resaka Kristianina

1. ikaretsaka ( 08/03/2007 16:32)
Marina fa isika izay eto ka samy miteny sy milaza hoe "Kristianaina" dia samy manao daholo ilay hoe "Jesoa kristy" no inoanay sy torinay!

Izao anefa no tsapa raha mandinika tsara ny tsy fitovian-kevitra sy ny "adiady" mandeha eto, ary inoako fa tsy misy manda izany!

Efa betsaka ihany no nanontany (za anisany) hoe kristianina inona kay nareo: dia betsaka no tsy namaly fa hoe "za kristianina fotsiny" (asa menatra ilay milaza ny fiangonany angamba) . Tsy hoe hanakiana nefa ny anton'ireny fanontaniana ireny raha ny fahitako azy fa kosa mba ahalalana misimisy kokoa ny zavatra inoanao sy ny tontolo kristianina ivelaran'ny finoanao, hahafahana mba mifampizara bebe kokoa hatrany alohan'ilay mifanakiana be fahantany.

Tadidio fa raha manaraka tsara ny fandehany ao @ soratra masina isika dia samihafa ny "approche" n'i Kristy raha miresaka amin'ny olona tao Kafarnaoma sy tany Jerosalema sy Samaria izy. ary tamin'ny andron'i Paoly koa dia efa nisy ny hoe kristianina avy ary sy
atsy: hoe manaraka an'i Appolo na i Chefasy na i Barnabe, sy ny avy any Roma sy korinto sy ny avy any galata sns... ary raha mamaky ny epistily tsirairay isika dia mahatsapa ga samihafa na ny fomba fanoratrany @ ireo sy ny approche sy ny zavatra azo lazaina sy tsy azo lazaina aza!

Isika koa @ zao fotoana izao, na misy aza ny Eokiminisma sns.. dia samy mbola voasaraky ny "Dogme" isan-karazany.

Dia tsy tsaratsara kokoa ve ary ny mba miteny aloha hoe zao ianao na izao ahako na avy ary sy asy ny tena, sy milaza ilay dogme hinoan'ny tena aloha ho an'izay tsy mahay. mba hahafahana mifanaja @ ilay "dogme" aloha , sy hifampizarana izay haiko ka tsy hainao na izay hainao ka tsy haiko, nohon'ilay mifanakiana be fahatany fotsiny?
@ izay koa manko ny approche nao mba tsaratsara kokoa fa tsy bontolo be raha hiresaka sy hizara ary "hamafy" momba ilay zavatra hinoanao @ olona tsy mitovy fomba aminao ianao?

Mba soso-kevitra ny ahy iny!
2. soanja ( 08/03/2007 16:38)
ikaretsaka:

Misaotra indrindra amin'ny torohevitra. Namaste!

3. ikaretsaka ( 08/03/2007 17:02)
inona ny finoan'i Soanja ary e:wink:
ikaretsaka manko izao Katolika Romanina sady lehibe tao amin'ny foto pisainana Jesuites ka manaraka izany.
Ilay mino hoe Izao rehetra izao dia zavatra hanehoan'Andriamanitra Hafatra amintsika aby.
"see God in all things"
http://www.jesuites.com/spiritualite/principe/index.html
4. Fiffi ( 08/03/2007 18:33)
hoe inona ny finoan'i ranona ve ? ohatra hoe inona ny finoako ve ? sa ny fiangonana ?
5. ikaretsaka ( 08/03/2007 19:18)
fiffi> katolika protestant, loteranina, orthodoxe, temoins de jehovah, jesosy mamonjy, sns....
6. cutie ( 08/03/2007 22:28)
za alou protestante fa tsy de maharaka loatra ny fandehan-javatra ao loatra :lol::lol::lol:
7. fijo ( 09/03/2007 00:00)
ny reniko izao protestante ny raiko toa tsy mino,za koa tsy mino.
8. ikaretsaka ( 09/03/2007 00:09)
dia rehefa miresaka @ cutie de manao approche protestant raha hitory izany..
moa raha hitory @ fijo na hanao resaka @ fijo de tena manao resaka amin'olona tsy mino na neophytes mihitsy!
zavatra otran'izany ange le izy fa tsy sarotra e..

fa manjary ohatran'ny "miresaka akondro amin'ny mpamboly manga" isika ka na samy voankazo aza no resahana "dia misangojy ny resaka"
9. fijo ( 09/03/2007 00:23)
marina tokoa io methode aroson'ialahy io,raha toa ka manao marketting vavaka.saingy ny mpitory tsy te ahalala an'izya fa izao fotsiny dia izay
10. LazaDaddy ( 09/03/2007 01:19)
resaka KRISTY-anina ny tiana atao eto sa resaka FIANGONANA-anina? :)

11. LazaDaddy ( 09/03/2007 01:21)
izao mantsy e! Ilay lohateny hoe "resaka KRISTY-anina" kanefa ilay adihevitra miompana amin'ny hoe "ROMA-anina" =))
12. soanja ( 09/03/2007 05:09)
ikaretsaka:

inona ny finoan'i Soanja ary e:wink:
ikaretsaka manko izao Katolika Romanina sady lehibe tao amin'ny foto pisainana Jesuites ka manaraka izany.
Ilay mino hoe Izao rehetra izao dia zavatra hanehoan'Andriamanitra Hafatra amintsika aby.
"see God in all things"
http://www.jesuites.com/spiritualite/principe/index.html

Misaotra an'Ikaretsaka.
Ny fiangonana mahavantana ahy satria manara-bady aho dia Pantekotista Mitambatra. Ny ao ampoko kosa dia tena tsy manana raikitra aho fa izay rehetra manaiky ny fisiako dia mahafaly ahy avokoa. Ny nahazatra ahy hatramin'izay tamimbolakely dia Katolika Romanina toa anao, ary izaho dia mandala ny mahavehivavy ahy izay hisaorako an'i "Fo Madion'i Maria" mpitaiza.
Ny zava-dehibe amiko mantsy ry Ika dia Ilay Fanahy/Andriamanitra ao anatintsika iombonantsika rehetra mila sy mahatsairo ary mahatsapa ny MahaTsy Toha Azy. Ary ny endrika ety ivelany entiko dia maniry aho raha mba azony antsoina hoe "Zanany."

13. prime ( 09/03/2007 07:28)
Fanamarihana :

  1. mitombina mihitsy ny fanamarihan'i LD fa raha resaka finoana dia ilay fototra no resahina hoe mino an'i Kristy=Kristiana, mino an'i Allah araka ny fanambaràn'i Mohamet=Silamo, mino ny fampianaran'i Dai-Lama dia izao izany, mino an'Andriamanitra sy ny razana dia finoana gasy izany, tsy mino an'Andriamanitra fa manaiky ny fampianaran'i xxx dia izao izany...
  2. resaka fiangonana angamba no tian'i Ikaretsaka resahina dia mazava tsara amin'izay ny tianao itondràna ny adihevitra hoe fiangonana inona no misy anao...?

Raha ity faharoa no tianao ahatongavana dia azo lazaina izany... fa raha finoana no tianao resahina dia mety mihitsy ny mitonona hoe izaho Kristiana satria manaiky sy mino an'i Kristy fa tsy milaza ny fiangonana ihaviana...
...hatreo aloha...
14. ari.malala ( 09/03/2007 07:57)
nanaraka tsara ilay dinika aho, ayr mahita fa mitmbina kosa anefa ny fanontanian'Ikaretsaka, satria efa nambarany ao ambony ao anie hoe na i Jesoa Kristy aza dia samy hafa daolo ny approche ny rehefa miresaka @ ireo karazan'olona samy hafa izy, noho izany, ilaina ny mahalala hoe ity olona ity kristianina katolika sa ity olona ity kristianina protestanta sa ity olona ity kristianina aiza. Izaho izay manoratra aloha dia kristianina katolika, ary afaka mifanakalo hevitra @ olona rehetra.
15. Fiffi ( 09/03/2007 08:00)
zah aloha de tsy maharaka intsony...fa de aleo aloha mamaky sy mandinika zay lazainareo......
16. lamie ( 09/03/2007 08:12)
amiko manokana diso ity lohan-kevitra "resaka Kristiana" ity fa sao "resaka Finoana" no izy?satria isika samy manana ny finoantsika tsiriray avy,manana ny fiangonany,misy moa trano fivoriana no anarany,satria misy ireo tsy mandingana ny fiangonan'ny hafa finoana noho izy,misy koa ireo izay mbola miandry ny fiavian'i Kristy,fa marina fa samy manana ny fijeriny sy ny heviny ny tsirairay,tsy 100°/° mifanaraka fa mety tsara e!ka na kristiana na secte afaka mifanerasera tsara eto!rehefa tsy mitady hanao lavage de cerveaux e!
17. Fiffi ( 09/03/2007 09:28)
ka inona aza le izy ? kristiana sa finona ? sa fiangonana ?
18. linarako2 ( 09/03/2007 11:35)
ari.malala:

nanaraka tsara ilay dinika aho, ayr mahita fa mitmbina kosa anefa ny fanontanian'Ikaretsaka, satria efa nambarany ao ambony ao anie hoe na i Jesoa Kristy aza dia samy hafa daolo ny approche ny rehefa miresaka @ ireo karazan'olona samy hafa izy, noho izany, ilaina ny mahalala hoe ity olona ity kristianina katolika sa ity olona ity kristianina protestanta sa ity olona ity kristianina aiza. Izaho izay manoratra aloha dia kristianina katolika, ary afaka mifanakalo hevitra @ olona rehetra.

Raha izay dia tonga dia lasa fivavahana indray ary dia hifamahofaho eto ireo mpiady hevitra.Fiangonana toerana hiderana an'Andriamanitra.Finoana satria tsy mitovy ilay fepetra notakiany sy arahin''ny mpiangona.Mety tsy ho tianao iny dia lasa ianao mifindra.Mety tsy nisy fanahy masina ao dia lasa ianao niova finoana.Na inona finoana,na inona fiangonana na aiza no misy azy rehefa mino izy fa kristy no mpanavotra azy dia izay ihany no antsoina hoe kristiana.

19. ikaretsaka ( 09/03/2007 14:33)
LazaDaddy:

resaka KRISTY-anina ny tiana atao eto sa resaka FIANGONANA-anina? :)

marina izany: fa diniho ange fa na ny mpamboly aza ange ry laza dia samy mahalala sy miteny tsotra hoe rakoto mpamboly mangahazo dia ranaivo mpamboly voanjo, na samy resaka voly sy famokarana aza...

dia isika sy ny toe-tsain-tsika ve dia ambany noho izay? , dia tsy sahy milaza akory hoe zao ny voly amboleko? fa dia hoe mpamboly fotsiny? sa karazan'ny hoe rongony no ambolena sanatria dia mahamenatra ny hilaza azy fa dia hoe mpamboly fotsiny??

dia isika ve kristianina dia tsy sahy hiteny hoe isika kristianina any roma na otran'izany? nefa t@ andron'ny Tompo sy ry paoly aza nisy izany?

mpamboly aza mahay manavaka ny tenany r'ianona ko... isika indray ity no!:roll:
20. ikaretsaka ( 09/03/2007 14:36)
aleo ovaina hoe resaka fiangonana aza raha izay no hanahirana e.. afaka hahitsy ve ry mpikarakara:wink:
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0893