Niova ho kristiana aho:Vavolombelona!!!

41. xxx ( 22/05/2007 12:54)
Mpandefa : niryna [ Valio ] 21-05-2007 03:43:28
Lohateny : Re : Niova ho kristiana aho:Vavolombelona!!!
Hoy i xxx:

Ny tena tsy izy koa dia ohatran'ilay nolazain'i nyrina hoe: izaho aloha tsy mbola nahita fa misy hono zany, nefa rehefa avy eo dia sahiny indray no milaza fa afaka mijoro vavolom-belona hoe izy. Mba mahavarina sy mahagaga.



Raha mino ianao dia mahafantatra tsara satria tsy manana finoana ianao dia tsy ahalala velively raha tsy manantona ny Tompo.Manantona Azy,aza mamingavinga ny Tenin'ny Tompo.

Nahoana moa no asahinao milaza ramatoa fa tsy mba manana finoana aho? Tsy ianao milaza zavatra diso eto ve no tokony handinika? Jerao tsara io zavatra nolazainao io: milaza fa tsy nahita, manambara avy eo fa misy hono izany, ary amin'ny farany sahy milaza fa afaka hijoro vavolombelona.

Amiko manokana dia fijorona vavolombelona mivilana ny anao.

Manaraka dia izao: Efa nanontaniako tary ambadika tary ity saingy averiko eto ho hitanao tsara: AIZA AO ANATY BAIBOLY NO MIRESAKA IO FITENENANA AMIN'NY TENY TSY FANTATRA LAZAINAO IO? Efa nojereko hatramin'ny dikateny voalohany ny baiboly, tamin'ny teny grika sy armaniana (evanjelin'i Matio) fa tsy misy io zavatra lazainao io ao.

Aza ovana ny Tenin'Andriamanitra.
Homba anao anie ny Tompo
42. xxx ( 22/05/2007 13:00)

Ho an'i nyrina io teny nolazaiko io. afaka manome fanazavana koa ny hafa.
43. ikaretsaka ( 22/05/2007 13:54)
Aza ovana ny Tenin'Andriamanitra.

izay mantsy:roll:
44. tsiafoi1 ( 22/05/2007 14:11)
Matoa ny olona iray mifikitra @\'Atra de tsapany ny fisiany sy ny fanampiany teo @\'ny fiaianany. Raha ho ahy manokana de tsy ho ampy itantarako ny herin\'Atra miasa isan\'andro isan\'andro ny toerana sy fotoana eto. Fa ny hany azoko lazaina de mampirisika ny ts11 aho mba hanao fanandramana mivantana.

Io Andriamanitra io dia miasa @\'ny fotoana izay tena tsy ahitanao vaha-olana intsony @\'ny maha olombelona (C\'est un Dieu de l\'Impossible); Antsoy Atra @\'izay fotoana impossible izay fa hamaly anao Izy ary ho resy lahatra ny Aminy enao. Raha mbola voavahan\'ny lojikan\'Olombelona mbola mety hampisalasala anao fa le SOLUTION DANS L\'IMPOSSIBLE no maha ANDRIAMANITRA AN\'ANDRIAMANITRA

45. ikaretsaka ( 22/05/2007 14:19)
Marina ny an'i Tsiafoi1
antsoy Andriamanitra amin'izay. Fa aza atao "Andriamanitra raha sendra patsa" koa anefa!
le hoe rehefa grave ny situation vao hoe Andriamanitra oooooo!
fa na faly na tomany na inona na inona, "ataovy foana ny amin'ny anaran'ny Ray"
46. prime ( 22/05/2007 14:34)
Misaotra ny amin'ny fijoroana vavolombelona ho an'izay manana ambara mikasika izany... mahereza aby dia mazotoa ihany koa... Fitiavan'i Jesosy Kristy anie homba anareo tsirairay avy...
47. booboo ( 22/05/2007 16:45)
hanao HS kely hamaly lé tena lohahevitra zà:°). Ny ahy tantara kely sendra henoko t@ RNM isaka ny alahady maraina "ndao mba hiaraka aminay" no nanapahako hevitra hiova ho kristiana t@ zà 8 taona tany ho any angamba...dia namafisina t@ fandraisana fanasan'ny Tompo ny fanolora-tena taty afara, dia miezaka miroso lalina hatrany @ fanaovana remises en q° isan'andro ny @ finoako Azy...

Tsy voatery ho "pub n'ny secte" ny atao hoe fijoroana vavolombelona, na ny fanaovana asa mangiana tsy fantatry ny hafa fa mety ho tantara tsotra kely tahaka an'io kounkou... Tsy carré ny fiainana fa mety hisy kiboribory ihany koa.
48. xxx ( 22/05/2007 17:04)
Fanampiny kely: fa hono ho'aho ry nyrina: rehefa ny hafa ve no miteny amin'ny teny tsy fantatra dia misy tromba fa rehefa ianareo de ampitenenin'ny Fanahy Masina?
Aoka ramatoa ò!
49. ikaretsaka ( 22/05/2007 19:21)
xxx:

Fanampiny kely: fa hono ho'aho ry nyrina: rehefa ny hafa ve no miteny amin'ny teny tsy fantatra dia misy tromba fa rehefa ianareo de ampitenenin'ny Fanahy Masina?


Eny tokoa hoa?:?:
Satria nahoana? afaka velabelarina ve?
50. rush ( 22/05/2007 19:38)
tena efa misavotitaka ny sain'i raniryna!
51. Zina ( 22/05/2007 22:10)
oy i nyrina
you shall know the truth,and it wil set you free.

you got it right!!!!!!:-*:-*:-*

John 8 : 32 And ye shall know the truth, and the truth shall make/set you free.

Ity no tena zavatra itako fa tena IMPORTANT indrindra ao @ fianan-tsika
52. cutie ( 23/05/2007 00:49)
Mpandefa : booboo [ Valio ] 22-05-2007 18:45:54
Lohateny : Re : Niova ho kristiana aho:Vavolombelona!!!
hanao HS kely hamaly lé tena lohahevitra zà. Ny ahy tantara kely sendra henoko t@ RNM isaka ny alahady maraina "ndao mba hiaraka aminay" no nanapahako hevitra hiova ho kristiana t@ zà 8 taona tany ho any angamba...dia namafisina t@ fandraisana fanasan'ny Tompo ny fanolora-tena taty afara, dia miezaka miroso lalina hatrany @ fanaovana remises en q° isan'andro ny @ finoako Azy...

Tsy voatery ho "pub n'ny secte" ny atao hoe fijoroana vavolombelona, na ny fanaovana asa mangiana tsy fantatry ny hafa fa mety ho tantara tsotra kely tahaka an'io kounkou... Tsy carré ny fiainana fa mety hisy kiboribory ihany koa.

amen:lol:
53. ishaam ( 23/05/2007 13:22)
Ny fijoroana vavolombelona dia anisan'ny fitoriana filazantsara velona ao amin'i Kristy, ary ny fomba fijoroana vavolombelona dia mbola misy endriny maro tokoa

Izaho dia misaotra manokana an'i niryna fa miangavy raha azo atao, raha manana ambara isika dia mba zarao ny fijoroana vavolombelona tamin'ny nataon'i Kristy teo amin'ny fiainantsika, dia raha mety dia aza mifampitsikera fa samy efa notahian'Andriamanitra avy isika na dia tamin'ny bitika indrindra aza

Amiko manokana dia tsy publicité velively ny fijoroana vavolombelona fa tena asa fitoriana filazantsara feno mihitsy. Mitovy hevitra amin'ny namana iray ao ambony ao aho hoe miankina amin'ny tsirairay tokoa io ny any anatin'ny fo manery azy hanao izany fijoroana vavolombelona izany na ho an'ny voninahiny ny hanaovany izany na ho voninahitr'Andriamanitra, tsy misy mahalala isika fa ny zava-dehibe dia ny mba mihaino izay ambara na dia kely monja aza. Sa ahoana hoy ianareo? avereno amiko ny hevitro raha diso, misaotra :D
54. rush ( 23/05/2007 13:33)
ishaam:
Izaho dia misaotra manokana an'i niryna fa miangavy raha azo atao, raha manana ambara isika dia mba zarao ny fijoroana vavolombelona tamin'ny nataon'i Kristy teo amin'ny fiainantsika, dia raha mety dia aza mifampitsikera

Amiko manokana dia tsy publicité velively ny fijoroana vavolombelona fa tena asa fitoriana filazantsara feno mihitsy.
fa ianareo ve mahafantatra ny différence @ fijoroana vavolombelona @ fisehosehoana e?ny fijoroana vavolombelona raha jerena @ fahamarinana dia on se fait tout petit mba tsy handraisan'ny olona azy ho zava-dratsy e!fa ilay filazana hatraiza hatraiza hoe izao dia mijoro vavolombelona @ izao sy izao,aleo hiany heritreretina aloha e!


55. rush ( 23/05/2007 15:24)
niryna:

Tsy voatery hanaraka ahy ianao,avelao ny olona hihaino sy andray,io anie no niteneniny sasany e,toa tsy misy resaka fivavahana fa inona ihany ary izy ity,
.Mampalahelo ianao,nefa tsy maninona fa afaka mihaino ny vavolombelona hijoroako ho ahy sy ho an'ny olona maro beeeeeeeeeeee.^:^^:^^:^^:^(l)(l)(l)(l)
ka tsy atao mahagaga io raha raha miteny ny sasany hoe tsy misy resaka fivavahana e!torovohana ve ahagaga?ianao no tena mampalahelo raniryna a!mandiniha tena e!


56. ikaretsaka ( 23/05/2007 16:00)
http://www.dailymotion.com/relevance/search/francis%2Bturbo/video/x1bt6y_francis-turbo-mijoro-vavolombelona

izao nty fijoroana vavolombelona rehefa tafahoatra
57. booboo ( 23/05/2007 23:26)
Rush > dia manao azafady zany raha "nisehoseho" sy manao pub-na secte sy tsy haiko aby io raha nataoko io.

Dia azafady @ be sy ny bobaka kounkou.

:arrow:
58. ikaretsaka ( 23/05/2007 23:39)
mandiniha tena hono e!
59. niryna ( 24/05/2007 07:28)
niryna:


Tsy voatery hanaraka ahy ianao,avelao ny olona hihaino sy andray,io anie no niteneniny sasany e,toa tsy misy resaka fivavahana fa inona ihany ary izy ity,
.Mampalahelo ianao,nefa tsy maninona fa afaka mihaino ny vavolombelona hijoroako ho ahy sy ho an'ny olona maro beeeeeeeeeeee.^:^^:^^:^^:^(l)(l)(l)(l)

Kanefa izay misy ahy io rush manaraka mitsingoloka sy miteny tsy voahevitra.Fitiavana daholo no antony fifanoroana ny marina eto,ary io no hanafaka antsika amin'ny ziogan'ny ota.:roll:
rush:

ka tsy atao mahagaga io raha raha miteny ny sasany hoe tsy misy resaka fivavahana e!torovohana ve ahagaga?ianao no tena mampalahelo raniryna a!mandiniha tena e!

Aza malahelo ahy fa faly mihitsy aho miteny sy mitory izay kely fantatro.Fitiavako ny namana no hitoriko,fantantro ianao fa manana fankahalana kanefa aho dia tsy hankahalana anao,ny mitia anao aza no ataoko.Inona moa no mahasamy hafa ahy amin'ny tsy mpino raha ny olona tia ahy ihany no hotiaviko.:*ho anao.
Ohabolana 9:12-13Raha hendry ianao dia hendry ho an'ny tenanao ihany,raha maniratsira kosa hianao dia hianao ihany no hiharan'izany

Ohabolana 21:23 Izay miambina ny vavany sy ny lelany dia miaro ny fanahiny tsy ho azom-pahoriana.[/quote]
(l)niryna





60. rush ( 24/05/2007 08:02)
raha mba mahatsapa tena moa ianao fa nanao fahadisoana maninona?saingy hatramin'izay dia ny anao hiany no marina e!ny olana aminao dia ny tsy mba maiky fa nanao fahadisoana!sa ianao no tena tongalafatra?mba diniho kely io sarimihetsika nalefan'ranamana io dia hazava aminao e!
izao nty fijoroana vavolombelona rehefa tafahoatra
mandiniha tena hiany e!
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1711