Iza no namorona an'Andriamanitra?

1. soanja ( 13/02/2007 14:34)
Nipetraka indray ny fanontaniana tao aminay hoe raha i Andriamanitra no nahary ny zava-drehetra dia iza izany no namorona/nanamboatra azy raha nisy ny fiheverana fa nisy nahary daholo ny rehetra fa tsy tongatonga ho azy tamin'ny antony tsy nampoizina.
Mazava moa fa milaza ny baiboly fa izy no alfa sy omega. Nefa tsy mahafapo ny sasany (mpandinika) io ka sao mba misy afaka mahavaly azy isika.
Misaotra indrindra.
novalian'i niryna ny 12/03/2007 03:06
2. Fiffi ( 13/02/2007 15:01)
hapetraka ny fanontaniana izay tsy ahitana valiny afatsy ny finoan'ny tsirairay hiany .......izay ao am-pony ....
3. xxx ( 13/02/2007 15:21)
soanja:

Nipetraka indray ny fanontaniana tao aminay hoe raha i Andriamanitra no nahary ny zava-drehetra dia iza izany no namorona/nanamboatra azy raha nisy ny fiheverana fa nisy nahary daholo ny rehetra fa tsy tongatonga ho azy tamin'ny antony tsy nampoizina.
Mazava moa fa milaza ny baiboly fa izy no alfa sy omega. Nefa tsy mahafapo ny sasany (mpandinika) io ka sao mba misy afaka mahavaly azy isika.
Misaotra indrindra.



" Fa fantatro izay inoako", ny finoan'ny tsirairay no mitondra ny fahalalana an'Andriamanitra na i Boudha na scientologue na Mahomet na satana na na inona ny finoany, iainana ao anatiny. Fa tsy mitady porofo siantifika isaky ny iray mihetsika.

Ny sain'olombelona tsy mahatakatra ny hevitr'Andriamanitra. Raha fantantsika daholo ny zava-miafina rehetra dia tsy ho olombelona tsotra fotsiny isika. Sa moa ra-olombelona rehefa nomena fahaizana kely dia miady varotra hitovy toerana amin'Andriamanitra...

Fehiny: Tsy ahavaly io fanontaniana io mihintsy ianao reha siantifika no fehin-kevitra itondranao azy.
4. cutie ( 13/02/2007 15:44)
soanja
sali njy :-*
Efa imbetsaka koa za no nieritreritra an;io fa tsy mety haiko ny valiny :-D
Fa raha ato @ resaka finoana ato njy no manotany an;io de tsy maintsy resaka finoana ihany no valiny :lol:
aleo hiandry an'i tsimiandravola :lol:
5. xxx ( 13/02/2007 16:19)
soanja> misaotra anao amin'ny fanontaniana.

If God created the universe, then who created God?

A number of sceptics ask this question. But God by definition is the uncreated creator of the universe, so the question ‘Who created God?’ is illogical, just like ‘To whom is the bachelor married?’

So a more sophisticated questioner might ask: ‘If the universe needs a cause, then why doesn’t God need a cause? And if God doesn’t need a cause, why should the universe need a cause?’ In reply, Christians should use the following reasoning:

- Everything which has a beginning has a cause.
- The universe has a beginning.
- Therefore the universe has a cause.

The universe requires a cause because it had a beginning. God, unlike the universe, had no beginning, so doesn’t need a cause. In addition, Einstein’s general relativity, which has much experimental support, shows that time is linked to matter and space. So time itself would have begun along with matter and space. Since God, by definition, is the creator of the whole universe, he is the creator of time. Therefore He is not limited by the time dimension He created, so has no beginning in time—God is ‘the high and lofty One that inhabiteth eternity’ (Is. 57:15). Therefore He doesn’t have a cause.


"Fa izao no lazain'ny Iray avo sy manerinerina, izay monina mandrakizay, masina no anarany: Ao amin'ny fitoerana avo sy masina no onenako, ary ao amin'ny torotoro fo sy ny manetry tena, hamelombelona ny fanahin'ny manetry tena sy hamelombelona ny fon'ny torotoro fo;" Isaia 57:15
6. maditra ( 13/02/2007 16:26)
Raha tsy mpino aho dia izao no avaliko:

Ny olombelona no namorona an'Andriamanitra.
7. cutie ( 13/02/2007 16:27)
:-D:-D:-D:-D
8. xxx ( 13/02/2007 16:36)
“Alexander, Caesar, Charlemagne, and myself founded empires; but what foundation did we rest the creations of our genius? Upon force. Jesus Christ founded an empire upon love; and at this hour millions of men would die for Him.” --Napoleon Bonaparte

Jesosy Kristy, dia ilay Andriamanitra tonga nofo tety an-tany, tonga hamonjy ireo izao tontolo izao noho ny fahotany.

"Dia nitangoronan'ny Jiosy Izy ka nanontaniany hoe: Ambara-pahoviana no hampisalasalanao anay? Raha Hianao no Kristy, dia lazao marimarina aminay. Jesosy namaly azy hoe: Efa nilaza taminareo ihany Aho, nefa tsy nino hianareo; ny asa izay ataoko amin'ny anaran'ny Raiko no manambara Ahy. Kanefa hianareo tsy mino, satria tsy mba isan'ny ondriko. Ny ondriko mihaino ny feoko, ary Izaho mahalala azy, ary izy manaraka Ahy, ary Izaho manome azy fiainana mandrakizay, ka tsy ho very izy mandrakizay, ary tsy hisy handrombaka azy amin'ny tànako. Ny Raiko Izay nanome Ahy dia lehibe noho izy rehetra; ary tsy misy mahay mandrombaka amin'ny tànan'ny Ray. Izaho sy ny Ray dia iray ihany. Dia naka vato indray ny Jiosy hitoraka Azy." Jaona 10

------------

"Ary Jesosy niantso ka nanao hoe: Izay mino Ahy, dia tsy Izaho no inoany, fa Izay naniraka Ahy. Ary izay mahita Ahy dia mahita Izay naniraka Ahy. Izaho tonga amin'izao tontolo izao ho fahazavana, mba tsy hitoetra ao amin'ny maizina izay rehetra mino Ahy. Ary raha misy mandre ny teniko ka tsy mitandrina, Izaho tsy mitsara azy; fa tsy tonga hitsara izao tontolo izao Aho, fa hamonjy izao tontolo izao. izay mandà Ahy ka tsy mandray ny teniko, dia manana izay mitsara azy: ny teny izay nolazaiko, izany ihany no hitsara azy amin'ny andro farany, satria Izaho tsy niteny ho Ahy, fa ny Ray Izay naniraka Ahy, Izy no nandidy Ahy izay holazaiko sy izay hotoriko. Ary fantatro fa fiainana mandrakizay ny didiny; koa izay lazaiko dia lazaiko araka izay nolazain'ny Ray tamiko." Jaona 12.



9. cutie ( 13/02/2007 16:38)
lasa njay ny toriteny :lol:
10. xxx ( 13/02/2007 16:43)
sady inona hiany aza ity mi-style @ teny anglisy tsy misy farany ity ?
11. cutie ( 13/02/2007 16:44)
hita koa
zahay zao tsy mahazo mitsy :-D
12. rush ( 13/02/2007 16:49)
ataovy @ teny gasy ry xxx raha mba te-hizara nareo a
13. xxx ( 13/02/2007 17:01)
:?::?::?:fanontaniana tsy tokony hipetraka akory!
14. pissoa ( 13/02/2007 17:37)
Ny fieritreretana fa tsy maintsy misy "mpahary" hafa, izay tsy Andriamanitra, fa namorona an'Andriamanitra - NA TSY NAHITANA VALINY AZA HOE IZA, dia toy ny fampihetrena ny maha-Andriamanitra an'Andriamanitra sahady.

Hevitro io, anjaran'ny tsirairay ny mandinika. :-D:-D:-D
15. lamie ( 13/02/2007 18:00)
aza mametraka akory ny fanontaniana fa tsy takatry ny sain'olombelona izany, aza mandranitra ny tavan-drahalahy, aza miseho ho mahay ny tsy fantatra fa tsy mety ary tsy eken'Andriamanitra izany!
16. naughtyboy ( 13/02/2007 19:11)
hafa koa ny fijeriko ity endrika fanontaniana ty milaza hoe iza no namorona an'Andriamanitra?
endrika hafa no amaliako azy io hoe izy no mpamorona ary isika de noforonina ary be fanontaniana lava zay no inoako ka tsy misy tsiny .
17. niryna ( 13/02/2007 19:13)
Tonga soa aky soanja a izaho aky nalahelo andry a.
Andriamanitra dia efa niforona fa tsy nisy namorina,izy no namorina izao tontolo izao fa izy efa teto amin'izao tontolo izao.Nony namorina izao tontolo izao izy dia mbola zavatra tsy nisy bikany izao tontolo izao.Izay no nahatonga azy nanao ny mazava sy ny maizina ,ny tany sy ny rano ,sns.Ary satria izy niteny hoe andaho isika hanao olona tahaka antsika,tsy niteny izy hoe andaho aho hanao olona tahaka ahy dia efa nisy teo izany Andriamanitra, Jesosy ary ny Fanahy Masina izay telo izay iray.
18. simplex ( 13/02/2007 19:33)
soanja:
Iza no namorona an'Andriamanitra?

Valiny: izy no ilay misy, izy no lavorary, izy no fanam-perana ;-)

Nature divine-ny ny tsy fisian'ny fiandohana sy fihafarana eo aminy. Izany hoe mampisy azy talohan'ny taona rehetra ary @ taona rehetra.
Ra io raisonnement io no jerena, d iza no namorona ny namorona an'A/tra, ny namorona ny namorona ny namorana an'A/tra kou,... Absurde :roll:8)8)

sali an :-*
19. mignone ( 13/02/2007 19:59)
ka lhl ve ilay andriamanitra ? satria manko toa hatao hoe "rainay izay any andanitra " , asa aloha fa eritreritra ny ahy :°)
20. fijo ( 13/02/2007 21:00)
andriamanitra dia tsy misy,fa ny saina\"heritreritra \"no mamorona azy.izany hoe ny marimarina kokoa dia vokatry ny tsy fahalalana sy ny tahotra ny fisianay.
taloha fony tsy mbola nandroso ny siansy,dia tsy hay ny nanazava ny ankamaroan\'ny zavatra hita sy hiainana.dia mba hialana amin\'ny izay,dia lazaina fa misy andriamanitra,na andriananahary namoron aizany rehetra izany.
izao anefa dia efa manomboka voaporofo aratsiansy ny fanazavana ny zavatra misy sy mitranga,dia efa mihena ihany koa ilay finoana fa misy andriamanitra manao ny rehetra.
ny tahotra.
io koa dia mamorona ny fisiany,.rehefa eo anatrehan\'ny tsy fahalalana sy tahotra ny hoavy ny olona iray,dia miantso anndriamanitra mba hanalana io tahotra io.
noho iznay dia ny olona matahotra ny hoavy sy tsy mbola maharaka ny siansa loatra no mbola mino azy io
tsy midika izany fa tapipahaizana i fijo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0847