Hoy Kardinaly?

61. pissoa ( 15/03/2007 06:45)
Fijo:
hery ,iza ary no anaran'iny kardinaly fohifohy kelikely ray iny?????tsy maintsy fihodirana izy,fa mazavazava ary tsy olona matavy.raha ny fahalalako azy,dia izy no kardinaly gasy voalohany.

Tsy haiko raha tena i Kardinaly Razafindratandra tokoa no niresaka tamin'i Fijo ! ny azoko antoka kosa nefa dia na i Razafindratandra aza no niresaka taminao, dia TSY MBOLA KARDINALY izy tamin'ny 1987 izany, ary tsy tamin'ny maha-Kardinaly azy no niresahany taminao. Noho izany, tsy mitombina ilay filazanao hoe "Ny Kardinaly mihitsy no niresaka tamiko ..." satria tsy Kardinaly no niresaka taminao ... Nanomboka tamin'ny 1993 (sa moa 1994) izy vao Kardinaly.

Izaho koa mihevitra hoe sao olona hafa no niresaka tamin'i Fijo. I Kardinaly Razafindratandra anie ka lavalava izay ihany e ... Laaaaava be mantsy e :-D
62. Fiffi ( 15/03/2007 07:04)
mampiheritreritra ahy ity resaka ity.....inona moh le nolazain'i Abbé Pierre ?
63. hery ( 15/03/2007 08:13)
fijo> Io ary ilay zavatra...

Ny atao hoe fanalam-baraka dia ny fampitenenana olona iray (surtout filoham-piangonana) ny zavatra tsy noteneniny.

1. Tsy Kardinaly Razafindratandra tamin'ny taona 1987
2. Razafindratandra dia olona lava be.
3. Ny kardinaly tamin'ny taona 1987 dia ny Kardinaly Victor Razafimahatratra
4. Ny kardinaly Razafimahatratra dia mainty fa tsy zarazara.
5. Ny kardinaly Razafimahatratra izay kardinaly t@ 1987 dia tsy niasa tany Mahajanga tamin'io taona io.

64. ari.malala ( 15/03/2007 14:37)
Izaho koa vao naika hanamafy fa tsy fohifohy izany ny Kardinaly Razafindratandra, nefa anie i Fijo niteny hoe
fijo:

miverina amin'ilay resaka nifanaovako tamin'i kardinaly razafindratandra izany.


de nefa ndray refaveo

fijo:
Mpandefa : fijo [ Valio ] 15-03-2007 00:36:57
Lohateny : Re : Hoy Kardinaly?
hery ,iza ary no anaran'iny kardinaly fohifohy kelikely ray iny?????tsy maintsy fihodirana izy,fa mazavazava ary tsy olona matavy.raha ny fahalalako azy,dia izy no kardinaly gasy voalohany.


Aiza iany ny marina e!
65. Fanambinana ( 15/03/2007 18:12)
Averiko eto fa andriamatoa fijo dia sady feno fankahalana no tranon-dainga. Izay no mameno ny fiainany sy ny lohany, hita taratra izany amin'ny teny lazainy rehetra eto: endrikendrika, fanalana baraka, LAINGA
Io averiko eto ambany ny porofo tsy azony lavina intsony amin'ny maha olona MPANDAINGA azy.

Ny atao hoe fanalam-baraka dia ny fampitenenana olona iray (surtout filoham-piangonana) ny zavatra tsy noteneniny.

1. Tsy Kardinaly Razafindratandra tamin'ny taona 1987
2. Razafindratandra dia olona lava be.
3. Ny kardinaly tamin'ny taona 1987 dia ny Kardinaly Victor Razafimahatratra
4. Ny kardinaly Razafimahatratra dia mainty fa tsy zarazara.
5. Ny kardinaly Razafimahatratra izay kardinaly t@ 1987 dia tsy niasa tany Mahajanga tamin'io taona io.

Misaotra Rahery e
66. nikopol ( 15/03/2007 18:35)
=))=))=))

mba asiako fihomezany ny resaka fivavahana fa miala tsiny aho, azoko antoka fa tsy mifanohitra amin'ny fivavahana ny tsiky
67. Fanambinana ( 15/03/2007 18:46)
Averiko eto fa andriamatoa fijo dia sady feno fankahalana no tranon-dainga. Izay no mameno ny fiainany sy ny lohany, hita taratra izany amin'ny teny lazainy rehetra eto: endrikendrika, fanalana baraka, LAINGA
Io averiko eto ambany ny porofo tsy azony lavina intsony amin'ny maha olona MPANDAINGA azy.

Ny atao hoe fanalam-baraka dia ny fampitenenana olona iray (surtout filoham-piangonana) ny zavatra tsy noteneniny.

1. Tsy Kardinaly Razafindratandra tamin'ny taona 1987
2. Razafindratandra dia olona lava be.
3. Ny kardinaly tamin'ny taona 1987 dia ny Kardinaly Victor Razafimahatratra
4. Ny kardinaly Razafimahatratra dia mainty fa tsy zarazara.
5. Ny kardinaly Razafimahatratra izay kardinaly t@ 1987 dia tsy niasa tany Mahajanga tamin'io taona io.

Misaotra Rahery e
68. nikopol ( 15/03/2007 18:51)
Fanambinana an, andao vonoina i fijo e, hitako ny misy an'i nedala iny
69. Fanambinana ( 15/03/2007 19:05)
nikopol: Azafady ry namana fa tsy ny hahafaty ny ratsy fanahy no sitrak'Andriamanitra fa ny ialany amin'ny lalan-diso izorany.
Aza maka fanahy ahy ianao. Ary aza mihevitra ohatran'i Satana
70. booboo ( 15/03/2007 19:10)
:roll:
71. nikopol ( 15/03/2007 19:13)
Fanambinana, ka efa hitako ianao fa niara-dalana kely tamin'i satana teo, dia mba nanoro hevitra aho amin'ny maha-mpianamana.

72. Fanambinana ( 15/03/2007 19:24)
nikopol: Diso ianao, tsy mahalala izay tiako hatongavana velively.
Ary raha ianao no miaraka amin'i satana, aza sarihana ny hianaraka aminanao any koa aho.
73. nikopol ( 15/03/2007 19:34)
Fanambinana tsy ny tianao hahatongavana fa ny tian'i satana hahatongavanao, sa ny herin'Andriamanitra no nanosika anao hanoratra be dia be teo iny ?
Feno fahatezerana ianao ary ny fahatezerana no nanosika anao hanao ireny ...ary io frazy farany nataonao io dia midika fa mbola tsy madio tsara ny fonao ka mbola misy toerana ho ahy sy ny Satana
74. Fanambinana ( 15/03/2007 19:57)
nikopol: Diso hevitra ianao. Fantaro fa ilaina ny mamerimberina mba ho fantatr'ilay olona ny hadisoany.
Raha misy teny mifono hatezerana izay nolazaiko anao, rariny loatra izany satria fantaro fa fahotana ny mamono olona. Zavatra tsy azo vazivazina zany. I Kristy aza niteny tamin'i Piera hoe: miala amiko ry satana!
75. booboo ( 15/03/2007 20:15)
:roll:
76. simplex ( 15/03/2007 20:19)
:-*
77. Fody ( 15/03/2007 20:48)
Hery sy fanambinana: Mahavarina le resaka.
Ny an'i fijo kosa kay rehefa kardinaly dia Razafindratandra izay aminy koa. Inona no helony amin'izany? Ary mety Frera Paoly anie no niteny an'io fa diso kely izy e. Iza no mahalala. Na ianareo koa no tsy namaky tsara ny zavatra tiany lazaina fa frera paoly io fa tsy kardinaly zany.
78. paris10 ( 15/03/2007 20:53)
hoy niko:Fanambinana an, andao vonoina i fijo e, hitako ny misy an'i nedala iny

ahahahahaha!!!!!!!!!!!!!!!!!!!!!!!!!!
mampihomehy mitsy nareo an!!
79. fijo ( 15/03/2007 22:20)
le resaka aloha tsy tamin'ny 87 fa tamin'ny 85 e.
le olona io ry hery tsy niasa tany majunga,fa nandalo tany majunga.ny frera nampianatra anay no niasa tany.
le fihodiran'io rangahy io,dia mitovitovy amin'i hery.ka amiko izany zarazara hoditra.izy tsy lava be izany mihintsy,fa tokony ho 1m65 eo raha lava indrindra,somary mazava ny andriny ary olona tena mitsikitsiky lava izy.ka ny nolazaina anay aloha dia hoe i kardinaly no mandalo aty ,ka mba te hiaona amin'ny mpianatry ny sekoly.
raha diso ny anarany hialako tsiny.fa io hoe kardinaly io .dia izingiziniko,fa izay no niantsoana azy tamin'izay,ary za moa tsy mahalala izay grady katolika,fa frera no nanao ny fampahafantarana.
io victor RAZAFIMAHATRATRA IO VE RY HERY LAVA SA FOHY,,,,,,raha
80. fijo ( 15/03/2007 22:42)
nikopol an,elahy anie ahita henjika eo koa fa mitandrema e.

za tsy mbola nilaza hoe niasa tany mahajanga le olona io,fa sendra nandalo tany izy.mazava hoazy fa asa no nalehany tany,fa izy tsy olona nipetraka tany akory.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2148