ho an'ny mpanenjika Baiboly

121. pissoa ( 04/01/2007 04:30)
xxx:

Ho anareo manenjika izay mamaky Baiboly ho an'ny tokana hamantarany ny sitrapon'Andrimanitra dia vakio kely ito azafady (raha manampotoana ianareo):

"Dia hoy ny anankiray taminy: Tompoko, moa vitsy va no hovonjena? Ary hoy Izy tamin'ny olona:
Miseseha hiditra amin'ny varavarana èty hianareo; fa hoy Izaho aminareo: Maro no hitady hiditra, fa tsy ho afaka." Jaona 13:24

1- Tenin'Andriamanitra ve io aminareo?

2- anisan'ireo "vitsy" voalaza ireo ve ianareo milaza fa ahafantarana ny sitrapon'Andriamanitra koa ny zavatra hafa ankoatran'ny voalaza ao anaty Baiboly (personal philosophy, litania, rozery, sign, conscience, yoga, namaste...) ?

Zo-etazonia.

1 - Ie. Fa tsy Jaona fa Lioka dia mety ve ? :°):-D
2 - :-D:-D:-D Miala ny resaka lalana tery, afobe sns refa tsy mitovy hevitra.
122. ikaretsaka ( 04/01/2007 06:03)
zay tokoa moa izany tsy maintsy part an'ilay izy sy ilay asa fitoriana?

ilay resaka
Miala ny resaka lalana tery, afobe sns refa tsy mitovy hevitra.
123. mimich ( 04/01/2007 09:21)
LazaDaddy:

inona no tena tsy itiavanao an'io Baiboly io?

inn aloha ny famaritana omenao ilay hoe mpanenjika baiboly ee???
tsy dia mazava loatra mantsy ilay fanontaniana??,
Raha raisina amin'ilay hoe tsy tia baiboly indray dia ny olona manao ahoana no lazainao hoe tsy tia baiboly??? Raha ny fahitako azy eto mantsy dia ireo tsy mitovy fihevitra aminao rehetra dia lazainao fa sty tia sy manenjika baiboly.
Ho ahy manokana , dia mandray ny lesona azo tsohina ao anaty Baiboly tokoa aho saingy averiko ihany fa tsy azo raisina ara-bakiteny nefa izy io fa mila fandalinana manokana toy ny taranja rehetra mila fandalinana ireny , porofon'izany ny fisian'ny teolojianina.satria na ny voalaza ao am testamenta taloha sy ny vaovao aza dia misy zavatra mifanohitra b raha vakiana oh :" maso efain'ny maso , nify efain'ny nify" , nefa ary amin'ny evanjely indray milaza fa raha misy mamelaka ny takolakao havanana dia omeo azy koa ny havia dia aiza amin'ireo ary no horaisinao ????? noho izany mila fandalinana io ary tsy halalinina mitsitokatokana fa miaraka. Manaraka izany , tsy ampy amiko ny fifotorana fotsiny ihany amin'ny baiboly. fototra iaingana io fa tsy ampy hivelarana amin'ny fiainana maha kristianina.
124. LazaDaddy ( 04/01/2007 09:44)
mimich>
Ny hanjavonan'ny Baiboly no katsahin'ny "mpanenjika Baiboly" na dia misalotra "anarana kristianina" aza izy ireo.

- "Fa maninona no Baiboly no atao reference fa tsy Coran"
- "Angaha ny fivavahana sy finoana tsimaintsy kristianisma fa maninona no Baiboly foana no tenenina?"
- "aza asiana resaka Baiboly fa samy mahay an'io daholo isika"
- "samy manana ny interpretation-ny fa aoka tsy hisy hiresaka Baiboly"

Kanefa resaka boky hafa any tsy misy manelingelina azy ireo mihitsy fa ny Baiboly no tsy zakany angaha sa?:)

125. ikaretsaka ( 04/01/2007 15:37)
Mahazendana ahy bebe kokoa ianareo milaza fa "Baiboly ihany".

# Mahazendana ahy fa ekenareo ny fanilihana boky sasany nataon'i Lotera na tsy ara-baiboly aza fa araka ny "saina sy ny normes" narafiny sy ny olona sasany tamin'izany.

# Baiboly samy hafa angaha no ampiasainareo no misaratsaraka ianareo na amin'ny Hevitra na amin'ny pratika ? Sao nampianareo ny hevitrareo sy ny hafazahoanareo azy ny Baiboly no mahatonga anareo misaratsaraka toy izao ?

# Tsy ara-baiboly ny filozofianareo hoe "Izay tsy mitovy hevitra aminareo dia mandeha any amin'ny afobe." Matetika miverina eto io, na mivantana na amin'ny karazam-panontaniana ankolaka.

Etsetra ... etsetra.
126. Achia ( 04/01/2007 15:59)
Ka ny mahatonga izany anie ry Laza de zao e! ry zareo dia misoratena ho Kristiana ny zavatra ataony nefa mifanohitra @ izay lazaina ao anaty baiboly ka io no mahatonga azy hankahala izay mitondra ny baiboly satria hianjaka eo ny dika vilany
127. LazaDaddy ( 04/01/2007 21:12)
Achia> "Fa velona sy mahery ny tenin'Andriamanitra ka maranitra noho ny sabatra roa lela, ka manindrona hatramin'ny fampisarahana ny aina sy ny fanahy ary ny tonona sy ny tsoka, ka mahay mamantatra ny eritreritra sy ny fisainan'ny fo. Ary tsy mmisy zavatra ary na inona na inona izay tsy miseho eo anatrehany; fa ny zavatra rehetra dia mihanjahanja sy aharihary eo imason'Izay iafaran'ny ataontsika." Hebreo 4:12-13

128. Rasiligaoma ( 05/01/2007 09:41)
tenin'andriamanitra avy aiza aloha?
129. soanja ( 05/01/2007 09:59)
LazaDaddy:

mimich>
Ny hanjavonan'ny Baiboly no katsahin'ny "mpanenjika Baiboly" na dia misalotra "anarana kristianina" aza izy ireo.

- "Fa maninona no Baiboly no atao reference fa tsy Coran"
- "Angaha ny fivavahana sy finoana tsimaintsy kristianisma fa maninona no Baiboly foana no tenenina?"
- "aza asiana resaka Baiboly fa samy mahay an'io daholo isika"
- "samy manana ny interpretation-ny fa aoka tsy hisy hiresaka Baiboly"

Kanefa resaka boky hafa any tsy misy manelingelina azy ireo mihitsy fa ny Baiboly no tsy zakany angaha sa?:)

Ny fahitako azy indray ry LD dia tsy amin'io ny olana raha ny olona tsy mitovy hevitra aminao ireto no miteny satria mino aho fa samy mahatsapa fa ilaina ny baiboly ka nahoana no hanjavona?
Ilaina izy satria isany mitondra ny tenin'Andriamanitra izy sady ny rehetra efa samy manana azy daholo, ary efa namaky azy daholo (I hope)
Fa ny hoe isaky ny mihetsika de iny foana no resahina sy averimberina, nefa i akaroka ary efa miteny fa tadidiny tsianjery ny ao, no mipetraka ny fanontaniana hoe nahoana no tsy manao an'izany izy ireo (zah ao anatiny)?
Dia any valiny moa izany ireny lavabe ireny sady lasa niverimberina koa ka na zah koa lasa mahatadidy tsianjery ny resaka eto na any ampiasanako aza.:D
Ny antony moa zany dia i Rakaroka ihany koa de efa nahavaly azy hoe betsaka ny olona nampiasa an'io baiboly io fa tsy nahita vokany firy satrai nahoana hozy ianao mety tsy maindaitra amin'izay nampandaitra azy taloha ilay izy. fa ahafa mihitsy ny fomba fandraisan'olona zavatr amin'izao fotoana ka mino aho fa miasa Andriamanitra amin'ny lafiny hafa ankoatran'io koa miezaka miresaka sy misintona azy.
Zah mino fa raha miasa be i Satana izay resahin'i Prime ary oe manao izay hahazoana olona dia I Andriamanitra koa mahavita lavitra noho izany amin'ny alalan'ny fomba sy seho hafa.
Isanandro dia betsaka ny olona lasa mino fa misy Andriamaniatra ary miasa ao aminy.
Ny zavadehibe tokony hosoritantsika eto angamba de hoe mazava fa samy nanao izay vitany aby ny rehetra (ireo mpaninany) nampita ny tenin'Andriamanitra tamin'ny lalan'i baiboly, teo koa ireo olomasina isan-karazany (raha katolika), teo ny olon-tsambatra (raha katolika), teo ny pastera sy ny mopera ary ny masera ary ny sefrera sns ary ireo mpitarika isan-tsokajiny , ny fanontaniana sisa hoe aiza ho aiza ny fampiasana izany sy fampiharana izany mahaKrstianina izay eo amin'ny fiainana andavanandro.
Io no tokony imasoantsika hoe mandaitra ve le fampitana azy ary inona ny vokan'izay teny Mahasoa izany eo amin'ny fiarahamonina. Zany hoe application amzay no tokony hojerena/hita izao fa tsy resaka ambony latabatra be intsony. Io no hitako solution amin'izao ka anareo indray ny sehatra.

130. xxx ( 05/01/2007 10:15)
Soanja:
Ny fahitako azy indray ry LD dia tsy amin'io ny olana raha ny olona tsy mitovy hevitra aminao ireto no miteny satria mino aho fa samy mahatsapa fa ilaina ny baiboly ka nahoana no hanjavona?

Efa imbetsaka nambara an'i LD io, hatramin'ny nanokafany ny dinika hoe "Fa maninona loatra", fa toa tsy mety hitany mihitsy. Angamba koa hitany ihany fa modiana tsy hita. Fomba mahomby indrindra hanaronany ny fanompoany Baiboly ny fanodinana ny resaka sy ny ataon'ny hafa amin'ny zavatra tsy noresahiny ary tsy nataony akory.

Resaka efa tamin'ny volana maro lasa io, ary tsy Kristianina no niteny sy nanontany saingy tsy niteny i LD tamin'izany. Fa rehefa nobedesin'ny Kristianina ny mpanompo baiboly tato ho ato dia niteny izy ary nolazainy fa ireo no hitany ataon'ny "milaza ho Kristiana" tato ho ato :roll:
131. Rasiligaoma ( 05/01/2007 10:21)
ny ahy aloha aleo hijoroako vavolombelona mihitsy fa tsy ny fitoriana baiboly ahy no nahatonga ahy liana sy tapa-kevitra ho lasa kristianina. Maro ihany izay tonga tsiroaroa tao an-trano tao izay fa e e e!

fa ny fahatsapana ny asan'andriamanitra teo amin'ny manodidina ahy sy tamin'ny nataony ka hitan'ny vatana sy ren'ny sofiko no nahatonga ahy voasarika, nahita ny nataon'I Mompera Pedro, ny Jezoita, Lazarista.ry masera... teo amin'ny fiainany.
marihiko fa tsy nitory teny tamiko ireny, tsy nametra taanana tamiko, fa hitako ny fanasoavany ny manodidina ahy dia izay no nahasarika ahy.

Dia ny nomeny ahy raha niresaka tamin'ireny aho hoe liana ho kristianina dia saple sy ny fanaovana raozery.. efa vita batisa aho vao nahazo baiboly.

dia izaho sahy miteny fa asan'ny fanahy no miasa ao amiko aloha e
132. soanja ( 05/01/2007 10:39)
Rasiligaoma:

mazava Rasil ny momba anao izany. Ary manaiky ny fijerinao aho saingy koa misy koa le torina teny aloha vao mandray ny Fanahy. satria samy manana ny fomba handraisany info ny olona ary mi-process azy ary farany mampihatra azy eo amin'ny fiainana raha nandaitra ilay fampitana.
Hitan'i Rasil, tsy haiko na aiza ianao, enga anie any akaikin'i Pere Pedro any fa faly aho raha any ianao, fa aty US rehefa mamary amin'ny hopitaly dia manontany ry zareo refa hodidina hoe ahoana ny fomba handraisanao fampianarana avy amin'ny haino ve sa avy amin'ny jery sa ny haino aman-jery sa mamaky sa atoro mihitsy ny fanaovana azy vao azo. Dia eo samy mahalala ny mandaitra aminy ny olona matetika. Ao moa ny tena tsy mahazo mihitsy heo ahoana ny fomba fianarana miasa aminy. Matetika moa ireo no atao hoe olona manana learning disabilities.
Ka asa re ry Rasil fa mety amiko izay fomba nampiharana azy taminao izay ary mino aho fa mandaitra be le izy matoa io ianao hitako eto.:wink:

133. mimich ( 05/01/2007 14:21)
LazaDaddy:

mimich>
Ny hanjavonan'ny Baiboly no katsahin'ny "mpanenjika Baiboly" na dia misalotra "anarana kristianina" aza izy ireo.

- "Fa maninona no Baiboly no atao reference fa tsy Coran"
- "Angaha ny fivavahana sy finoana tsimaintsy kristianisma fa maninona no Baiboly foana no tenenina?"
- "aza asiana resaka Baiboly fa samy mahay an'io daholo isika"
- "samy manana ny interpretation-ny fa aoka tsy hisy hiresaka Baiboly"

Kanefa resaka boky hafa any tsy misy manelingelina azy ireo mihitsy fa ny Baiboly no tsy zakany angaha sa?:)

Tsy any loatra ny fahitako azy , tsy hoe katsahina ny hanjavonan'ny Baiboly , fa indraindray lasa tafahoatra ny fampiasana ny Baiboly ho fitaovam-pitoriana teny ka lasa fandemen-tsaina sy fampitahorana ilay izy fa tsy fototra entina miainga mampivelatra ny maha-kristianina hany ka mety miteraka fahasorenana sy mankaleo ny maro. Ohatra iray fotsiny , raha hiteny aho hoe tiantsika Andriamanitra. satria nahoana ???? tsy voatery ho ref ao am Baiboly oh no entiko hanazavana an'io (oh we ka nomeny ny zanany lahitokana mba tsy ho very izay rehetra mino azy fa hanana ny fiainana mandrakizay fa ny fiainana andavanandro tsotra zava-misy iainana aloha no entina mandresy lahatra voalohany mba ahitana fa zavatra teny mitombona ny lazainao . asa raha azonao ny tiako hambara.
Zaho manokana aloha dia ny zavatra mianga amin'ny réel no maharesy lahatra ahy kokoa noho ilay hoe maka toko sy andininy ao am Baiboly ee nefa tsy hay akory ny hanazava azy amiko avy eo zany akory tsy midika hoe tsy azo ampiasaina io ,azo ampiasaina fa atao amin'ny fotoana tokony hampiasana azy mba tsy hahamonamonaina ary mbola averiko ndray aloha fa amiko tsy ampy io fa mila ohatra velona ny olona mba hahamari-pototra ny finoany.
134. pissoa ( 05/01/2007 14:34)
=D=D=D=D=D
135. soanja ( 05/01/2007 17:08)
mimich:

=D=D=D=D=D=D=D=D

136. exdadabe ( 10/01/2007 00:01)
:roll::roll:
137. Zina ( 10/01/2007 03:58)
fa indraindray lasa tafahoatra ny fampiasana ny Baiboly ho fitaovam-pitoriana teny ka lasa fandemen-tsaina sy fampitahorana ilay izy fa tsy fototra entina miainga mampivelatra ny maha-kristianina hany ka mety miteraka fahasorenana sy mankaleo ny maro.

za aloha dia tsy manaiky an;ity e...tsy mihinanana sakafo panahy isika otran'ny isika misakafo in-telo isan;andro dia aza manatena ny tsy ho rebireben'ny devoly...Aza sous-estimen-tsika i Satana ry reto eeee
Satana tsy kely lalana...
138. pissoa ( 10/01/2007 14:38)
Nareo no tena misozy an'i Satana knou. Dinidiniho ao de hitanjy :-D:-D:-D
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.051