Niova ho kristiana aho:Vavolombelona!!!

61. xxx ( 24/05/2007 13:56)
Aza malahelo ahy fa faly mihitsy aho miteny sy mitory izay kely fantatro.Fitiavako ny namana no hitoriko,fantantro ianao fa manana fankahalana kanefa aho dia tsy hankahalana anao,ny mitia anao aza no ataoko.Inona moa no mahasamy hafa ahy amin'ny tsy mpino raha ny olona tia ahy ihany no hotiaviko.ho anao.


Mankahala ve ny fanoroani rush anao sy ny hafa rehetra eto hoe: mba mandiniha ihany e? Sao mba izany no tena fitiavana e, fa tsy ny anao mamahana zavatra diso be ity. Amiko dia tena fanampozinana ny hafa ny fampianara zavatra diso sy tsy misy fandanjalanjana.

Ny zavatra tena nahavarina ahy teto koa dia ianao tsy mba sahy manontany ny hafa hoe: inona tamin'izay nolazaiko izay re no diso e? Na mba nanome fanazavana matotra mba hamaliana ny fanontaniana'ny hafa. Aminao mantsy dia fanenjehana ireny.
farany dia tsy mba niaiky ny hadisoanao mihitsy ianao na dia efa hitam-poko hitam-pirenena aza izany. Angamba tsy mba misy ao anatin'ny Baibolinao ny hoe: [center]1 John 1:8-10 8 Si nous disons: «Nous n'avons pas de péché», nous nous égarons nous-mêmes et la vérité n'est pas en nous. 9 Si nous confessons nos péchés, fidèle et juste comme il est, il nous pardonnera nos péchés et nous purifiera de toute iniquité. 10 Si nous disons: «Nous ne sommes pas pécheurs», nous faisons de lui un menteur, et sa parole n'est pas en nous.[/center]

Aza maika milaza ny hafa ho mankahala anao fa fitiavana anao sy ny hafa no mahatonga anay hiteny sy hisarika anao handin-tena.

Ho aminao lalandava anie ny Tompo.
62. niryna ( 24/05/2007 13:57)
Vavolombelona:niryna"Aza mirehareha ny amin'ny ampitso ianao.Olona nijoro vavolombelona ary izaho no anisany nitondra namana izay very fanantenana teo amin'ny fiainany mba hijery fa tsy izy irery akory no mijaly na manana fahadisoaam-panantenana amin'ity fiainana ity.Kanefa raha manantona ny Tompo izy dia ahita fahasambarana.:D
xxx nijoro tao am-piangonana ka naha-latsa-dranomaso ny rehetra ny tantarany no tantaraiko eto satria ny masoko no nahita azy nijoro vavolombelana.Izy dia anisany mpanan-karena,mpanao sary mihetsika,tao anaty magazins karazany maro ny sariny isan-kerinandro. Niliba,nanao fiainana ary niafara ny fihinana ny zava-pisotra mahadomelina(io dia tena mampalahelo fa maro ny olona aty aminay no tratran'io fahazaran-dratsy io ary dia lany sy ritra ny vola satria mitady foana ny vatan'ireo mandray azy).Nanana helicoptere manokana ary na dia manambady aza izy dia miaraka vehivavy ihany.Nanao fifanekena ny asany izy indray andro ary noho ny rongony izay diso dozy dia tsy tafatsangana tao amin'ilay toerana nanaovany film izy,novohana ny trano ary dia olona tsy mahatsiaro saina no hita tao.Tonga ny ambulance ary noentina tany amin'ny hopitaly.Teo no nanomboka niova ny fiainany.:cry:
63. ikaretsaka ( 24/05/2007 14:03)
niryna> tsy ny fampalatsaha-dranomaso ny olona rehetra ange no tena zava dehibe fa ny fahatongavan'ny sainy e... ohatran'ny film sy ny tantara @ radio ihany io!
na tantaraina aby eo aza ny oe za zao dia lasa zao dia lasa zao dia lasa zao, na higogogogo hahafeno siny eo aza ilay olona mihaino, rehefa tsy tafita ny hafatra, dia hisy vokany inona?
tsy aleo mijery film? iny at least sady afaka mitondra kleenex no mihinana pop corn!
64. rrgmt ( 24/05/2007 14:13)
Tsara ny fijoroana vavolombelon'i Kristy. Ataovy foana.
Misy mandray , mampahery izany. Misy misalasala, mila mandalina ny finoany izy. Misy manda. Fomban-javatra izany.
Ny ratsy aza tsy menatra mijoro koa inona no mahamenatra manmbara ny fahatsaran'i Kristy Jesoa ?
Sao misy ny fahasoavana omen'Andriamnaitra azy eo amin'ny fiainany kanefa tsy hitany na fantany. Mila Hambara fa velona Kristy. Sa sao dia ilay Kristy ao antin'ny vatakely miaraka amin'i Maria Magdalena aza, izay navoakan'i James Francis Cameron no inoana ? raha izay. Hay maty fa tsy nitsangana, Raha velona Izy, aoka tsy ho menatra ê!:D
65. ikaretsaka ( 24/05/2007 14:14)
Ny ahy aloha dia tsoriko fa tsy handeha hihaino tantara sy hijery film sy hihaino fiainan'ny olona velively no alehako any ampiangonana fa hivavaka e, misy radio, cinema, tele , boky maro samihafa betsaka lavitra azoko vakiana , na reality na fiction manambara ny momba izany!

Fa ny hiresaka mangina @ Andriamanitra, Handray azy am-po amin'ny fandraisana ny Eokaristia Masina sy ny Teniny sy ny Meditations , manao Exercices Spirituelles mandray ny Fanahy Masina, Mandinin-tena sy Miapanga tena amin'Andriamanitra mahefa ny zavatra rehetra @ ny tsy mety rehetra na t@ teniko na t@ nataoko na t@ adidy tsy vitako, ary Miangavy ny rehetra hivavaka ho ahy @ tompo Andriamanintsika.

fa tsy handeha hihaino kabary dia hanao:!::lol:8O:(:-D mandritry ny adiny 1 sasany!
66. xxx ( 24/05/2007 14:37)
ny évangélique no matetika mirona be @ io témoignage io

ny ahy indray raha misy circonstances hitako fa favorable au témoignage dia manao aho fa tsy hanao témoignage à tout bout de champ aho

Mba mijery ihany hoe ilay olona en face ve vonona mihaino ahy

ilay témoignage @ asa no hitako mifanaraka amiko kokoa
67. niryna ( 24/05/2007 14:59)
xxx nijoro tao am-piangonana ka naha-latsa-dranomaso ny rehetra ny tantarany no tantaraiko eto satria ny masoko no nahita azy nijoro vavolombelana.
Very ny fifanarahana(contrat),very ny trano-be nipetrahana,tsy niverina tany amin'ny vady aman-janany intsony izy.Nandritra ny telo taona izy dia nirenireny teny,nihinanana sakafo teny amin'ny fako sy nangataka teny amoron-dalana.Misy feo manaraka ahy hoy izy ary feo miteny ratsy,indraindray tsy fantatro fa mifangaro ilay izy.Toa ao anaty efa-joro fotsiny no fahitako ny fiainako,tsy afaka mihoatra ny fefy aho.Ny olona mety mihevitra ahy ho adala satria aho toa miteny irery,misy feo tsy zakako ato anaty saiko ato,feo miteny ratsy,feo maromaro ary mila tsy ho zakako mihitsy matetika.Narary aho,tsy zakako intsony ny tenako,ny hany tao an-tsaiko dia ny hiverina ny hopitaly hanary ny fatiko,amin'izay aho ho hitan'ireo vady aman-janako.Nony tonga tany aho dia dokotera sy olona marobe no nifanjevo.Feno aretina aho,nasiana sakafo,very rano.Nandritra ny fotoana nitolomako irery no niverina ny feo maro tato an- tsaiko.Teo amin'ny fotoana mafy niadiko t@ny fiainako no nahatsiaro ilay tenin'ny namako aho hoe tsy maninona raha tsy mbola te hanantona an'Atra ianao,saingy tadidio fotsiny fa amin'ny fahorianao dia antsoy Izy,antsoy Jesosy fa hanavotra anao Izy raha mino Azy ianao.Jesosy,Jesosy hoy izy Ampio aho,mitady anao aho.Naverimberiko io fiantsoana an'i Jesosy io hoy ihany izy.Nijanona ilay feo miteny ratsy tato anatiko ary dia nifoha tao anatin'ny ady aho.Sitrana aho ary nalefa nivoaka.Indray andro aho nangataka teo amoron'ny arabe toy ny fanaoko ary dia nisy olona nampiditra ahy an-trano.Fiangonana ilay izy fa tsy fantatro ary nanantona ahy ireto olona roa(ilay nampian-trano ahy sy rangahy iray dia ny pasitera. (Aty aminay dia misy fivavahana amin'ny andro andavanandro ary andro fametrahan-tanana ny marary sy ny olona manana olana eo amin'ny fiainana io andro io tamin'izay).Nasain'ilay pasitera noentina nivoaka aho ary noresahiny ilay olona ny hanolo aho sy hampiankanjo ahy.Nanao fotoana an'ny pasitera aho hoy izy ary dia variana izy fa hafa ny akanjoko,izaho nadio satria nomen-dry zareo akanjo aho,ny tarehiko niaratra,ny voloko niety:D.Tsy nanampo ahy ilay pasitera noho ny fikarakarana nanaovanan'ireo mpiara-miangona ahy:P.Noraisi'ny fiangonana aho ary dia niova tanteraka,voavonjy ny fanahiko,nahita ahy indray ireo vady aman-janako ary voavonjy daholo koa izy rehetra.180 l/b aho no lasa 90 l/b.Ataovy ny kajy 1 l/b na pound no filaza azy dia 1 l/b=450g.Ny fijoroako vavolombelona hoy izy dia hilazako anareo fa misy Atra ary afaka aho.Afaka ny fahoriana nianjady nandritry ny telo taona.
Izao izy dia choral ao amin'ilay fiangonana ary isan-taona dia mijoro vavolombelona foana.Nandritra n y fotoana nilazany ny tantarana dia fen olona nitomany ny manodidina ahy,izaho koa anisany ary ilay namako izay very fanantenana teo amin'ny fiainana dia niraraka nameno ny tavany ny ranomaso nandritra ny fotoana nanaovan'ilay rangahy ny tantarany.Mahay manova fo Andriamanitra.
Vavolombelona nahita maso niryna.

*** Tsy ho voatery nahita zavatra isika vao hijoro vavolombelona.Ity sera2 ity dia efa iray ahafahantsika milaza ny tantarantsika.
Raha misy olona namaky,na nanaraka ny fandaharana fivavahana tato ary dia nila vonjy,ny vavaka tamin'ny namana hafa izy.Izay dia efa vavolombelona amiko.
Izaho mijoro vavolombelona amin'izany ihany koa fa ny fahitako ny fandaharana fivavahana tato no nahatonga ahy hanoratra,hanampy,hianatra ny soratra masina.
Eny Mamaly vavaka Atra.Eny,velona sy mahery Izy.Eny,raha mitady Azy ianao dia ahita.Eny,afaka mifampiantso ny namana isika mifampi-vavaka.Eny manao fahagagana izy.

Raha misy olona nandray ny Tompo ato anaty serasera ka niova fo noho ny fandaharana fivavahana tato dia maniry aho mba hijoro vavolombelona izy.Ity fandaharana ity dia eran-tany ary maro ny gasy erak'izao tontolo izao manaraka ity.

Raha misy mitady na mangataka ny hivavahana dia vonona aho ny hivavaka ho azy.Na izao azy izy dia afaka mivavaka.

Andriamanitra o,misaotra anao aho fa mbola afaka nidera sy nankalaza ny anaranao.Tompo o.lehibe ny fahasoavanao,lehibe ny voninahitrao.Mamindra fo amiko Tompo o.Mamela ny heloko.Hifonako aminao izay ratsy rehetra vitako........Tanisao Aminy daholo izany.Aza misy hafenina na iray aza.Ianao sy Izy irery no mahalala izany.Izy irery ihany koa no efa nahalala ny fahoriana nianjady taminao...Omeo hery aho Tompo o hanaraka anao,hanao ny didinao.Omeo hery aho mba ho tonga zanakao.Ianao irery ihany no Mpanavotra ahy.Ianao Irery ihany no Tompoko manomboka anio.Voninahitra anie ho Anao Irery ihany,hatramin'ny taloha indrindra sy mandrakizay.Amena^:^'

Vavaka ao anatin'ny fonao no hiresahina Azy,ny fo feno torotoro ,ny fanahy namgetaheta ny hitady azy.Fo feno fanendre-tena(humble yourself)no omeo ny Tompo.Ampiaro amin'ny fiainanao ny fivavahana fa izay no atao hoe miova fo.Raha tsy mahita fiovana amin'ny fiainana isika kanefa miteny antsika ho mpivavaka dia tsy misy ny maha samy hafa antsika amin'ny tsy mpino izany.
(l)niryna
68. rush ( 24/05/2007 18:09)
ny mampalahelo raniryna dia ianao tsy mba mety maiky nanao fahadisoana!tongalafatra loatra?ny anao hiany no asesikao fa tsy mba hamakianao loha ny zavatra mba lazain'ny hafa!
@ fomba ahoana moa no hinoan'ny olona izay lazainao rehefa tsy mba mihaino na mamaky izay zavatra mba lazain'ny hafa ianao.
Mpandefa : ishaam [ Valio ] 23-05-2007 15:22:19
Lohateny : Re : Niova ho kristiana aho:Vavolombelona!!!
Ny fijoroana vavolombelona dia anisan'ny fitoriana filazantsara velona ao amin'i Kristy, ary ny fomba fijoroana vavolombelona dia mbola misy endriny maro tokoa

Izaho dia misaotra manokana an'i niryna fa miangavy raha azo atao, raha manana ambara isika dia mba zarao ny fijoroana vavolombelona tamin'ny nataon'i Kristy teo amin'ny fiainantsika, dia raha mety dia aza mifampitsikera fa samy efa notahian'Andriamanitra avy isika na dia tamin'ny bitika indrindra aza

Amiko manokana dia tsy publicité velively ny fijoroana vavolombelona fa tena asa fitoriana filazantsara feno mihitsy. Mitovy hevitra amin'ny namana iray ao ambony ao aho hoe miankina amin'ny tsirairay tokoa io ny any anatin'ny fo manery azy hanao izany fijoroana vavolombelona izany na ho an'ny voninahiny ny hanaovany izany na ho voninahitr'Andriamanitra, tsy misy mahalala isika fa ny zava-dehibe dia ny mba mihaino izay ambara na dia kely monja aza. Sa ahoana hoy ianareo? avereno amiko ny hevitro raha diso, misaotra
tsy atao mahagaga io satria tsy maintsy manavotra ny mpiandry ohatranao ianao!
Kanefa izay misy ahy io rush manaraka mitsingoloka sy miteny tsy voahevitra.Fitiavana daholo no antony fifanoroana ny marina eto,ary io no hanafaka antsika amin'ny ziogan'ny ota.
fa ny anao hiany izany no fitiavana fa ny an'ny hafa fitsikerana sy fanenjehana anao?
Sao mba izany no tena fitiavana e, fa tsy ny anao mamahana zavatra diso be ity. Amiko dia tena fanampozinana ny hafa ny fampianara zavatra diso sy tsy misy fandanjalanjana.
tena fitiavana tokoa io!eny na dia somary mafy aza satria tsy ahitana valiny mihintsy raha vao lazaina niryna fa nanao fahadisoana fa ny azy hiany no marina ary ny azy hiany no fitiavana e!
Ny zavatra tena nahavarina ahy teto koa dia ianao tsy mba sahy manontany ny hafa hoe: inona tamin'izay nolazaiko izay re no diso e?
mba mangataka anao aho ry niryna mba hamaly an'io @ fahamatorana!
69. ikaretsaka ( 24/05/2007 18:31)
rush> ka ef alazaina anie fa tsy hainy izany mandinin-tena sy manao jery todika izany fa ny azy foana , ny azy ihany, ny azy hatrany!
70. malalatinasoa ( 25/05/2007 04:05)
Tsy hitako izay antony anankiananareo lava ny tompon\'i Sujet eto, nefa isika mamaly eto dia toa samy mpanara-dia an\'i Kristy aby. Mieritreritra izy fa ny fijoroana vavolombelona no fitaovana entiny hitaomana olona, inona moa no ratsy @ izany?

Isika dia samy nomena fanomezam-pahasoavana samihafa: miteny @ teny tsy fantatra, mpanasitrana, mpiandry, manantalenta, olon-tsotra raha jerena ety ivelany nefa manana ny maha-izy azy any anaty any, samia mampiasa izay talenta ananany . Raha misy olona eritreretina hoe diso dia adidy ny miteny azy, miteny hoy aho fa tsy manankiana lava, anjarany ny maka izay tandrifiny rehefa avy eo. Satria isika rehetra tsy misy izay marina kanefa samy mbola hadinina daholo any am-parany.

Enga anie ka tsy ho tonga amintsika ilay teniny tsy mpino sasany hoe: Ireny milaza azy ho mpivavaka kanefa miady an-trano, mpifanankiana, tsy misy indrafo...
71. Rasiligaoma ( 25/05/2007 04:35)
Mieritreritra izy fa ny fijoroana vavolombelona no fitaovana entiny hitaomana olona, inona moa no ratsy @ izany?


dia ianao ihany no nahavaly azy rehefa halalinina: samy manana ny talentany sy ny fanomezam-pahasoavana hoy ianao! ka raha ny nahazo fanomezam-pahasoavana ho mpihira ve raha mijoro ho vavolombelona dia ho voatery mety amin'ny olona nahazo fanomezam-pahasoavana ho mpandrafitra?

Tsy mety izany amiko


Raha misy olona eritreretina hoe diso dia adidy ny miteny azy, miteny hoy aho fa tsy manankiana lava,

Marina tokoa, fa saingy raha tenenina ve izy ka ilay zavatra itenenana azy iny ihanyno averiny foana !
Raha mpinono tanana ianao ka nolazaina hoe ratsy ny minono tanana nefa mbola manao ihany, mazava ho azy miova ho azy ny fitenenana sy ny remarquen'ny olona hoe ny tanan'ity ve misy inona no nonoina eo foana e!
Dia ohatraohatran'izay!
72. niryna ( 25/05/2007 04:52)
malalatinasoa:

Tsy hitako izay antony anankiananareo lava ny tompon'i Sujet eto, nefa isika mamaly eto dia toa samy mpanara-dia an'i Kristy aby. Mieritreritra izy fa ny fijoroana vavolombelona no fitaovana entiny hitaomana olona, inona moa no ratsy @ izany?

Isika dia samy nomena fanomezam-pahasoavana samihafa: miteny @ teny tsy fantatra, mpanasitrana, mpiandry, manantalenta, olon-tsotra raha jerena ety ivelany nefa manana ny maha-izy azy any anaty any, samia mampiasa izay talenta ananany . Raha misy olona eritreretina hoe diso dia adidy ny miteny azy, miteny hoy aho fa tsy manankiana lava, anjarany ny maka izay tandrifiny rehefa avy eo. Satria isika rehetra tsy misy izay marina kanefa samy mbola hadinina daholo any am-parany.

Enga anie ka tsy ho tonga amintsika ilay teniny tsy mpino sasany hoe: Ireny milaza azy ho mpivavaka kanefa miady an-trano, mpifanankiana, tsy misy indrafo...



Misaotra anao aho:*
73. Rasiligaoma ( 25/05/2007 04:55)
efa nomeko an'i niryna io koa ny valiny
74. niryna ( 25/05/2007 05:10)
rrgmt:

Tsara ny fijoroana vavolombelon'i Kristy. Ataovy foana.
Misy mandray , mampahery izany. Misy misalasala, mila mandalina ny finoany izy. Misy manda. Fomban-javatra izany.
Ny ratsy aza tsy menatra mijoro koa inona no mahamenatra manmbara ny fahatsaran'i Kristy Jesoa ?
Sao misy ny fahasoavana omen'Andriamnaitra azy eo amin'ny fiainany kanefa tsy hitany na fantany. Mila Hambara fa velona Kristy. Sa sao dia ilay Kristy ao antin'ny vatakely miaraka amin'i Maria Magdalena aza, izay navoakan'i James Francis Cameron no inoana ? raha izay. Hay maty fa tsy nitsangana, Raha velona Izy, aoka tsy ho menatra ê!:D




Efa 2000 taona no nisy ny fanenjehina ny olona tia mitory an'i Kristy.Ny tena mampalahelo dia tsy fantany hoe maro ny olona mangetaheta ny fivavahana.Kanefa dia tsy maitsy mitory hatrany ihany isika .Izy ireo aza manaiky am-piasan'ny satana koa.:roll:Hatramin'izao aloha ireo olona manohitra tsy mbola nahitana teny mampianatra fivavahana fa fankahalana sy sujet miova foana no ataony.Tiava ny fahavalona hoy Jesosy.Izay manaraka ny didiny sy ny hafany ary izay zavatra asiany atao kanefa tsy atao dia mpanohitra azy izy izay.Tsy ao aminy Izy koa ahoana moa no hitiavany Azy.Raha manaiky ny fampianarany dia toy ny rano mitete eo amin'ny vato ka amin'ny farany tsy maitsy misy pentina ny vato na dia kellllyyy ihany aza,saingy ny manda sy mankahala no ataony.:cry:
Jereo anie izay olona mitory ny tenin'ny Tompo eto dia halan-dry zareo,ary efa takatry ny rehetra fa ataony ady farombaka.:cry:kanefa vao maika mahazo hery be izahay sy vao maika falifaly lalandava.
75. niryna ( 25/05/2007 05:24)
Isika izay mbola nomen'Atra andro iray isan'andro izao dia efa vavolombelona velona.Angaha isika afaka manampy na manala ny andron-tsika?
Matetika ny olona mankahala ny tenin'ny Tompo dia manafina ny ratsy ataony na ny zavatra mifanohitra ny teniny ka izany no anodikodinany ny resaka.

NY FAHAZAVAN'NY MARINA DIA TSARA FIREHITRA .FA NY JIRON'NY RATSY FANAHY HO FATY.

ARY ANKEHITRINY DIA IRETO TELO IRETO NO MITOETRA:NY FINOANA ,NY FANANTENANA,NY FITIAVANA ;[U]FA NY FITIAVANA NO LEHIBE INDRINDRA[/U] 1 KOR 13:13

I(l)JESUS.HE (l)ME ,TOO. HE (l)ALL OF US.
TIA ANTSIKA REHETRA JESOSY KA IZANY NO NANOMEZANY NY AINY HO SOLON'NY FAHOTANTSIKA.
76. Rasiligaoma ( 25/05/2007 05:27)
Efa 2000 taona no nisy ny fanenjehina ny olona tia mitory an'i Kristy.Ny tena mampalahelo dia tsy fantany hoe maro ny olona mangetaheta ny fivavahana.Kanefa dia tsy maitsy mitory

iza ireo olona ireo?

ny Apostoly tompoko... Apostolika...

Jereo anie izay olona mitory ny tenin'ny Tompo eto dia halan-dry zareo

Ny fahitako azy:
tsy ilay ianao mitory ny tenin'ny Tompo no halan'ny ankamaroany ato (aleo atao hoe ny ankamaroany , ary za anisany!)
fa mety ary possible hoe ny FOMBANAO no hitany fa tsy mety dia MANITSY ANAO IZY, sy manome hevitra, fanampim-panazavana, famelabelarana misimisy kokoa...
Fa amin'ny foko tontolo no ilazako aminao fa izaho tsy mankahala anao, fa manitsy sy manome fanampim-panazavana, satria indraindray ilay zavatra ambaranao lazainao fotsiny fa tsy fantatrao akory ny TENA DIKANY SY ANTONY!
77. Rasiligaoma ( 25/05/2007 05:44)
ilay fomba fitoriana izany e
78. ikaretsaka ( 25/05/2007 14:01)
Ny fahitako azy:
tsy ilay ianao mitory ny tenin'ny Tompo no halan'ny ankamaroany ato (aleo atao hoe ny ankamaroany , ary za anisany!)
fa mety ary possible hoe ny FOMBANAO no hitany fa tsy mety dia MANITSY ANAO IZY, sy manome hevitra, fanampim-panazavana, famelabelarana misimisy kokoa...
Fa amin'ny foko tontolo no ilazako aminao fa izaho tsy mankahala anao, fa manitsy sy manome fanampim-panazavana, satria indraindray ilay zavatra ambaranao lazainao fotsiny fa tsy fantatrao akory ny TENA DIKANY SY ANTONY!


Ny fomba fitoriana ataonao sy ny fisainanao eo @ fitoriana azy koa no hitako fa misy lesoka indraindray sy hanomezako fanitsiana sy fanazavana misimisy kokoa ny momba izany , fa tsy ilay ianao mitory koa akory ka!
Fanampiana anao aby izany: mba tsy hahatonga anao hitoritory fahatany!
79. niryna ( 26/05/2007 02:03)
tsiafoi1 :
22-05-2007 16:11:58
Lohateny : Re : Niova ho kristiana aho:Vavolombelona!!!
Matoa ny olona iray mifikitra @'Atra de tsapany ny fisiany sy ny fanampiany teo @'ny fiaianany. Raha ho ahy manokana de tsy ho ampy itantarako ny herin'Atra miasa isan'andro isan'andro ny toerana sy fotoana eto. Fa ny hany azoko lazaina de mampirisika ny ts11 aho mba hanao fanandramana mivantana.

Io Andriamanitra io dia miasa @'ny fotoana izay tena tsy ahitanao vaha-olana intsony @'ny maha olombelona (C'est un Dieu de l'Impossible); Antsoy Atra @'izay fotoana impossible izay fa hamaly anao Izy ary ho resy lahatra ny Aminy enao. Raha mbola voavahan'ny lojikan'Olombelona mbola mety hampisalasala anao fa le SOLUTION DANS L'IMPOSSIBLE no maha ANDRIAMANITRA AN'ANDRIAMANITRA

Misaotra anao ry tsiafooy1.Tsy ho takany sy tsy heken-dry zareo mihitsy ny tenin'Atra sy izay miresaka fivavahana raha tsy ny tenan-dry zareo mihitsy no manandra-tena.Hatramin'izao aloha dia ny manohitra sy ny manodina ny resaka foana fa tena tsy mbola nisy azo nalaina mihitsy ny fampianarana.Tena saika maty antoka izahay raha nandoa ecolage .:D
Jereo daholo fa hatramin'izay, ka hatramin'izao hitenenako izao,izay rehetra miditra ka mitory ny filazan-tsara dia ato ,dia hiadivan-dry zareo daholo.
Mampalahelo kanefa izay no safidiny.:D
80. niryna ( 26/05/2007 02:06)
malalatinasoa:

Tsy hitako izay antony anankiananareo lava ny tompon\'i Sujet eto, nefa isika mamaly eto dia toa samy mpanara-dia an\'i Kristy aby. Mieritreritra izy fa ny fijoroana vavolombelona no fitaovana entiny hitaomana olona, inona moa no ratsy @ izany?

Isika dia samy nomena fanomezam-pahasoavana samihafa: miteny @ teny tsy fantatra, mpanasitrana, mpiandry, manantalenta, olon-tsotra raha jerena ety ivelany nefa manana ny maha-izy azy any anaty any, samia mampiasa izay talenta ananany . Raha misy olona eritreretina hoe diso dia adidy ny miteny azy, miteny hoy aho fa tsy manankiana lava, anjarany ny maka izay tandrifiny rehefa avy eo. Satria isika rehetra tsy misy izay marina kanefa samy mbola hadinina daholo any am-parany.

Enga anie ka tsy ho tonga amintsika ilay teniny tsy mpino sasany hoe: Ireny milaza azy ho mpivavaka kanefa miady an-trano, mpifanankiana, tsy misy indrafo...




=D=D=D
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.5268