Lakilen'ny fidirana any an-danitra?

101. cutie ( 26/02/2007 14:32)
izay! atomboka (manomboka) ety an-tany ny paradisa... raha mahay mifankatia sy mitony ny olona.. hoy moa ilay hira katolika izay?

amen
102. prime ( 26/02/2007 15:47)
soanja> Inona no tianao ambara amin'ny hoe fandriampahalemana, fitoniana ao anaty?:lol:
103. cutie ( 26/02/2007 16:09)
soanja> Inona no tianao ambara amin'ny hoe fandriampahalemana, fitoniana ao anaty?

prime
jereo ny dinika fandihinan-tena:-D:-D:-D:-D

104. prime ( 27/02/2007 07:03)
cutie> efa voajery fa tsy mahavaly ny fanontaniana...:-D:-D
soanja> Inona no tianao ambara amin'ny hoe fandriampahalemana, fitoniana ao anaty?:lol:
105. soanja ( 27/02/2007 15:21)
Prime a> ianao ve de tsy hahalala an'io?
Ilay fandriampahalemana: mahatsapa ianao fa nanaparitaka fitiavana teto ambonin'ny tany ary fitiavana takian'Andriamanitra tokony hiainantsika zany hoe ny fanaovantsoa sy ny fifamelana ary fampianarana ireo fahendrena sy teny mahasoa nomeny ny hafa ary modely tsara amin'izany. Ity de avy ao anaty miovaka mankany amin'ny hafa.
Ilay fitoniana kosa dia ny fitiavana an'Andriamanitra feno ary ny fanehona izany amin'ny lafiny rehetra ara-panahy, vatana ary saina. Zany hoe ny fahatsapana fa nahavita an'ireo dia manome fahavonona hihaona aminy amin'izay ary tsy misy fanenenana. Io ilay fitoniana. Ity indray avy amin'Andriamanitra miditra mankany anaty ao aminao ary mandray azy.
Ireo tompoko ny lakile.

De hanontany indray ianao hoe inona ilay fitiavana an'Andriamanitra, de amin'ny manaraka indray manazava an'io. :D
106. Fanambinana ( 27/02/2007 15:58)
Fijo:
io zavatra anontanianao io,"nampiratra ny jamba sy nanagana ny maty,dia ny baiboly no nahitanao azy.tsy midika izany fa tena nisy ireo......"ny baiboly tantara,ary ny baiboly dia manitatra resaka.tsy misy ratsy jesosy raha ny baiboly no resahina.eny ,tsy mangery akory aza jesosy raha io boky io no jerena.mino ve enao fa tsy nanao izany izy?????


Izahay mino fa marina ny voalazan'ny Baboly razoky e, ary azo porofona tsara izany na ara-tantara na araka ireo tahiry maro.

Fa ho anao mba omeo aloha le porofo mazava fa GIDRO ny Razam-benareo e. Raha afaka manome fanazavana tsara ianao dia omeko anao koa ny valin'ny fanontaniana manitkitika anao rehetra
107. cutie ( 27/02/2007 16:47)
Mpandefa : prime [ Valio ] 27-02-2007 08:03:14
Lohateny : Re : Lakilen'ny fidirana any an-danitra?
cutie> efa voajery fa tsy mahavaly ny fanontaniana...

tadiavo le lakile alou , mihidy be ny sain'i prime mila vahaina:-D:-D:-D:-D
108. fijo ( 27/02/2007 22:52)
fanambinana milaza ianao fa azo porofoina,ka ento ary ny porofo e.
XXXx angina aho hoy enao.rehefa tsy sahy miatrika ny olona resahina koa dia izay no fahendrena.
tsy mbola nilaza olona tsy mahay aho teto.ka asan'izay milaza izany.azy ny azy.
za tsy mijery izay diplomanao akory.ny resaka finoan atsy mila diploma fa mila fisainana.
109. prime ( 01/03/2007 10:47)
soanja> Misaotra fa mazava tsara...:) Tsy hanontany an'io fanontaniana io aho nefa raha tianao hazavaina dia vonona hatrany hamaky...:)
cutie> Aleoko miditra any an-danitra mihidy saina toy izay mivaha saina very any an-davaka...:-D:-D:-D
Ilay lakile efa ananako fa misaotra...:wink:
Hay ve i cutie mivaha saina e...:-D:-D:-D
110. cutie ( 02/03/2007 01:28)
cutie> Aleoko miditra any an-danitra mihidy saina toy izay mivaha saina very any an-davaka...

mampa :-D:-D:-D:-D
111. prime ( 02/03/2007 15:43)
:-D:-D:-D
112. fijo ( 02/03/2007 23:48)
aty koa misy lakile ny BAR
113. prime ( 05/03/2007 09:46)
fijo> Bar ihany ve?...:lol:
114. prime ( 12/03/2007 07:39)
\"Izy no ananantsika fanavotana amin\'ny ràny, dia ny famelana ny fahadisoantsika, araka ny haren\'ny fahasoavany,\" Efesiana 1:7
115. niryna ( 15/03/2007 04:47)
iriko:

ny ota rehetra dia mahazo famelana avokoa afa tsy ny fanozonana ny Masina, dia ny minia tsimirahara ny Masina, fa tsy maintsy mahay mamela heloka sy mahay manadino ny fahotan'ny hafa, satria Jesoa efa nitondra ny helotsika.
Tokony tsy ho hadinointsika fa roa ihany ny safidy, dia ny Fiainana mandrakizay miaraka @ Jesoa, na ny Fiainana any @ helo mirehitr'afo.




=D=D=D
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2726