Kristianina manambady Silamo

101. kitjo ( 17/01/2007 04:27)
hamaly an' Soanja aho...
tsy voavakiko daholo ireo valiny lavabe fa zay vao hitako ilay size..

Na samy milaza azy ho Kristiana aza: Katolika sy protestanta...dia efa tena probleme be indraindray raha samy vonto-pinoana araka ny fanontaniana...

ho na'ireo izay tsy mba mireska finoana na milaza azy ho Kristiana aza dia tsy maninona lay izy...fa raha vao misy adihevitra dia efa olana @ fombafomba fanao, ireo fitaovana fanompoana sns dia efa mety mi-gener ny anankiray ny mahita azy ao antrano...
Ny fomba fivavaka, famakiana baiboly sns aza iadin-kevitra koa...

Misy tsy misy olana ho an' ireo zay hoe mandeha mivavaka isak'alahady fts ny fiainam-pinoany..ka mety mifandimby aza hoe @ izao any @ Katolika @ izao any Protestanta(ohatra)..tsy ho olana ho an'ireo izany...fa raha inty ny ray oe manana "Bible study class" aho..na ohzany d eo @ zay manomboka mipoitra tsikely2 ny olana...

na misy koa oe mande any @ Fiangonana Katolika mahita ny sarivongana sns sy oe tonom-bavaka voalahatra fts no atao dia mety efa mametraka olana ho an' ny hafa...eny na dia ny maso akimpy rehefa mivavaka aza lazaiko anareo fa misy mpivady mifanditra amzany!

Indrindra moa fa Kristiana sy SIlamo zany toa hanahirana ihany..raha tsy hoe angaha hoe tsy resaka Fitiavana fts no nivadihan' ny anankiray finoana fa izy mihitsy no tena resy lahatra tanteraka...fa hita eny foana ny fahasamihafana rehefa ela ny ela!
102. prime ( 17/01/2007 09:50)
xxx:
Nampiseho antsika ny fanambadian'ny hafa i soanja,tsy midika izany fa diso izy.Isika rehetra dia samy manaiky fa tsara ny mandalina ny fivavahan'ny sasany.
Na samy hafa finoana aza dia misy olana ny fanambadiana
... ny fandalinana ny finoana hafa dia tokony hatao tokoa fa tsy midika izany hoe ovay arak'izany ny fotom-pinoana kristiana... hoy ny voasoratra mantsy amin'ny anaran'i Jesosy :

"Fantaro ny zavatra rehetra; hazòny mafy izay tsara." I Tesaloniana 5:21

Mbola mihazona ny hevitro aho araka ny voasoratra hoe :

"Aza fafazana voan-javatra roa karazana mifangaroharo ny taninao, fandrao samy ho lasa ho sazy ny vokatry ny voan-javatra nafafinao sy ny vokatry ny tanim-boalobokao." Deotoronomia 22:9

Tsy mety mihitsy ny fanambadiana samy hafa finoana toy ny silamo sy kristiana satria mampirafy an'Andriamanitra mihitsy amin'andriamanin-kafa izany ka hahatoro ilay kristiana any am-parany...

Piste> finoana no fototry ny famonjena fa tsy asa soa sy fitiavana... hoy Jesosy mantsy :

"Fa toy izao no nitiavan'Andriamanitra izao tontolo izao : nomeny ny Zanani-lahy Tokana, mba tsy ho very izay rehetra mino Azy, fa hanana fiainana mandrakizay." Jaona 3:16

"[Izay mino sy atao batisa no hovonjena; fa izay tsy mety mino no hohelohina]" Marka 16:16

"Izay mino ny Zanaka manana fiainana mandrakizay; fa izay tsy mino ny Zanaka dia tsy hahita fiainana, fa ny fahatezeran'Andriamanitra no mitoetra eo aminy." Jaona 3:36

"Izay mino Azy dia tsy helohina*; fa izay tsy mino kosa dia efa voaheloka** rahateo, satria tsy nino ny anaran'ny Zanaka-lahy Tokan'Andriamanitra izy. [*Gr. tsaraina] [**Gr. voatsara]" Jaona 3:18
103. pissoa ( 17/01/2007 10:45)
Efa voavaky ary ny andalana be dia be dia aleo miresaka tena fiainana amizay ...

Ahoana ilay hoe "MINO" ? Ahoana ny fiainan'ilay hoe "VITA BATISA" ?
104. prime ( 17/01/2007 14:26)
pissoa> sao dia mivoaka lavitra loatra ny lohahevitra isika raha manohy an'io fa anokafy lohahevitra vaovao raha manitikitika anao...:)
105. diamondra27 ( 17/01/2007 19:33)
yé , mila size vaovao io fa manjary manimba le size fiarahan'i Xna sy silamo
106. kitjo ( 18/01/2007 07:02)
mitovy hevitra tanteraka amin' i prime....
io manko no mampifamaly matetika hoe ianareo tsy miraharaha ny an' ny hafa..

rarahina tokoa ny an' ny hafa mba fantarina na dia culture generale fts aza..sy efa nolazaiko teto taloha oe, mety misy zavatra azo iarana aza ny ataony...fa na izany aza ny mahalala sy ny manaraka samihafa be
107. prime ( 23/01/2007 11:09)
"Aza manana andriamani-kafa, fa Izaho ihany" Eksodosy 20:3... izany no didy voalohany...

Matoa izany no voalohany dia izany no tsy mahafaly an'Andriamanitra indrindra raha dikaina... Efa mpiteny matetika ity aho fa dia averiko, ny hoe, "Tiava an'i Jehovah Andriamanitrao..." no didy voalohany nolazain'i Kristy... anisan'ny didy efatra voalohany tena mahasaropiaro an'Andriamanitra indrindra izany fanajàna Azy izany ka tsy anafangaroana Azy amin'andriamanitra isankarazany eritreretina eto amin'izao tontolo izao...

Ny fanambadiana kristiana rahateo manana hevi-dalina ka raha hisafidy ny hanambady silamo ilay kristiana dia izay ilay hoe safidy io... Ny fanambadiana silamo manana ny fototra iorenany fa na inona izany na inona dia tsy mitovy mihitsy ary tsy misy ifandraisany amin'ny fanambadiana kristiana...
108. kitjo ( 23/01/2007 18:46)
no comment..

OUI raha nisy referendum..:lol::lol:
aleo mba iomehy kely fa oh serieux b dol ato...
109. prime ( 25/01/2007 15:29)
kitjo> ianao toa tsy mihomehy akory fa mitsiky tsiravina fotsiny?...:-D:-D:-D
110. laalah ( 26/01/2007 13:35)
ho an soanja

tiko ho fantatra kely ra ohatra tsy manahirana anao pentekotista mitambatra aiza kay nareo? afaka mamaly an io ve enao ra mety oe mba valio
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 3.7473