Kristianina manambady Silamo

41. soanja ( 09/01/2007 04:57)
LazaDaddy:

dia averiko @ i soanja ny teniny hoe: "Mila mianatra tsara aloha isika vao mamoaka hevitra." :)


Ekena fa samy mitovy hevitra zany isika. Mianatra, mamaky ary mandalina aleo ampiako an'izay mihitsy.

Andriamanitra toa afaka niresaka tsara tamin'i Joseph Smith hoe tsara raha manana ny vady be dia be ny lehilahy (plural marriage). Satria nahoana, hitan'Andrimaniatra fa manana lesoka be dia be ny lehilahy momba an'io nefa tiany ho Zanany foana.

Tsy voafetran'i Baiboly hoa ny hevitro.:wink:
Afaka mandeha n'aiza n'aiza aho mitady ny resak'Andriamanitra , ny anareo tavela ao amin'io baiboly io ihany.
Bonne nuit ndray ary!:D:-*:-*:-*



42. LazaDaddy ( 09/01/2007 05:46)
soanja:
Tsy voafetran'i Baiboly hoa ny hevitro
ny hevitr'i satana koa tsy voafetra ary tsy mifanaraka @ Baiboly
soanja:
Andriamanitra toa afaka niresaka tsara tamin'i Joseph Smith hoe tsara raha manana ny vady be dia be ny lehilahy (plural marriage)
Tsy andriamanitra mihitsy izany fa aza mora fitahina. Andriamanitra tsy hanohitra ny fampianarana nomeny ao @ Baiboly. Izay no amerimberenako foana fa raha mino isika fa Tenin'Andriamanitra io dia azo antoka sy azo atao arofanina tsara hialana @ mpisandoka ny anarany :)
43. LazaDaddy ( 09/01/2007 05:48)
soanja:
Tsy voafetran'i Baiboly hoa ny hevitro.
ny anareo tavela ao amin'io baiboly io ihany.
Tsia, fa io ilay nataoko hoe raha Tenin'Andriamanitra ny ao dia aza misalasala mampiasa an'io ho arofanina. Raha tsy izay dia ho mora voafitaky ry Joseph Smith toy io ambony io :)
44. diamondra27 ( 09/01/2007 09:30)
Ny seminera natrehako t@ juillet teo dia hoe: rehefa ny fitia agape no mitondra ny tokantrano dia mandeha ho azy ny fanambadiana, misy fitiavan, fahasambarana sns.

Raha mbola le fitia eros no mitondra dia humm sahirana ihany.

Na silamo izany io na kristiana rehefa mitovy ny mitantana ny tokantrano de zay no zava-dehibe.

Amin'ny maha-kristiana aloha de tokony JESOSY no mitantana ny tokantrano donc tokony hanaiky izay koa le silamo nefa moa...

45. xxx ( 09/01/2007 09:55)
Ka averina @ diamondra ary ny fanontaniana : raha hoy ny ho vadin'i diamondra hoe tsy JESOSY ny azy fa ALLAH no tokony hitondra dia manaiky ve ianao ?

somary mora am-pitenenana mantsy ilay izy, entre samy kristiana aza mety misy olana (katolika / protestant) ka maika fa entre silamo sy kristiana
46. diamondra27 ( 09/01/2007 10:42)
xxx: ka io no mahatonga ahy niteny hoe: "tokony hanaiky ny silamo nefa moa..."
satria tsy mora izany.

Iarahana mahalala ange fa raha vao tsy mitovy ny finoana dia sarotra ny fiarahana par rapport @ olona mitovy finoana. Efa fatantsika ny lalana tokony hizorana fa zany hoe: entin'ilay hoe " fo tia" dia manaiky ny tena na dia tsy mitovy aza ny finoana.Dia anjaran'izy roa no mifametra sy mifandamina @izany.

xxx: na protestant samy protestant(FJKM contre évangelique na baptiste na pentekotiste etc...) koa io dia sarotra foana satria tsy maintsy misy iray miala @ finoany @ farany rehefa ela ny ela.
47. soanja ( 09/01/2007 11:01)
LazaDaddy:

soanja:
Tsy voafetran'i Baiboly hoa ny hevitro.
ny anareo tavela ao amin'io baiboly io ihany.
Tsia, fa io ilay nataoko hoe raha Tenin'Andriamanitra ny ao dia aza misalasala mampiasa an'io ho arofanina. Raha tsy izay dia ho mora voafitaky ry Joseph Smith toy io ambony io :)


Tsia ry LD> Afaka manome hafatra mifanohitra amin'ny efa voalaza Andriamanitra, ny tiako tenenina dia ny anareo voafetran'i Lotera sy ry Calvin ny hafatra napetrany nefa izy miasa isanandro miezaka manampy ny olony hahatratra izany fiombonana amin'Andriamaniatra izany.
Taloha izy niteny fa aza mihinana kisoa. Taty afara izy nilaza hoe azonareo hohanina daholo ireto sakafo efa nodioviko, sns sns izay betsaka niova nandritra ny vaninandro. Ny baibolinareo no nisy nanesora fa milaza aminao aho fa raha ny resak'Andriamanitra ao anaty Apocrypha dia ahitana fa mi-accomodate ny fitiavany izy mba handraisan'ny olona azy satria Izy dia Andriamanitra mpamindra-fo.
Mpaminany i Joseph Smith, betsaka ny hafatra nentin'i Anjely Moroni tena milaza mazava niasa tao anatiny Jehovah, saingy olombelona toy ireo mpaminany hafa izy, misy lesoka ary tsy lavorary.
Hoy ny coran hoe miresaka mitondra hafatra ho antsika isanandro Andriamanitra.
"Lazaiko marimarina fa isaky ny firenena dia misy mpitondra hafatra /Mpaminany" (10:48) anjaranao ny mandinika sy mivavaka isaky ny hafatra hoe tenin'Andriamanitra ve io sa tenin'i nofo. Eo no mila ianao sy Andriamaniatra no miresaka. Midation, meditation...
Koa noho izany dia miala tsiny aho fa tsy dakoro ianareo ny hitondrako hafatra avy amin'ireo boky isan-karazany nefa ireo no hafatra. Tsy lafatra daholo ny nitondra an'ireo satria nitafy nofo. Anjaranao fotsiny no mihaino sy mandray na tsia.
Mbola betsaka ny Mpaminany taty afara fa tsy nijanona tamin'i Apostle John.
Ianareo no mihevitra fa tsy le Andriamanitrareo i Allah saingy izaho dia hiteny fa io ilay Jehovah tompoinareo. Io no JK taty afara fa tsy nekeny.
Ho famaranana dia na samy Kristianina aza dia betsaka ny misafotofoto ao anaty baiboly ao, ny fanakena ny Trinite Masina sy ny hoe an an zava-dratsy izany, sns sns inona no fahitanareo an'izay ry LD. Jesoa Kristy de Andriamaniatra sa tsia. Olona samihafa ireo resahina ireo. Ny Mpitondra hafatra hoy aho no tsy lafatra. Ary misy be dia be an'io na tamin'zany na izao na mandram-piverin'i JK.

Raha ilay resaka fanambadiana maromaro dia fihevitro izany fa tsy mbola nivavaka momba izany aho ka nahazo bitsika tamin'Andriamanitra satria nahoana afapo aho aminzay azoko ato ary hitako fa afapo amin'ny vady azony izy. Fa raha misy ny tranga dia mazava ho azy fa tsy maintsy hiresaka amin'Andriamniatra aho satria misy ny filana. Inona no tiany ambara satria na i Abrahama aza anie hita fa nanamboatra ny zaza tamin'ny andevony e saingy tian'Andriamanitra foana izy.


48. LazaDaddy ( 09/01/2007 12:40)
soanja:
Afaka manome hafatra mifanohitra amin'ny efa voalaza Andriamanitra
mampihomehy ilay hevitrao ry Soanja :)
soanja:
ny anareo voafetran'i Lotera sy ry Calvin
iza izany "ianareo" dia iza izany Lotera sy Calvin? hahaha!
soanja:
Taloha izy niteny fa aza mihinana kisoa. Taty afara izy nilaza hoe azonareo hohanina daholo ireto sakafo efa nodioviko
angaha tsy olona samihafa no nitenenany ireo? Ny iray Jiosy ny iray Jentilisa? Vakio tsara ny takiana @ Jentilisa ao @ Asan'ny Apostoly fa manjary miteniteny foana. :)
soanja:
Mpaminany i Joseph Smith, betsaka ny hafatra nentin'i Anjely Moroni tena milaza mazava niasa tao anatiny Jehovah, saingy olombelona toy ireo mpaminany hafa izy, misy lesoka ary tsy lavorary
ny maha-olombelona azy ve no hialana tsiny @ lainga sy sandoka filazana fa maha mpaminanin'Andriamanitra?:)
soanja:
Hoy ny coran hoe miresaka mitondra hafatra ho antsika isanandro Andriamanitra
noheveriko fa Apocrypha ny an'i soanja kay coran. hahaha!:) coranista zany ny fiantsoana anao sa? :lol:
soanja:
Ho famaranana dia na samy Kristianina aza dia betsaka ny misafotofoto ao anaty baiboly ao, ny fanakena ny Trinite Masina sy ny hoe an an zava-dratsy izany, sns sns inona no fahitanareo an'izay ry LD
satria miasa i satana dia manaiky ampiasainy koa ny olona tsy misy fandalinana toa ny sasany amintsika eto :)
soanja:
Fa raha misy ny tranga dia mazava ho azy fa tsy maintsy hiresaka amin'Andriamniatra aho satria misy ny filana
jereo izany soanja kay rehefa misy filana ihany vao miresaka @ Andriamanitra :)
49. prime ( 09/01/2007 13:23)
Mitovy hevitra tanteraka amin\'i pissoa sy LD ary daily aho eto...

Amiko dia tena tsy mety mihitsy ny manam-bady hafa finoana fa ny olombelona sy ny filàny moa matetika no mandeha mialoha ka dia ny ahy ho an\'ny kristiana no toroiko hevitra hoe : lanjalanjao tsara ny safidy sy ny fanapahan-kevitra atao fa Andriamanitra no tena fototry ny fanambadiana fa tsy resaka taranaka sy fitaizàna fotsiny ihany akory...

soanja:
Ianareo no mihevitra fa tsy le Andriamanitrareo i Allah saingy izaho dia hiteny fa io ilay Jehovah tompoinareo. Io no JK taty afara fa tsy nekeny.
... izaho aloha dia efa ela no niteny fa hazoninao mafy moa ilay izy ka dia mahereza ary fa tena samihafa mihitsy ny Andriamanitra resahin\'ny silamo sy ny kristiana...
50. soanja ( 09/01/2007 16:32)
LazaDaddy:

soanja:
Afaka manome hafatra mifanohitra amin'ny efa voalaza Andriamanitra
mampihomehy ilay hevitrao ry Soanja :)
soanja:
ny anareo voafetran'i Lotera sy ry Calvin
iza izany "ianareo" dia iza izany Lotera sy Calvin? hahaha!
soanja:
Taloha izy niteny fa aza mihinana kisoa. Taty afara izy nilaza hoe azonareo hohanina daholo ireto sakafo efa nodioviko
angaha tsy olona samihafa no nitenenany ireo? Ny iray Jiosy ny iray Jentilisa? Vakio tsara ny takiana @ Jentilisa ao @ Asan'ny Apostoly fa manjary miteniteny foana. :)
soanja:
Mpaminany i Joseph Smith, betsaka ny hafatra nentin'i Anjely Moroni tena milaza mazava niasa tao anatiny Jehovah, saingy olombelona toy ireo mpaminany hafa izy, misy lesoka ary tsy lavorary
ny maha-olombelona azy ve no hialana tsiny @ lainga sy sandoka filazana fa maha mpaminanin'Andriamanitra?:)
soanja:
Hoy ny coran hoe miresaka mitondra hafatra ho antsika isanandro Andriamanitra
noheveriko fa Apocrypha ny an'i soanja kay coran. hahaha!:) coranista zany ny fiantsoana anao sa? :lol:
soanja:
Ho famaranana dia na samy Kristianina aza dia betsaka ny misafotofoto ao anaty baiboly ao, ny fanakena ny Trinite Masina sy ny hoe an an zava-dratsy izany, sns sns inona no fahitanareo an'izay ry LD
satria miasa i satana dia manaiky ampiasainy koa ny olona tsy misy fandalinana toa ny sasany amintsika eto :)
soanja:
Fa raha misy ny tranga dia mazava ho azy fa tsy maintsy hiresaka amin'Andriamniatra aho satria misy ny filana
jereo izany soanja kay rehefa misy filana ihany vao miresaka @ Andriamanitra :)




Izay anie ry LD le probleme e. Le fitsimpotsimponana teny eto. Vakio le contexte de hitanao ny valiny. Andriamanitra dia afaka manova ny zavatra takiany miankina amin'ny zavamisy eo. Izay no antony hilazako hoe afaka mandefa hafatra mifanohitra izy. Toy ny hoe hoano ny kisoa ary aza hoanina ny kisoa. De inona izao ny hiafarany tsy mihinana kisoa ry Adventista ary ny Loterana miletra mihitsy.

Ianareo tiako tenenenina dia ny hoe ny baiboly vakianareo dia noferan-dry Calvin sy ry Lotera tamin'ny nanatambarany ny tiany haseho de voafetra eo ianao. Ny ahy manerana tanteraka. Tsy vafetran'iza n'iza ny saiko afa tsy ANDRIAMANITRA irery.

Normal be raha tsy miresaka amin'Andriamanitra momba ny resaka polygamy aho satria tsy filako tokoa izany. Ny tiako resahina de hoe raha tsy Gay ohatra aho dia inona no antony hibitsibitsihako hiresahako amin'i Andriamniatra momba izany nefa tsy olako akory. Zah anie tsy hamorona na hitondra hafatra vaovao ka hanoratra karazana baiboly na boky hafa fa ny resako amin'Atra dia ho entiko ampiasaiko amin'ny fiainako sy ny hafa raha ilaina, indrindra amin'ny alalan'ny asa ny famoahana azy fa tsy resaka ambony latabatra sy kiakiaka ampiangonana.
Ianao koa anie mamaky vilana e.
Ie refa misy ny filana manokana dia miresaka manontany , entina ambavaka ny zavatra iray. Fa isannadro kosa dia mivavaka aho fa tsy dia mangakata lava.
Ny anareo moa le mivavaka angamba de le mamaky baiboly ko de mianatra an'iny par coeur eo. Ny ahy dia meditation: fikatsahana azy sady fanompoana Azy amin'ny alalan'ny asa.

Maheraza re ry LD fa mbola lavitra ny lalana a. Tohizo ny fampianaranao fa mety, mihaona eny antsefatsefa-dalana eny isika , zah miaraka amin'i coran, bible, Tao sns dia manoloana an'i Kristy isika mifampitsikitsiky.:D:-*:-*:-*
51. rakaroka ( 09/01/2007 17:01)
Mampihomehy ahy ianareo manenjika MMmmmaaaaffy an'i Soanja sy ny fahalalana norantoviny ampitainy tsy
mampino anareo:P:P:P. Ny namana iray mitsidika ny resaka eto niteny tsotra hoe "tsy intéréssant" ny miresaka ato noho ny FAHAFOHEZAN'ny fahalalan'ny ol ato: Tahaka ny hoe hanazava ny lancement n'ny fusée
@ zaza mbola minono:...
Fotoranareo fatratra ny baiboly... dia hilaza ve ny iray aminareo akory fa ampy ny fitantarana ao?...
Mifandraika @ sujetn'i Soanja kokoa eto no 'ndeha atrehina: Raha hiverenana anie ny Genesisy
sy ny processus nitombon'ny olona: tsy voafaritra mazava mihitsy anie hoe nifanambady ohatran'ny ahoana ny zanak'i Adama sy Eva ?...
52. rakaroka ( 09/01/2007 17:11)
Faharoa 'zaho niaina sy nifanerasera t@ ol kristianina sy mormone sy samihafa finoana isan-karazany. Eto no mahazendana ahy indrindra ary eto no
mampieritreritra [b]fatratra[/b] ny tenin'i Soanja @ Unité de Dieu.
Maro @ zavatra resahintsika anatin' ilay baiboly famakintsika iny no ilay antsoinareo hoe "tsy kristiana" akory no mahantanteraka ilay izy:
Misy koa ilay fitenenana hoe minoa na noho ny asa...
53. rakaroka ( 09/01/2007 17:21)
'Nisy tanora Amerikana vitsivitsy am-polony tonga namangy ahy: tsy namangy fe namangy rizareo, niresaka
mikasika ny "polygamie" iny. Nazavainy tamiko hoe tsy
hoe fankasitrahana ny toetra polyg loatra fa il s'agit d'une tolérance tamin'ny toerana iray sy ny vanim-potoana izay Bbbbbe loatra ny vehivavy te hanan-janaka anefa vitsy loatra ny lehilahy ! Très possible izany!...
54. rakaroka ( 09/01/2007 17:28)
Tsy afaka hanenjika an-drizareo Mormone velively aho
satria fony rizareo nandalo taty aza mbola nanontany ahy 'ndrao misy tokony hifanampiana ary dia nifarimbona nanampy tamin'ny asa tato an-trano rizareo. Tam-pitiavana tokoa!
Asa izany no finoana arahina asa sy hoe "aoka hazava eo anatrehan'izao tontolo izao ianareo?...
raha amiko...
55. rakaroka ( 09/01/2007 17:42)
Tohizako ny fitantarana: Nankany amina cercle gasy izay aho: fanaratsiana izao, fanenjehina sns...
Anefa lé ol enjehina mbô pasteur GOAVANA BBBBe!
nahavita 'zay vitany parmis tant d'autres amiko...
Narary io mpitandrina io, mbô nitondra ny anjara borikiko ho fisaorana an'Andriamanitra sy ho fankasitrahana 'zé vitany aho: "tsapako faly" ery izy
t@ izay, fa tsemboka sy vizaka tanteraka... niezaka ny hanampy azy aho tamin'ny fomba maro isan-karazany aho ho fampandrosoana lé fiangonana fa teo nahatsapako fa voafetran'ny fombafomba ivelan'ireo mpitarika ny fikatsahako na dia ny hitarika ny ankizy
hanantona an'Atra aza: Tahaka ny miaina ao an-tanin-tsilo izany ny miaina ao am-piangonana: raha mbô ny lalana napetrak'ilay Andriamanitra moa no mangeza
maninona? fa dé reo mpisorona ao no manao izay saim-pantany. Foronina daholo izao atsanga tsy aman'orana izao. Ilay lehiben'ny synoda moa nanao hoe "Atao ahoana hono no fino raha tsy mahafantatra. Dia raha te ahafantatra hono dia vidio ny bokiny." Tahaka izany ny torinteny....
56. xxx ( 09/01/2007 17:53)
Soanja,

Za ilay xxx tery ambony nilaza fa enao dia entin\'ny atidohanao lavitra dia lavitra @ fianarana izay efa vitanao sy mbola ho ataona.

Raha nandinika tsara ianao dia tsy tezitra, tsy nanaratsy ary tsy nanenjika anao velively aho niresaka taminao fa fangatahana fanazavana fotsiny no nangatahiko.

Anefa moa enao dia nivatravatra fiteny sy mampiseho hatezerana ka nahateny hatramin\'ny hoe :

\"Too bad you are too weak to fight wight my brain\".

You\'re right. You\'re brain is \"too\" strong. and I am not even fighting with it..

Efa sendra henonao ve ito tao fianarana lasa lavitra izay ataonao:

\"Aza misy mamita-tena. Raha misy eo aminareo manao azy ho hendry amin\'izao tontolo izao, aoka ho adala izy mba ho hendry. Fa ny fahendren\'izao tontolo izao dia fahadalana eo anatrehan\'Andriamanitra; fa voasoratra hoe: \" Ny hafetsen\'ny hendry ihany no nentiny misambotra azy\" (Joba 5:13) Ary indray:\"Jehovah no mahalala ny hevitry ny hendry, fa zava-poana izany\" (Sal 94:11) \"
I kor 3:18-21.

Araky ny hevitrao ahoana no andraisan\'Andriamanitra izay raisintsika ho fahendrentsika olombelona? Fahadalana hoy izy. Mila ny fanetretena-tsika Izy.

Ary momba ny nolazain\'i rakaroka momba ny zazakely minono dia misy ny teny toy izao:

\" Avy amin\'ny vavan\'ny ankizy madinika sy ny minono no nanorenanao hery noho ny mpandrafy Anao, mba hampanginanao ny fahavalo sy izay ta-hamaly ratsy\"
Salamo 8:2.

Izaho tsy manenjika anao @ maha soanja anao fa ny zavatra ampitainao eto no hilazako ny olona mpamaky fa mifanohitra tanteraka @ tenin\'Andrimanitra izay nanome tsindrimandry ny mpanompony ka nampanoratra ny Baiboly.

Eny indray ary aloha fa dia mbola manolotra ny fisaorana ho anao mizara amin\'ny hafa ny fomba fijerinao sy ny vokatry ny ketriky ny atidohanao.

Misaotra e. :-*



57. rakaroka ( 09/01/2007 17:56)
Dia vao nampian-drizareo koa hoe ny voninkazo velona ihany no mahazo miditra am-piangonana...tsy azoko mihitsy anefa ilay guirlande ireny anie artificiel toa tafiditra ihany ny akanjo sns ... ataoko ny asan-tanan'ny olona mbô misy azo asandratra ho an'ilay Andriamanitra... Tahaka izany i Davida raha nanao ny tononkiran'ny Salamo tsy ny "For intérieur"-ny ve no
nasandrany ho an' Andriamanitra? avy eo izay no zary rakitra. Tahaka izany i Bach raha nanao ny mozikany mbola ventesin'ny maro. Ary tsy voafetra ny olona
hitondra ny karazan'ny talentany ho an' Andriamanitra.
Eto tsy isika 'gamba no hitsara an-Rakoto sy Rabe na ny toerana na ny fotoana noho ny fahakelezantsika rahateo fa MISY PARTIEL de DIVINITE eny ho eny , any ho any...tsy voafetran'ny baiboly izany, ary tsy natao ho tsinontsiniavina!...
58. soanja ( 09/01/2007 17:58)
ok xxx truce! I still love u though :-*:-*:-*
59. dailynews ( 09/01/2007 18:03)
piste> tsy hitako izay lazaina anao satria tsy ho azonao velively ny zavatra lazaiko na hanazava be tahaka ny inona eto aza aho. Tsy maninona raha izay no fandraisanao azy.

soanja> izaho ihany koa dia bodista ny vadiko taloha ary tao anaty fanambadiana izy vao niova fo, ary nivadika ho kristiana sy vita batisa sns...

tam izahay vao niaraka dia efa fantatro fa hiova fo izy(resaka lava be io fa mila vavaka sy fitarihin ny Fanahy Masina) na dia mbola tsy kristiana aza tam zay, ary izay no nahatonga ahy ho niroso t@ fanambadiana. Iray taona taorian ny fanambadiana izy vao niova ho kristiana. Izaho tetsy andanin'izany dia tsy nitsahatra nivavaka mba hiovany fo satria izany no sitrapon Atra.
Ady io, ady ara panahy. Fa rehefa mitana ny teny fikasana izay nomen Atra ianao hoe : minoa an I Jesoa Tompo dia ho vonjena ianao sy ny ankohonanao (Asa 16:31) dia minoa fa ho tanteraka izany. Mila kosa anefa miady mafy. Tsy ilay olona no hiadivana, izy aza tsy dia resahina momba izany akory fa tsy fantany izany. Fa any anaty vavaka no miady ho an ny fanahy izay manajamba ny masony tsy hino an i Jesoa sns.....

60. rakaroka ( 09/01/2007 18:15)
Mahatsiaro manokana aho eto ilay hoe " Mino ny fiombonan'ny olona masina, manerana izao tontolo izao".Manamafy ny voalazan'i Soanja anie izany, sa tsy manonina izany 'nareo?...
Fa tahaka ahy nandia fiainana Bbbbe dia be(Tsy hoe
tetsy Analakely sy Anosibe ihany na ny tany Toleara
sns...nihosina niaraka t@ mahantra,nanao ny asa fanompoana fivavahana koa, sns ... Ankehitriny saiky
vahiny no ifaneraserako, fomba hafa, fiaina,fihevitra hafa tahaka ny éxigence isan-karazany ohatra "soyez "Classe" @ fiakanjo
miasa. Stricte BBbbbe anefa tsy afaka hanao aho hoe tsy izay loatra ilay nibeazana ahy: Mila à la hauteurn'ny "Niantsoana!", rahateo anisan'ny firm "Lead International" izay mikaja ny maha-izy azy no mi-"contract" aminao...
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2215