Lakilen'ny fidirana any an-danitra?

81. tywa68 ( 23/02/2007 16:54)
prime : d miandry ny sujet vaovao zany ê :lol:
82. pissoa ( 23/02/2007 17:11)
nikopol:

fiffi ka i kiranil nge efa skobidou indray dia tsy mety e

:-D:-D:-D:-D:-D

83. pissoa ( 23/02/2007 17:11)
ikaretsaka:

ka efa hoe any @ piera ny lakile... resaho izy raha omeny double ialahy

:-D:-D:-D:-D:-D

84. Fiffi ( 23/02/2007 21:43)
cutie:
prime
azavao @fiffi , fa tsy mety azony le izy e , nefa izy kristiana :-D:-D:-D
cutie: heu.....fa nga raha kristiana de tsy maintsy na voatery ahazo ny zava-drehetra ? na ny pretra aza mbola mamaky ny Baiboly rehefa mitori-teny........na hatramin'ny vavaka aza mbola jereny ao anaty Baiboly , maika fa zah ?


85. cutie ( 23/02/2007 22:53)
azafady akia ry fiffi cherie a :-*:-*:-*:-*
86. fijo ( 23/02/2007 23:34)
prime,ka izay anie n o nilazako hoe tsy mila izany mino izany,nefa ilaina sy azo atao tsara ny manao ny soa e
87. kiranil ( 24/02/2007 00:47)
prime,ka izay anie n o nilazako hoe tsy mila izany mino izany,nefa ilaina sy azo atao tsara ny manao ny soa e


Ekena fa ilaina sy azo atao tsara ny manao soa. ary Andriamanitra, izay enjehinao, dia manamafy izany koa ho an\'ireo izay mino Azy:

\"Izao no fivavahana madio sady tsy misy loto eo anatrehan\'Andriamanitra Ray: ny mamangy ny kamboty sy ny mpitondratena amin\'ny fahoriany, sy ny miaro ny tena tsy hisy pentimpentina avy amin\'izao tontolo izao.\" Jakoba 1:27

Fanontaniana ho anao: iza no nampahiratra ny jamba t@ fandalovany teto an-tany? iza no efa nanangana ny maty? iza no nanasitrana aretina maro teo @ ny mpiara-belona taminy? iza no nampitombo mofo dimy sy azandrano roa hamokisana olona maro an\'arivony? ary maro hafa...vakio ny Soratra Masina dia ho fantatra daholo ny zavatra nataony.

io ilay \'dimbaka avy any nazareta\' [miala tsiny kely @ io fiteny io satria moa izay no filazan\'i lolo sy ny tariny Azy], na Jesosy Kristy, zanak\'Andriamanitra izay nampiseho fitiavana ka nanaiky ho faty hanaisotra ny fahotan\'izao tontolo izao, ary hamonjy ireo izay MINO azy..


>>>> Tena ilaina ny finoana:


\"Fa toy izao no nitiavan\'Andriamanitra izao tontolo izao, nomeny ny zanany lahitokana mba tsy ho very izay rehetra MINO azy fa hanana fianana mandrakizay\" jaona 3:16


Ilaina ny finoana
ho an\'izay te-hovonjena ary te ho any amin\'ny fanjakan\'Andriamanitra rehefa miala eto an-tany; fa tsy ho an\'ny sasany izay misaina ny eto an-tany fotsiny izay fandalovana fotsiny.

\"Fa ankehitriny dia efa naharihary ny fahamarinana, dia ny fahamarinana avy amin\'Andriamanitra amin\'ny finoana an\'i Jesosy Kristy ho an\'izay rehetra mino; \" Romana 3

Marihiko tsara ny fanaovana soa akory tsy hoe mahavonjy ny olona, fa ny finoana anananao ihany dia ampy ahavonjy anao.


\" Tompoko, inona no mety hataoko, mba hovonjena aho? Dia hoy izy roa lahy: Minoa an\'i Jesosy Tompo, dia hovonjena hianao sy ny ankohonanao\" Asa 16:30







88. fijo ( 24/02/2007 06:08)
io zavatra anontanianao io,"nampiratra ny jamba sy nanagana ny maty,dia ny baiboly no nahitanao azy.tsy midika izany fa tena nisy ireo......"ny baiboly tantara,ary ny baiboly dia manitatra resaka.tsy misy ratsy jesosy raha ny baiboly no resahina.eny ,tsy mangery akory aza jesosy raha io boky io no jerena.mino ve enao fa tsy nanao izany izy?????
89. xxx ( 24/02/2007 16:49)
fijo> Amiko dia maivana sy ambany be ny fomba fisainanao ary ny raisonnemnt ataonao eto.. ka aleo magina sy manaja tena amin\'izay..

Ianao milaza fa tokony ny science no ianteherana fa tsy ny Soratra Masina na ny Baiboly.

kanefa vao mandinika ny fomba fanehoan-kevitra ataonao aza dia manoatra nohon\'ny olona tsy nadia fianarana akory. kanefa miseho azy ho mahay ny science..

Asa na hatraiza ny fianarana vitanao io na hatraiza, fa na manana doctorat d\'etat na phd aza ianao io dia tsapa fa mbola maivana sy ambany be le fisainana anananao tompoko.. (miala tsiny).. Manao lohamboto sy bontolo fotsiny...

izaho ekeko mety hoe kely sy ambany diploma noho ianao (ingenieur aho na izany aza) fa raha ny fisainanao dia miala tsiny aho fa ambany noho ny tsy manana diplome akory aza.

Ianao ihany no manaiky ampahibemaso eto fa fijo akory dia tsy tampi-pahaizana... manaiky izany koa aho..

Averiko eto ilay voalazanao io ambony io, na dia mahamenatra na ny mamerina aza eto aza, dia mba menatra izay nahavoaka io vava io: \"ny baiboly tantara,ary ny baiboly dia manitatra resaka.tsy misy ratsy jesosy raha ny baiboly no resahina.eny ,tsy mangery akory aza jesosy raha io boky io no jerena.mino ve enao fa tsy nanao izany izy?????\"


>> mipetraka amintsika ary ny fanontaniana eto.. iza no tena jiolahim-boto, ilay manenjika (dia andrimatoa fijo) ve sa ilay enjehiny (dia Jesosy Kristy Andriamanitra izay nampanoratra ny Baiboly ary tonga teto an-tany namonjy ireo izay mino Azy)

Avelako ianareo no hitsara.

FA RAHA NY AMIKO DIA ALEOKO AMIN\'IZAY MANAJA TENA SY MANGINA FA IZAY NO METY KOKOA.
90. cutie ( 24/02/2007 17:06)
xxx sy fijo
maninaza izy io no atao resaka ifamaliana htran'io
Tsy handresy lahatra an'iza naiza ange ny forum ato fa samy maneho ny heviny , de aoka samy tsy hisy hifampitsaratsara:lol::lol::lol::lol:
91. Fiffi ( 24/02/2007 17:45)
cutie:

azafady akia ry fiffi cherie a :-*:-*:-*:-*
ndryyyy .....:-*:-*:-*:-*:-*:-*


92. cutie ( 24/02/2007 17:48)
aiza ny saka :lol::lol::lol::lol: fiffi
93. Fiffi ( 24/02/2007 17:52)
atsy ambadika.....:):-*:-*:-*:-*:-*
94. cutie ( 24/02/2007 18:07)
ambadika aiza?:roll:
95. Fiffi ( 24/02/2007 18:42)
lasa HS eo isika an ! :oops: ms...:) de jereo ao @ antson'ny fo.....:)
96. soanja ( 26/02/2007 00:58)
Ny fandriampahalemana sy fitoniana ao anaty no lakilen'ny fidirana any an-danitra satria Andriamanitra ihany afaka manome anao io fahafahana roa io.
97. cutie ( 26/02/2007 01:19)
tonga soa njay akia soanja a
:-*:-*:-*:-*:-*:-*
Ny fandriampahalemana sy fitoniana ao anaty

very good :lol::lol::lol:
98. iriko ( 26/02/2007 01:58)
ny ota rehetra dia mahazo famelana avokoa afa tsy ny fanozonana ny Masina, dia ny minia tsimirahara ny Masina, fa tsy maintsy mahay mamela heloka sy mahay manadino ny fahotan'ny hafa, satria Jesoa efa nitondra ny helotsika.
Tokony tsy ho hadinointsika fa roa ihany ny safidy, dia ny Fiainana mandrakizay miaraka @ Jesoa, na ny Fiainana any @ helo mirehitr'afo.
99. prime ( 26/02/2007 07:43)
Misaotra ry zareo a...
fijo> Misaora an'Andriamanitra na dia izany aza... fa mbola famindrapony daholo na dia ny ahafahana miteny fotsiny aza sy nahazoana andro indray anio ary ny mbola nanomezany fahasalamàna...
100. ikaretsaka ( 26/02/2007 13:42)
soanja:

Ny fandriampahalemana sy fitoniana ao anaty no lakilen'ny fidirana any an-danitra satria Andriamanitra ihany afaka manome anao io fahafahana roa io.


izay! atomboka (manomboka) ety an-tany ny paradisa... raha mahay mifankatia sy mitony ny olona.. hoy moa ilay hira katolika izay?


© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.5608