Lakilen'ny fidirana any an-danitra?

61. Fiffi ( 22/02/2007 19:43)
aiza kosa ?
62. ikaretsaka ( 22/02/2007 21:28)
ka efa hoe any @ piera ny lakile... resaho izy raha omeny double ialahy
63. Fiffi ( 22/02/2007 21:45)
xxx:
sy nanaiky @ vava ny famonjena natolotry Jesosy Kristy ny olona rehetra ve ianao?
heu....ahoana moa zany hoe "manaiky @ vava" zany ?


64. cutie ( 22/02/2007 21:50)
heu....ahoana moa zany hoe "manaiky @ vava" zany ?

mitory koa :-D:-D:-D:-D
65. Fiffi ( 22/02/2007 22:12)
vao maika tsy azoko......
66. cutie ( 22/02/2007 22:23)
Eo akaikinao ny teny, dia eo am-bavanao sy ao am-ponao, dia ny teny ny amin'ny finoana, izay torinay;
satria raha manaiky an'i Jesosy ho Tompo amin'ny vavanao hianao ary mino amin'ny fonao fa Andriamanitra efa nanangana Azy tamin'ny maty, dia hovonjena hianao.
Fa amin'ny fo no inoana hahazoana fahamarinana, ary amin'ny vava no anekena hahazoana famonjena." rom 10

Efa nino @ fo sy nanaiky @ vava ny famonjena natolotry Jesosy Kristy ny olona rehetra ve ianao?


Finoana =fo = fahamarinana
vava= asa atao ( tsy voafetra)= famonjena
67. Fiffi ( 22/02/2007 22:29)
cutie: zany tokoa ve ? tena marina raha tsy zay indray zah vao mba nahare an'zany an ! ny vava manko...heu..ohatra hoe milaza hoe "may vava" "vava fihinanan'kanina" ka le hoe "nanaiky @ vava" tena ohatran'ny hafahafa amiko aloha an!

satria ny vava nga afaka manao na inona na inona raha tsy ny fo no mibaiko azy ? ohatra hoe baikon'ny fonao io vava io hampidirana sakafo.....ka @ fomba ahoana no aneken'ny vava @ teny ? :roll:
68. cutie ( 22/02/2007 22:38)
ka raisin-jy ara-bakiteny be ko ange le izy e :-D:-D:-D:-D
Eo akaikinao ny teny, dia eo am-bavanao sy ao am-ponao, dia ny teny ny amin'ny finoana, izay torinay;

eo akaikinao ny teny ( baiboly , jesoa, Atra ), dia ao ambavanao sy ao am-pono ( io le finoana), dia ny teny (baiboly, jesoa, Atra ) @ finoana,. izay torianay ( vava ndray io )

tohizako refa veo :lol:
69. fijo ( 22/02/2007 23:22)
prime an,
firy taona izay isika olombelona no nisy?????ireo izay efa maty rehetra tany ve"arivotaona maromaro izay"mbola hisy hita taolana hitsangana.
ary aza hadino fa tsy kritsianina ihany no eto antany.de ny tsy nanaradia an'i kristia io izany ahoana?????????????nefa ireo koa nisy nino finoana hafa.
sa eto nareo dia hilaza hoe ny kritsianina ihany no hovoavonjy??????
70. cutie ( 22/02/2007 23:32)
sa eto nareo dia hilaza hoe ny kritsianina ihany no hovoavonjy??????

tsara le fanontaniana :lol:
71. cutie ( 23/02/2007 00:01)
Fiffi hotohizako kely :)
satria raha manaiky an'i Jesosy ho Tompo amin'ny vavanao hianao ary mino amin'ny fonao fa Andriamanitra efa nanangana Azy tamin'ny maty, dia hovonjena hianao.

le we manaiky an'jesoa tompo @ vavanao eto njay raha ny fahazahoako azy de we:
nandray ny teniny, nanaraka ny teniny ( @ ze zavatra ataonao rehetra ). Ka refa nahantanteraka an'reo de mitoetra ao aminao le we :
ary mino amin'ny fonao fa Andriamanitra efa nanangana Azy tamin'ny maty, dia hovonjena hianao.

Fa amin'ny fo no inoana hahazoana fahamarinana, ary amin'ny vava no anekena hahazoana famonjena." rom 10


famintinana fotsiny sisa io farany io fa efa tafiditra ao anatin'ty :
Eo akaikinao ny teny, dia eo am-bavanao sy ao am-ponao, dia ny teny ny amin'ny finoana, izay torinay;
satria raha manaiky an'i Jesosy ho Tompo amin'ny vavanao hianao ary mino amin'ny fonao fa Andriamanitra efa nanangana Azy tamin'ny maty, dia hovonjena hianao.

Tsy haiko alou ry fiffi na azon-jy fa za koa tsy de mahay manazava tsara hihihihi
72. fijo ( 23/02/2007 00:04)
ataovy mazava kosa fa ny efa mazava aza mbola manahirana ny sasany ko.maika fa maizina.
73. cutie ( 23/02/2007 00:11)
fijo
:-D:-D:-D:-D:-D
ao anatin';ny maizina no ahitana ny mazava :-D:-D:-D
74. majesty ( 23/02/2007 05:53)
hoy i linjo:

Prime a ! Mahafinaritra be ahy ny namaky ny loha-hevitrao, ny toy itony no tena mba antony faharoa nanosika ahy hiserasera eto.
Mba tiako hoentinao am-bavaka manokana ireto namako ireto : fally, tsiafoi1, nainos, cazal, sirika mba hanana fo tsotra sy mahay mifamela heloka. Misaotra e!!


Marin'zany zanak'ondry a :D
75. Fiffi ( 23/02/2007 06:34)
tsy mazava , tsy hay , tsy araka .......azavao misimisy kokoa zany hoe "manaiky @ vava" raha azo hatao.......
76. prime ( 23/02/2007 06:34)
cutie> =D=D=D...
fijo:
prime an,
firy taona izay isika olombelona no nisy?????ireo izay efa maty rehetra tany ve"arivotaona maromaro izay"mbola hisy hita taolana hitsangana.
ary aza hadino fa tsy kritsianina ihany no eto antany.de ny tsy nanaradia an'i kristia io izany ahoana?????????????nefa ireo koa nisy nino finoana hafa.
sa eto nareo dia hilaza hoe ny kritsianina ihany no hovoavonjy??????
... Tsotra ny valiny, hoy ny voasoratra amin'ny anaran'i Kristy :
"...Minoa an'i Jesosy Tompo, dia hovonjena ianao sy ny ankohonanao." Asan'ny Apostoly 16:31...

Tsy ny filazàna tena ho kristiana no mahavonjy fa io voalaza eo ambony io... izany hoe na antokom-pinoana inona no misy ny mpino iray na antoko inona dia io ambony io no fototry ny famonjena... Kristy tsy niteny mihitsy t@ ireo fariseo hoe mialà tao amin'ny antokon'ny fariseo tao raha niresaka t@ Nikodemosy Izy fa tokana ny teniny :
"Jesosy namaly ka nanao taminy hoe: Lazaiko aminao marina dia marina tokoa: Raha tsy ateraka indray* ny olona, dia tsy mahazo mahita ny fanjakan'Andriamanitra. [*Na: ateraka avy ambony]" Jaona 3:3... ary maro ny porofo nahafantarana fa ny olon'ny Synedriona dia maro koa no nomba an'i Kristy fa tsy hoe nanameloka Azy avokoa raha tsy hiteny an'i Fariseo Simona sy ny Fariseo Nikodemosy fotsiny aza...

Izany no mampiseho fa tsy ny anaram-pinoana no mahavonjy fa ny finoana an'i Kristy...

Ny amin'ireo maty talohan'ny nahatongavan'i Kristy dia lohahevitra lehibe iray fa sao lava loatra ny ambarako...
77. cutie ( 23/02/2007 14:19)
prime
azavao @fiffi , fa tsy mety azony le izy e , nefa izy kristiana :-D:-D:-D
78. tywa68 ( 23/02/2007 14:32)
prime a : mba teneno kely hoe (fa tsy lava be an :lol:), ny momban'ireo maty talohan'ny nahatongavan'i Kristy ?
79. prime ( 23/02/2007 15:29)
tywa68> Tsy aleo ve amoronana lohahevitra hafa?... mety ho lavalava ihany mantsy ny momba io no sady izaho mino fa maro ireo namana no manana ambara mikasika izany...
cutie> Ka mazava tsara ny itondranao azy io kah... tohizo fa mazava tsara...
fiffi> aza raisina "mot par mot" ilay resaka fa fanina ianao no farany raha izany... ny hoe manaiky "amin'ny vava" dia tsy zavatra sarotra be... hainao ve ny manao hoe "eny" sa tsy hainao? hainao ve ny manao hoe "tsia" sa tsy hainao? (tsaroako tsara ianao efa nanao lohahevitra mikasika ny hoe ahoana ny fanaovana hoe tsia fa sarotra)...

Dia rehefa anambaràna hevitra ianao ka inoanao izay voalaza dia hainao sa tsy hainao ny miteny hoe "eny mino an'izany aho" na hoe "tsia laviko izany fa tsy marina"...

Amin'ny fomba tsotra dia ireo aloha no azo anazavàna azy... ianao ihany no miteny fa izay lazain'ny vava dia vokatry ny fo ka mbola tsy azonao ihany ve?...
80. cutie ( 23/02/2007 16:14)
cutie> Ka mazava tsara ny itondranao azy io kah... tohizo fa mazava tsara...

ka tsy azon'i fiffi wa :-w
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2576