Fampitandremana AntsikaRhtraTSy ho Voafitaka

101. xxx ( 29/03/2007 16:26)
[quote=yonikafopl]
Aza dia mirehareha loatra amin\'izany fikambananareo izany sao dia hilanja ny taolambe tsy mitapaka .
lasa menace indray klé!
102. rina7 ( 30/03/2007 18:35)
Eeee!Tara sambo ianao zany!
Aminkafaliana lehibe no anambarana amin'i Yonika sy ny tariny fa matoa najoro ny fikambanana dia satria baiko avy t@ ministere des affaires etrangeres Mcar,ny ambassades de Mcar France ary ny ho futur consul de Mcar eto Liban.Ny olona refa manao zavatr d efa voasaina tsara daholo fa tsy toy ny anareo tsy misaina afa-tsy ny vola.Ka raha ampy anao ny fanana'ilay malemy,inn no mbola anaovana affaire manondrana oll????Sa tsy ampy ny fianakams ???Rah hanasoa ny mpiray tanindrazana marina ianao ,maninona moa no manao menace ny fikambanana Malagasy?Midika zany fa misy tokony harenina ny zvtr ataonao.Raha ny hoe mila torohevitra ianao!Efa mba betsaka ihany no naipitsipy teny taminao ange e!Na d ny reninao aza t@ izy mbola taty ireny fa ianao mihitsy no TIA VOLA .Nefa ange toa ny eo ihany no eeeeo eeee!Ny zanak'oll fotsiny no ampijaliana aty!
eeee!Ny andehanana any ampiangonana ange hivavaka e!Ka inn ty hoe tongava any @ Koreitem ty.Inn ko ty manhy vary be ty toa mampiseho ny fananana taolambe tsy mitapaka,zany d mampiharihary ny haratsiatoetra ee!IIOoo re oll aa!Mampiharihary ny toetrany izy e!!D toy zany koa no anaovany ireo gasy ampiasainy raha vao mitaraina d omeny ny taolambe tsy mitapaka koa mitandrema daholo sao sodoka ambony ihany.
Zava-misy daholo ireny voalaza ireny fa tsy misy lainga akory ,tsy nisy hamorona ireny raha lainga ireny,Aryraha toa ary ka hilaza ianao fa tsy marina ireny voalaza ireny ahoana no tonga d hanononanao anaran'oll eto???Satria ireo no mahalala ny afera maizina ataonao fa tsy fialonana araka ny voalazanareo .
103. kally ( 30/03/2007 18:44)
Inona ary ity mifanaratsy sy mifanebaka imasom-bahoaka ity ry reto? tsy efa ampy ve izay e? Tsy aleo ny tantara no hitsara? Toa samy tsy manaiky diso tsinona! Manjary manala-baraka fa mandehana samy mivavaka avy sao ho lasa ratsy eo ity fo!
104. mpitolonalb ( 30/03/2007 22:07)
ho anao ry yonikafopl
Ny Mpitolonalb angamba no tianao ho valiana ary manorata mivantana amin'io ianao fa aza manonona anaran'olona amin'ny tsy misy porofo , matoa voasoratra ny anaranao sy ny rahavavinao tetsy ambony dia ianao no nitolotena, sy anarana azonay t@ dinika ity io, fa tsy ireo olona voasoratrao anarana ireo no nanome ny anaranao ary ny mpitolonalb dia tsy mbola nanaratsy anao teto @ity message ity ka dia sao lasa lavitra ny fanaratsianao ireo olona ireo . Matoa nandray anjara namaly ny zavamisy teto @ity vavolombelona ity izahay dia fiarovana ny zavatra tsy ho tonga lavitra toy izao, fanopana sy fidirana lalina @ny fiainan'ny olona ary fanaovana menace eto @ity dinika forum ity , ary ireo anaran'olona voantononao eo ambony dia sahy milaza aminao fa tsy nanoratra na niditra t@ fiananao na mbola nanoratra teny ratsy teto @ity dinika ity, ka raha misy zavatra mety tsy azoazonao @ireo olona ireo dia tsy eto no amoahinao ny lonilony any am-ponao any fa manantona azy mivantana fa tsy fahalalam-pomba izany .Ny mpitolonalb dia fikambanan'ny gasy fa tsy olona tsirairay araka ny heritreretinao , ary diso ny hevitrao ny hoe: " ny fikambananareo " tsy ireo olona ireo no mikambana ao fa gasy maro be ary ny gasy rehetra eto izany no henjehinao , fantatray fa misy mpitsikilo sy mpanakorotana ato @fikambanana tonga nitatitra tany @aminao ny zavamisy eto an-toerana.Omenay alalana ianao ny hitory ny fikambanana na ireo olona voatononao etsy ambony fa tsy misy eritreritra manenjika azy ireo na dia kely aza . Ny fikambanana ary dia mbola manasa anao hatrany fa gasy toa anay ianao ka aza dia misaina toa izany fa lasa zavatra hafa ilay izy .Miandry ny fahatongavanao izahay sy ireo olona voantononao ireo ary vonona izahay ny ho any @consul na ny ambassadeur na izay mbola tianao haleha.
Raha andetika io fikambanana io no tanjonao dia ny Gasy no aletikao ary olona efa tsy mieritreritra ny tenany ho Gasy no mahavita izany satria tsy olona dimy no atao hoe fikambanana ary aza mikitikitika ny olona tsy mikitika anao na mitsikera ny olona tsy nitsikera anao fa diso adiresy ny message-nao. Ary tsarovy fa fanatsarana ny fitondrana ny Malagasy mitady ravinahitra aty no tanjon’ny fikambanana sy hampisy lanja ny maha Malagasy fa tsy hitsikera izay fiainanao sy ny fianakavianao. Ary tsy manakana ny fanangananao ny birao mpandefa ankizy izahay fa tianay kosa ianao mba hanaraka ny zavatra takian’ny maro. Ary miezaka kosa ny fikambanana ny hanatsara ny fifampitondrana eo @ mpiasa sy ny mpampiasa ary indrindra indrindra ny karama raisin’ireo Malagasy ireo. Moa mba misy an’iza ve hiaro ny Gasy aty an-tany lavitra aty afa tsy ny samy Gasy mpiasa ihany. Ianao irery angamba no tsy mpiasa taty???????. Ary lazainay mazava tsara aminao eto fa torohevitra avy tany @ Ambassade de Madagascar any Frantsa sy ny Ministère des affaires étrangères no nahatonga ny fisian’ny fikambanana fa tsy natsangatsangana amin-kafanam-po fotsiny na natao ho fidiram-bola akory, na koa ho entina hanenjehana anao, araka ny heritreritrao!
Dia mandiniha tsara ary avereno vakiana ny message-n’ny mpitolonalb. Ary ireo mpanoratra sy mpandray anjara eto dia tsy misy hifandraisany @ mpitolonalb fa andron’ny democrasia izao ka afaka manoratra izay te hanoratra ary anao vavolombelona izay te hijoro vavolombelonaary ary koa hevitry ny tsirairay izany fa tsy miankina amin’ny fikambanana akory na hoe andeha hifampitaona hanaratsy anareo sanatria.
105. rina7 ( 31/03/2007 14:54)
:DManohana tateraka ny voalazan'ny mpitolonalb izahay,ary mbola mankasitraka ihany e!Manohana ary mbola vonona hanohana ireo mpiaro ny tombotsoa ho an'ny fikambanana fa tsy toy ny sasany mitady hanapotika ny fikambanana.
Ho an'ireo mpitsikilo ny fikambanana koa de aoka ny conscience ny no hitsara azy.Fa mba hitady toy ny mpitady rehetra ihany koa no diany taty,ka hasakasany izay hanao sotrobe lava tango.Mety mba mahazo 1$ isaky ny tatitra kosa angamba izy.
106. mavvoo ( 02/04/2007 18:41)
:( Efa ela ihany no nanarahako ty resaka ty fa zao kosa aho mba hamaly angamba.Toa miparitaka hatrany @ yahoo sy ny hotmail any koa manko.Rah mbola misy ny azo ifanarahana dia mahaiza mifanaraka e!Fa saingy zao kosa aloha no mba tsindriako kely,raha vao ivelan'ny firenena misy anao dia tsara ny manana fikambanana,ary efa mba maro ihany ny tany novangiako fa misy izany daholo.Nefa maninona ny any aminareo no hosimbana in-1.Aza avela ho simban'ny hafa izany.Aza hadino fotsiny ny mandefa vaovao aty Dago raha vao misy azo ampitaina sao misy azo hifanampiana.Raha mahalala olona i Yonika any ,mba mahalala olona koa izahay aty Dago,raha hanapotika ny gasy mitovy aminy izy ,ny fianakaviany anie tsy nanaraka azy any Liban fa aty dago e!Mety mba hisy ho afaka hanapotika koa angamba.Koa zao no lazaiko anareo mpikambana,"NY MITABE NO TSY LANIN'NY MAMBA "HOY NY TENITSIKA malagasy koa dia mahereza daholo @ tolona atao.Ampitao ihany ny vaovao avy any fa tsy lavitra anay Analamahitsy.Mahereza e!
107. yonikafopl ( 07/04/2007 11:26)
Matoa nandray anjara namaly ny zavamisy teto @ity vavolombelona ity izahay dia fiarovana ny zavatra tsy ho tonga lavitra toy izao, fanopana sy fidirana lalina @ny fiainan'ny olona ary fanaovana menace eto @ity dinika forum ity

:roll:8O

@ity dinika ity, ka raha misy zavatra mety tsy azoazonao @ireo olona ireo dia tsy eto no amoahinao ny lonilony any am-ponao any fa manantona azy mivantana fa tsy fahalalam-pomba izany

:roll::roll::?::?::?:

Ary tsarovy fa fanatsarana ny fitondrana ny Malagasy mitady ravinahitra aty no tanjon’ny fikambanana sy hampisy lanja ny maha Malagasy fa tsy hitsikera izay fiainanao sy ny fianakavianao.

:!::!:

Ary lazainay mazava tsara aminao eto fa torohevitra avy tany @ Ambassade de Madagascar any Frantsa sy ny Ministère des affaires étrangères no nahatonga ny fisian’ny fikambanana

:?::?:

Ary ireo mpanoratra sy mpandray anjara eto dia tsy misy hifandraisany @ mpitolonalb fa andron’ny democrasia izao ka afaka manoratra izay te hanoratra

:roll:


108. yonikafopl ( 07/04/2007 11:31)
futur consul de Mcar eto Liban


ary vonona izahay ny ho any @consul na ny ambassadeur na izay mbola tianao haleha.


:roll::roll::roll::?::?::?:

109. xxx ( 07/04/2007 22:46)
resy lahatra eh!!!! misaotra an\'i kolikoly
110. mavvoo ( 13/04/2007 18:00)
:DManamafy ny hevitrao ry xxx,raha ireo volaza rehetra tetsy ambony no raisina.Efa samy namoaka ny tao ampony daholo angamba,ka samia manakotsako sy mandray izay azo raisina fa tsy tsara ny miady sy mifamitaka ,nefa samy gasy zao ihany,eny fa na dia mamy aza ny vola.Aleo mitady @ fahadiovana fa tsy @ fitaka sy lainga fa tsy mahasoa izany.
111. methode ( 15/04/2007 11:59)
Ny azoko lazaina eto angamba dia hoe ataovy mazava tsara fotsiny ny fifanarahana (Contrat). Amiko kosa aloha raha hiasa an-trano no andehanana lavitra any dia tsy sahaza antsika e, indrindra raha manana diplôme entina mahita asa hafa. Rehefa miasa an-trano izay dia efa voafetra ny fahalalahana, sady aza hadino fa ny karaman'ilay mpampiasa no zaraina ka ny dikan'izany dia ambinambiny no anjaran'ilay mpiasa.
Raha hoan'ireo mianatra ka mitady vola mandritra ny fotoana voafetra dia mety ihany raha tsy misy fomba hafa fa raha hijanona maharitra izany dia tsy lasa amiko. Ny fifanarahana telo taona avy hatrany izany dia mavesatra loatra amiko ary mino aho fa tsy ara-dalana (raha ampitahaina amin'ny lalana mifehy ny asa aty Madagascar).
Anjaran'ny rehetra no mieritreritra indindra ireo mirotsaka.
Ny mampalahelo fotsiny dia ny ankamaroan'ireo olona mandeha miasa any tsy afaka mamaky itony forum itony ary tsy mahazo vaovao tahaka izao. Betsaka ny avy any ambanivohitra tsy mahay teny frantsay akory. Milaza izany aho satria efa olona efa elabe io hatramin'ny nanombohan'ny fandehanan'ny Gasy any Liban. Na dia ny fialan'ireo olona ireo any amin'ny tanana mandrapahatonga any amin'ny Agence mikarakara ny fandehanana any dia efa misy varotra sy fanambakana. Tsy mahagaga satria io no asa fiveloman'ireo olona ireo ka mila vola koa ry zareo ireo.
112. rrgmt ( 17/04/2007 20:53)
Ny mampalahelo antsika Malagasy aty an-dafy dia isika samy isika ihany no mifamely matetika ary maro no malaza ratsy,matetika feno fitiavan-tena hatr@ bizina maloto, olona indraindray no amidy noho ny fitiavam-bola.
Mba miovà amin'izay mba ny laza tsara no ho hita eran-tany @ Malagasy ê, Jereo ny asiatika any USA, mifanampy, mifanavotra, isika Malagasy matetika malaza mifampiavonavona ? Misy koas anefa no tonga saina ary mitombo izany. Iza amin'ireo ianao. Miovà raha ilay sokajy voalohany.:D :D
113. cutie ( 17/04/2007 21:03)
Anjaran'ny rehetra no mieritreritra indindra ireo mirotsaka.

tsy afaka ny hieritreritra refa teren'ny fahantrana e
tsy ny Malagasy rery no manao ohtran'io fa hita hatraiza hatraiza @ tany mahantra daholo ny cas ohtran'zao
114. mavvoo ( 18/04/2007 18:41)
Ka ilay izy ange ry methode tsy vitan'ny hoe 3 ans de contrat fa mbola 3 mois tsy mandray karama koa e!Zany ve de mba rariny,ka tsy aleo ve miasa aty @ tanana ihany ko!Tena esclavage moderne ange zany e!
Na d hoe teren'ny fahatrana aza tsy hamono tena any Liban kosa ka!En plus samy gasy zao kosa ve.Tokony mba hieritreritra ihany ry zareo mpandefa io.
115. methode ( 06/05/2007 16:37)
Voalaza teo:
tsy afaka ny hieritreritra refa teren'ny fahantrana e
tsy ny Malagasy rery no manao ohtran'io fa hita hatraiza hatraiza @ tany mahantra daholo ny cas ohtran'zao

Ka izay indrindra no tsy mahatavaoaka tao anatin'ny fahantrana satria na hita fa efa hamono de mbola idirana ihany!
116. bozyboleta ( 14/05/2007 07:37)
Nivoaka t@ gazety teto Tanà t@ sabotsy 12/05/07 teo indray ny fitadiavana mpiasa ho any Liban. Ao Amboditsiry ao no misy ny biraony.
Voalaza fa USD 150/mois ho an'ze miteny frantsay fa USD 200/mois ho an'ze miteny frantsay sy anglisy.
Ahoana ndray io? Le iza zany reo mitady olona reo?
117. cutie ( 15/05/2007 00:56)
kely be zany karama zany
Fa tsy haiko alou ny vidim-piainana any Liban e:roll:
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2475