Kristianina manambady Silamo

21. simplex ( 07/01/2007 22:27)
Ho an'i piste: mba ampiasao ilay quote iny @ resak'i dailynews e. Tsy hitako loatra hoy aho, sao d mba i toi no sensible loatra...

ity kou:
zah:
Tsy haiko aloha fa mety hoe hafa ny any @ tanana noho ny koltora antsika sy ny hoe maha nosy an'i Dago fa any @ toeran-kafa an, "no way" ozizy tsy maintsy mivadika silamo le ramatoa ra tsy hoe le ranga nga no efa nifindra kristianina.

vakio tsara io andininy voalohany sy faharoa io. Ny dikan'io d mety misy ihany le izy kanefa hoy aho anisan'ny tanjondry zareo ny hampiparitaka an'i islam manerana an'izao tontolo izao. Tsy afaka mampiatra ny tena maha silamo azy ilay ranga ra ohatra ka tsy silamo ny vadiny. Eritrereto hoe ny vadiny manao bikini eny @ plage feno lehilahy bedebe hafa, hitranga ve zany ozy i piste ? tssssssss silamo hafa kely kosa izany kle :P
Fa za tsy manda an'le kozin'la aloha satria iza no mahita ze ataony any, za kou tsy mahafantatra silamo any Dago, fa de tte facon ny naman'i soanja aloha states fa tsy Dago ka dia non lieu zany :-P:°)8)8)
22. niryna ( 08/01/2007 05:20)
Raha kristiana manambady silamo aloha dia mety misy fitiavana ao ary misy ilay vehivavy gasy manambady azy tsy misarona volo izany fa manao fomba tsotra ihany.Tsy mihinan-kisoa izy raha miaraka ny vadiny,mihinana izy raha tsy miaraka aminy.Raha any ivelany izy no mipetraka dia mazava ho azy fa tsy hiverina an-tanindrazana intsony angamba ny fatiny.Mety tsy miraharaha izy fa ny fianakaviany malahelo.Raha resaka fivavahana indray dia izao,ny kristiana manaraka an\'i Jesosy dia mino ny telo izay iray,raha silamo izy ka allah no a/niny tsy A/tra telo izay iray mihitsy io,aminy jesosy dia mpaminany fotsiny fa tsy zanaka A/tra izany.Sarotra be fa tsy misy afaka manompo tompo roa izany.Raha maha-kristiana hoy aho ka mino izy fa tsy misy afaka mankany amin\'ny ray raha tsy avy amin\'ny alalan\'i jesosy dia very amin\'ny katesizy eo izy.Mino aho fa misy io olana io daholo rehefa tsy mitovy ny finoana tsy maitsy misy resy ary misy maharesy.Mety lasa fitiavana fotsiny ilay izy fa raha resaka ara-pinoana dia tsy maitsy misy iray mandefitra na ho tiany na ho halany fa tsy misy eo am-povoany izany.
23. soanja ( 08/01/2007 05:22)
piste:

Ho an'ny Simplex : vakio tsara ny hafatra nalefan'i dailynews. Misy fanaratsiana fivavahana hafa ao.

Tsy d'accord @ Soanja kosa aho @ ilay hoe: Andriamanitra ( na Yahvé, na Allah, sns)ihany no lasa Kristy ary avy eo lasa Fanahy Masina. Hadisoana goavana izany tompoko. Fa aza dia miteniteny foana ohatr'io.
Ho an'ny Kristianina dia tokana olona telo Andriamanitra: tokana satria fianakaviana iray ary samy Andriamanitra(nature divine fa tsy humaine, ary tsy misaraka), misy olona telo( trois personnes divines) satria misy ny Ray( Dieu le Père)izay niteraka ny Zanaka( Christ: Dieu Fils) ary ny Fanahy Masina. Samy manana ny asan'ireo nefa mifameno.



Piste, fantaro fa tsy ekenao io. Fa io no momba ahy . Afaka miteny aho sady tsy miteniteny foana fa efa voahevitra tsara sady nandinika noho ireo bitsika tato anatiko, Ilay Fanahy.

Raha toa moa manelingelina anao io dia miangavy aza vakiana ny hafatro fa marary fotsiny ianao. Satriko ny hitovy fihevitra amin'ny rehetra saingy ilay Andriamanitra ao anatiko no manome ahy io fahendrena io.

Misaotra na izany aza.

24. soanja ( 08/01/2007 06:02)
simplex:

Ho an'i piste: mba ampiasao ilay quote iny @ resak'i dailynews e. Tsy hitako loatra hoy aho, sao d mba i toi no sensible loatra...

ity kou:
zah:
Tsy haiko aloha fa mety hoe hafa ny any @ tanana noho ny koltora antsika sy ny hoe maha nosy an'i Dago fa any @ toeran-kafa an, "no way" ozizy tsy maintsy mivadika silamo le ramatoa ra tsy hoe le ranga nga no efa nifindra kristianina.

vakio tsara io andininy voalohany sy faharoa io. Ny dikan'io d mety misy ihany le izy kanefa hoy aho anisan'ny tanjondry zareo ny hampiparitaka an'i islam manerana an'izao tontolo izao. Tsy afaka mampiatra ny tena maha silamo azy ilay ranga ra ohatra ka tsy silamo ny vadiny. Eritrereto hoe ny vadiny manao bikini eny @ plage feno lehilahy bedebe hafa, hitranga ve zany ozy i piste ? tssssssss silamo hafa kely kosa izany kle :P
Fa za tsy manda an'le kozin'la aloha satria iza no mahita ze ataony any, za kou tsy mahafantatra silamo any Dago, fa de tte facon ny naman'i soanja aloha states fa tsy Dago ka dia non lieu zany :-P:°)8)8)


manaiky ny hevitry Simplex aho ka. Aty ny namako tsy voAtery manao sarin-doha fa mila misatroka foana kosa manafina ny loha. Ary rehefa vonona ny hanambady Silamo dia vonona tokoa hanaraka ny finoany.

I Jesoa tokoa aloha dia tsy Andriamanitra mihitsy aminy ary eo no misampana ny lalanay. Satria zah mino fa Andriamanitra i Jesoa ary i Jehovah Ray ihany io. Zany hoe IRAY Andrimanitra amiko.

Fa mijery ireo fitanisana ery ambony aho dia tsy hitako ny manalavitra azy amin'ny tena Kristianina amin'ny fitondran-tena sy ny lalana arahina. Ny hany mahasamihafa azy dia ny polygamy izay nampiharin'i Fundamentalist Mormone tokoa satria tsy sarotiny amin'io hono Jehovah. Ary ry zareo dia milaza azy ho Kristianina.

Koa sao de tokony hijery an'io ho zavatsoa ary ny Kristianina fa tsy hoe jerena hoe zava-dratsy satria rehefa mandinika aho de be tokoa ny manitsakitsa-bady eto amin'ity fiainana ity. Nefa anie raha ohatra ka omena malalaka ilay izy ary hamboarina ny saina mety tsy ho ratsy io after all.
Firifiry tokoa moa ny vadin'i Mpanjaka DAVIDA. Ny saina ihany no mitondra an'io ary ny mino aho fa betsaka ny olona miaina amin'ny polygamy tsy mijaly akory satria izay no anisan'ny zavatra takian'Andrimanitra hono ho an'ny lehilahy ary manaiky an'io ho an'ny vehivavy.
Anjarantsika ny mieritreritra fa eritreritra io fa tsy io akory ny tiako atao na hoe fahendrena azoko.




25. niryna ( 08/01/2007 06:02)
Soanja marina ve izany satria mampitovy ny Atra kristiana foana ny silamo ary milaza fa mitovy any A/tr a sy Allah fa ny fiantsoana azy no hafa,kanefa izy tsy mino JK zanak\'Atra fa mino fa hiverina amin\'ny andro farany,ary lazainy fa mpaminany Izy ,toy ny mpaminaniny saingy ny azy aloha tsy mbola hiverina izany e, ny an\'ny kristiana zanakalahitokana ary telo izay iray,ary mino koa ry zareo fa mbola hiverina JK,ny azy manana zanaka vavy telo ny andriamaniny.Marina ve io fa manao fampitahana foana mantsy ry zareo,saingy manao fankahalana ny katolika izy fa diso daholo ny zavatra tenenin\'i monpera hono satria tsy afaka mankany amin\'Atra hanala eloka ry monpera sy maninona no miankohoka ireny sampy ireny?Nomeny ilay vavy tantara aho manenjika kristiana betsaka fa tsy nalaiko,izaho koa moa tsy te-hifamaly azy fa katolika lasa nivadika silamo izy ka izaho tsy mila mandesy lahatra azy amin\'izay finoana tsy nanany tany.
26. soanja ( 08/01/2007 06:23)
I Niryna ve efa namaky Coran? Mino aho fa mbola tsia ianao e. Sady amiko koa raha tsy ilaina amin'ny fiainana izany dia tsy voatery hamaky akory. Ny ahy mantsy voatery noho ny asako, mitaky ahy handinika ny finoana rehetra.
Andriamanitr'i Abrahama (Ibrahim) i Allah, Andrimanitr'i Abrahama i Jehovah ary Andriamanitr'i Abraham i Yaveh. (Silamo, Kristianina ary Jiosy) ka asa na ahoana ny nampiova an'io teny anelanelany teny fa IRAY amiko ireo anarana voatonona ireo. Zanak'i Abrahama i Ishmael izay taranaka namoaka ny Arabo.
Ko anjarantsika ny mijery azy hoe izy tsy manaiky an'i Jesoa Kristy dia azy izany, ary an'i Jiosy izany satria io no nampiavaka antsika Krstianina tamin'ireo.
Tsy afaka miresaka cas par cas aho fa tsy mety amiko izany. samy manana ny mahaizy azy isika rehetra ary tsy te hitsara n'iza n'iza aho fa tsy anjarako izany. Fanomezana fanazavana no tokony ataoko eto raha sitrapon'Andrimanitra izany. Saingy mamela ahy ho an'izay voatsara resaka fivavahana fa tsy hoe lafatra akory aho. Bizz:-*:-*:-*:-*
27. naritsimba ( 08/01/2007 13:07)
Efa nahita tokoa aho lehilahy silamo nanambady vehivavy kristiana, fa @ izao fotoana izy dia niova ho kristiana ilay lehilahy ary dia diakona ao @ fiangonana misy anay, ary dia sahy nijoro vavolombelona izy fa hafa ny miaraka @ Jesoa kristy.
28. ann ( 08/01/2007 15:42)
sarotra be le resaka satria saika nakambatsika ato avokoa ny zavatra rehetra .Raha azoko tsara ny fanotanin'i soanja dia mikasika ny hoe:" MAHARITRA VE SA TSIA"
maro ny efa nilaza teo hoe:
efa nisy nahita mpino kristianina iray nanambady silamo.
Maharitra io raha samy mahay manaja ny hafa sady mahay mampirevy.
Tsy hidirako lalina aloha ny mikasika ny finoana satria samy manana ny azy io , ary tsara ny manambady mitovy finoana aminao satria , izay inoanao dia inoany avokoa.
29. soanja ( 08/01/2007 16:29)
ann:

sarotra be le resaka satria saika nakambatsika ato avokoa ny zavatra rehetra .Raha azoko tsara ny fanotanin'i soanja dia mikasika ny hoe:" MAHARITRA VE SA TSIA"
maro ny efa nilaza teo hoe:
efa nisy nahita mpino kristianina iray nanambady silamo.
Maharitra io raha samy mahay manaja ny hafa sady mahay mampirevy.
Tsy hidirako lalina aloha ny mikasika ny finoana satria samy manana ny azy io , ary tsara ny manambady mitovy finoana aminao satria , izay inoanao dia inoany avokoa.



Marina ny tenin'i Ann afaka maharitra io raha tsy sarotiny amin'ny finoany ny tsirairay ao anatin'ny fanambadiana.


30. rakaroka ( 08/01/2007 20:13)
Sarotra ny manambady olona hafa firehana, finoana sns...@ ankapobeny anefa mety maninteraka fisaina vao,fiaina vao...ny blem Bbbbe dia ny hoe mandefitra manana ny marina sy ny rariny!
Fiheverako: ho an'ireo mbola tsy manambady tsara mbô
fantarina mialoha ihany ny "compatibilitén"'ny âme soeur izany! Ny fetra azo iaretana sa moa rehefa tia dia voatery iaritra trèfle foana?...
31. piste ( 08/01/2007 21:25)
Soanja, mba mieritrereta ihany ho aho vao miteny fa lasa olona manonofy no hiafaranao. Ianao milaza fa izany no bitsiky ny FAnahy Masina ao aminao nefa dia mifanipaka be @ fampianaran'ny Fiangonana ary na ao @ Baiboly aza tsy ahitana an'izany. Sao re dia tsy Fanahy Masina kosa izany.
En plus ianao milaza fa mbola sitrapon'Andriamanitra indray ny fanaovana vady maro. Na i Kristy aza milaza mazava tsara fa iray ihany dia ampy satria hatr@ voalohany dia lehilahy iray sy vehivavy iray no noharin'Andriamanitra.
Betsaka loatra ny boky vakinao ka manafangaro zavatra be dia be ianao. Tandremo ihany fa mety hanahirana anao na ny hafa.
32. LazaDaddy ( 08/01/2007 23:30)
soanja:
Ho an'i Kristianina afaka manambady Silamo ve izy?

1) Ny fanambadiana Kristianina dia hamasinina eo anatrehan'Andriamanitra. Ka inoako fa tsy hanamasina fanambadiana toy io Izy na dia mamita-tena aza ny olona @ izao "fombafomba" rehetra fanaony izao.

2) atria nomen'Andriamanitra fahalalahana isika dia manan-tsafidy hino na tsy hino Azy ny Kristianina, manan-tsafidy hanambady na tsy hanambady silamo, manan-tsafidy handray ilay "vady sahaza" nomeny na hanambady olon-kafa. Manan-tsafidy ho any an-danitra na ho any @ fahaverezana.
=> manan-tsafidy hanao izay tiany ny Kristianina saingy tompon'andraikitra feno @ izay vokatry ny safidiny, satria efa nampahafantarin'Andriamanitra ny fahamarinany sy fahamasinany ary ny sitrapony.


simplex:
Ny tena olana eo @ kristianina dia ilay polygamy sy ilay "man goes first"
ny tena fahadisoana dia ny fiheveran'ny silamo an'i Kristy ho "mpaminany". Ary mamita-tena ry zareo miteny an'io satria:
- raha mpaminany dia tsy mandainga, raha tsy izany dia "mpaminany sandoka"
- raha mpaminany i Kristy aminy dia ekeny ho marina ny teniny: "Izaho sy ny Ray dia iray ihany, tsy misy mankany @ Ray afa-tsy @ anarako"
33. xxx ( 08/01/2007 23:31)
Soanja,
Mba afaka hazavainao tsara ve ny momba ity \"bitsiky ny Fanahy Masina\" lazainao isaky ny milaza hevitra ity ianao?
Diniho tsara ihany, amin\'ny maha samy mpinamana eto @ ity serasera ity fa soa dia tsy tena bitsiky ny Fanahy Masina no zarainao eto ka ho loza ho anao ihany no hiafarany.

Ny mety ho olana araky ny fijeriko dia raha sanatria ka fanahy hafa no henonao mibitsika, na vokatry ny fisainanao izay lazainao fa efa lasa lavitra dia lavitra @ fianarana vitanao sy mbola ataonao no hitenenanao, fa tsy tena ilay Fanahy Masin\'Andriamanitra izay nampanantenain\'i Jesosy Kristy omena ny mpianany alohan\'ny niakarany ho any an-danitra rehefa avy nitsangana sy nandresy ny fahafatesana ary nisolo heloka antsika teo ambon\'ny hazo fijaliana Izy.

Karazan\'ny miteny ratsy ny Fanahy Masina isika raha tsy teniny akory no raisintsika fa teniny.

Jereo anefa ny vokany:

hoy Jesosy \"Ary noho izany dia lazaiko aminareo hoe: Hahazo famelan-keloka ny olona amin\'ny ota sy fitenenan-dratsy samy hafa rehetra; fa tsy hahazo famelan-keloka ny olona amin\'ny fitenenan-dratsy ny Fanahy Masina.\" Matio 12:31

\"Lazaiko aminareo marina tokoa: Hahazo famelan-keloka ny zanak\'olombelona amin\'ny ota rehetra sy ny fitenenan-dratsy rehetra izay ataony; fa izay miteny ratsy ny Fanahy Masina kosa dia tsy mahazo famelan-keloka mandrakizay, fa miendrika hohelohina ny amin\'ny ota mandrakizay izy; izany no nolazainy\" Marka 3:28

Asa aloha na mety izaho no tsy ampy fahalalana satria mbola tsy ary nianatra izany Theology izany ary izany Andrimanitra izany amiko dia tsy ho haintsika olom\'belona daholo ny momba azy @ maha \"illimite\" azy ary isika dia \"limite\"
ka dia mihaiky aho eo anatrehany aho fa kely ny atidohako.

Ny ataoko dia manaraka an\'Andriamanitra @ famakiana ny Baiboly izay milaza zavatra hita fa tsy voasoratr\'olombelona aho mba hamantarako ny sitrapony. Io ilay Boky nenjehina sy nodorana nefa tsy levona.

Hoy ny akama iray.

Misaotra e. :-*
34. LazaDaddy ( 08/01/2007 23:39)
soanja:
firifiry tokoa moa ny vadin'i Mpanjaka DAVIDA
tokana iray mojna (1) ny vadiny, nanota sy nijangajanga t@ vadin'olon-kafa izy (Bersheeba) ka nofaizin'Andriamanitra.

LazaDaddy:
=> manan-tsafidy hanao izay tiany ny Kristianina saingy tompon'andraikitra feno @ izay vokatry ny safidiny, satria efa nampahafantarin'Andriamanitra ny fahamarinany sy fahamasinany ary ny sitrapony.
Tompon'andraikitra lehibe koa isika miady hevitra eto @ izay fampianarana zaraintsika amin'ny namantsika maneran-tany @ alalan'ny serasera.

=> samia mandanjalanja tsara izay ambarany mba tsy ahafaly an'i Satana vokatry ny fiparitahan'ny fampianaran-diso
35. LazaDaddy ( 08/01/2007 23:49)
Bersheeba => Bathsheba
36. LazaDaddy ( 09/01/2007 00:02)
LazaDaddy:
tokana iray monja (1) ny vadiny, nanota sy nijangajanga t@ vadin'olon-kafa izy (Batsheba) ka nofaizin'Andriamanitra.
Diso aho fa tena nanana vady maro tokoa i Davida, ary ny fijangajangany indrindra no namaizan'Andriamanitra azy. Toy izany koa no namaizan'Andriamanitra an'i Solomona t@ alalan'ny vehivavy.

Ireto avy ny vadin'ny mpanjaka Davida ankoatran'ny sipany:
# Michal
# Ahinoam
# Abigail
# Maachah
# Haggith
# Abital
# Eglah
37. soanja ( 09/01/2007 04:28)
LazaDaddy:

LazaDaddy:
tokana iray monja (1) ny vadiny, nanota sy nijangajanga t@ vadin'olon-kafa izy (Batsheba) ka nofaizin'Andriamanitra.
Diso aho fa tena nanana vady maro tokoa i Davida, ary ny fijangajangany indrindra no namaizan'Andriamanitra azy. Toy izany koa no namaizan'Andriamanitra an'i Solomona t@ alalan'ny vehivavy.

Ireto avy ny vadin'ny mpanjaka Davida ankoatran'ny sipany:
# Michal
# Ahinoam
# Abigail
# Maachah
# Haggith
# Abital
# Eglah


Izay anie le teneniko ry LD e, Mila mianatra tsara aloha isika vao mamoaka hevitra.

Milaza aminao aho fa nifidy an'ireo Mpanjaka Andriamanitra na dia nanambady zato aza izy. Satria tsy zavadehibe tamin'Andriamanitra ny nanany vady be de be fa ny fangalarana ny vadin'i hafa sy ny famonoana ny vadinolona noho izany no nahatezitra azy.

xxx> Aleo aho hizaka ny resako eto fa tsy ianao mihitsy ny hampim-bava. Ny fanjakana aza mandoa ny eckolaziko ianarako mba hampitaiko izay fahaizako. Anjaranao maka na tsia. Raiso toy ny Satana raha tianao fa amiko i JESOA KRISTY mbola manjaka ary hanjaka mandrakizay. Vakio ny boky ny Mormone dia fantatrao ny antony mahatonga ahy miresaka ny polygamy.

Ary efa nolazaiko tary ambony hoe tsy bitsiky avy amin'ny Fanahy Masina akory io fa eritreritro zah samirery noho ny fitivan'ny lehilahy vehivavy be dia be loatra , nefa efa manambady.

38. soanja ( 09/01/2007 04:38)
Tsotra le izy rey olona o. Ny Forum dia fitondrana izay hevitra mety misy sy fakana hevitra ary fanakianana izay diso sns.
Ataovy toy ny voankazo an'ala dia izay tsara hanina moa izay ratsy aloa.
Afaka manoratra mangingina any amin'ny namanao any ianao ry xxx dia teneno heo aza mihaino an'io Soanja io fa izay no tena manamora azy.
Ny tena mampalahelo ahy anefa anie dia ianao tsy hita tava e. Nefa ny hafatra entinao eto mafonja tokoa sady manan-danja.
Too bad you're too weak to fight with my brain!
39. LazaDaddy ( 09/01/2007 04:43)
soanja:
Satria tsy zavadehibe tamin'Andriamanitra ny nanany vady be de be fa ny fangalarana ny vadin'i hafa sy ny famonoana ny vadinolona noho izany no nahatezitra azy.
fantatrao angaha ny sain'Andriamanitra? Ary raha ny Teny voarakitra ao @ Baiboly mandrara ny vady be dia be, ianao indray no hilaza fa tsy maninona izany?
Fantatro fa hanontany ianao hoe aiza ao @ Baioly, dia aleoko omeko avy hatrany.:)

ohatra ho an'ny "Leader":
Koa ny mpitandrina (leader) dia tsy maintsy ho tsy manan-tsiny, manam-bady tokana, mahonon-tena, hendry, tia filaminana, mampiantrano vahiny, mahay mampianatra 1 Timoty 3:2

ohatra ho an'ny diakona:
Aoka ny diakona samy hanam-bady tokana sady hanapaka tsara ny zanany sy ny ankohonany. 1 Timoty 3:12

Hiteny ve ianao hoe ho an'ny mpitarika sy ny diakona ihany indray ireo? hahaha! Ny mpitarika sy ny diakona no nomena ireo mba ho fitaratry ny Kristianina sy ny fiangonana :wink:
40. LazaDaddy ( 09/01/2007 04:47)
dia averiko @ i soanja ny teniny hoe: "Mila mianatra tsara aloha isika vao mamoaka hevitra." :)
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0544