ho an'ny mpanenjika Baiboly

81. ikaretsaka ( 02/01/2007 04:24)
LazaDaddy:

ikaretsaka> ka io anie no mahasamihafa ny Baibolista sy antikrista mpanenjika Baiboly e. :)

Ny ankilany mino izay voalaza ao @ Baiboly, ny andaniny miezaka manazava araka ny fiheviny sy fisainany. Dia ny tenin'i Augudtin indray ve no omen-danja noho ny Tenin'Andriamanitra? :)



anaovako illustration ny tenin'i Augustin.


dia averiko amin'i laza aloha hoe aminao inona no atao hoe

1)kristianina

2)tenin'andriamanitra

3) inona no atao hoe mandray an andriamanitra..

4) dia aminao izany i Jesoa = baiboly?
82. LazaDaddy ( 02/01/2007 04:43)
ialako tsiny @ antikristy mpanenjika Baiboly fa araka ny BAiboly no amaliako ny fanontanian'ikaretsaka

1) Kristianina = mpanara-dia an'i Kristy
2) Ny Tenin'Andriamanitra? Izay te ahafantatra an'io dia amporisihiko hianatra ny Teniny ao @ Baiboly.
3) Mandray an'Andriamanitra: "Raha tia ahy ianareo dia mankatoa ny Teniko" - "Ny teny izay ambarako dia tsy teniko fa avy @ Ray" hoy i Kristy.
4) Jesoa Kristy = ilay Teny tonga nofo = Tenin'Andriamanitra
83. ikaretsaka ( 02/01/2007 05:04)
4) Jesoa Kristy = ilay Teny tonga nofo = Tenin'Andriamanitra


kay le... iiiii ny ahy amiko dia tena zanan'andriamanitra i jesoa=andriamanitra tanteraka izy fa tsy teniny fotsiny le.... kay zany any ilay tsy mitovy!
io le hoe "izaho eo aminareo lalandava"


3) Mandray an'Andriamanitra: "Raha tia ahy ianareo dia mankatoa ny Teniko" - "Ny teny izay ambarako dia tsy teniko fa avy @ Ray" hoy i Kristy.


za tsy vitan'ny mankato ny teniny fa mandray azy koa .. ilay tenany!

ilay mandray azy dia tena IZY mihitsy no ankatoavina fa tsy ny teniny fotsiny...
Amiko aloha an

2) Ny Tenin'Andriamanitra? Izay te ahafantatra an'io dia amporisihiko hianatra ny Teniny ao @ Baiboly.


Mba porofoy ao anaty baiboly toko hoe mba aiza loatra ao aza ny miteny hoe ny baiboly IHANY (averiko ilay IHANY, soloy hoe fotsiny ... ONLY, SOLELY, ALONE .. inona koa re...)
no misy ny teniny .. na hoe ny BAIBOLY ihany no ONLY way!

1) Kristianina = mpanara-dia an'i Kristy


Dia amin'ny fomba ahoana no anarahana an'i kristy? voatery sy tsy maintsy ho le fombanao ve?
.... miverina any @ 2 sika raha vao miteny hoe ny fombanao ihany

aza misotro toaka aloha dia aza mifoka koa an.:wink: dia aza mora entim-po fa mba fanontaniana ny ahy ireo
84. LazaDaddy ( 02/01/2007 05:09)
malahelo aho fa tsy afaka hanazava aminao ry ikaretsaka satria "fihevitr'olombelona" no entinao mamaky ny Tenin'Andriamanitra.
Ary mamaky vilana ny soratako koa ianao na manao fanahy iniana angaha. Aiza no misy resaka hoe Baiboly IHANY eto? Miteny @ fomba maro Andriamanitra kanefa raha mankahala ny Baiboly mirakitra ny Teniny dia inoako fa tsy avy amin'Andriamanitra izany :oops:
85. ikaretsaka ( 02/01/2007 05:22)
malahelo aho fa tsy afaka hanazava aminao ry ikaretsaka satria "fihevitr'olombelona" no entinao mamaky ny Tenin'Andriamanitra.


ahoana no hitsaranao an'io? ahoana raha ny anao no hoe vihevitr'olombelona?:wink:
86. LazaDaddy ( 02/01/2007 05:24)
ikaretsaka:
ahoana raha ny anao no hoe vihevitr'olombelona?
mety ho izay tokoa angaha. Fa ny fahitako azy aloha dia fanahy roa samihafa tanteraka no mitoetra ato amiko sy ao aminao.
87. ikaretsaka ( 02/01/2007 05:31)
Ary mamaky vilana ny soratako koa ianao na manao fanahy iniana angaha. Aiza no misy resaka hoe Baiboly IHANY eto?


dia avy aiza ilay teniny ao @ ilay fanontaniako hafa 4 ary?:lol:

Dia ianao ihany no namaly azy
ianao:
Miteny @ fomba maro Andriamanitra kanefa raha mankahala ny Baiboly mirakitra ny Teniny dia inoako fa tsy avy amin'Andriamanitra izany


dia ireto tenin'i simplex ireto no amaliako azy
[quote=simplex] Tsy ny Baiboly no enjehina fa ny fampiasana azy hi-cautioner-na acte iray.
- Tsy ny Baiboly no enjehina fa ny fi-interpreter-na azy stricto-sensus voire subjective. Lalana ve ny Baiboly ?
- Tsy ny Baiboly no enjehina fa ny fiheverana fa ny tenin'A/tra ambony no A/tra.



[quote=simplex]- Tsy ny Baiboly no enjehina fa ny fiheverana fa ny tenin'A/tra ambony no A/tra


-----> io ilay resako tary manao hoe
izaho :
dia aminao izany i Jesoa = baiboly?
88. LazaDaddy ( 02/01/2007 06:14)
ikaretsaka> efa nambarako fa ny fahitako azy aloha dia fanahy roa samihafa tanteraka no mitoetra ato amiko sy ao aminao. Mety ho izaho tokoa angamba no manao fihevitr'olombelona araka ny teninao no mahatonga izany. :)
89. ikaretsaka ( 02/01/2007 06:24)
ka aminao ve .... baiboly = andriamanitra =jesoa?
oui sa non?
ny baiboly ve no andriamanitrao?
(tsy laza adina bac io akory fa mba afaka velabelarinao aminay ve ny theoria anao ary)
mba hahazoanay azy...
satria tsy azonay intsony ny tianao hahatongavana!
90. LazaDaddy ( 02/01/2007 06:28)
efa averimberiko amin'ikaretsaka fa ny Baiboly dia mirakitra ny Tenin'Andriamanitra, ary i Jesoa ilay Teny tonga nofo.

Tsy ho azonao io teniko io, tsy teniko akory fa teny notsongaiko avy ao @ Baiboly, satria araka ny efa nambarako dia fanahy roa samihafa tanteraka no mitoetra ato amiko sy ao aminao.
91. ikaretsaka ( 02/01/2007 12:30)
dia rehefa tonga nofo ve zy dia nivadika soratra fotsiny ilay teny?

ianao ange ry laza ilay mifanohinohitra be io mihitsy no maha 8O an'ilay fifampidinihina e.

atsy ianao "oui" .. atsy 'no ", atsy 'angamba"....

nefa hevitra 1 ihany le izy
92. exdadabe ( 02/01/2007 13:43)
:roll::roll:ikaretsaka >angamba kosa tsy misy adihevitra izany , teny tonga nofo =Jesoa

ao @ boky Isaia ao misy hoe "indro aho tonga ao @ horonamboky....
93. cutie ( 02/01/2007 14:53)
ka raha zay ry dadabe de
jesoa=teny tonga nofo
de avadikinareonjay we tenin'atra
dikan'zany baiboly zany jesoa aminareo :roll:
94. Rasiligaoma ( 02/01/2007 14:58)
zany toko ve? baiboly ve i jesoa e?
velabelaro aminay fa tsy mazava mihitsy
95. Zina ( 02/01/2007 17:56)
toa ny eo ihany no miverina efa nolazaiko tany @ tenin\'Andriamanitra io
ary mbola ho lazaiko eto ihany fa
Jesosy dia ny tenin\'Andriamanitra ary ny tenin\'andrimanitra dia ny baiboly..
.Tsy ahafantatra an\'io ny rehetra raha tsy manao etude bibliques ka anareo no safidy matoa isika misalasala satria tsy avelantsika miasa ao antsaitsika ny fanahin\'Andriamanitra .....
Dia izay ry reto za tsy hiteny momban\'io intsony
LazaDaddy marina ny anao:wink:
and we should be grateful for all three...
96. xxx ( 02/01/2007 19:19)
Zina:
Jesosy dia ny tenin'Andriamanitra ary ny tenin'andrimanitra dia ny baiboly..

Dia samy manana ny Jesoany izany tsika ireto ? Tsy mitovy ny Baibolin'ny Katolika sy ny Protestant mantsy. Tsy mitovy amin'ireo koa ny Baibolin'ny TJ. Ka Iza amin'ireo Baiboly karazany telo ireo no tena Jesoa ry Zina ???

Raha ilay Baiboly natao voalohany be no tena Jesoa amin'ny "Fahatsarany sy fahafenoany" tanteraka.
Ny an'ny sasany angamba, ireo mitana ny Baiboly nanalan'i Lotera, dia Jesoa tsisy tanana ?
Ny an'ny sasany nanisy fanitsiana taorina indray (mampiasa ny Traduction du Monde Nouveau) Jesoa gila maso ? Sa Jesoa manakory loatra izy izany ?

Raha ilay Baiboly nanalan'i Lotera no tena Jesoa. Ny Jesoa an'ny sasany (ilay tsy nanalana, ny an'ny Katolika izany) izany angamba mety Jesoa MISY KELY e ? Ny an'ny TJ indray Jesoa manao ahoana ?

Hay moa Zina tsy hamaly intsony. Tara loatra ny fanontaniako.
97. rakaroka ( 02/01/2007 20:58)
Ilay Jesoa dia lasa image-na personne très inconnue.
Ary izay mihitsy ny maha-ridicule ireo mitory hoe "Raiso Jesoa!": tsoriny BBBBbbeee ilay izy anefa rizareo rehefa mba iantefan'ny resaka hoe mba fantaro mikasika an'i X na i Y, dia tsy te ahalala tanteraka fa heveriny zanak'i Satana daholo 'ngamba rehefa tsy rizareo. Ahoana ary izany hoe terena fotsiny ny hafa handray ny tsy fantany akory mikasika ilay olona? Tsy finoana amboletra ve izany?
98. cutie ( 03/01/2007 00:48)
rakaroka
ka zay wa le mampa conservatif an-dry zareo :lol:
99. ikaretsaka ( 03/01/2007 00:50)
cutie> tssss efa hoe tsy conservatif fa preservatif...
100. cutie ( 03/01/2007 00:52)
izy daholo zany e :-D
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0083