NOEL , noely ,25dec ??

61. niryna ( 22/12/2006 07:19)
Raha manao fanasana ny olona fa tonga ny fetinao kanefa ianao tsy nasaina fa vahiny daholo no ao, ahoana ny fihetseham-ponao?Izany no mahazo an\'I Jesosy.Fety natao hankalazana ny nahaterahany io toy ny fety rehetra,kanefa tsy misy mifaly miaraka aminy ny olona fa samy misomebiseby fotsiny
62. pissoa ( 22/12/2006 07:37)
Iza no niteny an'zany tamin'niryna ? :lol:

Aty aminay izao amin'ny 24 Dec misy Lamesa 3 beeeeee izao any ampiangonana (amin'ny 7:30, amin'ny 9 ary amin'ny 6 hariva) dia ny 25 Dec misy lamesa 4 beeeee izao (@ 12 alina, @ 7:30 maraina, amin'ny 9 maraina ary amin'ny 6 hariva) ! Ary ny Jesoa miaraka aminay foana !

Nareo ngamba no tsy hanasa an'i Jesoa fa izahay aloha dia ... "Ndao e !" :lol:
63. Fiffi ( 22/12/2006 08:34)
tsy hainareo ve ity hira ity ?

Laisserons-nous à notre table
Un peu de place à l’étranger ?
Trouvera-t-il quand il viendra
Un peu de pain et d’amitié ?


Laisserons-nous à nos fêtes
Un pas de danse à l’étranger ?
Trouvera-t-il quand il viendra
Des mains tendues pour l’inviter ?



64. Achia ( 22/12/2006 15:34)
efa hoe ilay rangahy tsimaintsy mihinana voankazo de mbola tsy kaopy ihany ve ry zareo a!
65. pissoa ( 22/12/2006 16:22)
Tsy aleonjy tenenina mivantana refa tsy mety azo ?

Raha izaho aloha dia tsy hitako izay olana raha mihinana voankazo "TSARA" ny olona e ! Raha mihinana ilay voankazo ratsy izy no mety harary ! Ka inona no voankazo ratsy resahinjy eto ? Ny nahaterahan'i Kristy ve ? Aiza kosa e !

Raha ny resaka daty mifanindry amin'ny nankalazana ny "masoandro" no tena tsy aritra dia izao : AZA MIVAVAKA INTSONY. Tadidio fa isaky ny manota njy - dia MANOME VONINAHITRA AN'I SATANA (Ito izy raha mila atao sary : :evil: ) Ka aza mivavaka mihitsy - fa isan'andro njy manota foana donc mifanindry ny andro hanomezanjy voninahitra an'i Satana sy ny andro hivavahan-njy amin'Andriamanitra ka sao lasa any amin'ny afo be !!!
66. Fiffi ( 22/12/2006 17:38)
:-w:-w:-w
67. niryna ( 23/12/2006 02:38)
Iza izany no hankalazan-tsika dadabe noely ve sa Jesosy amin\'ity krismasy ity? Krismasy tsy misy an\'I jesosy dia tsy krismasy mihitsy
68. ikaretsaka ( 23/12/2006 03:15)
izy 2 mitambatra samy ankalazaina daholo... afaak mankalaza an'i jesosy ianao amin'ny fankalazana dadabe noely...

ohatra hoe misaotra an'i jesosy fa mbola nomeny tombon'andro nahitana an'i dadabe noely indray tamin'ity!
69. niryna ( 23/12/2006 03:50)
Tsy andro nahaterahan\'i Jesosy anie io fa nataon\'izao tontolo izao ho fankalazana ny andro nahaterahany fotsiny e.Tene nisy izany Jesosy fa tsy voaraikitra an-tsoratra ny andro nahaterahany.Andro nankazalazan\'ny tsy mpino io fa natambatry ny katolika hoiray mba hanamaro isa ny mpiangona izay no niandohany.Ilay fety aloha dia tsy tadidiko e fa misy miteny hoe sun day kanefa ny mon-day izay dia natokana ho an\'ny volana moon-day,tue tsy fantatra ,wednesday,rivotra wind, Thursday,rano thursty,friday inona ,satuday ,ho an\'ny saturne? Asa aloha fa lasa ny saiko manao ireo vazivazy ny herin\'andro ny amerikana ireo.Misy boky any \"where Jesus walked\" na taiza i Jesosy no nandeha izay nosoratan\'ny sacret heart league.Hita ao daholo ny toerana niresahan\'ny anjely Gabriel an\'i Maria Virjiny,anjely niseho t@ mpiandry omby tao betlehema,toerana nahaterahany ka lasa nanorenana fiangonana eo amboniny ary misy boribory fitaratra mahatazana ilay tranon\'omby nahaterahany ka afaka mijery eo ny olona, ny hazo oliva izay nivavahany 2000 lasa,ka hatramin\'izao dia mbola ao io.RAha manambola aho dia te-hitsidika ireo toerana ireo any jerosalema fa misy fiangonana mitety io toerana io isan-taona.
70. ikaretsaka ( 23/12/2006 03:55)
afaka supposena daholo

angaha rehefa tsy voaraikitra an-tsoratra ry nirina de tsizy zay...
tsizy mihitsy izany ny fiainanao androany izay tsy voaraikitra an-tseoratra?
raha tsy voaraikitra mihitsy dia tsy niaina ianao izany androany?
71. niryna ( 23/12/2006 04:03)
Manaiky izany aho fa manazava fotsiny aho hoe natao hankalazana an\'i jesosy io andro io satria io no lanin\'ny besinimaro.Ka na ny hazon\'ny noely aza anie ry ikaretsaka dia voasoratra ao anaty baiboly e, mety misy la neige tany ohatra dia io ihany no azo velona ary rehefa nirotsaka ny neige dia misy tavela teny ambony teny ka mahafinaritra ny mijery azy, tsy nisy afaka nivoaka ny olona dia naleo naka ilay hazo ary noravahana.
72. Achia ( 23/12/2006 05:57)
Hay ve zao na @ fivavahana azy de izay lanin'ny be sy ny maro no atao e! izany hoe efa demokrasy koa zany ny fivavahana . Ity ary ny nataon'ilay rangahy e! , refa ntsiloviny t@ jiro ary ireo paiso de nisy biby daholo , de ny heviny dia notsofiny ny jiro de nohaniny ihany ny paiso zavatra tsotra ne ilay izy ry pissoa e!
73. pissoa ( 23/12/2006 09:46)
Achia, aza atao resa-paiso fa ataovy resaka Kristy e ! Inona no olana miresaka mivantana an'i Kristy rehefa tsy azon'ny olona ny fahonarana ataonjy ? fady anjy zany sa ilay izy tsy azon'ny olona mihitsy no tena mahafatifaty be ? :-D

Azonjy ankalazaina isan'andro koa ny nahaterahan'i Jesoa ! Tsy misy olana izany rehefa tsy te hiaraka amin'ny besinimaro njy fa tia mitokatokana. Tsy te hankalaza an'i Jesoa mihitsy moa njy dia anjy samy irery koa izany. Fa aza sakatsakanana fotsiny nefa ny hafa raha te hankalaza ary 25 Desambra koa no tiany hankalazana azy.

Achia sy Niryna, averiko indray fa tsy misy zavatra ratsy ny fankalazana an'i Jesoa (AMINAY ALOHA FA AMINAREO TSY FANTATRO - METY MAHAVERY ANY AMIN'NY AFOBE ANGAMBA, TSY HAIKO), ary raha daty mifanindry no tena probelm-nareo dia

Raha ny resaka daty mifanindry amin'ny nankalazana ny "masoandro" no tena tsy aritra dia izao : AZA MIVAVAKA INTSONY. Tadidio fa isaky ny manota njy - dia MANOME VONINAHITRA AN'I SATANA (Ito izy raha mila atao sary : ) Ka aza mivavaka mihitsy - fa isan'andro njy manota foana donc mifanindry ny andro hanomezanjy voninahitra an'i Satana sy ny andro hivavahan-njy amin'Andriamanitra ka sao lasa any amin'ny afo be !!!
74. Achia ( 23/12/2006 12:36)
Ary mba ahoana ary hoy i pissoa t@ iJesosy nanao fanoharana t@ aviavy :-D:-D nisy niteny ve le mpisorona be sy namany hoe aza atao resaka aviavy le izy fa tonga de ATRA lazaina e! Ye ny ahy aloha de ankalazaiko isan'andro ny Krisimasiko e! ialay hoe fiarahana @ be sy ny maro njay :-w io ne le nolazaiko hoe lasa demokrasy koa zany zao ny fivavahana fa za tsy maninona fa ny ao anaty baiboly ihany no arahiko e! Ye tena marina tokoa fa tsisy @ hita maso ny fankalazana ny Krismasy , fa mba fantaro ihany hoe iza moa izany Kristy hinoako izany ilay hoe mahavery any @ afo be :-D:-D tsy mbola nilaza anzany aho fa ny baiboly ihany no nilaza anzany ary Kristy no handefa ny ol ho any fa tsy zaho kory , ny andraikitro dia manambara izay fantatro , koa anjaran'izay mandray , fa na manao izy manantanteraka baiboly tsy manao izy dia mbola manantanteraka ihany koa
75. pissoa ( 23/12/2006 14:10)
Achia:

Ary mba ahoana ary hoy i pissoa t@ iJesosy nanao fanoharana t@ aviavy :-D:-D nisy niteny ve le mpisorona be sy namany hoe aza atao resaka aviavy le izy fa tonga de ATRA lazaina e!

Hay ve njy Jesoa e ! Za kloo tsy mpisorombe e :b
Ary Jesoa avy eo rehefa anontanian'ny mpianay dia miteny hoe ny "Izao dia izao, ny izao dia izao" ... :)
Ye ny ahy aloha de ankalazaiko isan'andro ny Krisimasiko e!

Tsy misy olana io hoa - vao maika tsara ... dia mandiniha tena tsara alohan'ny fankalazana isan'andro.
Achia:
ialay hoe fiarahana @ be sy ny maro njay :-w io ne le nolazaiko hoe lasa demokrasy koa zany zao ny fivavahana

Angaha rehefa hoe miaraka amin'ny be sy ny maro dia midika izay hoe demokrasia fotsiny na ratsy ? Bedy zany zao raha mandeha any ampiangonana satria any ny be sy ny maro dia manaraka demokrasia ! Ny anay ny fiangonana tsy resaka demokrasia - fa resaka "fiangonana sy fiombonana", miaraka mikatsaka an'i Kristy ny zandriny rehetra. Ka tsy maninona raha demokrasia no nahalany rehefa tsy manohitra an'i Kristy ny zavatra atao. Ary averiko indray fa tsy manohitra an'i Kristy mihitsy ny fankalazana Azy.
Achia:
fa za tsy maninona fa ny ao anaty baiboly ihany no arahiko e!
Fa ny ao anaty baiboly mantsy aminjy hoe "Samia maka ho azy fa aza mifankatia ary aza asiana fiangonana" ... Nampiana sa nanalana ny baibolinjy aloo e ?

Achia:
Ye tena marina tokoa fa tsisy @ hita maso ny fankalazana ny Krismasy , fa mba fantaro ihany hoe iza moa izany Kristy hinoako izany

Aza matahotra ! Ataovy irery any ny anjy ny Krismasy fa izahay efa vonona ny hifanampy. Ny fiangonanay izao efa 1 volana no manomana "manokana" ny olona tamin'izany, ankoatra ny atao mandava-taona io.
Achia:
ilay hoe mahavery any @ afo be :-D:-D tsy mbola nilaza anzany aho fa ny baiboly ihany no nilaza anzany ary Kristy no handefa ny ol ho any fa tsy zaho kory ,

Fa aiza ao amin'ny baiboly ary no misy miteny hoe mandeha any amin'ny afobe izay mankalaza an'i Kristy e ? Nampaiana hoa sa nanalana ny baibolinjy ?
Achia:
ny andraikitro dia manambara izay fantatro , koa anjaran'izay mandray , fa na manao izy manantanteraka baiboly tsy manao izy dia mbola manantanteraka ihany koa

Izahay tsy tonga ety mba hanao ny sitrapon'ny "baiboly" :wink:
76. Achia ( 23/12/2006 16:45)
Hoy ianao hoe : izahay tsy tonga ety mba hanao ny sitrapon'ny baiboly , de mazava be zany ko inona moa izay anie no nametrahako ilay tantara e! hoe notsofiny ny jiro de nohaniny ihany ny paiso e! :wink:
77. pissoa ( 23/12/2006 16:57)
Dia inona no idiran'ny jiro amin'ny baiboly ? :-D

Hay ve njy ry Achia tonga ety hanao ny sitrapon'ny "baiboly" e ... BAIBOLISTA. Dia rahoviana ny fetin'ny baiboly ? Areheto ny jiron-njy fa tsy avotra raha izany. :(

Izahay tonga ety hanao ny sitrapon'i Kristy (fa tsy ny baiboly akory). Izay no hita tamin'ny mampirehetina ny jiro, dia tsy vonoina tsony :wink:
78. pissoa ( 23/12/2006 17:04)
Achia : halalino ny finoana fa tsy Kristianina ny Baibolista. Diniho tsara sao hanohitra an'Andriamanitra ny farany raha ny sitrapon'ny baiboly no katsahina lava ao fa tsy ny sitrapon'Andriamanitra sy ny hanarahana azy bebe kokoa hatrany. :)

Mirary Noel sambatra ho antsika rehetra - dia mirary mba ho hita taratra eo amintsika fa efa tonga miara-monina amintsika i Jesoa.

79. Achia ( 23/12/2006 17:08)
:-D:-D fa tenin'iza hono no ao anaty baiboly e! an'i achia ve? fa taiza no nahalalanao an'i Kristy ? teny Andravoahangy ve ?
80. pissoa ( 23/12/2006 17:14)
:-D:-D:-D

Fa taiza ny teny nangalan'ny devoly Fanahy an'i Jesoa ry Achia ? Teny henony teny an-dRavoahangy sa Soratra Masina ?
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0086