mahafaly.Milanja ilay sary Maria ry zareo hoy aho,dia mifatopatotra toa vakana ny vola hiambozonan'ilay sary.Inona no antony iny vola mikoriana eny amin'ny tany misampana betsaka iny,Feno ny manodidina ny tendany ary atao aiza iny vola iny rehefa avy eo.
2-Omaly koa aho nahita olona mitondra voninkazo ary mandohalika eo amin'ny sarin'i Maria mitomany be.Moa ve i Maria no resahiny hitarainany sa ahoana izy no mitomany mandohalika eo.Miantso an'Atra ve ianareo,sa miresaka sa ahoana?Mety misy hamaly hoe maninona izy no tsy nanontaniana.
3- Nahita article aho nilaza fa tsy misy ny Eksodosy 20:4-5 hono ny baibolinareo? Ny didy folo hono no zaraina?Marina ve izany?Mba teneno hoe raha marina izany?ary inona hono no mety ho antony.Ika mety mahalala tsara an'io.
Izao izany no voasoratra:Eksodosy 20:4--Aza manao sarin-javatra voasikotra ho anao,na ny mety ho endriky ny zavatra izay eny amin'ny lanitra ambony,na izay ety amin'ny tany ambany,na izay any amin'ny rano amban'ny tany.5-Aza miankohoka eo anatrehany ary aza manompo azy,fa Izaho Jehovah Andriamanitra, dia Andriamanitra saro-piaro ka mamaly ny heloky ny ray amin'ny zanaka ,hatramin'ny zafy sy ny zafindohalika,dia amin'izay mankahala Ahy.

Eksodosy 20:17Aza mitsiriritra ny tranon'ny namanao,aza mitsiriritra ny vadin'ny namanao,na ny ankizilahiny na ny ankizivaviny...
Marina ve izany fa io no nozaraina roa :
-Aza mitsiriritra.......namanao (didy iray)
-Aza mitsiriritra.......ny vadin'ny namanao (didy iray ihany koa)?
Misaotra mialoha
62. marozevo ( 05/06/2007 09:44)
LazaDaddy > Io mampifanohitra zavatra lava io no mahavoa anareo. Rehefa mitaraina amin'ny zokiny ve ny zandry iray, dia midika fa tsy mila ny rainy na ny reniny intsony mba hitarainana ?

Diamondra > Ie, izaho efa im-betsaka no tany Lisieux. Sarotra tantaraina, fa raha mahita fomba dia aleo mankany mihitsy. Ianao rahateo tsy lavitra.

Nyrina > Mahagaga ahy no nahitanao izany M Maria lanjaina sy miambozona vola izany raha tsy hoe teo akaiky dia akaiky teo ianao. Matoa anefa ianao teo akaiky dia akaiky dia anisan'ny nandray anjara izany ianao. Ka izao : Inona aloha no nanosika anao handray anjara tamin'io filaharam-be io?
63. LazaDaddy ( 05/06/2007 09:56)
marozevo> maro dia maro tokoa ireo mpanao ody varatra sy miaro amin'izatsy sy izaroa. Ny hita sy voarakitra an-tsratra dia maha-saro-piaro an'i Jehova andriamanitra avokoa ireny :)
64. Fiffi ( 05/06/2007 10:55)
"niryna":
3- Nahita article aho nilaza fa tsy misy ny Eksodosy 20:4-5 hono ny baibolinareo?
heu...ny baibolinareo ahoana aloha zany ? nga hono tsy TOKANA ny baiboly ?
65. marozevo ( 05/06/2007 11:38)
Mb Barbe mpiaro amin'ny varatra, fa tsy nisy nilaza teo hoe "mpanao ody varatra".
66. ari.malala ( 05/06/2007 11:57)
nyrina, tsy mivavaka @ Masina Maria ny katôlika, im-piry azavaina aza izany! :) tsy izy no ivavahana fa iarahana mivavaka, ary tsy ivavahana fa hajaina @ maha Renin'Andriamanitra azy.

Rehefa Baiboly ve ry nyrina tsy mitovy ny ao anatiny? eny e, misy mahasamy hafa azy aloha ny BAiboly katolika sy ny Baiboly protestant, dia ireo boky sasany hita ao @ voalohany fa tsy hita ao @ faharoa ,fa ny vontoatiny dia iray iany... noho izany raha ny fahalalako dia izay boky iraisana dia mitovy ny ao anatiny.

67. ikaretsaka ( 05/06/2007 12:26)
Niryna ny ahy misy ka:
toy izao ny vakiny
(azafady fa za miteny @ "teny tsy fantatra" aminao aho fa "teny latinina" no ily lazaiko amiko sy amin'izay mahalala :wink:):

non facies tibi sculptile neque omnem similitudinem quae est in caelo desuper et quae in terra deorsum nec eorum quae sunt in aquis sub terra
non adorabis ea neque coles ego sum Dominus Deus tuus fortis zelotes visitans iniquitatem patrum in filiis in tertiam et quartam generationem eorum qui oderunt me

Tsy mivavaka amin'i Masina Maria ny katolika fa mangataka amin'i Masina Maria hivavaka ho azy:
'Masina Maria renin'Andriamanitra, mivavaha ho anay mpanota..."

68. ikaretsaka ( 05/06/2007 13:16)
Omaly koa aho nahita olona mitondra voninkazo ary mandohalika eo amin'ny sarin'i Maria mitomany be.Moa ve i Maria no resahiny hitarainany sa ahoana izy no mitomany mandohalika eo.Miantso an'Atra ve ianareo,sa miresaka sa ahoana?Mety misy hamaly hoe maninona izy no tsy nanontaniana.
message


Miresaka mangina amin'Andriamanitra amin'ny alalan'i masina Maria izy sy miangavy azy hivavaka hiaraka aminy ka. Za koa mpanao an'io rehefa misy olana, dia tonga koa aho misaotra sy manatitra voninkazo satria tsapako fa tena niara nivavaka tamiko izy rehefa avy eo. Olona tsy fantatro tary aza andefasako thank you card rehefa nanao soa ahy, mainka fa...

Ary neken'ny nanorina ny fiangonanareo koa hatramin'izay ela be izay (1500 taona) ilay faran'ny fiapangan-tena" hoe: " fahotako izany fahotako lehibe... koa mihanta amin'i Masina Maria virijiny mandrakizay aho, amin'ny anjely sy ny olomasina rehetra, ary kosa am,intsika mianakavy, mba hivavaka ho ahy amin'ny Tompo andriamanitsika"
69. pissoa ( 05/06/2007 17:24)
3- Nahita article aho nilaza fa tsy misy ny Eksodosy 20:4-5 hono ny baibolinareo? Ny didy folo hono no zaraina?Marina ve izany?Mba teneno hoe raha marina izany?ary inona hono no mety ho antony.Ika mety mahalala tsara an'io.
Izao izany no voasoratra:Eksodosy 20:4--Aza manao sarin-javatra voasikotra ho anao,na ny mety ho endriky ny zavatra izay eny amin'ny lanitra ambony,na izay ety amin'ny tany ambany,na izay any amin'ny rano amban'ny tany.5-Aza miankohoka eo anatrehany ary aza manompo azy,fa Izaho Jehovah Andriamanitra, dia Andriamanitra saro-piaro ka mamaly ny heloky ny ray amin'ny zanaka ,hatramin'ny zafy sy ny zafindohalika,dia amin'izay mankahala Ahy.

Misy dia misy tokoa ! Ary ny didy VOALOHANY ao amin'ny Didy Folo (amin'ny Version Katolika) dia hoe "Izaho no Tompo Andriamanitrao :
1 - Ianao aza manana Andriamanitra hafa tsy izaho.
Manompo an'Andriamanitra ianao
Tiava azy amin'ny fonao manontolo
"
Voalaza mazava ny tsy hananana Andriamanitra hafa.

Heveriko fa tsy ny hananantsika sary hosodoko na sary sikotra no tsy tin'Andriamanitra fa ny hananantsika sary toy izany ka asolontsika Azy. Ny resaka "sary" tsotra fotsiny mantsy, dia avy amin'iza moa ny talenta ananan'ireny mpanao hosodoko sy mpanao sary sikotra ireny ? Tsy avy amin'Andriamanitra koa ve ? Toy ny "talenta" mety ho ananan'ireo mpitory tena lava resaka ihany io ! Ka rehefa mitory an'Andriamanitra sy ny Fitiavany ny sary vita noho ny talenta izay avy Aminy ihany, fahotana eo anatrehany ve ?

Miondrika : Amin'ny Katolika dia tena manan-danja tokoa ny "famantarana hita maso". Rehefa hoe i Jesoa no andoalihana dia mandohalika tokoa, fa tsy be resaka fotsiny hoe Jesoa no handoalihana nefa tsy mandohalika akory. Ary I Jesoa/Andriamanitra dia manerana fa tsy takon'ny sary. Ny sary izany dia nampatsiaro anao fotsiny an'ilay Jesoa Andriamanitra, hitarafanao ny Fitiavany sns, fa rehefa mandohalika sy mivavaka dia amin'Andriamanitra no miantefa. Tokony ho hitanareo fa ny Katolika dia tsy hoe misy sary foana eo alohany rehefa mandohalika izy, indraindray misy - indraindray tsisy ... satria tsy ny sary no antony handohaliany fa Andriamanitra.
70. booboo ( 05/06/2007 17:42)
-Fa maninona no tsy mitovy ny lakroan'ny katolika rômana sy ny an'ny katolika ortodoksa ? Inona no dikan'ilay an'ny romana dia inona no dikan'ilay an'ny ortodoksa ?

:oops: adinonareo foana mamaly ny fanontaniako
71. tywa68 ( 05/06/2007 17:59)
pissoa : =D
72. pissoa ( 05/06/2007 19:17)
booboo : tsy haiko ny valiny :oops::oops::oops:
73. tywa68 ( 05/06/2007 19:55)
booboo sy pissoa : io hono e

http://www.russie.net/orthodoxie/croix_orthodoxes.htm
74. Fiffi ( 05/06/2007 19:58)
[size=17]Fa maninona no tsy mitovy ny lakroan'ny katolika rômana sy ny an'ny katolika ortodoksa ? Inona no dikan'ilay an'ny romana dia inona no dikan'ilay an'ny ortodoksa ?[/size]

enganié ka ahazo valiny am-zay booboo sy pissoa :)

75. ari.malala ( 06/06/2007 06:59)
booboo:

-Fa maninona no tsy mitovy ny lakroan'ny katolika rômana sy ny an'ny katolika ortodoksa ? Inona no dikan'ilay an'ny romana dia inona no dikan'ilay an'ny ortodoksa ?

:oops: adinonareo foana mamaly ny fanontaniako



http://seigneurjesus.free.fr/symboleschretiens.htm ao aky booboo no misy ny valny a! mazotoa mamaky e!
76. marozevo ( 06/06/2007 07:44)
Amin'ny ankapobeny dia mitovy ihany ny Lakroa : Une ligne verticale et une autre horizontale. Ny fahasamihafany dia ny décor sy ny théologie ambadik'io décor io. Lava sady sarotra be raha io no hazavaina eto, fa diniho fotsiny io site atolotr'i ari.malala io.

Ohatra matavy tapaka : Inona no mahasamihafa ny Fiara renault sy ny fiara peugeot.
77. diamondra27 ( 06/06/2007 13:08)
ity indray izany misy fanontaniana hafa:

inona no tena hevin'ilay hoe "karemy" ny olona sasany manko dia mandika fa tsy fihinanan hena io andro io, sns ka tena te-hahalala ny marina momba ny heviny aho

inona no hatao @izany fotoana izany dia hafiriana

any @ protestant manko misy hoe: fifadian-kanina ...
78. marozevo ( 06/06/2007 13:14)
Raha tsy diso aho dia efa nisy dinika lava dia lava mikasika ny Karemy tamin'ny herintaona. Ary tsaroako fa samy nandray anjara tao daholo ny Andriankevitra sy ny Andriantsaina rehetra. Ka tena ilaina ve ny mamerina azy eto ?
79. diamondra27 ( 06/06/2007 14:01)
asio liens fa za zany tsy namaky ilay izy matoa za mbola mametraka le fanontaniana

miala tsiny indrindra ô!
80. ari.malala ( 06/06/2007 14:15)
toa tsy tamin'ny herintaona akory aza fa toa t@ Paka farany teo no nisy resaka momba an'io teto ko! ndraso jereko dia alefako raha hitako.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1821