Kristianina manambady Silamo

61. dailynews ( 09/01/2007 18:30)
odry ary izaho kay tsy tena namaky fa tara. noheveriko hoe soanja nanambady silamo...hay tsy izany.
62. simplex ( 09/01/2007 18:52)
lasa fampiderana CV sy fampisehoana arrogance sisa le lohahevitra...
tsy efa mba olon-dehibe afaka miady hevitra doly v isika?:roll: fenoako aoro size ity fa ataovy eo ihany :°)8)8)
63. xxx ( 09/01/2007 18:55)
mba gaga aho hoe inona ilay arrogance sy CV..:roll::roll::roll::roll::roll::roll::roll::roll:
64. rakaroka ( 09/01/2007 19:02)
Tahaka izany na tokony hihaotra LAVITRA aza ny
tokony hanehoan\'ny kristiana ny maha- zanak\'Andriamanitra azy:\"OUVERT à tout le monde ! tahaka azy Ray sy ny masoandro naposany!
tokony hanana bonne image eo imason\'ny olona na eo amin\'ny fiteny, fampianarana, asa, eo @ fitiavana indrindra indrindra!...
Ka ny tsapako mivoitra teo @ fampianarana kristiana toa manantena an\'i Jesoa fotsiny no ataon-drizareo ,
dia tsinontsiniaviny ny didy maro,ny fahalalana, ny soratra tahaka ny hoe mahazoa fahalalàna miverimberina ao anaty baiboly, dia rehefa ny hafa : malaky loatra ny hoe tsy araka an\'Atra izany tsy am-panadihadiana kely akory (mahagaga i Lazzadaddy mametraka hoe \"fantatrao \'ngaha ny fihevitr\'Andriamanitra?...
Valiny: Oui, ny fiheviny @ ankapobeny mihitsy no natao ho takatr\'izay mikatsaka Azy marina! Sinonsi dia tsy hita mihitsy izay handraisana sy hiheverana an\'Andriamanitra. Voasoratra ao @ Salamo fa isika dia andriamanitra koa ary nataony ambany kely, donk miankina amintsika ny mise à la \"hauteur\",
\"tahaka ny zanany anie no niheverany antsika\"
fa voapepon\'ny hoe \"olona ihany!\", sns...foana dia toa manaiky kokoa ny hoe andevon\'ny ota!
fa raha fotorana ohatra ny hoe \"Aza mangalatra, aza manao vavolom-belona mandainga,sns...
Ao anaty lalana \'ngaha ny kristiana? dia foana izany ireny teny ireny satria hoe ao ny hazofijaliana? Koa tsy mampifanohitra ny tenin\'Andriamanitra ve izany?...
Donk raha tolérable izany dia tahaka izany koa @ fijangajangana!saingy raha ny marina aloha ny tsapako
miteraka olana foana ny hoe \"tsy ao anaty voie\",
tsy fidiny \'ngaha fa raha azo atao dia miaina ao \"anaty voie\"...

65. dailynews ( 09/01/2007 19:04)
xxx:

mba gaga aho hoe inona ilay arrogance sy CV..:roll::roll::roll::roll::roll::roll::roll::roll:

simplex> izaho no nanoratra io ambony io.
Fa zavatra kely tsy misy dikany tahaka io fijoroana vavolombelona io ve dia ahitana hoe CV sns...dia tsy hitako indray izay lazaina anao raha izany fa mora tohina be ianao satria tsy mahazaka izay ampahany kely @ fiainan ny olona.




66. simplex ( 09/01/2007 19:08)
DN>
an3 k, tsy dia enao loatra no nanoratako an'io. Zafady fa somary tao aorinan'le post-nao fotsiny le izy, tsy neritreretiko mintsy :-*
67. rakaroka ( 09/01/2007 19:09)
Drrry!Fa inn moa ny antsoina hoe CV?... tsy mahalaza ny cv-ko kosa aloha ny resako etsy ambony, maneho ny fahatsapana ny karazana fomba fihevitra teo @ ampahan-dalana nolalovana fotsiny mampisongadina ny
haren-tsaina isan-karazany!...
68. simplex ( 09/01/2007 19:10)
adino kely,
xxx: HS io zavatra resahinao io ;-):°):-P8)8)
69. dailynews ( 09/01/2007 19:13)
simplex> tsy dia ianao loatra an:*:*
70. simplex ( 09/01/2007 19:16)
:D:D
"smart" loatra kou ry DN zany kle :-P

Ny A/tra 1 ihany fa ny fotom-pinoana no tsy mitovy. ;-)
71. dailynews ( 09/01/2007 19:22)
@ manaraka izany dia xxx foana no ampiasana raha izany fa sarotra be ny olombelona. mba te hitsotra ianao indraindray lazaina fa...eh bien, nianatra lesona aho androany.
72. rakaroka ( 09/01/2007 19:45)
xxx:

Ary momba ny nolazain\'i rakaroka momba ny zazakely minono dia misy ny teny toy izao:

\" Avy amin\'ny vavan\'ny ankizy madinika sy ny minono no nanorenanao hery noho ny mpandrafy Anao, mba hampanginanao ny fahavalo sy izay ta-hamaly ratsy\"
Salamo 8:2.



Eto i xxx dia mampiasa ny versé @ tsy izy mihitsy:
d'abord tsy fanangam-pahavalo ny resaka, tsy misy resaka famaliana ratsy ary rahateo hazavao mihitsy aloha ny tianao ambara satria rehafa zohiko lé salamo
iray manontolo dia tsapako tsy manohitra ny voambarako mihitsy. Ny manamafy ny hevitro voamarina
tsara dia ao @ I kor 14 and 20
Ry rahalahy, aza mba ho zaza amin'ny fahalalàna; raha
amin'ny lolom-po dia aoka ho zaza bodo, fa amin'ny fahalalàna kosa dia aoka ho lehilahy tokoa..tohizo vakina ny tohiny ao anaty baibolinareo dia ahatsapa ianareo fa tsy misy fahamarinany ny fijerin'i Soanja.
Ary na izany na tsy izany manatombo foana izay manam-pahalalana eo @ fiainana ankapobeny!


73. simplex ( 09/01/2007 19:48)
:D:D
Tena tsy enao mihintsy no nanoratako an'io :-P tena marina io an ^:^

Ary tena tsara mihintsy ilay tsotra, surtt ra manao vavolom-belona @ zavatra iray. Tato ho ato manko somary be teoria be loatra ny dinika kanefa otran'ny tsisy mampiatra akory le izy :roll:. Tsy manin koa nymanao xxx fa mba bitsibitsio ihany ah :°)
lesona doly ny fianana 1 manotolo, aza maka lesona diso anefa ;-)

zafady wa :cry:
74. xxx ( 09/01/2007 20:48)
soanja: ianao izany efa milaza fa sady mino ny baiboly, no coran, no tao..no tsy haiko intsony izay zavatra vakianao sy afangarongaronao ao mahatonga anao milaza fa mahay be. Raha ny tena marina dia hainao tapatapany izy rehetra. Fa raha tena na dia mba mahafantatra kely ny baiboly fotsiny aza ianao dia tsy ho nampifangaro ireo akory. Fa ny marina dia ianao no tena mitsimpontsipona eny rehetra eny.
75. xxx ( 09/01/2007 20:54)
simp :wink::-D:-D:-D
76. soanja ( 09/01/2007 21:31)
xxx:

soanja: ianao izany efa milaza fa sady mino ny baiboly, no coran, no tao..no tsy haiko intsony izay zavatra vakianao sy afangarongaronao ao mahatonga anao milaza fa mahay be. Raha ny tena marina dia hainao tapatapany izy rehetra. Fa raha tena na dia mba mahafantatra kely ny baiboly fotsiny aza ianao dia tsy ho nampifangaro ireo akory. Fa ny marina dia ianao no tena mitsimpontsipona eny rehetra eny.


xxx> tena marina ny voalazanao.
Tsy tena mahay 100% ny baiboly aho, ny tena izy dia fidifidiako ny zavatra tiako vakiana ao satria tsy ilaiko ny sasany satria tsy mi-apply amiko. Tsy mitondra fitoniana sy fitiavana ho ahy satria mampivadika ny fijeriko an'Andriamanitra LAFATRA loatra eo amin'ny fiainako. Nahoana? satria misy teny tsy lavorary be dia be eo izay nentin'i Mpaminany nety mety tamin'izany fotoana izany fa tsy mety amin'izao fotoana izao. Manilikilika ny zavatra voasoratra sasany ao ka tena hitako fa tsy tenin'Andriamanitra mihisty fa entina hampitahotra olona sns.
De toy izany koa ny boky hafa rehetra. Tsy mahafapo ahy fa izay no mbola ianarako amin'izao dia ny hitadiavako ny tena izy. Ilay tena hoe ANDRIAMANITRA namorona ahy ampitivana ary mitaky Fitiavana azy miverina koa.
Tsy maintsy miaina ny fiainako ihany ianao vao mety hahatsapa ny zavatra tsapako satria hafa mihitsy no hitondrako ny finoako.
Manomboka amiko sy Andriamanitra, zany hjoe ilay Fitiavana lavorary katsahiko n'aiza n';aiza , izay vao mandalo boky sns.
Koa dia marina mihitsy io resakao io. Kristianina tsy manaraka tanteraka ny baiboly aho ary tsy manaraka tanteraka ny coran ary tsy manaraka tanteeak any hafa satria tsy hitako ao le izy e.
Ny hitako dia nihaoan atamin'i Jesoa Kristy aho tao anatiko dia niresaka izahay. Anjarako ny sisa mahalala izay inoako satria fantany fa izy no katsahiko n'aiza n'aiza fa ny olona teo alohako no namily lalana ahy noho ny doctrine-ny.
Farany dia mety ho fivavahana vaovao no hivoaka avy aty amiko ary io dia Peace Education no fivoakany, aza manahy fa tsy ho lafatra io saingy tsy manilikilika n'iza n'iza izay mbola mitady an'Andriamanitra ary manome lanjany ny fanomezana goavana natolotr'Andriamanitra dia Izao Tontolo izao dia hodin'i Kristianina baibolista tsy hita.
Misaotra betsaa xxx a, aminao hatrany anie ilay fitivan'i /fiadanan'i Tompontsika. :-*:-*


77. soanja ( 10/01/2007 00:31)
Aleo izany ity no hamaranako ny fanomezako hevitra eto e.
Rehefa mamaky ny hevitro eto aho dia tena misendotra sy manangambovona ary koa mety ho violente raha nifankahita maso. Ialako tsiny daholo ireo satria tsy fombako izany raha ny tena izy saingy refa voapepo aho dia hitako mihitsy ny fahalemeko, sty manaiky pepoana. Io de tena i Soanja mihitsy. Fahalemena tokoa ireo. Izay no mahalombelona ahy fa tsy maha Andriamanitra ahy. tsapako fa misintaka amiko ny Fanahy Masina rehefa toy izany aho dia aleo mifona aminareo eto tanteraka fa diso.
Ny tiako tenenina fotsiny ho an'ny hafa izay mbola haneho hevitra dia hoe tsy midika akory fa raha tsy mitovy finoana, firehena sy fihevitra aminao ny olona iray de vendrena be sy tsy mahalala n'inona n'inona.
Ny zavadrehetra dia SAFIDY satria efA samy lehibe. HS be zah zany saingy aleo mibabaoka toy izay hidrikina.
xxx ny hafatra entinao dia zavadehibe amiko, LD sy ny hafa dia toy izany avokoa. Raisiko ao ampo ary hokajiako.
Rakaroka, midera anao aho amin'ny fomba fijerinao.
Ankoatr'izay dia ny Fitiavan'Andriamanitra izay katsahinareo sy ao aminareo anie hanome anareo filaminatsaina sy fiombonana, FITOANIANA ary fiadanana.
Izay Mpitory teny dia mahereza daholo fa sarotra ny lalana. Ny olona toa ahy mety hifanena matetika aminareo. Tiavo izy fa mitovy amin'ny tianareo katsahina ny katsahiny. Raha masiaka toa ahy dia ivavaho amin'Atra mba hiova. :D
Ok. bye daholo amzay ary any amin'ny mail izay mbola te hiresaka amiko fa zah mandalo any foana.
Raha tsy izany dia manoloana an'i Kristy isika mifamnpitsikitsiky. Mahery Andriamanitra ary FITIAVANA izy.
78. LazaDaddy ( 10/01/2007 01:24)
soanja:
Tsy tena mahay 100% ny baiboly aho, ny tena izy dia fidifidiako ny zavatra tiako vakiana ao satria tsy ilaiko ny sasany satria tsy mi-apply amiko
rehefa tsy Baibolista dia manjary mitsipontsimpona toy izao no fiafarana:)
79. dailynews ( 10/01/2007 01:35)
Raha ny fahitako ity resaka ity satria toa efa lasa nivaona be ihany dia mba hivoaka ny tena sujet t@ voalohany ihany koa aho ka mba hilaza izay mba hevitro: aza adino fotsiny fa Atra ilay namorona dia tsy fitiavana fotsiny ihany fa Atra saro-piaro; Atra masina ihany koa. Satria mantsy raha vao baser-na fotsiny @ maha Atra fitiavana Azy Atra fa tsy mijery ny toetrany hafa dia manjary sahirana tokoa mieritreritra hoe maninona Izy no mikapoka ny zanany, maninona Izy no nanisy ny afobe sns...fa angaha moa Izy tsy fitiavana? Ie, fitiavana tokoa Izy saingy ihany koa saro piaro sy Masina, toetrany daholo ireo.

Saro piaro Izy: tsy zarainy @ atra hafa ny voninahiny(dia saro piaro be sy malahelo Izy raha toa ny olona iray mino zavatra hafa ankoatra Azy)

masina: tsy mahazaka fahotana Izy ary tsy mi tolerer izany (nilaza ny olona foana izy hibebaka sy hiala @ ratsy izay natao)

Fitiavana Izy: tsy mahazaka fahotana Izy fa kosa nanome chance ny olombelona indray rehefa nanao ny nataony adama hamonjena ny olombelona t@ alalan i Jesoa mba tsy ho very any @ afobe izay rehetra mino an i Jesoa fa hanana ilay paradisa, ilay fianana mandrakizay miaraka Aminy.





80. xxx ( 10/01/2007 11:10)
dailynews : Andriamanitra saro-piaro : marina tanteraka

amiko tsy tsara ny mampifangaro zavatra . Tsy midika izany fa tsy marina ny fivavahana hafa .Manjary toa maamboatra fivavahana mifanaraka aminao fotsiny ianao raha raisidraisinao kely etsy sy eroa . Tsy ny fivavahana no ampifanarahana aminao fa ianao no manaraka ny fivavahana

Tsy midika koa izany fa tsy tokony handalina na hanana fahalalana momba ny fivavahana/finoana hafa, au contraire, manampy anao hitady izay tena lalana mety aminao , mety ho tonga @ cas aza hoe lasa miova fivavahana ianao, fa rehefa izay no mampety ny fanahinao dia izay ilay izy
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.5361