Fampitandremana AntsikaRhtraTSy ho Voafitaka

41. sipagasy ( 16/03/2007 18:24)
kelly13:

iza zany ratam (kiriezy b za)



taiza no nisy io soratra io fa fanina za tsy mahita tss
42. cutie ( 16/03/2007 18:55)
taitra i sipagasy fa nisy resaka ratam
veloma any aminy e :lol:
mampatsiaro ahy an'i ratam ty resaka ty
43. kelly13 ( 17/03/2007 09:19)
sipagasy>cf nikopol etsy ambony etsy
44. Fiffi ( 17/03/2007 14:03)
nikopol:
Misy tsy mety iany ilay mamoaka fiainan'olona eto ary tokony ho fafana ny message sasany na hahitsy. Lasa reglemen de konty ilay izy.
mihomn-kevitra tanteraka......


45. xxx ( 17/03/2007 18:55)
Misy zava-dehibe mampieriteritra ity @ fanontanian'i kolikoly hoe nankaiza i ROSA SADY TSY ANY DAGO NO TSY ANY LIBAN asio fieritreretana kely fa tsy mazava io
46. Fiffi ( 17/03/2007 21:22)
heu.....hasiana fiheritreretana ahoana kay ? ary raha ohatra ka lasa nipetraka any alemana na suisse na firenena hafa io olona io ? nga de voatery tsy maintsy hoe any dago na any liban no azo ahitana azy ?
47. cutie ( 17/03/2007 21:50)
:-D:-D:-D:-D:-D
48. unjila ( 17/03/2007 23:10)
nikopol
49. bazylou ( 17/03/2007 23:23)
io enyfa tonga ilay olona hanazava bebekokoa ilay resaka liban nataoko teto indray andro iry!! ilay nataonareo valibiraingina dia nimehezana avy eo
50. Fiffi ( 18/03/2007 08:03)
cutie: ka mahagaga akia le zavatra lazain'i xxx an ! heu......raha tsy inona koh hoe tsy maintsy fantatrin'olona zay misy ny sasany ?
51. yonikafopl ( 18/03/2007 08:33)
Yonika sy Akamatiana no miara-mamaly eto.

Voalohany , mbola tsy menatra ihany ianao ry kolikoly amin'ny lainga tsara lahatra alefanao eto , ary ambony enao milaza fa 4mois avant guerre no nahatongavanao , ary izahay no nandefa anao,nefa io indray milaza af efa ela no tany?? mampalahelo ahy ny fomba fisainanao ny fivavahanao rahavavy no atao tsara mba hahazoanao miverina antanindrazana raha ny fandehanako aty Dago no mankararirary ny fonao.

Tsy manana teny betsaka hambara aho, ary koa tsy hamaly ato intsony,satria ca n'a pas d'importance

Ho valiako eto ngamba ny momba an'i Rosa,rehefa tsy fantatrao dia ny mangina angamba no tokony hataonao,marina fa tsy aty Dago izy no tsy any Liban, fa anontanio ny fianankaviany hoe aiza izy.Any France miaraka amin'ny Patron ny teto Liban izy raha tianao ho fantatra.Any izy no miasa, isaky ny Ete izy no miverina any Liban. Mbola misy tsy mazava ve?


52. cutie ( 18/03/2007 19:24)
Mpandefa : Fiffi [ Valio ] 18-03-2007 09:03:07
Lohateny : Re : Fampitandremana AntsikaRhtraTSy ho Voafitaka
cutie: ka mahagaga akia le zavatra lazain'i xxx an ! heu......raha tsy inona koh hoe tsy maintsy fantatrin'olona zay misy ny sasany ?

ka zay ny mampime ahy io ka :lol::lol::lol::lol:
53. Fiffi ( 19/03/2007 07:00)
cutie: de zah koh aleo hi-:-D:-D:-D:-D aza :)
54. cutie ( 19/03/2007 14:28)
manara desona njy zany :-D:-D:-D:-D
55. mpitolonalb ( 19/03/2007 19:52)
Miarahaba antsika rehetra.
Ampahalalana ny be sy ny maro fa efa mijoro ara- dalana ny fikambanan’ny gasy eto Libanona , “Communautés des Ressortissants Malgaches au Liban” ary tohanan’ny mpiharo ny zo maha-olombelona eto an-toerana ary efa eny am-pelatanan’ny “ministère des affaires étrangères” sy ny manam-pahefana ny mombamomban’ ny mpikambana sy ny taratasy rehetra .
Ny mpikambana dia miaro ny tombontsoan’ny terantany Malagasy miasa eto libanona sy manohitra ny fanandevozana moderna sy ny fandefasana ankizy mba hatao fitadiavambola fotsiny amin’ny tsy aradrariny , ny fikambanana dia efa manana ny lalàna mifehy azy ary manana ihany koa “statut de travail” ara-drariny mifehy ny gasy manontolo .
Nantsangana ny fikambanana satria be ny gasy nitaraina sy nitomany ary nidodododo nila famonjena , ( isaorana manonkana eto ireo mpitondra mahafatra-po niasa sy nampody ireo gasy tamin’ireny ady ireny na dia teo ary ny asa aman- draharaha dia nahafohy fotoana nivezivezena tetsy sy teroa ary indrindra sahy nandom-baravarana ny mpampiasa libanais mihitsy na dia nahitana fandrahonana ary izany .Izy ity dia tsy vitan’ny hoe nisy ny niantso ny fodiana ka tonga dia mirodorodo ny olona , toa izao fiantsoan’asa an-gazety malaza @izao fotoana izao, tonga diso hevitra izay nihevitra izay satria ny fiainanay mpiasa eto libanona dia sarotra sy mampalahelo ka tsy malalaka ny hisafidy izay tianay izahay , ka tsy maintsy nisy ny mpikarakara ary anisan’izany ireo nanangana ity fikambanana ity fa ny Libanais dia tsy hamoaka anao amin’izao fotsiny satria lany vola be naloha tany @ birao sy ireo mpandefa ankizy izy ka tsy hiala maina aminao ka aza taitra ianareo raha 21 olona fotsiny no voasoratra anarana sy tafody tamin’ireny ) .
Efa nampanontanian’ireo olom - panjakana eto atoerana sy any antanindrazana izahay ny momba an’ireo olona mpandefa ankizy aty Libanona ireo amin’izao fotoana izao nefa mbola tsy nanana ny havaly izahay satria mbola tsy nanana porofo ka dia misaotra anareo be dia be ry Akamatiana sy ry Yonik ( Ramambahasina Haingo Heritiana sy Ramambahasina Tiana Santaniaina ) nitolotena ary misaotra anao koa ry Kolikoly nilaza ny anarana . Ny fikambanana dia tsy miditra @ "vie privée" an’ ireo mpandefa ankizy aty libanona na mialona ny vola miditra any ampaosiny sanatria ( indro kely ny mahagaga anay dia izao , henonareo fa mijoro ny fikambanana dia nody ianareo indrindra fa ianao ry Yonik ary tena sahy nandefa filazana an-gazety mihintsy aza, heverinareo ve fa fifaninanana ity fandefasana ankizy ity ? , sa re! fifanandrifin-javatra fotsiny ihany tsetratsetra tsy aritra ihany izay ka dia hialana tsiny raha diso hevitra izahay ) fa kosa miaro ny tombotsoany Malagasy rehetra eto Libanona na ho an’ireo izay mbola ho avy @ alalan’ ny fikambanana , ary efa misy tokoa ireo ankizy ho tonga , avy @ fikambanana nanaja ny lalana mifehy sy ny statut de travail vaovao @ izao fotoana izao. Ny fikambanana dia tsy maka vola na ariary aza @ mpiasa na aty Madagasikara na aty Libanona fa mandray karama ara –dalana izy ny 3 volana voalohany sy mandrampahavitany ny fe – potoana hijanonany eto an-toerana , ny vola lany rehetra dia anjaran’ ny mpampiasa daholo , ny rehetra hoy izahay , ary marihina fa tsy olo-kolompoana no handefasana ny ankizy fa tena mirotsaka antsehatra sy manadihady hoe manana moyen ve ilay olona hametrahana ankizy sa te haka be fahatany sy hanandevo olona fotsiny , ary ireo ankizy dia fantatra ny momba azy fa tsy notambatambazana tetsy sy teroa ary manana fahaizana miteny vahiny mba tsy ho voafitaky ny mpampiasa azy, ary koa mba ahafahany miaro tena, atao ahoana moa no miaro ny tena raha tsy mahay miresaka @ mpampiasa azy izy ireo?
Raha tena tia tanindrazana tokoa ianareo ry Akamatiana sy ry Yonik dia manasa anareo ny fikambanana hiara hiasa antsitra-po fa izany no FITIAVANA LEHIBE INDRINDRA ho an’ny mpiray tanindrazana, raha mitady vola ianareo dia miasà toa anay manaova mpiasa an-trano ara-dalàna sa tsy vitanareo intsony izany fa mafy loatra ? tsy misy mpanenjika ary manana saina milamina , tsy ananan’olona alahelo no tsy mihinana ny hatsembohin’ny ankizy fa miasa @ fo madio, ny vola ve no manosika an- tsika hivarotr’olona @ fotoana voafetra ( 3 taona ) ?.
Izahay koa dia tsy manakana ireo birao maka ankizy raha toa ka manaja ny lalàna mifehy ny gasy izy ireo ary manaraka ny statut de travail vaovao dia aoka kosa tsy haka an-kitsirano ny karaman’ny mpisa 3 volana ary vonona hanadihady ny mpitady mpiasa , raha tena manana fahefana sy hanaja ny statut aran-tsoratra sy ara – dalana .
Ambava homana ary am - po mieritreritra , hafa mihitsy ny hoe: FIHAVANANA @ MAHA-MALAGASY

N.B IZAHAY MPIKAMBANA DIA MIARA MIASA SY MIARA MITAIZA ARAM-PANAHY SATRIA IZA MOA NO HAVANA ATY TANY LAVITRA ATY RAHA TSY NY MPIRAY TANINDRAZANA IHANY , MPIANADAHY SY MPIRAHAVAVY EO @ TOMPO SY NY MAHA MALAGASY IZAHAY NO ATY , ARY MIARA ORY @ IZAY ORY MIARA MIFALY @IZAY FALY. EKENA FA BE NY MPIFANKAHALA , MPIFANENJIKA NY MIADY AMINTSIKA MALAGASY INDRINDRA AO @ MPIKAMBANA KA IZANY INDRINDRA NO HISIAN’NY FIKAMBANANA MBA HIFAMPITAIZA SY HANJAKA’NY FIFANDEFERANA .

56. booboo ( 19/03/2007 20:28)
ouf ! voavakiko hatr@ farany ihany hihihihi.

Courage sy mitozo hatrany aby ary indrindra mahavità be @ fanampiana ny Malagasy ny fikambanana vao !mahatsiaro maivana zany ny foko namaky an'ity :

fa mandray karama ara –dalana izy ny 3 volana voalohany sy mandrampahavitany ny fe – potoana hijanonany eto an-toerana ,
57. cutie ( 19/03/2007 21:49)
de ohatrinona le karama ?
58. booboo ( 20/03/2007 13:00)
tsy haiko :-o
59. Samoana ( 20/03/2007 14:10)
Mahafinaritra ny isian'ny fikambanana toy izao e ! Matoa anie zahay mba mametra-panontaniana tsy sanatria faly mitsikilo ny namana samihafa fa mba te ahita malagasy manatsara hatrany ny condition de travail-ny e ! ( mifona tompoko fa tsy nahita teny gasy azo nilazana azy:-D )
Mazotoa e
60. rina7 ( 21/03/2007 18:55)
Samoana:

Mahafinaritra ny isian'ny fikambanana toy izao e ! Matoa anie zahay mba mametra-panontaniana tsy sanatria faly mitsikilo ny namana samihafa fa mba te ahita malagasy manatsara hatrany ny condition de travail-ny e ! ( mifona tompoko fa tsy nahita teny gasy azo nilazana azy:-D )
Mazotoa e



iieee!Tena mahafinarotra tokoa zara aza misy ireo mba mikarakara,fa teo aloha d ry Haingo (yonika)sy ny mpiray petsapetsa aminy no manjaka....

Nahitsin'i hery
novalian'i rina7 ny 26/05/2007 21:38
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.527