Fampitandremana AntsikaRhtraTSy ho Voafitaka

1. kolikoly ( 13/03/2007 21:03)
Gasy miasa Aty LIBAN ny tenako,an'isan'ireo izay voafitak'ireo Raitanin-drazana (Malagasy) ,Izay mpandefa ny olona atsokosoko hiasa ety ireny.Fitaka sy lainga marivotototra no nahatonga ahy tonga taty,.Ka farany d izao Nialat@Mapampiasa izay nametrahan'ireo ahy izao,ary TSY IZAHO IRERY FA MARO DE MARO TOKOA ny toizany.Satria ireto avy ny NAHATONGA IZANY:
-MIASA MAINA MANDRITRA NY VOLANA MAROMARO satria ALAIN"IREO MPANDEFA ANTSOKOSOKO(MALGSy io)NY KARAMA ambolana ,fa maty antoka hono ry zareo t@ny fikarakarana ny fahatongavanay Aty,de izany no CONTRAT tenendr'izareo Mpikara2 @nyPatron Ipetrahan'ny REHATRA Izay tsy manatsiny noho ny fahatran'tsika Malagasy fa mba hitady izay mahasoa aty atanilavitra aty,
-Tsy firahahin'i Mpandefa rhfa mitaraina FA MAMPIJALY ny PATRON(satria dia N"IMPORTE QUI no IPETRAHANA hametrahan"IREO anay rhtr izay mba te HITADY ravinahitra ATY LIBAN,fa ny VOLAihany ny alain'ireo@Agence surtout ireoMalagympandefa ankizy antsokosoko ireo,ANTSOKOSOKO Hoy ny Tenako satria efa tadiavin'ireo Mpanao Fanjakana aty LIBAN ry zareo noho ny Fitarainanay rhtra izay Nijaly rhfa tonga aty ary tsy NORAHARAHINDR"IZAREO akory na kely ary ,koa de tsy nisy Solution hialana @izany raha tsy hoe NITSOAKA niala t@n'ILAY OLONA Nametraha anay,Nefa marihina fa tsy manana fahefana ahafahana mijanona ety izahay,koa dia miafara @ny FIDIRANA AMPONJA(MIGADRA)Ny hoavin'ny Rehetra izay hitady ny hahasoa aty lavitra aty satria tssy papier fa Tazomin'ireo Patron ny passport sns.. na koa tazom'ireo Nandefa anay ka izay mbola hitadiavan'ireo Hvtra hakana vola indray RHFA MIDITRA AMPONJA NY ANKIZY.
KOA DE MANAO ANTSO AVO AHO HO ANTSIKA MALAGASY RHTRA
novalian'i hery ny 26/05/2007 21:41
2. booboo ( 13/03/2007 21:42)
3. Fiffi ( 14/03/2007 05:49)
anjekaky ooo :{:{:{
4. lemenakely ( 14/03/2007 08:28)
koa maninona moa raha teneninao eto ny anarany hoe iza marina ireo olona sady efa mpitsetsitra no mpanararaotra ny fahorian'ny mpiray tanindrazana ireo
5. kolikoly ( 14/03/2007 08:40)
Mba Nijery ny mpikambana rhtra tato @ity site ity aho an'io,Dia hitako ato ilay Mpirahavavy izay avy aty LIBAN fa efa nody t@ny GEURE taty t@ juillet iny ny iray.Asa nammba fantatra reo ihany fa feno ny sarindry zareo ato.
6. kolikoly ( 14/03/2007 10:28)
kolikoly:

Mba Nijery ny mpikambana rhtra tato @ity site ity aho an'io,Dia hitako ato ilay Mpirahavavy izay avy aty LIBAN fa efa nody t@ny guerre taty t@ juillet iny ny iray.Asa nammba fantatra reo ihany fa feno ny sarindry zareo ato.



7. kolikoly ( 14/03/2007 10:28)
kolikoly:

Mba Nijery ny mpikambana rhtra tato @ity site ity aho an'io,Dia hitako ato ilay Mpirahavavy izay avy aty LIBAN fa efa nody t@ny guerre taty t@ juillet iny ny iray.Asa nammba fantatra reo ihany fa feno ny sarindry zareo ato.



8. kolikoly ( 14/03/2007 10:48)
NAVERIKO ILAY IZY SATRIA NISY FAHADISON_TSIPELINA T@MESSAGE EO ALOHA satria maimaika ihany n fitsidihana teo aloh.
Ny Fanamarihana kely: 4 mois taoalohn'io GUERRE taty io no nahatongavako ,d ny akamrony rhtra dia mbola tao @ilay Mpampiasa foana t@izany,de mba niantso an'ireo Olona nandefa ireo ny tenanay ny mba fomba hoadiana fa tsy fanttra izay hahazo.De tsy norarahiana fa ny havany no nokarakarainy nalefany nody t@ilay vonjymaika iny,ary an'isan'izany ny iray t@izy roavavy,mety efa hitanareo t@ny gazety ihany ny sariny satria de mpikambana teto avy ry zareo raha ny fijeriko ny momba2 azy ireo.
Tena tsy matahotody ny olona ssany Ka MBA MALINA RE RY RETO @NY RHTRa FA MAMPALAHELO RAHA Ny mahazo anay No mihantra @Ny MALAGASY iray tanindrazana SASANY
DE MANAO VELOMA FINARITRA DHLO E!
9. kally ( 14/03/2007 10:58)
Ohatry ny tsy azoko tsara ny fanazavan'i Kolikoly sy tena tanjon'ilay resaka.
Hoe ny iray tamin'izy roa vavy teto nalefan'ny mpikarakaraka nody ve no nampalahelo an'i Kolikoly? Raha azoko tsara izy roa vavy anie izany havan'ilay mpikarakara fotsiny fa tsy mpikarakara ny fandefasana anareo nody ka tsy nisy azony natao tamin'izany sa???
Dia ny fiainanareo nefa izao mba ahoana? Tsy misy mpijery intsony sa mbola misy mpikarakara ihany?Azafady fa ohatry ny be fnaontaniana be!
10. agoago ( 14/03/2007 11:13)
Nisy fiantsoana anie tamin'ireny hoe izay te hody dia manatona na mitelefoner-va an'ity. Nampian'i marokana ny fampodiana ireo gasy ta@zay raha tsy diso aho.Dia nisy ny nody, ny sasany tsy te hody na asa tsy nandre.Ka asa i Kolikoly ta@zay raha nahare? Raha vao zavatra no misy intermédiaire izany anie dia misy risque foana hoe izy no mahita tombony.
11. xxx ( 14/03/2007 11:47)
Efa mba nampitandrina ny teto ihany aho momba an'io fa an'isany ny nahala ny fijalian'ny olona miasa any Liban any.
Nisy annonce izay aza tao amin'ny bizna serasera momba ny fandehanana any Liban ka asa raha nisy namaly.
Misy agence nosokafan'ireo olona ireo any Analamahitsy eny ka tandremo ihany sao voafitaka fa marina ireo lazain'i kolikoly ireo.
Aleo mijaly aty amintsika toa izay hijaly any antany lavitra any, faly ery manao kajy hoe hahazo 5000 dollar vita ny contrat nefa tsy izany akory no azo avy eo fa fahoriana.
Misy manam-bitana aloha sendra patron tsara-fanahy afaka managona vola tsara.

12. boubounezy ( 14/03/2007 11:52)
tena misôtra any kolikoly fa tena nisy nièceko sy ny fiancéany saika nisy anadefa tany liban tany, dé nanotany anah zareo alou ra afaka mandé na tsy dé za mou tsy nanaiky ny andéanany any fa nataotra sô misy manjo anizareo any, fa no ny faitako anity dé mbola iverina iresaka @ zareo za anamafy anio voalazanao io fa tena mbola sokiriny lé oull iany zareo.
^:^^:^^:^^:^^:^^:^
13. xxx ( 14/03/2007 13:41)
Ny mampalahelo dia isika samy Gasy ihany koa no tena fositra @ ity raharaha ity. Mba mieritrereta ihany izay voakasiky ity raharaha ity mivantana fa ny tody tsy misy fa ny atao no miverina. Fantatro tsara koa io olona io ato @ serasera ato. Izay mazoto mampiseho ny sariny ery. Kanefa...
14. ravatorano ( 14/03/2007 14:15)
fatantro fa tsy te hitonona ilay anarana ianareo fa d maro ny mahalala an ireo olona lazainareo ireo fa ny mahagaga ahy dia izao inona no ifandraisany amin ilay resaka fampitandremana fa tsy hoe havan ilay mpikarakara fotsiny v zareo e araky ny voalazan i kally etsy ambony
Efa ela za nahare an io resaka io ary efa ela ange no nisy izy io e vao nanomboka ny fampandehanana ankizy hiasa any defa nisy ny olana niseho tany na taty madagasikara ary niseho an gazety mhitsy zany fa tsy vao zao akoriny ka aza gaga ihany e.
zao kosa anefa nisy ihany ankizy sendra ireo mpampiasa tsara fanahy na tena nandray azy ireo ho toy ny mpiasa rehetra mihitsy fa tsy ilay mpiasa ampijaliana sy tsy omena karama fa d nahazo ny anjarany ara dalana .
Ka anjaran'ny tsirairay no mandinika ny ataoany fa raha za manokana aloha aleoko ny havako tsy manana asa mijanona eto toy izay hijaly any alavitra any eto izy mety ho azonay hampiana ihany fa raha any ampita any no voa d hitoloko irery tokoa e !

15. yonikafopl ( 14/03/2007 14:28)
Miarahaba anareo rehetra.

Mba azoko fantarina ve ny mombamomba an\'i kolikoly?
Izaho sy Akamatiana ve izany lazainao izany?
Izaho dia isan\'ireo izay mikarakara ny ankizy izay te hiasa aty Liban, ary tsy antsokosoko satria efa nahazo alalana tany amin\'ny FOP fa miandry ny fahatongavanay sisa.
Raha milaza i kolikoly fa izahay no nikarakara tam nandehananao taty? azoko inianana fa ny ankizy izay nokarakaraiko tsy nisy mbola nitsoaka na nitaraina ka tsy novaliako. Lazao hoe iza ianao.
Efa henon\'i Kolikoly fa ho any Madagasikara izahay hanangana ny birao ho ara-panjakana sy hanao ny fifanarahana rehetra any amin\'ny ministera dia izay no nahatonga an\'i kolikoly hanao izay hanakiviana ny malagasy sy hanaratsiana anay. Tsy maninona anefa izany satria efa izay ny toetran-dramalagasy,miezaka ny hamingana izay mihezaka hanarina ny sasany.
Fa hono ho aho, i Kolikoly ve noterena nandeha taty? satria mbola any Madagasikara dia efa ambaranay daholo ny lafi-tsarany sy lafi ratsin\'ny asa aty Liban, ary tsy hifanerena fa miankina amin\'ny sitrapon\'ny tsirairay.
Izahay tsy milaza fa hiadana be rehefa tonga aty Liban, na hoe koa tsara fanahy daholo ny olona aty, fa kosa izahay MANOME TOKY FA VONONA NY HIARO NY TOMBOTSOAN\'NY MALAGASY sy ny DROIT TOKONY HO AZY IREO raha tena vonona ny hiasa sy hitsinjo ny ho aviny izy ireo, tsy ny gasy rehetra aty nefa fa ireo izay mandalo any amin\'ny biraonay any Dago sy ny birao iasanay aty Liban ihany no hanananay fahefana ny hiaro ny tombotsoany.
HItako ny fanazavan\'i Kolikoly fa 4 mois talohan\'ny guerre no nahatongavan\'i kolikoly taty Liban, Ary dia manamafy aho fa tsy IZAHAY no nikarakara an\'i kolikoly hiasa aty Liban satria nanomboka Octobre 2005 hatramin\'ny Septembre 2006 tsy nikarakara ankizy hiasa aty aho noho ny fahasalamako, ka mbola averiko fa tsy izahay no nikarakara an\'i kolikoly ho aty Liban.Betsaka tokoa ny ankizy niantso ahy tamin\'iny fotoanan\'ny ady iny, saingy tsy nisy azoko natao ho an\'ireo ankizy izay tsy izaho no nikarakara azy fa birao hafa, niezaka ihany aho ny hanampy saingy tsy afa-nanoatra satria tsy ny biraonay no nanafatra azy ireo.
Betsaka ny malagasy nafarako ho aty Liban, ary afaka hijoroako vavolombelona ihany koa fa tsy mbola nisy navelako ho irery raha nitaraina tamiko,fa misy kosa anefa ireo izay tsy vonona ny hiasa mihintsy . Tokony ho fantatra fa hiasa aman\'olona no aleha aty, toy ny mpiasa an-trano rehetra, na isika samy gasy aza mifanambany rehefa mifampiasa, ka mila fanetrentena ny asa aty,ary mafy ny asa ka mila mivonona ho amin\'izany.
Ny momba ny hoe tsy mandray karama amam-bolana maro, lazaiko eto fa 3 volana no tsy mandray karama,satria ny zavatra rehetra dia misy vola miala daholo, tsy CARITAS kosa kalou zahay na ny birao mpikarakara aty misy vola lany daholo amin\'ny fikarakarana ny ttsy rehetra hanafarana ny mpiasa iray, fa ny malagasy te hiasa koa nefa tsy angalana vola na ariary aza miala avy any Dago.
Ny azoko lazaina tsotra dia ny hoe ambava homana am-po mieritreritra, tsy misy fanerena ny fandehanana aty Liban, ary misy contrat sy ny condition rehetra izay ambara sy vakian\'izay te hiasa rehetra alohan\'ny hanapahany hevitra. Izahay tsy miafina na manafina ny marina rehetra, va vonona ny hanome fahafahampo izay manana fanontaniana mangitikitika azy avy.
Androany hariva izahay no hiainga ho any Dago, ka izay any Dago ka te hahafantatra bebe kokoa ny momba anay sy ny momba ny asa aty Liban dia vonona ny hanome fahafahampo azy ireo izahay raha misy fanontaniana mangitikitika azy ireo tiany hapetraka.
Asa angamba mba misy namana mahafantatra ny toetranay mirahavavy ihany eto ankoatra ireo be fialonana, ataoko fa misy tena namana 1 na 2 eto afaka milaza raha tena ratsy toetra tokoa izahay, fa ny azoko hambara, dia malagasy aho, tsy hamitaka ny malagasy toa ahy raha tena vonona ny hitsinjo ny ho aviny tokoa izy ireo,vonona ny hanampy foana aho raha mbola misy azoko atao hanampiana ireo malagasy namana.
Hamaliako kely an\'i Bobonezy, raha ny momba ny cousine nao sy ny fianceany, lazaiko fa tsy misy lehilahy ny mandeha aty Liban ka tsy marina io.

Lava loatra angamba izay, fa raha misy manana fanontaniana mangitikitika dia vonona ny hamaly azy ireo ny tenanay.
Misaotra naharitra namaky.
16. Samoana ( 14/03/2007 14:53)
Hoy Yonika :Ny momba ny hoe tsy mandray karama amam-bolana maro, lazaiko eto fa 3 volana no tsy mandray karama,satria ny zavatra rehetra dia misy vola miala daholo, tsy CARITAS kosa kalou zahay na ny birao mpikarakara aty misy vola lany daholo amin'ny fikarakarana ny ttsy rehetra hanafarana ny mpiasa iray, fa ny malagasy te hiasa koa nefa tsy angalana vola na ariary aza miala avy any Dago

Nourrie/Logée ve ireo mpiray tanindrazana tonga any sa miala @ karamany ireo ? Ny mpampiasa ve no mikarakara ny frais d'avion ?
Mba fanontaniana manitikitika ahy ireo satria @ maha mpiasa trano azy ireo dia tsapako mafimafy ihany izao izany tsy mandray karama 3 volana izany a :cry:!
17. xxx ( 14/03/2007 15:24)
zao ve ry reto tsy resaka fanandevozana moderne ndray an! hiasa tsy handray karama....baikona anaovana izay tina rehetra io, aiza ny droit de l'homme @ zany? nefa ny fotoana 1h fotsiny aza vidina ohatrinna? Ny fisarahana @ fianakavina etsy andanininy?
Mba miheritrereta ihany ianareo vao manao zavatra fa tsy matin'ny vola loatra ka aza mety hobaikon'ny olona ambadika hitsetsitra anareo any, ary indrindra koa oe samy mpiray tanindrazana no hifamitaka, mampalahelo ihany! ra marina io zavatra voalazan'i kolikoly io.
18. xxx ( 14/03/2007 15:31)
kolikoly:

-Tsy firahahin'i Mpandefa rhfa mitaraina FA MAMPIJALY ny PATRON(satria dia N"IMPORTE QUI no IPETRAHANA hametrahan"IREO anay rhtr izay mba te HITADY ravinahitra ATY LIBAN,fa ny VOLAihany ny alain'ireo@Agence surtout ireoMalagympandefa ankizy antsokosoko ireo,ANTSOKOSOKO Hoy ny Tenako satria efa tadiavin'ireo Mpanao Fanjakana aty LIBAN ry zareo noho ny Fitarainanay rhtra izay Nijaly rhfa tonga aty ary tsy NORAHARAHINDR"IZAREO akory na kely ary ,koa de tsy nisy Solution hialana @izany raha tsy hoe NITSOAKA niala t@n'ILAY OLONA Nametraha anay,Nefa marihina fa tsy manana fahefana ahafahana mijanona ety izahay,koa dia miafara @ny FIDIRANA AMPONJA(MIGADRA)


Ahoana hoy ianareo mpikarakara @ io tenin'i kolikoly io toa tsy novalinareo, io possible, aiza no hamoronany an'io ra tsy mahazo azy io?

19. sitlo ( 14/03/2007 16:20)
efa nandeha tamin'ny maTV ity raha tsy diso aho
20. akamatiana ( 14/03/2007 17:02)
Miarahaba ny rehetra !!

Angamba efa voalazan\'i Yonika doly ny zavatra rehetra , fa ny tena hamafisiko dia raha anisan\'ireo ankizy nalefanay ianao io ry kolikoly dia angamba tsisy fitaka na dia zavatra iray aza no nambaranay anao , fa lazainay na dia ny hamafin\'ny asa atao , ny toetran\'ny libanaise , ary tsy noterena ianao fa safidinao zany , samy manana ny safidiny ny olona fa tsy nisy noterena . Raha ankizy nalefanay tokoa ianao , dia teneno eto oe iza ny anaranao mba hanamarinako koa fa tsy mandray andraikitra i yonika any Liban any , amin\'ireo ankizy izay nalefanay ,ka raha anisan\'ireo ianao dia inona ny olanao ka tsy novahan\'i yonika ka nahatonga anao itsoaka ???? Sa tsy iasa ny tao antsainao talohan\'ny nialanao teto dago ???? fa hevitra hafa ka fantatrao fa tsy tanteraka ilay izy dia nanitan-kevitra itsoaka ianao ??? Ary ambarako eto koa fa ny vy tsy mikintrana irery , matoa ny olona iray manao fihetsika hafahafa aminao de nisy zavatra tsy mety nataonao zany , ohatra : tsy miasa tsara ianao , tsy mahalala fomba eo koa ireo tsy mahay miteny frantsay ka mahatonga ny fijaliana misy amin\'ireo sasany , ao anefa ireo vonona ny hiasa sy hiavotra ka tsy misy ny olana aminy sy ny mpampiasa.
Ary raha ny fodiko indray no mankarary ny fonao , dia tsy vao 4mois talohan\'ny ady no nahatongavako tany fa efa 5ans ka ataoko angamba fa efa nahavita ny contrat za , ary niasa fa tsy itsangatsangana no nandehanako tany ka nanararaotra iny ady iny mba nodiko , ary fifanarahako tamin\'ny fiasako no nahatonga ahy hody , azonao anontaniana ao am SPA io, fa tsy i yonika no nitarainako oe za alefaso mody sns , ka hevitro sy fifanarahako tamin\'ny mpampiasa ana io satria ao za no miasa .Aleo ngamba izay fa lava lotra kou izy zany
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.38