Lakilen'ny fidirana any an-danitra?

1. prime ( 20/02/2007 11:01)
Efa fantatra hoy isika fa ny finoan'ny tsirairay no mahavonjy na tsia rehefa ho avy ilay fotoana...

Efa fantatra koa hoy isika fa ny fitiavana no herin'ny famonjena... (mifototra amin'ny didy sy ny lalàna)

Fa hoy ny Tenin'Andriamanitra amin'ny anaran'i Jesosy Kristy :

"Lazaiko aminareo marina tokoa: Na inona na inona fehezinareo ety ambonin'ny tany dia hofehezina any an-danitra; ary na inona na inona vahanareo ety ambonin'ny tany dia hovahana any an-danitra." Matio 18:18

dia hoy koa Izy :

"Izay ananantsika fanavotana, dia ny famelana ny helotsika." Kolosiana 1:14

sy ny hoe :

"Ary mamelà ny helokay; fa izahay koa mamela izay rehetra meloka aminay. Ary aza mitondra anay ho amin'ny fakam-panahy. *Ampio hoe: [fa manafaha anay amin'ny ratsy]." Lioka 11:4

Raha ireo no dinihina dia tsy misy olona tsy mpamela heloka ho tafiditra any an-danitra, fa ny famelan-keloka dia lakile lehibe anisan'ny fiorenan'ny fidirana an-danitra... sa ahoana hoy ianareo?

Tsy hisy mihitsy hoe olona be fo be tsy mamela heloka fa be lolom-po sy be alahelo aman'olona, tsy manaiky hamela ny heloky ny hafa fa ny hanameloka aza no atao nefa hanantena hiditra any an-danitra...
novalian'i niryna ny 15/03/2007 04:47
2. nikopol ( 20/02/2007 11:03)
mba mila double amin'io lakile io aho ry prime raha azonao atao
3. rush ( 20/02/2007 11:48)
prime:
Tsy hisy mihitsy hoe olona be fo be tsy mamela heloka fa be lolom-po sy be alahelo aman'olona, tsy manaiky hamela ny heloky ny hafa fa ny hanameloka aza no atao nefa hanantena hiditra any an-danitra...
indrisy fa tena marina io voalazanao io.
Misy aza hoe mamela hono satria fihatsarambelatsia fotsiny no hatao. Satria eo imason'ny oolona izy milaza fa mamela , na eto @ dinika sera2 aza misy dia misy ny milaza ampahibemaso manoratra hoe "mamela azy ireo aho" nefa miditra xxx hiany dia mamely!
Misy koa hoe mamela hono eo imason'ny olona nefa rehefa mifankahita @ ilay olona tsy miarahaba , mangarika , mihodin-dalana.
Mila mafy an'io lakile marina. Indrindra @ zao fahatongavan'ny andron-davenona zao sy ny karemy.


4. LazaDaddy ( 20/02/2007 12:16)
prime:
Lakilen'ny fidirana any an-danitra?

Ny azo antoka aloha dia:

1) i Jesoa no vavahady araka ny nambaraNY
2) "Izay sokafany tsy misy afaka manidy, ary izay hidiny tsy misy mahay mamoha". Noho izany i Jesoa irery ihany no manana ilay fanalahidy (lakile)
5. Fiffi ( 20/02/2007 12:19)
prime:

"Ary mamelà ny helokay; fa izahay koa mamela izay rehetra meloka aminay. Ary aza mitondra anay ho amin'ny fakam-panahy. *Ampio hoe: [fa manafaha anay amin'ny ratsy]." Lioka 11:4
enganié ka tsy ho tsianjery fotsiny io......fa tanterahana mihintsy.....mba ahafahana hiditra any @ fanjakan'ny lanitra....
Lakilé saro-takarina ....fa misy ny fanantenana ahazahoana azy...hatomboka @ zao vanin'andro'ny karemy sy ny lavenona zao.....dia ny FIBEBAHANA.....


6. prime ( 20/02/2007 14:19)
LD:
Ny azo antoka aloha dia:

1) i Jesoa no vavahady araka ny nambaraNY
2) \"Izay sokafany tsy misy afaka manidy, ary izay hidiny tsy misy mahay mamoha\". Noho izany i Jesoa irery ihany no manana ilay fanalahidy (lakile)
... mitovy hevitra tanteraka ary ampiako kely aza hoe ny finoana an\'i Jesosy Kristy mihitsy no fototra...

Fa aoka tsy ho adino koa fa mitazona hery lehibe mihitsy amin\'ny asam-pamonjena ny famelan-keloka... Ny olona mino an\'i Kristy ka tena mino marina dia olona mahay mamela heloka...

Fa na vohain\'i Kristy aza ny vavahady, dia Izy ihany koa no niteny fa :

\"Lazaiko aminareo marina tokoa: Na inona na inona fehezinareo ety ambonin\'ny tany dia hofehezina any an-danitra; ary na inona na inona vahanareo ety ambonin\'ny tany dia hovahana any an-danitra.\" Matio 18:18... fa rehefa mitazona alahelo be ety an-tany ka tsy mamela heloka olona dia hotazomina tokoa ny helok\'izany olona izany any an-danitra fa izao kosa, aza manantena ny ho voavela koa ilay olona mitazona alahelo...

Izay no mahazava-dalina ny famelan-keloka...
fa mbola Kristy ihany koa no niteny hoe :

\"25 Rehefa mitsangana ny tompon-trano ka manidy ny varavarana, ary ianareo mijanona eo ala-trano mandondòna ny varavarana ka manao hoe: Tompoko, vohay izahay, dia hamaly Izy ka hanao aminareo hoe: Tsy fantatro na avy taiza na avy taiza ianareo;26 ary amin\'izay ianareo dia hanao hoe: Nihinana sy nisotro teo anatrehanao izahay, ary nampianatra teny an-dalambenay Hianao.27 Fa Izy hiteny hoe: Lazaiko aminareo: Tsy fantatro na avy taiza na avy taiza ianareo; mialà amiko, ianareo rehetra mpanao meloka.\" Lioka 13:25-27

...sy ny hoe koa :

\"21 Tsy izay rehetra manao amiko hoe: Tompoko, Tompoko, no hiditra amin\'ny fanjakan\'ny lanitra, fa izay manao ny sitrapon\'ny Raiko Izay any an-danitra.22 Maro no hanao amiko amin\'izany andro izany hoe: Tompoko, Tompoko, tsy efa naminany tamin\'ny anaranao va izahay? ary tsy efa namoaka demonia* tamin\'ny anaranao va izahay? Ary tsy efa nanao asa lehibe maro tamin\'ny anaranao va izahay? [*Demonia = fanahy ratsy, na anjely ratsy]23 Ary dia hambarako aminy marimarina hoe: Tsy mba fantatro akory ianareo hatrizay hatrizay; mialà amiko, ianareo mpanao meloka.\" Matio 7:21-23

Izany hoe ny fanambaram-pinoana dia zava-dehibe fa ny fiainana ilay finoana mbola dingana lehibe hafa indray...

Ireo olona nolazain\'i Kristy fa \"Mpanao meloka\" ireo dia olona akaiky Azy fa tsy olona lavitra sy izao tontolo izao voalaza akory, ary olona tena miaina miaraka Aminy...

sa ahoana hoy ianareo?...
7. HESHA ( 20/02/2007 14:21)
8O8O
misy manana pasy ve fa za zany mety tsy ho tafa kle
misy zavatra iray tsy mety adinoko ary tsy mety avelako mihitsy manko am zao na de miezaka aza aho
:twisted::twisted:de zay ve no tsy ahazoako ny fahasambarana nampanantenain'ny ray ?
8. prime ( 20/02/2007 15:34)
hesha> Tena milaza aminao aho ry hesha fa tsara lavitra ny mamela ny helok'izany olona izany (raha nisy tokoa) toy izay ny mitazona azy...

Anisan'ny fampianarana mivantana mikasika izany ny nataon'i Kristy mikasika ny fanaterana fanatitra... ny amin'ny hoe :

"23 Ary amin'izany, raha mitondra ny fanatitrao ho eo amin'ny alitara ianao, ary eo no mahatsiaro fa ny rahalahinao manana alahelo aminao,24 dia avelao eo anoloan'ny alitara ny fanatitrao, ka mandehana aloha, ataovy izay hihavananao amin'ny rahalahinao, ary rehefa miverina, dia vao atero ny fanatitrao.25 Mihavàna faingana amin'ilay manana ady aminao, raha mbola miara-dia aminy ianao, fandrao ilay manana ady aminao hanolotra anao amin'ny mpitsara, ary ny mpitsara kosa hanolotra anao amin'ny mpamatotra, ka hatao ao an-tranomaizina ianao.26 Lazaiko aminao marina tokoa: Tsy ho afaka ao mihitsy ianao, ambara-pandoanao ny variraiventy farany indrindra." Matio 5:23-26...

Izany no manamafy ny voalaza etsy ambony manao hoe amin'ny anaran'i Kristy :

"Lazaiko aminareo marina tokoa: Na inona na inona fehezinareo ety ambonin'ny tany dia hofehezina any an-danitra; ary na inona na inona vahanareo ety ambonin'ny tany dia hovahana any an-danitra." Matio 18:18...
9. Fiffi ( 20/02/2007 16:09)

Mahay mamela heloka marina ve ny olombelona ?
10. cutie ( 20/02/2007 16:55)
Efa fantatra hoy isika fa ny finoan'ny tsirairay no mahavonjy na tsia rehefa ho avy ilay fotoana...

Efa fantatra koa hoy isika fa ny fitiavana no herin'ny famonjena... (mifototra amin'ny didy sy ny lalàna)

:-PRaha ireo no dinihina dia tsy misy olona tsy mpamela heloka ho tafiditra any an-danitra, fa ny famelan-keloka dia lakile lehibe anisan'ny fiorenan'ny fidirana an-danitra... sa ahoana hoy ianareo?

ka le famelan-keloka ange ry prime efa tafiditra ao @ le we ny fitiavan no herin'ny famonjena e :lol::lol::lol:

donky: ty ihany no raisiko :lol:
Efa fantatra hoy isika fa ny finoan'ny tsirairay no mahavonjy na tsia rehefa ho avy ilay fotoana...

Efa fantatra koa hoy isika fa ny fitiavana no herin'ny famonjena... (mifototra amin'ny didy sy ny lalàna)
11. cutie ( 20/02/2007 16:56)
Mpandefa : Fiffi [ Valio ] 20-02-2007 17:09:58
Lohateny : Re : Lakilen'ny fidirana any an-danitra?

Mahay mamela heloka marina ve ny olombelona ?

rehefa ao anatinao ty de tanteraka zany :lol:
Efa fantatra koa hoy isika fa ny fitiavana no herin'ny famonjena... (mifototra amin'ny didy sy ny lalàna)
12. Fiffi ( 20/02/2007 18:07)
fa mila finiavana be......satria tsy mora ny mamela ...heu...satria misy manao hoe "misy zavatra azo hadino saingy misy koh ny tafajanona"
13. cutie ( 20/02/2007 18:14)
Voalaza teo :
Efa fantatra koa hoy isika fa ny fitiavana no herin'ny famonjena... (mifototra amin'ny didy sy ny lalàna)

fiffi io :lol:
14. Fiffi ( 20/02/2007 18:25)
aleo aloha ho averina dinihana kely zay voalaza rehetra teo.....
15. cutie ( 20/02/2007 18:26)
ok:lol:lol::lol::lol:
16. Fiffi ( 20/02/2007 19:08)
Mat. 18:1 TAMIN' izany ora izany dia nankeo amin' i Jesosy ny mpianatra ka nanao hoe: Iza moa no lehibe indrindra ao amin' ny fanjakan' ny lanitra? 2 Ary Jesosy niantso zazakely anankiray hankeo aminy, dia nametraka azy teo afovoany 3 ka nanao hoe: Lazaiko aminareo marina tokoa: Raha tsy miova* hianareo ka tonga tahaka ny zazakely, dia tsy hiditra amin' ny fanjakan' ny lanitra mihitsy hianareo.
17. simplex ( 20/02/2007 20:51)

ary misy lakile an'ny afobe ve? :P8)8)
18. cutie ( 20/02/2007 20:53)
za tsy mino afobe ry simplex ka tsy haiko ny aminy:-D
19. simplex ( 20/02/2007 21:07)

d in zany ny inoan'i cutie :P
20. cutie ( 20/02/2007 21:11)
efa haiko fa miafara @zay le fanontaniana :-D:-D:-D
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.5182