Felicitation Sarkozy

61. Samoana ( 08/05/2007 13:03)
hery:

...Fa ny manana taratasy mety nieritreritra hoe hahazo toerana tsaratsara amin'izay, na hoe hilamina tsara amin'izay ny fiainana... kinanjo...
Mbola misy legislatives azo hiovan-kevitra an :-p

T@ fety lehibe teo @ place de la concorde fiarahabana ny mpandresy dia nohirain'i Jane Manson ilay " Ô! Happy day " ka ilay hoe "Jésus" @ tonony nosoloiny "sarkozy" !!! Betsaka mihintsy no mihevitra fa messia hanao fahagagàna le rangà voafidy io. Tsara ny manantena saingy tsy mety ny fanatisme satria henjana ny ho vokatry ny fahadisoam-panantenana ( tsy iriako ho anareo nifidy saingy tsara ihany ny mitandrina:wink:)

62. sakaizakely ( 08/05/2007 13:05)
voromailala>

raha vonona hiasa 50h / sem moa izany ianao tsy koi

fa hoatra ny manao tsianjery maimbo fotsiny ianao nefa tsy azonao akory ny zavatra lazainao.

Na voalohany na faharoa na faha-folo, isaky ny manao prêt (trano, fiara, équipement isankarazany...) dia mandoa intérêt foana fa tsy hoe @ voalohany ihany araky ny lazainao io ambony io. Asa raha mba voavinavinanao na efa niainanao manokana ny havesatrizany intérêt @ fividianana trano izany...

tsy hainao akory ny namaly ny fanontaniako nefa zavatra tsotra be le izy. Firy taona no tsy andoavana impôts rehefa manao prêt ? Arak'io ohatra nameko anao io ve ? Sa tsy azonao ny resaka ? Tokony mba miezaka koa hicomprendre ny zavatra lazain'ny candidat mandritry ny propagandy fa tsy mamerimberina fotsiny. Nefa tsy hay akory ny manazava azy.
63. voromailala ( 08/05/2007 15:05)
sakaizakely:

Ianao angambany dia olona tsy te hifofota hisasatra amin'ny fiainana fa miandry tolorana fotsiny.
rigueur io no tsy ampy amitsika Malagasy.

Manontania Malagasy izay fantatrao eto frantsa ianao hoe firy heure/Semaine no hiasa, fa maro no manodidina ny 50h ary mety mihoatra azany sasany.(Livreur,Baby sitting,Secteur Tertiaire,Hopital,informatique,Batiment,......)

Voalaza mazava tsara fa ny ahazahoan'ny rehetra trano no tanjona. Noho izany ireo pret amin'ny trano dia hesorina amin'ny hetra. Mazava be io valiteny io, rehefa tsy mandoa hetra ianao dia tsy misy hesorina.raha fintinina dia natokoa indrindra ho an'ireo olona vonona miasa.

Ary ny hevitra hampiadiana fa aza manao ohatra ny socialiste ny olona indray no hejehina, tsy vitan'izany fa mbola mandoro fiara, manimba fivarotana sns (Ny misena anefa dia ny fiaran'ireo olona madinika ihany nodorany),
fanontaniana hapetrako, mpomba an'ireny olona nandoro fiara ireny ve ianao ENY sa TSIA valiny?

64. booboo ( 08/05/2007 15:24)
Voromailala > aza ahodina moa ny resaka fa mba valio mazava tokoa hoe ity fanontanian'i Sakaizakely ity ? (mipetraka fanintelo ny fanontaniana)
-
Firy taona no tsy andoavana impôts rehefa manao prêt ?
65. kally ( 08/05/2007 16:19)
Fa hono hoy aho ny anareo angaha tsy azo esorina amin'ny hetra ny zanabola?:?:
66. kelly13 ( 08/05/2007 18:24)
fanontaniana hapetrako, mpomba an'ireny olona nandoro fiara ireny ve ianao ENY sa TSIA valiny?

TSIA no valiny nefa kosa ny tokony eritreretina en tant qu'observateur d oe inn no antony? kou apetrako aminao ny fanontaniana oe "inn ary ny anton'ireny vandalisme" ireny e?
67. voromailala ( 08/05/2007 18:28)
booboo:

Voromailala > aza ahodina moa ny resaka fa mba valio mazava tokoa hoe ity fanontanian'i Sakaizakely ity ? (mipetraka fanintelo ny fanontaniana)
-
Firy taona no tsy andoavana impôts rehefa manao prêt ?

Mety ny fanazavako angamba no tsy mazava tsara :-).

Voalohany aloha tsy hoe tsy mandoa impot fa hesorina amin'ny impot ny interet aloha rehefa mindrana vola hividianana trano ianao.

Ny olona miasa aradalana eto Frantsa rehefa olona dia mandoa impot daholo (Raha tsy hoe kely dia kely ny karamanao) fa miova ny vola aloha arakaraka ny karama sy ny isan'ny zaza,sns...

Raha toa ianao tsy mandoa impot dia midika izany fa kely ny vola raisinao, na koa hoe ny vola raisinao mila tsy aharaka ny charges-nao. Mino aho angamba fa amin'io cas io tsy hieritreritra ny hanao pret hividinana trano ianao.

Mino aho angamba fa voavaly tsara ilay fanontaniana.
Na izany aza hampiako hoe rehefa tsy mandoa impot ianao dia tsy misy reduction d'impots.

Firy taona no tsy andoavana impôts rehefa manao prêt ?
Tokony toy izao ny fipetraky ny fanontaniana, Firy taona no mahazo reduction d'impots ianao rehefa manao
pret?
Valiny:Rehefa mandoa impot ianao dia mahazo reduction.

68. kelly13 ( 08/05/2007 19:21)
Mino aho angamba fa amin'io cas io tsy hieritreritra ny hanao pret hividinana trano ianao.

ah siiiii, za zao tsy mandou impot fa kely karama nefa te hanana trano d inn no tokony ataoko? za kou nefa tsy nahazo hlm satria tsy prioritaire! d ny tena mananjanaka tsy maintsy mila tafo donky mifafatra any @ agence immobiliere zay tena lafo d lafo tokou ny commission-ny, à part ny hofatranon'ny particulier efa mihoapapana! d ho aiza iany izahay kely karama itony zany? hangoron'entana aho ka :°)
69. voromailala ( 08/05/2007 20:18)
Ahoana moa no fomba hieritreretanao hividy trano raha ohatra tsy afaka ny hanofa trano akory ianao?

Dia hono oa, aiza ianao zany no mipetraka?

Misy torohevitra kely ity, fa tsy voatery raisina:
Izay olona hifandraisanao no hitovizanao, izany hoe
raha ohatra ka miezaka mifandray amin'ny olona tafita sy manankarena ianao dia lasa ho tafita ihany koa.

Misaotra betsaka anareo niady hevitra izany fa dia legislatives indray no manaraka.

70. sakaizakely ( 08/05/2007 20:40)
voromailala>

ny fampiadiankevitra ange tsy manakana anao hampiasa saina koa e :P

raha tsy mandoa hetra ve za ry vorona de hivakla am zany resaka izany hoy ianao ? tena intéressée amin'io mints manko aho mazava ho azy. Dia tiako fantampatarina ny conditions hi beneficier-na an'io de izany no angatahako fanazavana aminao nefa tena tsy any mihintsy ny famalinao

Mino aho fa raha mandoa hetra na efa nividy trano ianao dia afaka mamaly tsotsotra ny fanontaniako.

Justement tiako ho fantatra koa hoe retroactif ve io lalana io satria efa mba bebe ihany izay nomena fotsiny ny banky izay, raha mba hiala @ impots-ko tokoa :P Fa hatramin'izao manko mbola tsisy izany reductions d'impôts izany de izany no mahaliana ahy.
Azonao atao koa ve ny mamaly io fanontaniana faharoa io ?
71. sakaizakely ( 08/05/2007 20:57)
voromailala:

Ianao angambany dia olona tsy te hifofota hisasatra amin'ny fiainana fa miandry tolorana fotsiny.
rigueur io no tsy ampy amitsika Malagasy.

oadray le aza ! nareo zany tokoa ange de tena manao saimborona klé !

ahoana koa no ilazanao fa sosialista ireo casseurs ireo ? ngodé mivadikondana koa ary fa miteniteny foana ? Aiza kou ry vorona no hisy olona homba an'izany a ? Mba misaina f'aza manao takaka kelin'i sarkozy fotsiny mivovo am ze mandalo rehetra. Raha mahita ny soratako @ resaka hafa ianao dia ho tsapanao fa tsy mpomba an'i Segolène mihintsy aho fa par choix du moins pire fotsiny no tsy nisafidinako Sarko = le pen light io.

Fa zao tokoa, za tokoa de tia mamantambonona, raha vonona hanao heures sup ianao de tongava fa be ny pasoka sy sasa lamba ilako olona, ny fanaovana baby sitter + fakana sy fanaterana mpianatra koa etsy andaniny. Misaotra mialoha :-*:-*:-*:-*:-*
72. Samoana ( 08/05/2007 21:02)
voromailala:

Manontania Malagasy izay fantatrao eto frantsa ianao hoe firy heure/Semaine no hiasa, fa maro no manodidina ny 50h ary mety mihoatra azany sasany.(Livreur,Baby sitting,Secteur Tertiaire,Hopital,informatique,Batiment,......)

Voalaza mazava tsara fa ny ahazahoan'ny rehetra trano no tanjona...

6h/jour ihany no hiasako ary an-tsitrapo no nanaovana izany:wink:( niala plein temps ). Tsy mihevitra hividy trano aty koa fa nisafidy mampiasa ny ambim-bava ho fitsinjovana ny "ronono hosotroina" any an-tanindrazana.
Vokatr'izany:
-manam-potoana malalaka hanarahana ny fanabeazana ny ankizy sy miara adala aminy:P
-manam-potoana hialàna voly ny week-end ( baolina, kanetibe, balady, fiangonana,...)
-tsy lany vola manakarama olona haka sy hanatitra mpianatra
-manam-potoana hisakafoanana milamina fa tsy henjehin'ny sandwichs
-tsy mora kizitina sy milamin-tsaina hatrany ( na tonga aza ny fandoavana impôts:D )

Torohevitra:Tsy tsara ho an'ny fahasalamana izany 50h izany fa aza mamono tena e ! Fiahin'i sarko toy ny fary anie isika de akipiliny rehefa faikany tsy misy hilàny azy intsony e !

73. fijo ( 08/05/2007 21:10)
misy milaza hoe hofeno manga ny ao amin'ny depute.
andao anao kajy tsotsotra.
tamin'ny dingan avoalohany dia 30% ny an'i sarkox.
iznay hoe ny Ps sy ny UDF dia mbola mety samy hifidy ny azy,ka tsy hofeno mihintsy le antsasamanila ao.ary mety hiray feo ny PS sy ny UDF ka mitandrema.
74. sakaizakely ( 08/05/2007 21:13)
voromailala:

... hesorina amin'ny impot ny interet aloha rehefa mindrana vola hividianana trano ianao.

Firy taona no tsy andoavana impôts rehefa manao prêt ?

Tokony toy izao ny fipetraky ny fanontaniana, Firy taona no mahazo reduction d'impots ianao rehefa manao pret?

Valiny:Rehefa mandoa impot ianao dia mahazo reduction.

tsy mitombina mihintsy ny valinteninao.

ny intérêt @ vidintrano dia mihoatra lavitra ny impôts sur le revenu. De ahoana no analana an'izany ? Ny Tresor Public indray izany no redevable aminao raha arahina io lojika io.

Araky ny lazaiko anao hoe 4-5 taona ianao mandoa intérêts @ banky fotsiny fa rehefa vita io vao tena mamerina le prêt ianao.
Raha raisina le hoe 1 000 euros/mois ny traites-nao ary 3 000 euros ny impôts-nao.
Ahoana no analana 12 000 euros (sur l'année) sur 3 000 euros ?

Azonao ve le fanontaniana ? Morabe nge le lazaolana e ! Ataoko angamba fa tsy mila bac+5 vao mikopy sy mahavaly azy :P
75. fijo ( 08/05/2007 21:15)
sarotra be aminy izany fa tsy izy no namoaka le hevitra fa sarkox e
76. Samoana ( 08/05/2007 21:24)
fijo:

...ary mety hiray feo ny PS sy ny UDF ka mitandrema.

Milay raha mampiara-peo ségo/bayrou/dsk an ! za tsy mahavoa loatra an-dry fabioux intsony fa revin'antitra nilaozan'ny toetr'andro ny an-drizalà . Mampihemotra electeur:-D

77. kelly13 ( 08/05/2007 21:26)
voromailala>ouddrrryyyy, ianao iany no nilaza tery ambony tery oe ra hando ofatrano 1000euros/mois d vola arina @ varavarakely fa ra hividy trano d investissement! d aza raisina vilana ny resako, tsy nisy filazana mihintsiny tao oe "tsy mahaloa ofatrano ra kelly13" fa hoy za oe mba te hanantrano aho nefa voatery mivarina @ agence immobiliere satria tsy b sosy otranao ka afaka haka pret hividianako trano. d valiny ny fanotanianao (za mantsy mamaly refa mba misy manontany fa enao esquiver-nao fona ny fanotanian'ny oul apetraka aminao) mipetraka eto ambony seza, devant ny ordi izay ato antranoko sy izay ofaiko za fa ho aiza no hipetraka aminao e?
Misy torohevitra kely ity, fa tsy voatery raisina:
Izay olona hifandraisanao no hitovizanao, izany hoe
raha ohatra ka miezaka mifandray amin'ny olona tafita sy manankarena ianao dia lasa ho tafita ihany koa.
tsara kosa le torohevitrao an, ndao hifandray isika zany fa enao toa tafita sy manakarena :°)
78. sakaizakely ( 08/05/2007 22:03)

Misy torohevitra kely ity, fa tsy voatery raisina:

Izay olona hifandraisanao no hitovizanao, izany hoe
raha ohatra ka miezaka mifandray amin'ny olona tafita sy manankarena ianao dia lasa ho tafita ihany koa.

misy complexe de supériorité nge ravorona izany no fahitako azy e !?

lasa mitovy aminy eo indry ry kelly13 fa tandremo an ! lasa mitsingevana hoatrazy eo
79. voromailala ( 08/05/2007 22:06)
asa aloha na eto frantsa daholo ianareo,fa niteny ny demokratia koa dia tsy maintsy ekena. Samy manana ny tanjony eo amin'ny fiainana koa izay hatratrarana azy no hilofosy.

Momba legislatives tadidio fa tamin'ny 2 eme tour 40% ny electeur bayrou nifidy an'i Sarkozy, ary 40% Segolene. ary ny akamaroan'ny olomboafidy UDF dia nanohana an'i Sarkozy daholo.

Tsy ho possible izany Union Sego/Bayrou zany.Ny zavatra hitranga dia ho tavela rery eo i Bayrou sy ny Parti Democrate satria sahirana hitady 550 olona harotsaka, na mahita azany dia olona.....
80. voromailala ( 08/05/2007 22:09)
Izany eo ihany fa mahafinaritra ny miady hevitra aminareo.
Izaho dia manohana ny kapitalista, miombokevitra amin'ny amerikanina.
Any amerika mbola miazakazaka noho ny eto Frantsa.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.349