Iza no namorona an'Andriamanitra?

41. soanja ( 15/02/2007 16:34)
Amiko tsara ny mametraka fanontaniana amin'ny fiainana ary manadihady, amin'izay tsy azon'ny hafa andevozina amin'ny heviny fa manana safidy malalaka kosa satria efa noheverina sy nohadihadihana ary noeritreretina lalina ilay zavatra atao sy arahina ary omena lanja eo amin'ny fiainana.

Toy izany ohatra ny fandraisana an'Andriamanitra ao anaty. Mianatra, mamakafaka azy, ary miezaka hahalala azy bebe kokoa. Raiso daholo izay fitaovana azonao hahafantarana azy akaiky ary ampiasao daholo ny tsapa/ ny rantsana sns eny amin'ny tenanao handraisana azy. Fa ho hitanao fa tsy voageja ny sainao fa malalaka ary vonona hitia azy tanteraka.

42. cutie ( 15/02/2007 16:56)
: niryna [ Valio ] 15-02-2007 08:28:41
Lohateny : Re : Iza no namorona an'Andriamanitra?
Hoy i cutie:

Voalaza teo :
Mpandefa : xxx [ Valio ] 14-02-2007 17:15:16
Lohateny : Re : Iza no namorona an'Andriamanitra?
fanontaniana mahamenatra raha toa ka olondehibe no sady kristiana no mpivavaka no mametraka izao fanontaniana izao. (Homme de peu de foi)

Ary fomba ny atao we kristina nga no mitsara.
Efa novalin'i Fiffi io ny fanontaniana, ka refa mino enao de tano ho anao zany , fa avelao ny oul hametraka fanontaniana

bjr aky cutie a.Misy xxx maromaro ato ary manana anarana be dia be koa izy.Ny zavatra mety tsy ho fantany dia manakana ny olona izy tsy hiteny izay fahalalana kely hainy ary dia manatsatso mba tsy hiteny.Mampalahelo,hivavaka ho azy moa ny tena xxx ve?Atra no mahita ny tena anarany ary efa namela azy ireo hatramin'ny voalohany aho.

Efa tsy mahagaga indray ny @iny , fa zo n-ny ny te hanao xxx any :-D
43. rush ( 15/02/2007 17:03)
cutie:
fa zo n-ny ny te hanao xxx any :-D
cutie tena mahazo fa zon'ny olona no miditra xxx .
niryna indray dia mitaraina aty @ cutie sy prime rehefa tsy mahazaka na mahatanty ny famarinan'ny hafa fa tsy maintsy ny azy hiany hono no marina ? Dia inona zao no handrasan'i niryna @ ilay fitarainana aty @ cutie sy prime ? sa ve mihevitra ny ho tezitra @ xxx ry zareo ? sa te-hampiady @nay miditra xxx ? (lasa nivoana kely fa miala-tsiny)

44. rush ( 15/02/2007 17:05)
(za manko mba misy fotoana miditra xxx hiany)
45. xxx ( 15/02/2007 17:13)
niryna indray dia mitaraina aty @ cutie sy prime rehefa tsy mahazaka na mahatanty ny famarinan'ny hafa fa tsy maintsy ny azy hiany hono no marina ?

Ka i niryna hono eto toy mpampianatra hoy izy ihany e ! Tsy fantany hoe dinika ity, forum fa tsy lakilasy :-D
46. xxx ( 15/02/2007 17:31)
Efa fantatro hatrin'ny ela izany ary tsy tiany hitoriteny ny namana izay mangetaheta ny teniny aho,izany akory tsy hanakana ahy
:-w:-w
io ilay mpampianatra. Ka hanaraka an'zany ve ny mpianatra ? hay moa tsy lakilasy eto ?
47. xxx ( 15/02/2007 20:10)
Hoy soanja:
Raiso daholo izay fitaovana azonao hahafantarana azy akaiky ary ampiasao daholo ny tsapa/ ny rantsana sns eny amin'ny tenanao handraisana azy. Fa ho hitanao fa tsy voageja ny sainao fa malalaka ary vonona hitia azy tanteraka.

Miala tsiny be dia be fa tsy azoko mintsy izay tianao lazaina fa toa ohatrany manidina be zany ny fahitako io hevitra io. Fa anga moa misy resaka fitsapatsapana @ ratsatana indray izay vao fantatra ny momba an'Andriamanitra na hoe izay vao afaka mitia an'Andriamanitra??

Azavao azafady raha tsy mahadiso.

Sa sao tsy mitovy ilay Andriamanitra resahantsika?

Ny Andriamanitro mantsy dia ito no fantatro momba Azy:
"Andriamanitra dia fanahy; ary izay mivavaka aminy tsy maintsy mivavaka amin'ny fanahy sy ny fahamarinana." Jaona 4:24
48. soanja ( 15/02/2007 21:13)
xxx:

xxx> Izay tokoa mety tsy mitovy le Andriamanitra taivintsika sy tompointsika.
Ny ahy ampiasaiko ny masoko hamaky boky ohatra baiboly, boky isan-karazany sns
Ampiasaiko ny saiko hihevitra
Ampiasaiko ny vavako hitory
Ampiasaiko ny tanako hanao asa soa
Ampiasaiko ny tongotro hamakivaky ireo zavaboariny
sns sns, handohalika hitsaoka azy, ny tanako hitehaka, ny vatako amin'ny dihy hiderana azy.
Ny feoko hiantsoana azy sns
Ny fitaovana ilaina rehetra azoko ampiasaina hahafantarako sy handraisako azy.
Avy amin' ireo no ahafahako mandray ny fahamarinana sy ny firaisako aminy izay antsoina hoe FANAHY.

Ka raha tsy mitovy amin'io ny handraisanao azy dia tsy mitovy ilay Andriamanitrantsika. Ny ahy mantsy avy amin'ny asany no itivako an'Andraimanitra ary ireo ihany koa noe ntiko hitivana sy hiderana azy.

49. xxx ( 15/02/2007 21:47)
soanja:
Nefa tsy mahafapo ny sasany (mpandinika) io ka sao mba misy afaka mahavaly azy isika.

angah ze ahafa-po ny sasany no tedavina ry soanja fa tsy ze mahafapo an'andriamanitra?

prime:
soanja> Andriamanitra dia tsy izay vokatry ny saina sy takatry ny saina ka isika no hiezaka hanakatra Azy fa Izy efa niseho sy nanambara ny Tenany sy ny momba Azy rehetra ka dia an'ny tsirairay sisa no manambara ny finoany hoe ekena izay nanambaran'Andriamanitra ny Tenany no sady inoana na tsia...
50. xxx ( 15/02/2007 23:22)
Soanja> "Fa fahasoavana no namonjena anareo amin'ny finoana; ary tsy avy aminareo izany, fa fanomezana avy amin'Andriamanitra; tsy avy amin'ny asa, fandrao hisy hirehareha." efe 2:8-9

"Avelao ny zaza hanatona Ahy, ary aza rarana; fa an'ny toa azy ny fanjakan'Andriamanitra.
Lazaiko aminareo marina tokoa: Na zovy na zovy no tsy handray ny fanjakan'Andriamanitra tahaka ny zaza, dia tsy ho tafiditra aminy akory." Marka 10.

Ny Andrimanitro dia efa nanolotra fanomezana lehibe ho an'i olona t@ nahafatesana'i Jesosy Kristy teo ambony azo fijaliana noho ny fahotantsika.

Ny andrasan'Andriamanitra amin'izay izay te hanaraka Azy dia ny fanekena izany fanomezana izany tahaka ny zaza. Averiko farany ilay teny iry ambony iry:

""Fa fahasoavana no namonjena anareo amin'ny finoana; tsy avy aminareo izany, fa fanomezana avy amin'Andriamanitra; tsy avy amin'ny asa, fandrao hisy hirehareha." efe 2:8-9

Misaotra ihany aloha nilaza ny hevitrao fa mety tsy mitovy izany ilay Andriamanitra resahintsika.
51. cutie ( 16/02/2007 00:31)
Mpandefa : rush [ Valio ] 15-02-2007 18:03:06
Lohateny : Re : Iza no namorona an'Andriamanitra?
Hoy i cutie:
fa zo n-ny ny te hanao xxx any

cutie tena mahazo fa zon'ny olona no miditra xxx .
niryna indray dia mitaraina aty @ cutie sy prime rehefa tsy mahazaka na mahatanty ny famarinan'ny hafa fa tsy maintsy ny azy hiany hono no marina ? Dia inona zao no handrasan'i niryna @ ilay fitarainana aty @ cutie sy prime ? sa ve mihevitra ny ho tezitra @ xxx ry zareo ? sa te-hampiady @nay miditra xxx ? (lasa nivoana kely fa miala-tsiny)

:-D:-D:-D:-D
52. soanja ( 16/02/2007 02:49)
xxx:

Soanja> "Fa fahasoavana no namonjena anareo amin'ny finoana; ary tsy avy aminareo izany, fa fanomezana avy amin'Andriamanitra; tsy avy amin'ny asa, fandrao hisy hirehareha." efe 2:8-9

"Avelao ny zaza hanatona Ahy, ary aza rarana; fa an'ny toa azy ny fanjakan'Andriamanitra.
Lazaiko aminareo marina tokoa: Na zovy na zovy no tsy handray ny fanjakan'Andriamanitra tahaka ny zaza, dia tsy ho tafiditra aminy akory." Marka 10.

Ny Andrimanitro dia efa nanolotra fanomezana lehibe ho an'i olona t@ nahafatesana'i Jesosy Kristy teo ambony azo fijaliana noho ny fahotantsika.

Ny andrasan'Andriamanitra amin'izay izay te hanaraka Azy dia ny fanekena izany fanomezana izany tahaka ny zaza. Averiko farany ilay teny iry ambony iry:

""Fa fahasoavana no namonjena anareo amin'ny finoana; tsy avy aminareo izany, fa fanomezana avy amin'Andriamanitra; tsy avy amin'ny asa, fandrao hisy hirehareha." efe 2:8-9

Misaotra ihany aloha nilaza ny hevitrao fa mety tsy mitovy izany ilay Andriamanitra resahintsika.

Izay tokoa ny tsy mampitovy ny Andriamanitra hinoanao sy ny ahy. Ny ahy dia izaho no mila mahatsapa azy ao anatiko fa tsy ny boky no manery ahy haneho ny fiderako azy. Ny asany teo amiko no mitarika ahy hanantona azy sy hidera azy. Ary indrindra ny fiombonana iarahako aminy mangina amin'izay misy ahy. Ny ho avy kosa dia azy ny mandahatra azy fa miasa manompo sy mamita ny adidiko eto an-tany no anjarako. Zah alo tsy mino "ny afobe" velively.
Ny Dogmata kosa dia anisan'ny tsy hanekeko ny hevitrao satria tsy avy amin'ny hevitry ny hafa no andraisako azy fa avy amin'ny fahazavana manoloana ny lalako.
Dogma (the plural is either dogmata or dogmas, Greek δόγμα, plural δόγματα) is the established belief or doctrine held by a religion, ideology or any kind of organization, thought to be authoritative and not to be disputed or doubted. While in the context of religion the term is largely descriptive, outside of religion its current usage tends to carry a pejorative connotation — referring to concepts as being "established" only according to a particular point of view, and thus one of doubtful foundation.

53. cutie ( 16/02/2007 02:53)
soanja , i xxx koa ange ohtran'ny robot zany. Manara-baiko be .
Hita mitsy fa vontom-pinoana :-D:-D:-D:-D
54. fijo ( 16/02/2007 06:09)
nympanala volombava dia mitady vola.ka izay tsy manambola dia tsy mankao aminy.
ka le andriamanitrareo koa ngaha mpitady vola????????raha izay no asany dia ny afrikanina izany tsy hoao mihintsy ry zareo an.
55. majesty ( 16/02/2007 07:04)
hoy fijo:

ka le andriamanitrareo koa ngaha mpitady vola????????

Tena tsy le Andriamanitro kosa less zany,ny ahy ny Andriamanitro mitsinjo ny mpitondran-tena sy ny kamboty ary ny mahantra tsy manan-katolotra,kanefa koa tsy manda an'ireo mpanakarena vonona ny hanolo tena ho azy
56. xxx ( 16/02/2007 07:18)
Andriamanitra ihany no namorona an'Andriamanitra.
57. prime ( 16/02/2007 11:53)
:-D:-D:-D...
cutie> :lol::-D:-D
58. ndrena ( 16/02/2007 12:27)
Mahafinaritra ny famoahan-kevitra ka.fa raha ny tenako manokana dia ny tenin'Andriamanitra ihany no hamaliako azy:IZAHO IZAY IZY HATRIZAY HATRIZAY KA HO MANDRAKIZAY EKSODOSY 3/14.Andriamanitra mivantana no miteny eo.Tsy asiana ady hevitra be fa ny fahalalantsika olombelona mantsy tsy hahatakatra ny tena misterin'A/tra.Efa nisy hatrizay hatrizay Izy.Tsy misy fiandohana ary tsy misy fiafarana.
59. xxx ( 16/02/2007 13:07)
yes!!!!
60. prime ( 16/02/2007 13:20)
soanja:
Amiko tsara ny mametraka fanontaniana amin'ny fiainana ary manadihady, amin'izay tsy azon'ny hafa andevozina amin'ny heviny fa manana safidy malalaka kosa satria efa noheverina sy nohadihadihana ary noeritreretina lalina ilay zavatra atao sy arahina ary omena lanja eo amin'ny fiainana.
... mitovy hevitra aminao tokoa raha resaka fahalalàna sy fandalinana fa ny soratra masina efa miteny hoe :

"Fantaro ny zavatra rehetra; hazòny mafy izay tsara." I Tesaloniana 5:21

Fa rehefa nomena ny valiny sy ampahafantarina no sady Izy rahateo mihitsy no nilaza ny Tenany hoe :

"Izaho no Alfa sy Omega, hoy ny Tompo Andriamanitra, Ilay ankehitriny sy taloha ary ho avy, dia ny Tsitoha." Apokalypsy 1:8...

... dia tsy tsara intsony ny manita-kevitra ka mihevi-tena ho hendry noho ny Tenin'Andriamanitra ka ametrahana fanontaniana tsy mitondra vokatsoa... fa hoy ny Tenin'Andriamanitra mantsy :

"Fa mandava ny fanontaniana adaladala tsy misy antony, satria fantatrao fa mahatonga ady izany." II Timoty 2:23
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0081