Hoy Kardinaly?

1. hery ( 13/03/2007 14:16)
Misy endrika fanalam-baraka ankolaka ihany eto amin'ny dinika Fivavahana sy Finoana rehefa misy resaka hoe Pretra sy Relijiozy tsy manambady. Tsy ny Pretra sy Relijiozy resahina no tiako lazaina eto fa ilay filazana ombieny ombieny hoe "Hoy Kardinaly" sy ny hoe "I Kardinaly mihitsy no niteny an'izany"

Tena sur 100% ve i fijo ohatra araka ny voalaza tato http://forum.serasera.org/?rub=dinika/message&msgid=m45e71e96705d6#m45ee58dcd28ce
fa ny Kardinaly Razafindratandra Armand Gaetan no niteny hoe

"tsy hoe tsy mahazo manao firaisana ny mpitondra katolika,saingy manelingelina ny asany kosa ny fanambadiana"

?

Izany hoe teniny henonao mihitsy? Oviana ary taiza?

Mbola velona soa amantsara ny Kardinaly ka azo anontaniana azy sy fotorina aminy io resaka io raha tena marina. Ary raha izy no tena niteny an'io (izay inoako fa tsia) dia inoako fa hanazava ny antony nitenenany zavatra mifanohitra amin'ny hevitry ny Fiangonany izy.

2. hery ( 13/03/2007 14:18)
Io resaka kardinaly io mantsy no anohanan'i fijo ny heviny momba io resaka Pretra sy Relijiozy io eo ambany

fijo:

kardinaly io olona niresaka taminay io.fantatrao ngamba izany toerana izany raha hoan'ny rafitra katolika.ary jereo fa misy mamerina io zavatra nolazainy io ary ambadika ary.noho izany fantany tsara ny zavatra lazainy.
3. ikaretsaka ( 13/03/2007 15:32)
hery> ny fahalalako an'ilay rangahy iny dia izy tia kisangisangy sy resaka franc .. ary mamantana izay izy rehefa miteny.
mety nisy hevitra na fanoharana tian'ingahy kardinaly nampitaina tao fa izay nahaliana an'i fijo ihany no noraisiny..

karazan'ilay olona ato mpitsimpona andalana ao anaty baiboly ihany io de ze mahaliana no raisina e...
:wink:
4. hery ( 13/03/2007 15:43)
Ka izay no tiako ho fantantra hoe anisan'ny fampianarana nataony ve io? Raha olona maro mantsy no miteny hoe izy no niteny an'izany dia gaga ihany aho.

Fa ny zavatra azoko inoana dia karazana blagy mandeha ilay izy dia niely. Mety tsy nivoaka ny vavan'i Kardinaly mihitsy io fa resaka honohono dia miparitaka dia mitady ho ofisialy satria atao référence mihitsy.
5. ikaretsaka ( 13/03/2007 15:49)
hery:
Fa ny zavatra azoko inoana dia karazana blagy mandeha ilay izy dia niely. Mety tsy nivoaka ny vavan'i Kardinaly mihitsy io fa resaka honohono dia miparitaka dia mitady ho ofisialy satria atao référence mihitsy.


izay koa ny finoako sy fahitako azy.

fa na dia raha tany ka tafavoaka ny vavany koa aza io.. de ny inoako dia nisy zavatra tiany hahatongavana koa tao fa tsy nohenoin'i fijo hatr@ farany ilay resaka na toriteniny fa hatreo ihany
6. simplex ( 13/03/2007 15:49)

hery,
mety tsy any mintsy le izy nefany. Mety hoe samy manao ze arguments-ny fotsiny handresen-dahatra ny mpamaky, eny fa somary ampiana kely ny tantara na ovaina indraindray.
Izao fotsiny ny valiny tsotsotra:
"kou manin no alefa any Roma, ireny mopera resy @ fankam-panahy ireny fa tsy avela @ zao fotsiny ra azo atao izany"...

7. pissoa ( 13/03/2007 15:53)
:-D:-D:-D

Za koa miandry valiny fa efa ela ihany koa no nanitikitika ahy ny zavatra tena notenenin'i Kardinaly tamin'i Fijo :-D
8. lapino ( 13/03/2007 15:56)
Raha ny filazan'ny baiboly dia hoe :
I Korintiana.7:
1 Ary amin'ireo zavatra nosoratanareo, dia tsara amin'ny lehilahy raha tsy mikasi-behivavy akory.

2 Anefa noho ny fijangajangana dia aoka ny lehilahy rehetra samy hanana ny vadiny avy, ary aoka koa ny vehivavy rehetra samy hanana ny vadiny avy.
Ka gaga koa aho raha nilaza izany teny izany ny kardinaly Razafindratandra.
9. Fanambinana ( 13/03/2007 16:14)
Amin'ilay olona antsoina hoe Fijo ny mandainga sy ny milaza ny marina dia iray ihany. Ny manendrikendrika sy ny miteniteny foana dia tsy olana aminy. Lazaina any fotsiny izay tiana lazaina satria te handresy lahatra ny hafa. Ny zava-dehibe ho azy dia hoe: Izaho no be saina fa ny sisa ketrona sy vendrana daholo. Ny fanohanan-kevitra ataony lainga sy botolo fotsiny. Raha misy marina izay lazainy avelo izy hiaro tena.
10. lapino ( 13/03/2007 16:35)
Fanambinana > mangetaheta ny hino koa izy, fa misy zavatra misakana azy.

Tahotra no mety mahatonga an'ilay sakana : tahotra sao dia tsy misy akory Andriamanitra nefa hanankinana ny fiainana rehetra, izao tontolo izao anefa na tsy andriamanitra aza dia polyscient, polypresent ary polypotent (mety ve zany voambolana zany?); tahotra an'izay satria toa mifanohitra amin'ny fahafantarany ny momba an'Andriamanitra ny zavatra hitany amin'ny mpino maro; sns ...

Ka aza dia anaovana teny ohatra an'izao izy, fa za mbola maniry azy mba handray an'ilay teny avy amin'i Jesosy (fa tsy Ravalo) hoe : "Aza matahotra, minoa fotsiny ihany".

:)
11. nikopol ( 13/03/2007 16:51)
hoy fanambinana

Ny zava-dehibe ho azy dia hoe: Izaho no be saina fa ny sisa ketrona sy vendrana daholo. Ny fanohanan-kevitra ataony lainga sy botolo fotsiny.


fanambinana, tsy miaro an'i fijo za fa tsy azoko ny tianao tenenina amin'io resaka io.

za indray mino fa tsy mandainga i fijo, na manendrikendrika fotsiny, azo eritreretina hoe tsy niteny izany ny kardinaly, azo eritreretina koa hoe nety niteny izany izy,na zavatra nitovitovy tamizany, saingy na niteny izany aza izy dia tsy fantatsika ny circonstance nitenenany an'izany. donc ...

resaka fivavahana izy ity ka mety ho maro ny tohina, ny azo antoka fotsiny dia tsy resaka ofisialy ity raha nisy...
donc...

Ny zavatra manohina ahy amin'ny resaka tahak'izao, dia hoan'ireo mpivavaka sasantsasany dia rehefa misy olona "tsy mino" dia lainga sy faharatsiana zay iny olona iny ...











12. Fanambinana ( 13/03/2007 16:57)
lapino: raha milaza ireo aho sanatria tsy milaza fa tsy tiako ny hahatonga azy hino. Fa izao kosa: mba jereo kely ny zavatra rehetra soratan'io olona io ato: Lainga, fanendrikendrehana, fanabatibatina, fanaratsina ranofitsiny ny voasoratra ao amin'ny baiboly, fanosora-potaka tsy misy porofo an'i Kristy, sns.... Amiko dia tahotry ny ho resy lahatra no mahatonga azy manao izany. Botolo no sisa.
13. ikaretsaka ( 13/03/2007 16:57)
fa miresaka io resaka tsipona tsipona io ihany isika fa tsy tadidiko ilay andalna sy toko fa ao @ baiboly sy epistilin'i paoly ao ity no niseho .. (ny ahy manko izy manontolo no vakiako rehefa @ ireny)..

ao @ epistilin'i paoly ao misy tantaran'i paoly anankiray i izay, ary ny votoatin'ilay tantara dia voasambotra sy nigadra izy (paoly) dia nanafatra ilay mpianany fa nangatsiaka hoe aza adino ny akanjo mafana ...

Dia ny vakiny ary afaran'ilay taratasy ary dia misy manao hoe "ento aty ny kapotiko, ilay adinoko any troasy"


fa raha ankizy 14 na 15 taona ka efa mahita ny publicite an'ny protector plus any Dago no mamaky an'io..( ary tena nisy izany) dia velom-panontaniana sy fisainana mihitsy hoe ..

"mitapy koa ity paoly... Kapaoty efa niasa tany Troasy ko asaina entina aty le.. sa matahotra ny ho tratra lery"


NB: Za moa mpiitaiza tanora sy mpanampy azy ireo hivelona @ finoana ny mba fialamboliko tany, ary saika ankizin'"Anjalanitsa" tao @ mopera Pedro no mba "namafazako izay azo nafafy" ...fa io hoa no zavatra mba voatsikaritr'ilay bandy kely nony nanontaniana izay nanaitra azy t@ ny famakiana ilay tantara izy!=))
14. Fanambinana ( 13/03/2007 17:08)
nikopol: Olona fantatry ny rehetra ny kardinaly ry namana a. Ny azy ny zavatra lazainy dia averimberiny foana. Ary io zavatra lazain'i Fijo io dia tsy mifanaraka velively amin'izay nambarany anay. Diso tena diso, ary mbola nadika vilana koa avy eo.
Tsy io ihany fa mbola be ny zavatra lazainy ato edrikendrika sy lainga tsy misy porofo fa atao botolo fotsiny.
Lazainao fa resaka finoana sy fivavahana ity, marina izany. Saingy rehefa diso kosa dia aleo lazaina hoe diso e.
Raha tsy mino izy azy ny azy. Nefa tsy ny fanaratsina kosa no ilazana fa manana ny marina ianao e.
15. Fanambinana ( 13/03/2007 17:13)
nikopol: Raha lazainao fa manaratsy aho, tsy olana izany: fa mba vakio kely azafady izay soratan'io olona io de aza malaiky mitsara.
16. hery ( 13/03/2007 17:15)
nikopol> Eo indrindra isika izao.

Filazana ofisialy (azo raisina hoe fampianaran'ny Eglizy) ve ny zavatra nolazain'i Kardinaly? RAha izany mantsy dia rariny raha ampatsiahivin'i Fijo foana.

Raha tsy filazana ofisialy kanefa nisy dia mbola scandale be raha izy no miteny an'io ka henon'olona maro (hafa raha resaka any ambadimbadika entre mpinamana sns...) koa ilaina koa ny hanazavana hoe oviana sy taiza. Na dia tsy ofisialy amin'ny maha kardinaly azy aza mantsy ilay resaka dia nanjary fandresen-dahatra ho an'ireo izay nandre azy.

I Fijo moa no tena niantehitra tamin'io teny io ka izy angamba no hanamarina hoe tena niteny marina i Kardinaly.

Ary tsy io ihany fa nisy fotoana koa nitenenan'i Fijo hoe nisy frera niresaka taminy, nisy mompera nampianatra azy... dia toa zavatra mifanohitra amin'ny hevitry ny Fiangonana daholo no lazain'ireo olona ireo.

Ka lasa ihany ny saiko hoe... sao kosa dia resaka foronina fotsiny?
17. sipagasy ( 13/03/2007 17:16)
!seen fijo hihihi :-*:-D:-P
18. Fody ( 13/03/2007 18:00)
Io ve no hahabe resaka eto e. Raha amiko manokana aloha aleo akarina ity raharaha ity satria fanalam-baraka olona, dia hita eo izay mandainga.
19. pissoa ( 13/03/2007 18:47)
Fody > :roll::-D:-D:-D

Ika > mba ilay kapotin'i Paoly aza no resaka fa tsy ny an'i Jesoa :-D:-D:-D:-D:-D
20. Fody ( 13/03/2007 18:51)
Tsy vazivazy ny ahy io fa tena marina. Aleo ifanatrehana dia izay.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2985