Niova ho kristiana aho:Vavolombelona!!!

21. niryna ( 21/05/2007 01:19)
diamondra27:

Tonga taty France indray de be dia be ny fahasoavana azo sy zava-mahagaga hita.
Tao ihany koa anefa ny atao hoe: " ao anatin'ny mangidy no misy ny mamy"
rehefa manakina ny fiainana @ Atra ka matoky azy hatr@ farany dia tsy maintsy tahiany foana @ andro sarotra.
Tena t@ fotoana noheverina fa tsy misy issue iny intsony Izy no tonga namonjy ahy.

Aza kivy fa mahareta @ fivavahana e!






Misaotra betsaka nampahery e,ianao mahalala tsara ny tiako ambara.Eny mivavaka no zavatra tokony ataontsika indrindra ho an'ny fahavalo sy ny olona tsy tia.Efa nampianarin'ny Tompo koa isika fa ho halan'izao tontolo izao.Efa nomeny fitandremana.Vao maika mampatanjaka ny finoako izany.:D
22. niryna ( 21/05/2007 01:43)
xxx:

Ny tena tsy izy koa dia ohatran'ilay nolazain'i nyrina hoe: izaho aloha tsy mbola nahita fa misy hono zany, nefa rehefa avy eo dia sahiny indray no milaza fa afaka mijoro vavolom-belona hoe izy. Mba mahavarina sy mahagaga.


Raha mino ianao dia mahafantatra tsara satria tsy manana finoana ianao dia tsy ahalala velively raha tsy manantona ny Tompo.Manantona Azy,aza mamingavinga ny Tenin'ny Tompo.
Vavolombelona:Niryna
Mbola kely aho dia efa nahalala ny Tompo,nahay nivavaka na tany am-pianarana aza.Tia mihaino toriteny,tia mianatra ny tenin'Atra.Mahafinaritra ahy ny mizara ary dia notantaraiko ny zandriko izay tantara notenen'ity pasitera.Ny anao koa I Jesosy ,Jesosy io foana,hoy izy tamiko.Namaly aho ary niteny fa mbola hitady Azy ianao indray andro any.Nandeha tokony ny andro,ny volana.Narary nify izy ary nantsoin'ny raiko aho hivavaka azy.Tsy mbola nataoko izany hivavaka sy hanasitrana olona izany.Ny Baiboly anefa manambara ao amin'ny Marka 16:16-18Izay mino sy atao batisa no hovonjena,fa izay tsy mety mino no hohelohina.Ary izao famantarana izao no hanaraka izay mino :hamoaka demonia amin'ny anarako izy,hiteny amin'ny fiteny izay tsy mbola hainy izy,handray menarana izy ,ary na dia hisotro zava-mahafaty aza izy ,dia tsy hampaninona azy izany,hametra tanana amin'ny marary izy dia ho sitrana izany.
Nanana finoana tokoa aho ary dia nataoko tamin'ny fo feno fahatokisana ny Tompo no nanasitranako ny anadahiko ary dia sitrana tokoa izy.Nifona tamiko izy,nifona tamin'ny rainay koa izy fa tsy nety ny nataony namingavinga an'i Jesosy.Nahalala ihany izy ka nampiantso ny raiko,saingy nasehon'ny Tompo ny voninahiny sy ny Heriny taminy.tsy niverina intsony koa ny areti-nifiny.Tsara ny mihaino,fa tsy tsara ny mamingavinga ny Fanahy Masina.Mahafantatra hoe manompa Fanahy Masina ianao?(blasphemy).Io no anisany fahotana iray izay tsy ho voavela.
Anontanio olona hoe inona izany manompa ny Fanahy Masina izany.:roll:
23. ikaretsaka ( 21/05/2007 06:15)
Tsy ankitenitenin'irain'isambilo izany hono izy ity e.Tsy mahazo torina na adera ny fijoroana vavolombelona.Ahoana no hampitomboanay ny finoanay raha mangina tsy misy fihovana ny fiaiananay amin'ny maha kristiana,nandray an'i Jesosy,nanome ny fiainana an'i Jesosy.Inona izany no maha-samy hafa ny mino sy ny tsy mpino rehefa mitovy ihany

ny maha samihafa ny mpino @ tsy mpino dia miseho amin'ny asany, ny tenany, ny toetrany sy ny fony, fa tsy amin'ny zavatra lazainy sy ataony tsianjery sy tanisanisainy nefa tsy ataony na tsy fantany akory hoe fa maninona no izany!

Ny olona niara niaina sy miara miaina sy nifanasoa tamiko angamba no afaka manao vavolombelona momba ahy raha resaka ara-pinoana izany fa tsy izaho loatra...

fa ny hanampiako azy dia ny ahy manko ny principe-ko hatramin'ny fahakeliko dia (azafady fa fanahy iniako natao @ teny angalisy fa raha adika dia ahiko fa misy dika milatsaka indray )

We can't solve problems by using the same kind of thinking we used when we created them. sy hoe A person starts to live when he can live outside himself.


Nandanjalanja tsara foana zany za vao nino e! ary zatra nitsara ny hazo t@ voany!
Ary nanontaniako daholo nanomboka hatramin'ny hoe nahoana ny lanitra no manga, ka hatramin'ny hoe maninona ny tany no mihodina avy any atsinanana no miakandrefana fa tsy avy any atsimo no mianavaratra...
Tsaroako koa za tsy nila nitoriana sy nihaino toriteny sy nitsimponana baiboly be izany mihitsy fa za Mino an'i kristy sy Kristianina anefa . Dia rehefa misy zavatra nanitikitika ny saiko dia izaho ihany no mitady ny valin'izany (ary izany no naha katolika misaina zezoita ahy) : ary nampiasaiko daholo izay fitaovana rehetra mety ahitako ny valiny:vavaka, baiboly, boky hafa, meditations, fampiasam-panahy, fianarana, fanontaniana apetraka @ izay olona inoako fa nahavaly azy sns... ary mitohy izany fomba izany hatramin'izao!

Tsy nobornena t@ toko sy andininy loatra aho ary tsy nanaiky ny namehy tena t@ izany: Infini sy tsy taka pesipesenina loatra Andriamanitra fa tsy voafetra amin'ny toko sy andininy velively!
"Seek God in all things and we shall find God by our side"

Fa na izany kosa anefa dia rehefa tenenina na anontaniana hoe ahoana ny momban'izao sy izao sy ny tantaran'i anona sy anona ao @ baiboly dia mba haiko ihany... vokatr'ilay za tia karokaroka...
ny ahy tsy le hoe "voalaza fa:. . ." (dia mamerina tsianjery maimbo eto) fa hoe "ny azoko tsoahina amin'izay dia. . "

Ny ahy hatramin'izay dia raha vao le mijoro sy manao testimony izany dia na ianao mikonfesy izay na hanao Dokambarotra fa tsy hankahery ara-pinoana izany velively . . .
izao manko:
Tsy nataon'Andriamanitra nitovy ny Zavaboahariny! Eny na dia ny kambana aza!
Ianao izao vehivavy, dia za izao lehilahy aza dia efa maha samihafa azy... ka ahoana no hoe raha mety aminao dia ho mety amiko???! sady raha mitovy izany aby isika fa tsy misy karazany.. ohatran'ny tsy hamely ka!:°):wink:

Ireo izay mahafantatra ahy akaiky sy mahafantatra ny ataoko sy ny misy ahy izao --->:wink:
AMDG foana!
24. tslem ( 21/05/2007 07:47)
tslem:

zah manokana aloha mba te hihaino ny fijoroana vavolombelon'i niryna e, mba tantarao hoe ? :P


mba miandry moa zah e :wink:
25. xxx ( 21/05/2007 19:49)
Mpandefa : xxx [ Valio ] 19-05-2007 15:18:24
Lohateny : Re : Baiboly/sary:mahaliana-faly-diso?-anao ny safidy!!!

nyrina: mba asio fandinihana ihany ity resaka finoanao ity fa lasalasa ihany anie ianao izao e: manaratsy aloha, mankahala avy eo, mandainga koa, ary ny farany dia hanozona mihitsy...

Aza feranao ny olona,avelao izy hifidy izay tiany,na isika miaraka amin'i Kristy,dia araho ny didiny sy ny Baiboly na isika tsy miaraka aminy fa tsy afaka ny hiditra roa izany
Voalaza teo :

Mianara manao fandanjalanaja (discernement de l'esprit) hahalalanao tsartsara kokoa hoe avy aiza marina izany hevitra na teny tonga ato amiko izany, avy amin'ilay ratsy fa avy amin'Andriamanitra? Tsy ampy mihitsy ny ilazana fa avy amin'Andriamanitra n zavatra iray satria milaza izay ao anaty baiboly. Tsarovy fa na iSatana aza anie mba mampiasa ny baiboly koa e, ary mahalala lavitra noho ianao aza. fa ampiasainy io hamilina ano ho any aminy fa tsy ho any amin'i Kristy.
Baiboly no resahiko,Baiboly ihany omena ny olona fa aza avadika ny sujet.
Aza matahotra fa samy mandray ny tandrifiny avy ny tsirairay.Tadidio fa fandaharana eran-tany ity,maro no mbola mangetaheta ny hanaraka ny Tompo(kristy). Avelao hisaina sy hisokatra ny mason'ny olona fa aza ahodikodina ny resaka.Tsy misy anaiky ho tsofitsofin'ny satana intsony ny sofina dia mivadika ny resaka,efa tetika lany paika izany.
Maro no mitaraina sy milaza ny marina fa saingy petahanareo amin'ny resaka tsy misy dikany.Baiboly no resahiko,andininy ao anaty Baiboly no omeko,iny ihany koa no alaivo ao anaty Baibolinareo.
Milaza aho hoe aza manana atra hafa? ohatra ny ahy iny.Valio koa aho hoe Ny baibolina tsy misy an'izany ao fa nesorina ny didy faharoa sy ny fahatelo ary dia nozaraina ny didy faha sivy sy ny fahafolo.oops.Marina io.Teneno ny namana rehetra.Izay ilay izy.
Ary maninona tokoa moa ianareo no marary hilazana ny marina sy ny zava-misy?Toy ireny olona milaza tsy nangalatra ireny,koa rehefa tsy nangalatra ve izy hiraharaha. .Fivavahana no resahako dia Baiboly koa amaliana azy.Misaotra tompoko.
niryna oops,misy tsy tia fitiavana fa esorina hono io Izaho anefa hoy Jesosy milaza aminareo fa tiava ny fahavalonareo,asio soa ny ratsy.

Mpandefa : niryna [ Valio ] 21-05-2007 00:01:00
Lohateny : Re : Niova ho kristiana aho:Vavolombelona!!!
Hoy i xxx:

Voalaza teo :
Mpandefa : xxx [ Valio ] 19-05-2007 15:18:24
Lohateny : Re : Baiboly/sary:mahaliana-faly-diso?-anao ny safidy!!!

nyrina: mba asio fandinihana ihany ity resaka finoanao ity fa lasalasa ihany anie ianao izao e: manaratsy aloha, mankahala avy eo, mandainga koa, ary ny farany dia hanozona mihitsy...

Mianara manao fandanjalanaja (discernement de l'esprit) hahalalanao tsartsara kokoa hoe avy aiza marina izany hevitra na teny tonga ato amiko izany, avy amin'ilay ratsy fa avy amin'Andriamanitra? Tsy ampy mihitsy ny ilazana fa avy amin'Andriamanitra n zavatra iray satria milaza izay ao anaty baiboly.


Tsy voatery hanaraka ahy ianao,avelao ny olona hihaino sy andray,io anie no niteneniny sasany e,toa tsy misy resaka fivavahana fa inona ihany ary izy ity,na miaraka an'i kristy isika na tsy miaraka aminy.Mampalahelo ianao,nefa tsy maninona fa afaka mihaino ny vavolombelona hijoroako ho ahy sy ho an'ny olona maro beeeeeeeeeeee.


Ireo de samy valin-tenin'i nyrina tamin'ny teny nataoko. Tamin'ny voalohany dia nitratrevatreva ny vehivavy satria tsy nahazaka ny marina. Nefa rehefa notsilovin'ny Fanahy Masina angamba dia tonga saina ka niova hevitra avy eo. Nefa na izany aza ny miaiky ny hadisona dia tena sarotra ho azy.
Averiko indray raha mba manana fotoana handinihana ihany ianao dia mandiniha tena manokana ary manontania ny tenanao manao hoe: i Kristy ve no asehoko ny olona sa izaho sy ny fiangonana misy ahy?

Aza ovana ny Evanjely... Mandehana ary ampafataro ny olona i Kristy ilay vaovao Mahafaly. Dia mba iaino izay torina fa aza miwawawa fotsiny.
Homba anao anie ny Tompo
26. ikaretsaka ( 21/05/2007 20:02)
raha ny fahitako azy dia mazava be : tsy nozarina izany "hikonfesy" izany mihitsy angamba ireny olona ireny ary efa nasehony teto fa tsy ekeny izany raha manaraka ny zavatra efa nolazainy teto!

dia vokany dia lasa tsy mpanao izany "mea culpa" izany mihitsy izy satria tsy nahazatra azy izany mandini-tena manokana sy manontany tena izany!
Efa nampianatra azy aho ary nanoro ny fika rehetra fanaovana izany
Efa mampatsiahy azy an'izany foana aho fa ....:roll:
27. xxx ( 21/05/2007 20:51)
diamondra27 > misy eto paris ve ilay GBT ?
28. Zina ( 22/05/2007 00:32)
niryna [ Valio ] 21-05-2007 03:19:39
Lohateny : Re : Niova ho kristiana aho:Vavolombelona!!!
Hoy i diamondra27:

Tonga taty France indray de be dia be ny fahasoavana azo sy zava-mahagaga hita.
Tao ihany koa anefa ny atao hoe: " ao anatin'ny mangidy no misy ny mamy"
rehefa manakina ny fiainana @ Atra ka matoky azy hatr@ farany dia tsy maintsy tahiany foana @ andro sarotra.
Tena t@ fotoana noheverina fa tsy misy issue iny intsony Izy no tonga namonjy ahy.

Aza kivy fa mahareta @ fivavahana e!







Misaotra betsaka nampahery e,ianao mahalala tsara ny tiako ambara.Eny mivavaka no zavatra tokony ataontsika indrindra ho an'ny fahavalo sy ny olona tsy tia.Efa nampianarin'ny Tompo koa isika fa ho halan'izao tontolo izao.Efa nomeny fitandremana.Vao maika mampatanjaka ny finoako izany.


mandeha ho azy io ka:wink:
29. diamondra27 ( 22/05/2007 06:29)
xxx:

diamondra27 > misy eto paris ve ilay GBT ?


tany @ provinces no nisy fa eto paris tsy haiko

ireny le olona manasa anao any @ resto ireny le karazana GBT aty ka! manao conférences izy anao mamory olona maromaro

fa tsy voatery hoe: GBT ange no arahinao fa be de be ny fikambanana misy aty paris azo ianarana sy ampitomboina ny fiainana ara-panahy e! de anjaranao ny misafidy.
Ohatra izao: jereo ny sariko misy le château ao @ sary rehetra fa nipetraka tany @ château zahay niaraka ny ligue pour la lecture de le Bible Namonjy seminaire t@io , gasy 150 personnes no tany.
Nahafinaritra be ny fifandraisana, tsy protestant ihany fa nisy antokom-pivavahana maro tao nanatrika ilay seminera.

Dia tahatahaka izany le izy.
Ny tiako lazaina dia misy LIgue aty paris ary ao cachan ny foibe



30. diamondra27 ( 22/05/2007 06:38)
http://www.llbfrance.com/index.php

xxx:io ny liens de miala tsiny raha tsy azoko nomena direct ilay section malgache fa mba jereo ao azafady.
Misy GBU koa ao ho an'ny mpianatra
31. niryna ( 22/05/2007 06:57)
Hoy xxx mijoro vavolombelona:
Folo taona no nanambadiako,tsy niteraka aho nandritra izany fotoana izany,nijaly aho fa mamo lava ny vadiko,tsy mody an-trano indraindray.Hisaraka ve?Menatra ny fianakaviako aho,nozakaiko ny tokan-tanoko.Nivavaka aho ary tena nanankina ny fiainako manontolo tamin'ny Tompo.Fahagagana?nanan-janaka aho ary dia vao avy teraka aho amin'izao fotoana niresahiko an'i niryna izao.Ny nahafaly ahy?Nanantona an'Atra koa ny vadiko.
32. niryna ( 22/05/2007 07:09)
fa : niryna [ Valio ] 20-03-2007 15:26:54
Lohateny : Re : Vavolombelona/tsy mpino/Andriamanitra?
Mahita porofo amin'ny fiainanao moa ianao dia raisina an-tanandroa satria nizara izany ianao.Nahita ny olon-kafa koa moa ianao dia anisany mijoro vavolombelona ihany koa izany.
Izaho no hijoro vavolombelona voalohany ary
Zanak'olona mahantra aho,tsy mba nanana ny rar-ko,izaho anefa tia fianarana kanefa tsy nanam-bola hampianarana ahy intsony ny raiko.Nipetrapetraka tamin'ny fianakaviana aho,nandefitra,niafy,nijaly,nihinan-kanina azy arahi-maso.
Toy ny akohokely mifatotra tady mahazaka ny fiainako,tsy mba manana olona hitarainana,ny tena koa moa mbola kely,nianatra ihany aho ary ny zokiko no niantoka ny ecolage-ko saingy rehefa manambady ny olona tsy afaka hanao toy ny mbola celibataire.Kely sisa dia ho tonga ny fotoana handoavana ny ecolageko,niady saina aho ary nino koa aho fa tsy nahita-tory toy izany koa ireo rar.Inona ity no ataoko?Izaho mbola kely,tsy hieritreritra ny hanambady izany.Ny tao an-tsaiko dia hoe raha tsy mianatra intsony aho izany dia miandry vady,dia iza no mba hanambady ahy tsy manam-pahaizana?Tonga daholo izao fanontaniana rehetra izao tao an-dohako saingy noho ny mbola mahazaza ahy dia kely toy izany koa ny fisainako.
Lany haiky aho,tsy nahita vahaolana,tonga ny fanontaniana adaladala satria na noentin'ny rar-ko niangona aza izahay ankizy tsy dia nisy niditra izany ary tena tsy natadidy izay toroteny kosa aloha aho e.
Naka baiboly aho dia namadika ilay baiboly ka nisy teny nanome hery ahy tao.Salamo ilay izy ary dia toa nisy ray hafa niresaka aho ary nankahery ahy.Nisy feo niteny hoe mandefa ttsy any amin'ny nenitoanao.Rehefa avy nivavaka aho dia nandefa ttsy tokoa aho.
Izany rehetra izany anefa dia efa nafoiko daholo ankehitriny satria noho ny fitiavany ahy dia mbola afaka nomeny andro aho hijoro hitory Azy fa tena misy Izy ary mbola misy hatramin'izao.
niryna
33. niryna ( 22/05/2007 07:18)
niryna:

Ny fijoroana ho vavolombelona an'i Krsity no tena zava-dehibe ho an'ny olona eran-tany.Ahoana moa no ahafantarany fa misy i Kristy raha tsy nahita ireo olona nanaraka Azy izy ireo.Mandehana mitory ny filazan-tsara hoy ny Tompo Kristy.Ity sehatra ity izany dia fijoroana vavolombelona ho an'izay nahita fahasoavana,fahoriana,fijaliana,fahasitranana,famonjena

Io ambony io izany ny fijoroko vavolombelona tamin'ny fiainako.
Izany dia hijoroko sy hilazako antsika ihany koa fa Andriamanitra dia Andriamanitry ny velona,Andriamanitra izay mbola velona.Mamaly vavako ho an'izay manana fanantenana Aminy,mino Azy ary mivavaka Aminy.Raha namaly vavaka tamiko Izy dia mino tanteraka koa aho fa hamaly vavaka aminao ihany koa.Manantona Azy,mangataha Aminy omeny fo madio,ary matokisa Azy fa ataony tanteraka ny vavakao.
(l)niryna
34. niryna ( 22/05/2007 07:34)
Hoy xxx mijoro vavolombelona:Niteny tamin'ny fiteny tsy fantatra dia noroahin'ilay mpitondra fivavahana.
Niangona toy ny fanaoko aho,ary indray andro rehefa nivavaka iny aho dia niteny tamin'ny fiteny tsy fantatra,hoy ity mpitondra fivavahana:"mandehana ianao mivoaka any fa tsy mahafantatra izany teneninao izany aho,sady tsy misy an'izany ato amin'ny fiangonanay."Nijanona tao am-piangonana ihany izy sady nitomany ary dia niteny tamin'ny fiteny tsy fantatra indray,noroahin'ilay mpitondra fivavahana izy ary dia lasa nivoaka ilay fiangonana.Nony tonga tany an-trano izy dia nivavaka ary nitalaho tamin'ny Tompo,naheno feo izy niantso ny anarany "John!Do not go back in that church anymore,I have better place for you!"Jaona,aza miverina ao amin'io fiangonana io intsony ,manana toerana tsara Aho ho anao!".Izao isika miteny izao dia mitondra fiangonana lehibe izy ary dia nivadika nanaraka azy ny kristiana tao amin'ilay fiangonana izay nivadika nanaraka an'ny Tompo kristy .Nanantona an'i Kristy izy ireo,tsy nivavaka tamin'ny zavatra hafa intsony fa dia Jesosy kristy irery ihany.Nariany ny sampy,nariany ny andriamanin-kafa,nariany ny zavatra izay noheveriny fa mamaly vavaka kanefa tsy miteny tsy mivolana.
Misaotra ny Tompo aho fa hainy ny nanova ny olona tena hino Azy .^:^
(l)niryna
35. niryna ( 22/05/2007 07:39)
Mpandefa : niryna [ Valio ] 20-03-2007 15:44:11
Lohateny : Re : Vavolombelona/tsy mpino/Andriamanitra?
Ika marina izany e.Afaka mijoro hilaza ny antony tsy nampino azy intsony koa anie ny olona ato e,ary afaka miteny koa izy ny antony tsy hinoany.
Rehefa nanoratra ttsy aho dia nisaotra sy nivavaka a.Izay angamba ilay atao hoe Fanahy Masina fa tsy fantatro mihitsy.
Nijaly aho ary indraindray aho tsy mihinan-kanina fa mangahazo kely no hohaniko amin'ny antoandro.Taloha moa dia lavitra ny fianarana ary mandeha mandrato ianao fa tsy toy any ankehitry intsony.Raha nisy ankizy nijaly tamin'ny fiainana dia ataoko fa tsy nisy nijaly mihoatra noho izaho.Izay no nandinihiko ny tenako.Tsy nisy telo andro tokony dia namaly ny nenitoako ary lasa aho nifindra toerana nianatra.Mafy tamiko izany nandao ny rar izany kanefa moa noho ny tsy fananana dia mahazaka maniraka ka dia naleo nandeha no ho any na tsia.Noentiko nanaraka ahy ilay baiboly ary teo aho no nanomboka namaky baiboly.Mipetraka aman'olona?Raha efa nipetraka ianao dia mahalala tsara ny tiako ho tenenina,raha tsia dia izao no nitranga:Tsy maintsy manao izay tenenin'ny olona ianao,na ny fihetsikao,ny fijerinao,ny toetranao dia tsy atao mandefitra ary tsy afaka milaza na mijoro ny zavatra tianao ho tenenina ianao sao dia mahasosotra,sao dia mahatezitra ilay olona,sao dia ...izao sy izao.
Nifikitra aho ary niafy tanteraka,ny ankizy maka rivotra tsy tamana fa tonga dia mody,ry zareo manontany tena ahoana no mahatamana ahy ao?Valiny ary tokana:tsy manambola ka tsy maintsy mihafy.
Nianatra mafy aho ary iny no tena tanjoko dia ny ho tafita ka hiverina hody any amin'ny rar-ko.Ny ankizy ao an-trano?Misy mialona satria angamba lasa zaraina ny sakafo,na tsy fantatro izay ao an-tsainy.
Teo no nanomboka nisokatra ny varavarana ho ahy.Teo no nanomboka nifikitra tamin'ny Tompo aho satria tena tsy tao an-tsaiko mihitsy izany hoe hanoratra ny nenitoako izany.
Ny akanjoko? tablier namboarin'i mamanay ary matevina ka iny foana no anaovako isan'andro rehefa maloto dia sasana amin'ny alina miaraka ny silipy kely roa raha betsaka indrindra.Ny fahoriana hitako sy nianjady ahy dia nahatonga ahy nifikitra taminy ary nahatonga ahy amin'izao fotoana izao ka na hatramin'izao fotoana izao aza aho dia mbola te-hianatra foana izay tratrako.Maro ny fianakaviana mahantra any dago koa satria ho nijaly vao tafita dia ireny zanaka mahantra ireny no hiantoanay mivady ecolage isam-bolana amin'izao fotoana izao.Ny vadiko koa dia zanaka mahantra ary samy mahantra izahay no niezaka ka ny fitiavan'Atra anay no nameno ny tokantranonay na dia tsy nanana aza izahay.

Io mbola tohiny fijoroako ho vavolombelona ihany mikasika ny fiainako.
(l)niryna
36. niryna ( 22/05/2007 08:02)
Vavolombelona:niryna Misy ny herin'ny mazava ary misy koa ny herin'ny maizina.
Tao amin'ny 67 ha no nipoitra ny tantara tamin'ity taona ity,vao aingana kely.
Nandeha namonjy fiangonana izahay ary dia nisy lehilahy mifatotra lambahoany ny tongony noentin'ity masera norvezianina miaraka amin'ny lehilahy roa.Efa nanomboka ny fotoam-pivavahana ary efa hanomboka ny fanasitranana sy ny fanalana devoly,efa manao akanjo fotsy daholo ireo mpiandry ary efa naredona ny hira mikasika ny fanasitranana.Naroso teo aloha ilay rangahy iray efa somary antitra.Ny zavatra hitako voalohany dia nivilavila izy nandeha,hay nifatotra ny tongony.Tsy nety niditra ny toby izy fa nitady hitsoaka,nofelapelahany ilay olona nitondra azy ary dia notsenain'ny mpiandry efa-dahy ,nanomboka ny teny mahery fandroahana ny herin'ny ratsy rehetra,tsy nahatana ilay antitra izy efa-dahy ary niampy indray ilay mpiandry ka lasa enin-dahy no nanodidina azy teo,novonoiny daholo izay nanodidina azy,antitra ilay olona kanefa tena natanjaka tsy misy toy izany,niraraka ny hatsebohan'izy enin-dahy teo am-piadina sy am-pitolomana ny herin'ny maizina,naharitra lavalava ny tolona,izaho niresaka tamin'ireo ankizy tanora havako noentiko hivavaka mba hivavaka any am-pony avy.Nitsipatsipaka ela dia ela ilay olona ary farany dia nilofika tsy namono intsony.Izany no herin'ny satana,herin'ny maizina,resy ilay fahavalo,nahery izy fa mbola nisy herin'i Jesosy kristy nahery lavitra noho izy.^:^^:^
Hafatra,misy ny herin'ny mazava ary maro ny herin'ny maizina koa mitandrema,miambena,matokia an'i Jesosy fa manana ny hery mihoatra ny hery rehetra Izy.
Isaorako Azy izany satria nanantona noraisin-tanana daholo ireo tanora niaraka tamiko,nahatsapa maivana sy faly izahay rehetra nahazo herin'ny Fanahy Masina nony nivoaka ny toby.Mbola isaorako ihany ny Tompo amin'izany.
(l)niryna
37. niryna ( 22/05/2007 08:14)
Ny fahalalanao ny marina no hanafaka anao amin'ny gadran'ny satana.(you shall know the truth,and it wil set you free.):D:D
38. xxx ( 22/05/2007 09:02)
misaotra any i diamindra27
39. majesty ( 22/05/2007 09:30)
40. naritsimba ( 22/05/2007 10:55)
Miarahaba antsika namana rehetra!

Fijoroana vaolombelona moa ny lohahevitra, ka dia hilaza ny hevitro fohy² aho.
Maro ny hevitra mifamahofaho momba io resaka io fa anjaran'ny tsirairay no mahatsapa hoe avy aiza ny zavatra izay mitranga aminy, moa ve tena avy amin'Andriamanitra marina sa avy aiza, tadidio fa na ny demony aza dia mahavita manao fahagagana (jereo ny tamin'ny andron'ny Farao sy Mosesy).
Koa miangavy antsika mba handinika tsara vao ho sahy mijoro vavolombelona, handini-tena tsara vao sahy hilaza, sao mantsy hisy ny fifangaroana.
Mbola hisy ny hitantarako ny zavatra izay hitako t@ namako iray izay tena namako nijoro vavolombelona, vao maty vao haingana.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1865