Niova ho kristiana aho:Vavolombelona!!!

1. niryna ( 20/05/2007 14:16)
Ny fijoroana ho vavolombelona an'i Krsity no tena zava-dehibe ho an'ny olona eran-tany.Ahoana moa no ahafantarany fa misy i Kristy raha tsy nahita ireo olona nanaraka Azy izy ireo.Mandehana mitory ny filazan-tsara hoy ny Tompo Kristy.Ity sehatra ity izany dia fijoroana vavolombelona ho an'izay nahita fahasoavana,fahoriana,fijaliana,fahasitranana,famonjena ,fangataham-pitahina,famotehana nataon'ny satana ka afaka ny gadrany,finoana tsy marina ary dia niova nitady ny tena atao hoe Kristy.
Afaka mitantara daholo isika ny fihovana teo amin'ny fiainantsika ka nahatonga antsika hiantso antsika hoe kristiana na mpanara-dia an'i kristy.
Narary ny zanakao, nivavaka ianao? Voavonjy izy,nanana fotoana ianao nisaorana Azy:arrow:vavolombelona izay.

Mafy ny fiainana noentinao ,tsy nisy zavatra nosarangotina ,nivavaka ianao,tonga ny havana nanatitra sakafo(fiainan'ny pasitera any ambanivohitra io):arrow:vavolombelona izay.

Mafy nataon'ity olona ity taminao,tsy zakanao ny hamela azy?Niezaka anefa ianao nanao izany:arrow:vavolombelona izay.

Voadonan'ny fiara ny vadinao,tsy nisy vola tao an-trano,niditra hopitaly izy,na ariary aza tsy nisy,nanana eritreritra ianao ny hiantso ny havana lavitra,tonga ny sakafo,vary ,tsaramaso,vola avy lavitra nampananterina.Nigogo nitomany ianao fa tsy nanampo:arrow:vavolombelona izay.

Antsika rehetra ary no milaza ny fitiavan'i kristy ka nahatonga hiantso ny anarany,hisaotra Azy, ary hijoro ho vavolombelona hanampy ny namana rehetra.

(l)niryna
2. rush ( 20/05/2007 14:34)
"niryna":
Voadonan'ny fiara ny vadinao,tsy nisy vola tao an-trano,niditra hopitaly izy,na ariary aza tsy nisy
inona ary ty?fa iza no hirian'i niryna ho tahaka izao?
3. xxx ( 20/05/2007 14:37)
Mpandefa : xxx [ Valio ] 19-05-2007 15:18:24
Lohateny : Re : Baiboly/sary:mahaliana-faly-diso?-anao ny safidy!!!

nyrina: mba asio fandinihana ihany ity resaka finoanao ity fa lasalasa ihany anie ianao izao e: manaratsy aloha, mankahala avy eo, mandainga koa, ary ny farany dia hanozona mihitsy...

Mianara manao fandanjalanaja (discernement de l'esprit) hahalalanao tsartsara kokoa hoe avy aiza marina izany hevitra na teny tonga ato amiko izany, avy amin'ilay ratsy fa avy amin'Andriamanitra? Tsy ampy mihitsy ny ilazana fa avy amin'Andriamanitra n zavatra iray satria milaza izay ao anaty baiboly.
4. tslem ( 20/05/2007 15:13)
zah manokana aloha mba te hihaino ny fijoroana vavolombelon'i niryna e, mba tantarao hoe ? :P
5. ikaretsaka ( 20/05/2007 18:37)
Misy karazany roa aloha amiko ny fijoroana vavolombelona.

-ny karazany voalohany dia ilay manao hoe ohatran'izao sy izao ny fiainako taloha dia hatramin'izay naha (. . .) anahako izay dia lasa ohatran'izao tokoa!
ny olona marivo salosana sy olon'ny fo sy le mora voasarika (misaina superficiel) no mora tratran'io !
--> io amiko ilay lasa manao religion publicitaire ary mahazo ny olona tsy ampy spirituality! ny antony dia tsy misy hafa amin'ny hoe za taloha nanao kiraro Bata dia izao lasa kiraro aigle d'or izao 8)8)
amiko dia samy manana ny fanomezam-pahasoavany ny tsirairay, ary ny nety t@ ndRabe tsy voatery ho mety @ nRakoto. Mety @ fomba hafa mihitsy ny fisehony!
Na i Jesoa aza dia samihafa ny fisehony t@ Piera sy Paoly sy ny apostoly tsirairay! izay ilay maha samihafa ny olona!

-ny karazany faharoa dia ilay tsy ankiteny fa mampiseho fitiavana fotsiny eo anivon'ny fiaraha monina: mampiseho fihetsika feno fitiavana izy na amin'ny fomba fiainany na fisainany, tsy mila miteny be, fa amin'ny asa vitany no itarafan'ny olona azy sy ahitan'ny olona ny Maha Kristianina azy: ohatra velona ry Mere Teresa sy ry mopera Pedro,sy ry Abbe Pierre. Tsy nahita an'ireny naka baiboly sy nitsipona sy nitabataba teny Analakely aho na tany an-tsenan'i Calcutta na teny an-tsenan'i Paris hoe ohatran'izao izy taloha dia lasa zao, fa ny olona no mahita azy moramora eny sy ny Endrik'i Jesoa any aminy sy ny (n)ataony, dia misaina ilay olona, dia tonga saina ho azy, dia voasarika... dia miova!

Ilay faharoa amiko no tena vavolombelona!
6. xxx ( 20/05/2007 18:51)
Ny tena tsy izy koa dia ohatran'ilay nolazain'i nyrina hoe: izaho aloha tsy mbola nahita fa misy hono zany, nefa rehefa avy eo dia sahiny indray no milaza fa afaka mijoro vavolom-belona hoe izy. Mba mahavarina sy mahagaga.
7. rakaroka ( 20/05/2007 20:01)
Dia mitovy fijery @ Ika mihitsy aho!=D^:^^:^
8. rush ( 20/05/2007 20:20)
hatraty koa io!misaotra anao ry Ikaretsaka!mbola azo ampiana hiany koa ary io hoe tsy ilay fisehosehoana hoe izaho nitory tary am-pianarana tary sns fa on se fait tout petit rehefa manao zavatra @ fahamarinana!
9. nikopol ( 20/05/2007 20:36)
hitambaranareo kosa i nyrina ! tena tsy matahotra an'andremanitra mintsy nareo reto
10. xxx ( 20/05/2007 20:36)
"niryna":
ka miaraka amin'ny namana izay azo antoka,ny sinoa sy ny karana no betsaka manao an'io.Ny gasy,sarotra ihany fa misy tena ratsy saina na havana izao aza
:evil::evil::evil:
11. niryna ( 20/05/2007 21:51)
rush:

"niryna":
Voadonan'ny fiara ny vadinao,tsy nisy vola tao an-trano,niditra hopitaly izy,na ariary aza tsy nisy
inona ary ty?fa iza no hirian'i niryna ho tahaka izao?

Vakio tsara ny sujet.Fijoroana vavolombelona.Afaka mijoro koa ianao.
Zavatra niantra tamin'ny olona daholo ireo,nahatonga ny olona nanantona ny Tompo.
rush:roll::D:D


12. niryna ( 20/05/2007 22:01)
xxx:

Mpandefa : xxx [ Valio ] 19-05-2007 15:18:24
Lohateny : Re : Baiboly/sary:mahaliana-faly-diso?-anao ny safidy!!!

nyrina: mba asio fandinihana ihany ity resaka finoanao ity fa lasalasa ihany anie ianao izao e: manaratsy aloha, mankahala avy eo, mandainga koa, ary ny farany dia hanozona mihitsy...

Mianara manao fandanjalanaja (discernement de l'esprit) hahalalanao tsartsara kokoa hoe avy aiza marina izany hevitra na teny tonga ato amiko izany, avy amin'ilay ratsy fa avy amin'Andriamanitra? Tsy ampy mihitsy ny ilazana fa avy amin'Andriamanitra n zavatra iray satria milaza izay ao anaty baiboly.


Tsy voatery hanaraka ahy ianao,avelao ny olona hihaino sy andray,io anie no niteneniny sasany e,toa tsy misy resaka fivavahana fa inona ihany ary izy ity,na miaraka an'i kristy isika na tsy miaraka aminy.Mampalahelo ianao,nefa tsy maninona fa afaka mihaino ny vavolombelona hijoroako ho ahy sy ho an'ny olona maro beeeeeeeeeeee.^:^^:^^:^^:^(l)(l)(l)(l)

13. niryna ( 20/05/2007 22:44)
ikaretsaka:


ny olona marivo salosana sy olon'ny fo sy le mora voasarika (misaina superficiel) no mora tratran'io !
--> io amiko ilay lasa manao religion publicitaire ary mahazo ny olona tsy ampy spirituality! ny antony dia tsy misy hafa amin'ny hoe za taloha nanao kiraro Bata dia izao lasa kiraro aigle d'or izao 8)8)

Marina tokony ny tenin'i xxx,tsy misy resaka fivavahana tokony ny an'ireo olona manana fahalalana spiritual tsy manome antsika fa mitsikera sy mamadika resaka tokony.
Aiza izay fijoroana vavolombelona eo:roll::roll:maty aho ry ikaky o

Lohateny : Re :xxx Baiboly/sary:mahaliana-faly-diso?-anao ny safidy!!!
Mijereva tokony fa tena mora sy mazava ilay an'i niryna sy ny an'i pissoa.
Ilay nanoro voahana mikasika ny dadabe noely ny ahy no tiako.Ilay hoe iza marina moa Jesosy ,izay vao mazava amiko,saika kenda ihany aho aloha fa teny anglisy hay nisy fanazavana tamin'ny teny frantsay.
Ary ireo olona tsy mety mijery sy manda ny hijerevan'izao tontolo izao ilay sita
Tsy mba mitori-teny milaza an'i Jesosy mihitsy e.
Toa hovainy foana ny sujet na mody taritiny any amin'ny zavatra hafa foana izahay
Toa toheriny daholo izay mamporisika ny hanantona an'i Jesosy?
Fa inona tokony aloha no tena hivavahanareo sy tena hinoanareo e.Ahoana marina no tena paikanareo ireo
Tena zavatra misitery amiko ity ry zanako
.

xxx > misaotra fa hay ianao nahatsikaritra izany,izay aho vao niverina namakafaka,tsy izaho irery aloha no nataony sy ataony toy izao e.Ary tsy mahagaga fa ny tranoko hoy Jesosy natao ho tranon-dRaiko kanefa ataonareo ho trano fivarotana.Toy izany ihany koa ato izao,ataony misavoritaka ny olona,avadiny ny sujet,hampangotsohany sy ataony izay ahatezitra ny sasany.Raha manaraka an'i Kristy ry zareo tsy hanohitra ny teny omena ny olona mikasika an'i Krity.Toa tsy mbola naheno tokoa aho na iray aza hoe mibeba,manantona an'i kristy fa izy irery ihany no afaka mahavonjy antsika:roll::roll:Misitery tokoa izy ity:roll::roll:=))=))=)).
Avelao ny vahoaka no ahita fa ny ahy tsy maintsy alefako ihany,eny tsy manana fahalalana mitovy ny anao milaza ho fifohazana ahy,saingy izay fahasoavana nomena ahy maimaipoana no ho zaraiko sy hijoroko-vavolombelona,raha resaka finoana an'i Tompo kristy dia afaka mifandahitra aminao aho amin'ny Baiboly satria ny ao anaty Baiboly ihany no resahiko.8-)8-)
"May God always bless you and give you strengh.Trust in the Lord with all your heart,do not lean on your own understanding,in everythings you do,acknwoledge Him and He will give your path straight."Homba anao mandrakariva anie ny Tompo ary hanome anao tanjaka ara-pinoana.Mahatokisa Azy amin'ny fonao rehetra,aza miankina amin'ny fahaizanao,amin'izay zavatra rehetra ataonao dia ankihino Aminy fa Izy(ny Tompo kristy) no hanitsy ny dianao."
(l) always niryna
14. cutie ( 20/05/2007 22:54)
ny ahy njay ry Niryna tsy le we mijoro vavolombelona we mpanara dia an'i krisy ty za, fa ny ijoroako vavolombelona raha hijoro koa aza za de ny fisian'Atra e :lol:
15. niryna ( 20/05/2007 23:39)
"niryna":
Voadonan'ny fiara ny vadinao,tsy nisy vola tao an-trano,niditra hopitaly izy,na ariary aza tsy nisy

dia ny tohiny tsy notenenin'i rush fa notapahiny mba tsy hisy dikany:roll:kanefa ho vakian'ny olona.:?:
Izay vavolombelona rehetra ho tantaraiko anareo eto dia sahiko hijoroana fa marina daholo.Ny anarana no mety tsy omeko ka ataoko xxx.Raha misy moa namana manana tantara mitovy izany dia aza menatra fa izay no antony hiarahan-tsika eto.Aza kivy fa maro no miteny izany hoe tsy zakany ny vavan'ireo mpanan-korontana.Isika rehetra no samy mahalala fa na miaraka an'i Kristy na tsy miaraka aminy.Anareo no misafidy,raiso izay fantatrareo fa tsara.(l)niryna.

Izao ary no tohiny,tsy nisy azo raisina tao an-trano,nitomany izy mivady,nandohalika ramatoa nigogogogo niantso an'Atra,nomen'ny Tompo hery hiantso anay mivady izy (ramatoa vadiny) ,efa maina kely,tsy nihinan-kanina nandritra ny roa andro noho ny adi-tsaina:cry:.Niantso fianakaviana iray izahay,nasaina novidiany daholo izay sakafo,izay fantatray fa ho ampy azy mianakavy(tsy mba fiteny ny manao soa fa miala-tsiny aho, manosika ahy hitantara ny olona tsy mino sy manao tsinotsinona ny Tompo no nahatonga ahy hiteny io),ny hopitaly,ny fandidiana ,izay in-droa.Na tanana na tongotra samy nasiana vy daholo.Nasainay nanatitra ilay sakafo ihany koa izy ary hakory ny hafaliany nifangaro ranomaso:!::roll::D:D(izay ataonareo amin'ireny madinika ireny hoy ny Tompo no efa nataonareo tamiko koa),tsy takatry ny eritreritra hoy izy sady mbola nitantara ahy ihany izy ny valim-bavaka nomen'ny Tompo ahy,ary ny tena tsy nampoizina dia afaka mandeha tsara ,tsy nila tehina intsony ilay olona,ny dian'ny fandidiana azy fotsiny no hany hitako,toa tsy olona nalemy ,tsy afaka nivoaka,tondrana tavimandry eo ambonin'ny fandriana,vita ny fiainako hoy izy(diso fanantenana tanteraka izy mivady,ny ankizy anefa mbola kely).Nifamihana izahay mianaka ary samy nitomany.Manana ve aho,tsia,izay kely nananako no nanavotako ny ain'ny olona.Inona no niafarany?Nandritra ny fotoana nijanonany tany amin'ny hopitaly izy mivady dia namaky baiboly ary tena nivavaka ,nanankim-po tamin'ny Tompo.:D^:^ Ho Azy irery anie ny voninahitra.Anisany iray fijoroako vavolombelona ihany koa io ry rush.^:^^:^^:^
Mahafinaritra hoy aho mandrakariva ny manome noho ny mandray.Raha manana ianao tsy ho voatery ho vola ihany,ny fahasoavana nomen'ny Tompo ho ahy ahafahako mizara ny olona ry rush dia efa hijoroako vavolombelona ihany koa,eny fa tsy tianareo rehetra mpanohitra an'i Tompo izany.Tadidio anefa fa vahoaka sesehena no mijery ato ary maro no mangetaheta sy te-hanantona ary te-ahalala ny Tompo.
Mametraka vain'afo eo an-tampon-doha ny manohitra ny Tompo.Ahoana moa no ahalalana Azy raha tsy misy ny mitory Azy.Aleo tsy miteny toy izay miteniteny foana.
(l)niryna
rush:


inona ary ty?fa iza no hirian'i niryna ho tahaka izao?

Fijoroana vavolombelona io ary zavatra niantra tamin'ny olona ry rush kely a.

Hoy xxx
Mijereva tokony fa tena mora sy mazava ilay an'i niryna sy ny an'i pissoa.
Ilay nanoro voahana mikasika ny dadabe noely ny ahy no tiako.Ilay hoe iza marina moa Jesosy ,izay vao mazava amiko,saika kenda ihany aho aloha fa teny anglisy hay nisy fanazavana tamin'ny teny frantsay.
Ary ireo olona tsy mety mijery sy manda ny hijerevan'izao tontolo izao ilay sita
Tsy mba mitori-teny milaza an'i Jesosy mihitsy e.
Toa hovainy foana ny sujet na mody taritiny any amin'ny zavatra hafa foana izahay.
Toa toheriny daholo izay mamporisika ny hanantona an'i Jesosy?
Fa inona tokony aloha no tena hivavahanareo sy tena hinoanareo e
Ahoana marina no tena paikanareo ireo
Tena zavatra misitery amiko ity ry zanako

Io koa misy iray,marina tokony ny tenin'i xxx,avadiny tokoa ny sujet.
Avelao ho hitan'ny olona eo ny marina.Mbola maro ary tsy ho voatanisa ny vavolombelona ho resahiko eto.Tsy ho voatery amin'ny fiainako irery akory fa maro ireo olona mijoro ho vavolombelona fa Andriamanitra dia velona, mamaly vavaka ho an'izay TENA MANANTONA AN'I KRISTY IRERY IHANY /ANDRIAMANITRA.
Te ahazo valim-bavaka ianao,manantona azy,raha olona aman'alinalina,aman'etsy,tsy voahisa na vitsy aza ny kristiana eran-tany,dia tsy maintsy hisy hijoro vavolombelona foana ka izany no omena hery ho antsika
.:PLohateny : Re : rush Baiboly/sary:mahaliana-faly-diso?-anao ny safidy!!!
sady mankaleo e!dia aza asiana an'ityity fa rrrrrrr!

Raha manana fitiavana ianao dia mizara fitiavana,leo hono izy amin'ny fitiavako azy.Tiava ny fahavalonao,hoy Jesosy .Raha ny olona tianao ihany ve no tiavinao, inona no mahasamy hafa anao an'ny tsy mpino?
=))=)) mankaleo hono kanefa izy manaraka ahy,manohitra ny fivavahana,mankahala an'i Kristy,tsy fantany sy tsy tsampany mihitsy fa tsy izaho anie no enjehiny fa Jesosy Kristy nampianatra ireo mitory ny vaovao mahafaly ho an'ny olona e.Hitako izy no tsy faly fa leony:*:* Omeko biz'oroka ihany izy na izany aza.
I(l)U my dear friend rush.:*:*:*
16. ikaretsaka ( 20/05/2007 23:57)
Niryna> aza raisina santimaka hoa ilay izy fa raiso @ fo madio sy ny saina tsy miangatra! ary fijery tsy feno fanatisme: ary tsy misy manenjika anao mihitsy eto sanatria fa manitsy ny fijerinao zavatra sasany @ fomba mivilana fotsiny ary manome fanamarihana sy fanazavana momba izany!

Raha raisinao ho fitsikerana sy famadihandresaka izany.. tsy maninona! raha izay no mahasalama anao!

Ny fijoroana vavolombelona amiko dia tsy misy idirany @ resaka fivavahana loatra fa resaka publicite (izay no antony nanitsiako azy)

Voalohany indrindra: ny fivavahana amiko http://ikaretsaka.blaogy.org/
Diniho sy fakafakao ny voalazako tary ambony io : raha resaka hoe mivavaka sy ny sisa dia tsy ny fitantarana izany loatra no important fa aferanao sy Andriamanitra izany, Ankafizo milamina ao @ mangingina hoy ny Tompo!
17. diamondra27 ( 21/05/2007 00:10)
holazaiko ny ahy:

izaho dia tsy naninona tsy naninona fa natsoina tsotra mba hanompo ny Tompo. Voaantso. Tsy nisy aretina , tsy nisy maty , tsy nisy fahavoazana , tsy nisy zava-dratsy t@ fianakaviako na fiainako.
Nisy fety concert nataon'i GBT Groupe Biblique des Travailleurs tany @ faritra nonenako dia tao @io concert io za no nanolo-tena t@ 1982.
io fikambanana io dia tsy mitaona anao hifindra finoana fa kosa mba hanananao tombony kely aty ivelany toy ny fiaraha-mivavaka isaky ny talata sy sabotsy , misy seminera narahaina ihany koa, arakaraka ny programme.Dia nisy fihaonana ny GBT tao Tanà miaraka t@ GBT ny provinces dia vao maika nampavitrika be ny famonjena ny fivoriana satria misy objectifs...(hoe: hanao an'izao sy izao @ izao daty ary ananona)

Dia nandeha ny andro sy ny volana dia lasa mpikambana mpitory ny filazantsara miaraka @ FMBM aho isaky ny vacances miaraka @ fiangonana nisy ahy.
Tao anatin'izany dia nahita cultures sy tanàna maro isankarazany ary fari-piainan'olona tsy mitovy...
Mandeha dia-tongotra lavitra be mihoatra ny havoana 3...
Be de be ny olona tsy nahalala izany atao hoe: iza i Kristy?
izahay moa izany dia nofanina mba hitory ny famonjena fa kosa rehefa mody izahay dia ny pasitera sy ny mpiangona ao no manohy ny asanay...
Tena nafana fo be t@izany fotoana izany satria na dia recréation na misy fotoana dia mitory foana...

De nandeha ny andro sy ny volana, mbola tsy nisy olana : fianarana aloha dia misosa tsara @izany e!
fa nony tonga tany @ Université no nisy indro kely satria mihamazana ilay fianarana dia tsy manampotoana betsaka intsony hitoriana.

De manomboka @izay ny fakampanahy sy ny fitsapana...
18. diamondra27 ( 21/05/2007 00:18)
Tonga taty France indray de be dia be ny fahasoavana azo sy zava-mahagaga hita.
Tao ihany koa anefa ny atao hoe: " ao anatin'ny mangidy no misy ny mamy"
rehefa manakina ny fiainana @ Atra ka matoky azy hatr@ farany dia tsy maintsy tahiany foana @ andro sarotra.
Tena t@ fotoana noheverina fa tsy misy issue iny intsony Izy no tonga namonjy ahy.

Aza kivy fa mahareta @ fivavahana e!


19. niryna ( 21/05/2007 00:51)
Ho maro ny olona hanohitra ny Tenin'ny Tompo ary tsy hanaiky ny hijoroako na ianao ho vavolombelona.Araho ny tantara rehetra ato amin'ny fivavahana dia ho hitanao izany.Aza kivy anefa fa mivavaha ary mangataha amin'ny Tompo hery sy ny Fanahy Masina anoro lalana antsika rehetra.Raha kivy ianareo dia manaiky ho resin'ny fahavalo.Fahavalo tsy manankery,fahavalo mandeha any amin'ny farihy mirehitra afo.Na isika miaraka amin'ny Kristy dia manaraka sy manantanteraka ny asany sy ny didiny na..aleo ry zareo no hanohy ny fanoherany.
** Ny Baiboly irery ihany no ampinga hoentina miady ny fahavalo,na inona izany na inona.**

ikaretsaka:

ny olona marivo salosana sy olon'ny fo sy le mora voasarika (misaina superficiel) no mora tratran'io !

Io koa mbola misy iray.:roll:Satria ry zareo nandalina ny fivavahany kanefa tsy sahy milaza azy ato dia manasa ny sain'ny olona.Avelao ny olona no hitsara fa ela izay nanaovanareo tsinotsinona ny tenin'ny Tompo izay.Marina aloha izany fa vao nanomboka mihitsy ny fivavahana ka hatramin'izao.Izaho izay kely sy bitika ity ve moa dia ho ampy ho tsofinareo efa nandalina lalina dia lalinnnnnnnnnaaaaaa:lol::lol:
ikaretsaka:

niryna> tsy izay boky manambara sy mitantara ny ao anaty baiboly akory dia izy aby.

Toa tsy manana boky hono ny mpampianatra fa ny mokon-dohany fotsiny no nataony sy nampianarany e,dia tsy mahazo mamaky bokin'ny fivavahana intsony indray izany ry ireto a.OOpsss ,hay moa izy efa nilaza fa tsy izay ao anaty Baiboly ihany akory no tsy ....Tsy voatery sy tsy ilaina ny fianarana ny Baiboly hoy ihany koa izy.Ahoana tokoa re izany e.Avy amin'ny fihainoana no ahalalana ny marina,ny maso mijery, ny sofina mandre,ary ny finoana dia ao amin'ny fo.Izay avoakan'ny vavanao no ao am-ponao.

: xxx
Lohateny : Re : Baiboly/sary:mahaliana-faly-diso?-anao ny safidy!!!
Mijereva tokony fa tena mora sy mazava ilay an'i niryna sy ny an'i pissoa.
Ilay nanoro voahana mikasika ny dadabe noely ny ahy no tiako.Ilay hoe iza marina moa Jesosy ,izay vao mazava amiko,saika kenda ihany aho aloha fa teny anglisy hay nisy fanazavana tamin'ny teny frantsay.
Ary ireo olona tsy mety mijery sy manda ny hijerevan'izao tontolo izao ilay sita-
Tsy mba mitori-teny milaza an'i Jesosy mihitsy e.
Toa hovainy foana ny sujet na mody taritiny any amin'ny zavatra hafa foana izahay
Toa toheriny daholo izay mamporisika ny hanantona an'i Jesosy?
Fa inona tokony aloha no tena hivavahanareo sy tena hinoanareo e.Ahoana marina no tena paikanareo ireo
Tena zavatra misitery amiko ity ry zanako.


Dia io misy manodina kiraro io indray izy ry xxx :roll:,tsy mbola nangataka aho hoe vakio ity boky ity na vidio ity boky ity,izaho aza manome fotoana hitoriko sy hilazako ny olona hanantona an'i Jesosy sy hivavaka ary hanankina ny fiainany amin'i Jesosy.Aminy irery,tsy amiko,tsy amin'ny hafa,AMIN'I JESOSY IRERY"
Hoy ny hirao^o Jesosy irery ihany no filazantsara soa,NY ANARANY IRERY NO FANAVOTANA,ny olona rehetra NO ANDOHALIKA AMINY,ety an-tany ka hatrany an-danitrao^o

ikaretsaka:

-> io amiko ilay lasa manao religion publicitaire ary mahazo ny olona tsy ampy spirituality! ny antony dia tsy misy hafa amin'ny hoe za taloha nanao kiraro Bata dia izao lasa kiraro aigle d'or izao 8)8)

Mino sa tsy mino an'i Kristy no resahina ary tsy maheno azy ireo mihitsy ahy hoe manantona an'i kristy.Tena misaotra anao aho ry xxx fa nahalasa saina ahy tokoa izany,tena tsy misy tokoa ao k'ty.
Toa lasa publicitaire hono .Eny manao publicite an'i Tompo Kristy aho.=D=D. Toa lasa kiraro aigle d'or indray izy ity ry xxx:b:b,mahatonga saina mihitsy ny teninao hoe havadin-dry zareo foana ny sujet.a.Marina sady mazava be ny teninao,misy fanoharana foana,fa tsy mitovy ny ao anaty baiboly fa mivoana any amin'ny hafa foana tokoa e.


ikaretsaka:

ny karazany faharoa dia ilay tsy ankiteny fa mampiseho fitiavana fotsiny eo anivon'ny fiaraha monina: mampiseho fihetsika feno fitiavana izy na amin'ny fomba fiainany na fisainany, tsy mila miteny be, fa amin'ny asa vitany no itarafan'ny olona azy sy ahitan'ny olona ny Maha Kristianina azy:


Tsy ankitenitenin'irain'isambilo izany hono izy ity e.Tsy mahazo torina na adera ny fijoroana vavolombelona.Ahoana no hampitomboanay ny finoanay raha mangina tsy misy fihovana ny fiaiananay amin'ny maha kristiana,nandray an'i Jesosy,nanome ny fiainana an'i Jesosy.Inona izany no maha-samy hafa ny mino sy ny tsy mpino rehefa mitovy ihany8O8O:?:

Hoy ny Tompo(Jesosy kristy) hoe mandehana ianareo amin'izao tontolo izao dia mitory ny filazantsara.Atao any ambany ondana izany ilay izy fa tsy mahazo torina.Anjaranareo no mitsara.
ikaretsaka:

oTsy nahita an'ireny naka baiboly sy nitsipona sy nitabataba teny Analakely aho ....(n)ataony, dia misaina ilay olona, dia tonga saina ho azy, dia voasarika... dia miova!

Tsy mahazo mitory ny filazantsara izany na maka Baiboly hono e,hay tokoa moa tsy mahazo mamaky Baiboly ny olona,sa tsy mahazo nampianarina Baiboly?Fa ahoana tokoa,mba valio hoe raha tsy mahadiso?8-)




20. niryna ( 21/05/2007 01:13)
Bjr daholo.Dia mitohy indray ny fijoroana vavolombelona;
Maro ny manembatsembana hoy aho,ireo hitanareo ireo izy.Mitarika sy mitaona ny namana any amin'ny sujet hafa sy tsy misy hidiran'ny fijoroana8O:D:D
Aza kivy ,aza ketraka fa izay maharitra hatramin'ny farany ihany no ho hovonjena.Soa ihany fa nisy an'i Jesosy hianteherana,ahoana tokoa moa no nahazo raha tsy nisy Izy?Misaotra Azy aho noho ny fitiavany ahy sy ianao.(l)(l)(l)

hoy xxx:" Tsy nampoiziko hangirana intsony ny fiainako"
Vao mbola kely aho dia efa nijaly,niady foana dadanay sy neninay,noho ny fijaliana nahazo ny neninay dia nisaraka izy,itako nijaly neninay dia nanampy azy aho,mbola te-hianatra anefa aho,nanana hetaheta ny hamaly faty ny dadako aho kanefa inona moa no tombotsoa azoko amin'izany?Niantso vonjy tamin'ny havako aho,tsy nampoiziko hamaly ahy izy ireo,tsy nampoiziko hisy masoandro mihiratra intsony ny fiainako,noho ny vavaka izay nataoko dia fantako fa tsy misy tombotsoa ho ahy ny hamaliako-faty ny raiko,ny fampianarana nomeny ahy dia hoentiko hiatrika ny fiainako,tsy tsara hoy izy(mpanampy ahy amin'ny fiainako amin'izao fotoana izao)ny mamaly faty ny ratsy,tsy anao ny famaliana hoy izy fa an'ny Tompo,ny mivavaka ny raiko hoy izy no tokony hataoko mba hamela azy aho,ary mba ho voavonjy ny fanahiny.
Misaotra ny Tompo aho fa mbola nomena anjara-masoandro,mbola nisy fahazavana indray ny fiainako ,ary dia nomeny olona aho hiantoka ny fianarako,nanome hery ahy,nampianatra ahy ny mivavaka ny fahavalo,mbola nomeny fanampiana ihany koa ny neniko,mbola nomeny vola ihany koa aho hisakafoanako fa mafy hoy izy izany sakafo tapa-tsinay izany.Noho ny fitiavan'Atra ahy dia novonjeny Aho.Hisaorako ny Tompo lehibe izany fa nomeny olona aho hanavotra ahy amin'ny fiainako.:D
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.3058