Kristianina manambady Silamo

1. soanja ( 06/01/2007 19:22)
Andao horesahintsika amim-pahendrena ity resaka ity. Possible ve io? zany hoe possible moa fa hoe maharitra ve?
Kristianina vontom-pinoana no resahiko an. Ilay vontom-pinoana moa samy manana ny azy fa hoe mahatsiaro fa Krsitianina ka mino an'i Jesoa Kristy.
Manantena koa aho mba handray anjara ny Silamo eto.

Ho an'i Kristianina afaka manambady Silamo ve izy?

Amin'ny fahalalako azy dia afaka manambady Kristianina ny Silamo lahy iray fa saingy ny Silamo vehivavy kosa tsy mahazo manambady afatsy Silamo toa azy ihany. Zany hoe raha tia Silamo vehivavy iray ianao lehilahy hafa finoana aminy dia mila mivadika Silamo aloha. Misy steps arahina io ary misy vavolombelona milaza fa efa izy ianao vao mahazo miroso.
Arosoy ara ny resaka.
Miangavy aho mba tsy asiana fanarabiana ny hafa ny resaka fa fijery objective raha mety. Misaotra mialoha.
répondu par laalah le 26/01/2007 13:35
2. Achia ( 06/01/2007 19:31)
Raha tena votimpinoana marina ilay vhv de tsy hisy izany ary tsy hanaiky izany izy
3. ikaretsaka ( 06/01/2007 20:54)
le izy azo atao fa misy anakiray tsy maintsy manao safisy hoe ny finoan'iza no arahina
4. dailynews ( 06/01/2007 21:15)
Ny olana dia rehefa manambady olona tsy mpino (hafa noho ny finoana kristiana izay hinoan ilay olona resahina eto) ilay vehivavy iray na lehilahy iray dia ho voafehifehy ny fivelarany @ finoany satria dia tsy hitovy ny fomba fijerin izy mivady eo @ fiainana raha tena samy te handeha araka ny finoany izy ireo.

Miresaka olona vontompinoana araka ny nolazaina isika eto tsinona an. Anefa koa raha tena vontompinoana ilay olona tokony ihany koa ny Fanahy Masina efa nampahafantatra azy fa tsy tokony hitranga ilay fanambadiana. Fa raha nitranga moa ilay izy satria tsy niambina izy dia ho mafimafy aminy mihitsy ny hiaina anatin io fanambadiana io, indrindra fa raha te hiaina ny finoany izy.

Dia ny fanontaniana hoe: mety haharitra ve?
Maharitra ilay mariage raha toa ka nisy iray nandefitra t@ finoany ny iray t@ izy roa, midika izany fa ny iray tsy vontompinoana intsony t@ finoany fa efa nanaraka atra/Atra hafa.

Fa raha samy mitana ny finoany ary tena samy vontompinoana marina dia sarotra be ny haharetany. Satria samy te hi convertir ilay iray ho any @ finoany avy.


I Paoly moa nilaza momba ny fikambanan ny mpino sy tsy mpino manao hoe:
II kor 6:14=> aza mety hasiana zioga tsy antonona anareo hikambanana @ tsy mino. fa inona no iraisan ny fahamarinana sy ny fahotana? ary inona no iombonan ny mazava sy ny maizina.

5. dailynews ( 06/01/2007 21:25)
(ialako tsiny dieny izao sahady raha toa aho ka misy manontany fanontaniana amiko eto ka tsy voavaly. Tsy hoe tsy te hamaly fa sepotsepotra fotsiny aho noho ny teo aloha)
6. cutie ( 06/01/2007 21:30)
Fa raha samy mitana ny finoany ary tena samy vontompinoana marina dia sarotra be ny haharetany. Satria samy te hi convertir ilay iray ho any @ finoany avy.

ka tsy maintsy misy ny mandefitra @io na azo atao koa ny mifandimbidimby mandeha any @ le finoana hafa.
7. simplex ( 06/01/2007 21:32)
DN:
Maharitra ilay mariage raha toa ka nisy iray nandefitra t@ finoany ny iray t@ izy roa, midika izany fa ny iray tsy vontompinoana intsony t@ finoany fa efa nanaraka atra/Atra hafa.


valiny,
ika:
le izy azo atao fa misy anakiray tsy maintsy manao safisy hoe ny finoan'iza no arahina


zany hoe
- na le bandy mivadika kristianina (efa nisy io ary mihoatra ny 1), na le ramatoa mivadika silamo (io ny ankabeazany)

- na le bandy mivadika silamo, vitsy ihany io satria mila miandry ela be hoe tena siora tsara le fianakams hoe tena efa adepte silamo tanteraka le ranga, na le ramatoa mivadika kristianina, auquel cas voaroaka ao anatin'ny fianakaviana izy...

=>Le cas faharoa io probable maharitra le izy. Le cas voalohany mety hande sy tsy hande toy ny tokatrano rehetra ihany fa betsaka kokoa ny chance ra mahavita mandefitra sy vonona ny hiafy ilay ramatoa...
8. pissoa ( 07/01/2007 09:32)
Raha ny hevitro dia ze 'ray maharitra io, ny finoana sa ny "fanambadiana". Raha Silamo + Kristianina izany koa, mitovy ve ny dikan'ny hoe "manambady" ?

Ka aza manantona fakam-panahy be lotra rankizy a ! Sao d voatariny eo tokoa vao ny "Fanahy Masina" indray no omena loza hoe tsy niteny mialoha :oops::-D
9. piste ( 07/01/2007 10:35)
Alohan'ny hamaliako aloha dia misy fomba fijery vitsivitsy tsy maintsy hahitsy ato. Ny finoana Silamo tompoko dia aza heverina ho toy ny "tsy mpino" na "tsy itoeran'ny Fanahy Masina". Izay no mbola kilema lehibe ho an'ny Kristianina maro : Bold texttrop fermé. Mbola tavela tany @ fisainan'ny Konsily de Trente ne Vatican I ka milaza hoe : " en dehors de l'Eglise pas de Salut"( Ivelan'ny Fiangonana dia tsy misy Famonjena. Bold textTsy isika velively no hamaritra ny Fitiavan'Andriamanitra. Izany hoe tsy maintsy ao @ Kristianina ihany no iantefanyBold textAry ny Fanahy Masina dia toy ny rivotra, mitsoka @ izay itsofany ary tsy fantatsika aiza no hiaviany ary aiza no halehany fa ny akony ihany no rentsika. Ka ny vokatry ny FAnahy dia efa fantatsika( Gal 5). Koa raha Finoana mitory Fifankatiavana, Fahandriam-pahalemana, fifanajana, mandala ny aina sy ny haja maha-olona na Bouddhista io na Silamo eny na dia fivavahan-drazana aza dia efa itoeran'ny Fanahy Masina.
Fehiny : aza manambany finoan'ny hafa. Aleo mangina fotsiny.

Momba ny fanambadiana Kristianina sy Silamo dia efa betsaka ihan no hitako indrindra any @ iny tapany avaratra( Mahajanga sy Diego), betsaka silamo moa any. Misy tokoa ny vehivavy kristianina manambady silamo nefa mbola mitàna ny finoana maha-kristianina azy fa tsy mifindra finoana. MArina ny voalazanareo satria matetika efa tsara fototra ary pratiquante ny ankamaroany. Nefa misy ihany koa manaraka ny fomba ny lehilahy( mifindra silamo)nefa vitsy. Ny lehilahy kristianina indray dia tsy fahitako firy satria tena sarotra tokoa ny manambady vehivavy silamo fa aty an-dafy no mahita betsaka ihany aho. Fa ry zalahy tsy mivadika izany sady tsy dia mivavaka ihany koa.
10. simplex ( 07/01/2007 11:44)
piste:
aza manambany finoan'ny hafa.

nga kosa nisy nanambany ny finoan'ny hafa teo :roll:

piste:
Misy tokoa ny vehivavy kristianina manambady silamo nefa mbola mitàna ny finoana maha-kristianina azy fa tsy mifindra finoana.

sao d mba silamo "fake" lesy zany?
Ny silamo anie letia ka tsy hoe kato sy protestanta akory ka hoe tsy koi fa ze revinareo any e. Ny azy le hoe "man goes first" tena faran'izay tanterahina antsakany sy andavany.

Tsy haiko aloha fa mety hoe hafa ny any @ tanana noho ny koltora antsika sy ny hoe maha nosy an'i Dago fa any @ toeran-kafa an, "no way" ozizy tsy maintsy mivadika silamo le ramatoa ra tsy hoe le ranga nga no efa nifindra kristianina.

piste:
sady tsy dia mivavaka ihany koa

somary HS fa iny aloha d tsy misy hifandraisana @ resaka silamo-kristianina, ny ankamaroan'ny bandy kristianina tsy mivavaka isan'alahady zany e. Zay no ilana an'le vady ho mpino pratiquante mba tsy ho jiolam-boto aloha loatra ny zaza ;-)
11. ann ( 07/01/2007 14:13)
tsy alavana ny resaka fa aleo tonga de voamasony hono no potsirina:
marina ny voalazan'i soanja [ary isaorana azy satria izy dia mahalala ary tia mametraka fanotanina indrindra momba ny silamo, nefa sao de midika zavatra hafa ihany zany, sangy io lesy fa so de tezitra eo:
Arakan'ny finoana silamo dia tsy azon'ny vehivavy silamo ny manambady lehilahy tsy iray finoana aminy.
[mety hanotany isika hoe inona ny antony] fa raha mila fanazavana fanampiny anao de manotania an'Atra fa hamaly anao izy.
fa ny lehilahy kosa mahazo.
raha ny hoe mety na tsia dia io no navaliko azy , fa raha hoe: haharitra na tsia dia miakina @ tsi11 io.
12. soanja ( 07/01/2007 19:27)
ann:

tsy alavana ny resaka fa aleo tonga de voamasony hono no potsirina:
marina ny voalazan'i soanja [ary isaorana azy satria izy dia mahalala ary tia mametraka fanotanina indrindra momba ny silamo, nefa sao de midika zavatra hafa ihany zany, sangy io lesy fa so de tezitra eo:
Arakan'ny finoana silamo dia tsy azon'ny vehivavy silamo ny manambady lehilahy tsy iray finoana aminy.
[mety hanotany isika hoe inona ny antony] fa raha mila fanazavana fanampiny anao de manotania an'Atra fa hamaly anao izy.
fa ny lehilahy kosa mahazo.
raha ny hoe mety na tsia dia io no navaliko azy , fa raha hoe: haharitra na tsia dia miakina @ tsi11 io.



Bonjour Ann,

Misaotra namaly. Elabe ianao tsy nandalo mihitsy. Tsy manan-kevitra mbadika mihitsy aho ry Ann fa nisy resaka an'ity tary ambadika dia naveriko teto ihany.

Tsy fantatro i Ann na efa namaky baiboly na tsia fa mitovy amin'ny fitondran'i Silamo ny vadiny (vehivavy), ny tokony ho fitondran'i Kristianina ny vadiny ka. Zany hoe ny vehivavy mila manja sy mankatoa ny vadiny amin'ny rehetra sady manampy amin'ny fiarian-karena. Fa ny tsy mampitovy ny Krsitianina sy ny Silamo fotsiny dia ny fanambadin'i lehilahy vehivavy(polygamy) maromaro araka ny fahafahan'ilay lehilahy satria tokony hitovy ny fikarakrana ireo vehivavy ireo. Nefa amin'ny Testamenta Taloha anefa dia mazava tokoa fa nanambady be dia be ny olona, indrindra ary fa ny mpanjaka sy ireo zay nataon'Andriamanitra olom-boafidiny.

Ny tena izy izany raha ny hevitro dia rehefa manambady ny vehivavy iray na Silamo izy na Kristianina dia mila mankatoa ny vadiny sy manaraka izay fanirian'ny vadiny amin'ny fampivoarana ny tokatrano. Ka raha toa ka vehivavy Kristianina no vadin'i Silamo iray dia mazava fa tokony hivadika Silamo izy satria izay no safidin'Andriamanitra momba azy.

Donko raha io no mitranga dia haharitra ny fanambadiana.


13. pissoa ( 07/01/2007 19:57)
Izaho tsy mitovy hevitra amin'i Soanja amin'ito :
Ka raha toa ka vehivavy Kristianina no vadin'i Silamo iray dia mazava fa tokony hivadika Silamo izy satria izay no safidin'Andriamanitra momba azy.

na dia eo aza ny fanazavana.

Rehefa te hivadika Silamo isika, ka hiteny fa tsy Andriamanitra izany i Jesoa [miampy izay ekena sy lavina @ny Silamo] dia safidintsika izany fa tsy an'Andriamanitra.

Hevero anie hoe omaly ianao Kristianina : Kristy = Andriamanitra. Dia androany ianao mivadika Silamo ary hiteny hoe Kristy = tsy Andriamanitra izany ... dia hoy ianao hoe izay no safidin'Andriamanitra sy tiany ataonao ! Dia manohitra ny maha-Andriamanitra Azy izany Izy Andriamanitra ? Isika no lasa nanohitra ny maha-Andriamanitra Azy fa tsy Izy velively. Izy Andriamanitra mandrakizay (ho an'ny Kristianina) :)

Maharitra io, miankina amin'ny safidin'ny tsirairay amin'ny finoany / fitivanany.
14. soanja ( 07/01/2007 20:21)
pissoa:

Izaho tsy mitovy hevitra amin'i Soanja amin'ito :
Ka raha toa ka vehivavy Kristianina no vadin'i Silamo iray dia mazava fa tokony hivadika Silamo izy satria izay no safidin'Andriamanitra momba azy.

na dia eo aza ny fanazavana.

Rehefa te hivadika Silamo isika, ka hiteny fa tsy Andriamanitra izany i Jesoa [miampy izay ekena sy lavina @ny Silamo] dia safidintsika izany fa tsy an'Andriamanitra.

Hevero anie hoe omaly ianao Kristianina : Kristy = Andriamanitra. Dia androany ianao mivadika Silamo ary hiteny hoe Kristy = tsy Andriamanitra izany ... dia hoy ianao hoe izay no safidin'Andriamanitra sy tiany ataonao ! Dia manohitra ny maha-Andriamanitra Azy izany Izy Andriamanitra ? Isika no lasa nanohitra ny maha-Andriamanitra Azy fa tsy Izy velively. Izy Andriamanitra mandrakizay (ho an'ny Kristianina) :)

Maharitra io, miankina amin'ny safidin'ny tsirairay amin'ny finoany / fitivanany.


Sarotra be ny hanazavako ilay izy fa matoa ilay olona iray nifidy hanambady Silamo nefa izy Kristianina dia io izany no hitany fa mety aminy na mifanaraka aminy. Amin'izay dia hihevitra Izy fa i Allah no Andriamanitrany.
Izay no sitrapon'Andriamanitra aminy fa raha tsy izay dia tsy haharitra io fa hisaraka ry zareo satria tsy hamela azy hanao izany Andriamanitra. Raha toa ka vontom-pinoana ilay olona an. Tsy izany mantsy fa tsy miasa oa min'ny rehetra akory Andriama nitra raha toa ka tsy te handray azy isika na mahalala fa ao anatintsika izy. Mila miezaka mamonjy sy manompo azy ary mitia azy amin'ny fo manontolo vao miseho ny asany.
Saingy ny fomba fijeriko tokoa mantsy hafa fa tsy voafetran'ny boky sy ny finoana isan-karazany ny saiko fa mino aho fa manompo Andriamanitra IRAY isika fa ny nampitan'ny mpitondra hafatra azy no samihafa. Zany hoe i Andriamanitra, ilay Jehovah, ilay Yaveh, ilay Allah dia io tonga Nofo i Kristy saingy avy eo lasa Fanahy Masina rehefa amin'izao fa ny finoana fampiharana ny finoana no samihafa tanteraka. Aleo aloha Andriamanitra hitsara ahy momba an'io fa efa betsaka izay religion nohalaliniko izay fa mitovy daholo ireo Andriamanitra resahina ireo fa ny mahaolombelona antsika no nampiova azy. Tsy ampidiriko amin'io aloha ry Bouddha sy ry Brahaman sns tsy voatanisa...
Andry indray ry Pissoa.


15. simplex ( 07/01/2007 20:40)
silamo nga ny vadin'i soanja sa resaka fianan'ny tokatrano eo @ finoana samihafa ny lohahevitry ny fikarohana ataon'i soanja ?
par curiosite fotsiny :-*

16. pissoa ( 07/01/2007 20:44)
:-D:-D:-D

Soanja:
Sarotra be ny hanazavako ilay izy fa matoa ilay olona iray nifidy hanambady Silamo nefa izy Kristianina dia io izany no hitany fa mety aminy na mifanaraka aminy. Amin'izay dVao maika loza !ia hihevitra Izy fa i Allah no Andriamanitrany.

Mazava ho azy ! Izay no heveriny fa mifanaraka aminy. Tsy manda an'iny aho, fa ny tsy iombonako hevitra amin'i Soanja dia ilay hoe izay no safidin'Andriamanitra mbomba azy.

Dia nampianao hoe Jehovah/Yaveh/Allah sns no lasa i Kristy. Tsy iadiako hevitra ny fihevitrao an'Andriamanitra. Fa amin'ny Silamo kosa raha ny fahafantarako dia tsy Andriamanitra i Jesoa Kristy. Ka rehefa mivadika Silamo ianao, dia milaza izany fa "Tsy Andriamanitra i Kristy = Jehovah/Yaveh/ ..." araka ilay fihevitrao manokana an'Andriamanitra. Dia miverina amin'ny teniko tetsy ambony aho hoe safidintsika no miteny an'izany fa tsy safidin'Andriamanitra.

Raha miteny moa ianao hoe Andriamanitra foana ilay Kristy = Jehovah = Yaveh = Allah sns na Silamo ianao na Kristianina, dia "tsy nivadika silamo" izany raha ny hevitro.

Izay no sitrapon'Andriamanitra aminy fa raha tsy izay dia tsy haharitra io fa hisaraka ry zareo satria tsy hamela azy hanao izany Andriamanitra.

Hoy ilay hira tiako be izay (tsy haiko raha tadidin'i Soanja : O ry Tompo tia anay)

Firifiry moa ny olona tsy mino anao akory, o ry Tompo
Nefa indro fa mahomby eo ambany masonay, o ry Tompo
Izay iriany tsy mivoana, izay ataony higagana, o ry Tompo
Izay ataony higagana, azy izao tontolo izao, o ry Tompo
Azy izao tontolo izao ka voahilika izahay.


(Marina io tononkira io)
17. soanja ( 07/01/2007 20:48)
simplex:

silamo nga ny vadin'i soanja sa resaka fianan'ny tokatrano eo @ finoana samihafa ny lohahevitry ny fikarohana ataon'i soanja ?
par curiosite fotsiny :-*




Efa betsaka ny te hahafantatra dia manontany ahy foana ity fanontaniana ity ry Simplex ka dia valiako amimpamendrehena.
Pantekotista Mitambatra ny vadiko. Kristianina io ary tena stricte be mihitsy an. Zay mahavita manambady an'ny olona mivavaka amin'io anaram-piangonana io de matanjaka tokoa.
Milamina anefa ny rehetra. :-*:-*:-*:-*
Raha manontany resaka Silamo aho dia satria manana namana telo aho manambady Silamo ary iray vao hiditra amin'zany.


18. simplex ( 07/01/2007 21:23)
:D:D
ah oki :-*
somary gaga fotsiny ah @ le defense ataonao nefa eto @ forum le izy fa tsy hoe reelle akory... Za kou manana namana, zany hoe collegues zany no marina kokoa, silamo mihoatra ny 3. Tsy dia mifankaiza @ kristianina ry zareo @ resaka finoana an'A/tra fa izany hoe izy stricte be fotsiny @ finoany no misy zavatra sasa-tsany tsy hitovizana.

- Ny fomba fitafy aloha voalohany indrindra, soi-disant mba tsy hisian'ny fankam-panahy no tena antony. Hoan'ny vehivavy, tsy azo aseho ny volo, ny faritra hafa rehetra ankoatry ny tanana sy ny tongotra. Samy manana ny azy kosa anefa io fa misy ny sasany hitako mampiseho sandry ihany... Ny lehilahy kou torak'izay fa zany hoe izy afaka mampiseho ny volo...

- Polygamy kou, aleo zany authorizer-na ny lelah manana vady 2-3-4 au lieu de hoe miseho manana 1 nefa miodina any @ 3 ambiny any @ sisiny...

- "Man goes first", ny lehilahy no lohany ary manaja izay lazainy antsakany sy andavany ramatoa. Manana an'i koa ny kristianina fa izy fotsiny no somary liberale eo @ fampiharana azy.

- i Kristy dia mpaminany ao aorinan'i Mohammed ny rang-ny, hajainy kou izy fa zany hoe tsy A/tra.

- Ramadan: calculer-na @ volana io fa matetika eo @ octobra-novambra eo. Mifady hanina tanteraka mandritra ny andro misy masoandro. Mba hitovy ny mahantra sy manana eo, enfin izay no nolazainy ahy.

- Ny vavaka ny azy misy in 4 sa in 5 isan'andro @ ora efa voatondro, tsy haiko tsara fa misy hifandraisany @ masoandro io ora io.

- Misy ny hoe halal food: izay hanin'ny Adventista ihany no haniny... hena-kisoa aloha tena fady, misy hafa koa fa tsy haiko doly

- Jihad, the holy war: zany hoe systeme de defense. Ny antsika hoe ra misy mamelaka ny havia d omeo kou ny havana hofelahany, ny azy tsy azo ekena zany fa felaho ny havia sy havanany... Ny tena fond an'le izy de hoe tsy avela tsy misy sazy ny offense ataon'ny olona iray @ "honeur"-ny @ tsy antony. Zava-dehibe tokoa io "honeur" io. Ny tena hitantsika moa le hoe misy manafika ny taniny, dia tsy maintsy mi-riposte izy na ohatr'zany, cf. Palestine Vs Israel... Tsy mampaninona azy ny ho faty manao vy very ny ainy noho izany, izy mieritreritra hoe hoan'i Allah no anaovany an'iny...

Ny tena olana eo @ kristianina dia ilay polygamy sy ilay "man goes first". Izay no hitenenako hoe mila mahay mandefitra. Sinon risque ohatry ny tokatrano rehetra io ka mety haharitra mety tsy haharitra koa. Rehefa tsy manao effort aloha de efa namany tsy haharitra ihany izany e.
19. piste ( 07/01/2007 21:30)
Ho an'ny Simplex : vakio tsara ny hafatra nalefan'i dailynews. Misy fanaratsiana fivavahana hafa ao.

Tsy d'accord @ Soanja kosa aho @ ilay hoe: Andriamanitra ( na Yahvé, na Allah, sns)ihany no lasa Kristy ary avy eo lasa Fanahy Masina. Hadisoana goavana izany tompoko. Fa aza dia miteniteny foana ohatr'io.
Ho an'ny Kristianina dia tokana olona telo Andriamanitra: tokana satria fianakaviana iray ary samy Andriamanitra(nature divine fa tsy humaine, ary tsy misaraka), misy olona telo( trois personnes divines) satria misy ny Ray( Dieu le Père)izay niteraka ny Zanaka( Christ: Dieu Fils) ary ny Fanahy Masina. Samy manana ny asan'ireo nefa mifameno.
20. piste ( 07/01/2007 21:36)
Ho an'ny Simplex : vakio tsara ny hafatra nalefan'i dailynews. Misy fanaratsiana fivavahana hafa ao.
Ary mbola averiko indray betsaka ny lehilahy silamo manambady vehivavy kristianina fa tsy miova finoana izany ny vehivavy. Indrindra moa @ faritra avaratra iny. Ary ny zanaka aza mbola ataon'ny reniny batemy.
Faharoa :
Tsy d'accord @ Soanja kosa aho @ ilay hoe: Adriamanitra ( na Yahvé, na Allah, sns)ihany no lasa Kristy ary avy eo lasa Fanahy Masina. Hadisoana goavana izany tompoko. Fa aza dia miteniteny foana ohatr'io. Rah concéption-nao manokana dia tano ho anao.
Ho an'ny Kristianina dia tokana olona telo Andriamanitra: tokana satria : fianakaviana iray ary samy Andriamanitra(nature divine fa tsy humaine, ary tsy misaraka), misy olona telo( trois personnes divines) satria misy ny Ray( Dieu le Père: Créateur)izay niteraka ny Zanaka( Christ: Dieu Fils) ary ny Fanahy Masina. Samy manana ny asan'ireo nefa mifameno.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2384