NOEL , noely ,25dec ??

101. pissoa ( 26/12/2006 18:38)
:-D:-D:-D

Ka rehefa saro-piaro Andriamanitra, dia ankasitrahany ny ialana amin'ny sampy ka hanantonana Azy.

Tsy novalianjy anie izaho e :
fa tokony ho tezitra angaha Jesoa rehefa miala amin'ny karazana sampy ny olona ary mirona amin'ny fankalazana sy ny fanarahana Azy

:roll:

Fanontaniana faharoa : Raha misy olona iray, taloha izy ilay manompo sampy ireny. Dia rehefa Sabotsy, manao sakafo matsiro, dia manatitra taoka sy bonbons sy akoho any amin'ny toerana iray ... Amin'izao izy te lasa Advantista ...

Tokony mitsahatra ve izy rehefa Sabotsy ary mankalaza an'Andriamanitra sa tokony afindrany andro hafa ny "Sabata" fa tsy atao mifanindry amin'ilay Sabotsy nalehany taloha ? :roll:
102. ikaretsaka ( 26/12/2006 22:14)
Achia:

Zao ary ny olontianao de manana olontiana hafa ankoatra anao ; de hoy ilay olontianao hoe : andeha hatambatra ny anniversairenaro roa de hiarankifaly isika , de asa manahoana ny fihetseponareo roa @ izay



ny 1 Jesoa moa ny 1 olontiana....

ilay jesoa angamba mety tsy ho sarotiny satria

Samihafa dia samihafa... donc tsy azo ampitovizina (ny 1 andriamanitra mpampindra fo lalandava..ny 1 olombelona mora marary fo )




fa za mino fa tsy ho Sarotiny @ izany I jesoa raha mitovy ilay Jesoako st ny Jesoanao


tsy haiko aloha e
103. Achia ( 27/12/2006 09:30)
ka ny olana ne de zao e! nareo tsy mino zay rehetra voalaza ao anaty baiboly e! sao nareo mantsy lasa baibolista fa raha mino ianareo de hazava fa raha tsia kosa de eee!
104. pissoa ( 27/12/2006 09:32)
Achia ... valio aloha zah e :lol:
fa tokony ho tezitra angaha Jesoa rehefa miala amin'ny karazana sampy ny olona ary mirona amin'ny fankalazana sy ny fanarahana Azy


Fanontaniana faharoa : Raha misy olona iray, taloha izy ilay manompo sampy ireny. Dia rehefa Sabotsy, manao sakafo matsiro, dia manatitra taoka sy bonbons sy akoho any amin'ny toerana iray ... Amin'izao izy te lasa Advantista ...

Tokony mitsahatra ve izy rehefa Sabotsy ary mankalaza an'Andriamanitra sa tokony afindrany andro hafa ny "Sabata" fa tsy atao mifanindry amin'ilay Sabotsy nalehany taloha ?
105. Achia ( 27/12/2006 19:20)
Ny fanontaniana voalohany aloha de ye tena faly tokoa moa izy mahita olona miala @ sampy , fa tezitra ihany koa nefa izy raha mahita olona sady mivavaka @ no manompo sampy
Ny fanontaniana faharoa de tsy dia mazava loatra fa ny sabata araka ny efa voalazako taminao di ny andro fahafito @ herin'andro , koa raha taloha izy nanompo sampy isankasabotsy nefa refa tonga ny fahalalany de lasa nanome voninahitra an'ATRA izy isankasabotsy inona no fahotany @ izany , fa zao misy ny olona de manaiky an'ATRA eo @ molony fa manda ny heriny
106. pissoa ( 27/12/2006 19:55)
[QUOTE]Ny fanontaniana voalohany aloha de ye tena faly tokoa moa izy mahita olona miala @ sampy , [/QUOTE]
Ka raha i Kristy aza faly ... inn ny problem anjy amin'ireo olona ireo, efa tapa-kevitra ny hanaraka an'i Kristy ary SAHY MANAMONTSANA ny sampy rehetra ?

fa zao misy ny olona de manaiky an'ATRA eo @ molony fa manda ny heriny

De inn no hidiran'io amin'ny Noel ? Na ny mpankalaza Sabata aza misy manompo sampy kooooo ! Manompo vola, manompo "BOKY" ... Ka tokony hajanona izany ny Sabata ??? Tsia dia tsia ! Na inona lazainjy mikasika ny Alahady na inona, dia izaho miteny hoe "Ankalazao tsara ny sabata raha io no maharesy lahatra anjy hanatonan-jy an'i Kristy". Ary ampio ny olona hanaraka bebe kokoa an'i Kristy hatrany, fa aza sakatsakanana amin'ny hevitra fantanjy fa diso ny fomba manampy azy hikatsaka an'Andriamanitra.
107. pissoa ( 27/12/2006 19:55)
koa raha taloha izy nanompo sampy isankasabotsy nefa refa tonga ny fahalalany de lasa nanome voninahitra an'ATRA izy isankasabotsy inona no fahotany @ izany

Ka tamin'ny andro taloha ny olona nanompo sampy, fa rehefa nahalala an'i Kristy izy dia SAHY ... TENA SAHY manao hoe tsy natao ho anao io andro io ry "masoandro" fa ataonay hankalazana sy hiarahanay manatona an'i Kristy ...

Inona no tsy hitovizan'ireo ? Raha novakianjy tsara aza io ohatra io, dia olona iray no nanompo sampy taloha ary lasa mankalaza "Sabata" amin'izao. Ny amin'ny Krismasy kosa, dia olona hafa no nanompo sampy (OLONA TALOHA, EFA MATY DAHOLO RY ZAREO IZAO) ary hafa no mankalaza an'i Kristy amin'izao ... dia marary ny fonjy !!! Sa ny Sabata ankatoavinjy otran'ny inn dia tsisy fahotana na mifanindry aminy fotoana nanompoana sampy taloha aza ? Fa rehefa ny hafa no te hanantona an'Andriamanitra dia wawawa ... Malalaka be ho anjy foana ny lanitra rehefa te ho any njy - fa aza sakatsakanana ny olona hafa fa te ho any koa e !

Sa tsy maninona io Sabata io na mifanindry amin'ny andron'ny sampy taloha aza satria io "ao anaty BAIBOLY" !!! Izao no alehany rehefa BAIBOLISTA TAPITR'OHATRA. Tsy tantinareo anie ilay teneina an'io e, nefa dia io mihitsy no asehonareo eto amin'ny forum. Na ny hankalazan'ny olona an'i Kristy sy hanarahany Azy aza dia LAVINAO TSOTRA IZAO SATRIA TSY AO ANATY BAIBOLY. Come on !!! Baibolisma izany sa Kristianisma ?

Mahavita mamaly eto im-piry njy izay ry Achia mba hitenanana sy handresena lahatra ny olona fa TSY TOKONY ATAONY NY MANKALAZA SY MANOME VONINAHITRA AN'I KRISTY ANDRIAMANITRA ???

Manginy fotsiny ny harem-panahy ratovin'ny olona mandritra ny vanim-potoanan'ny Noely izay tianjy sakatsakanana ! Any am-piangonareo no tsy misy ezaka angamba, tsy manao na inona na inona fa mamela ny andro 25 Dec ho an'ny "masoandro". Fa ny any aminay, efa noteneniko teo fa mitarika ny olona izy, manampy ny olona hanantona bebe kokoa hatrany an'i Kristy ... Tsy mahafaly anjy ve izany ? Mieritrereta.

Afa-po aho ! Tsy misy hifanomezan-tsiny ary tsy hifanerena ny fankalazana an'i Jesoa tonga nofo ary miara-monina amintsika. Rehefa tsy te hankalaza kosa nefa, dia tano ho anao irery - fa aza sakatsakanana hanatona an'Andriamanitra ny olony.
108. Achia ( 28/12/2006 19:18)
8O8O:wink:
109. Achia ( 28/12/2006 19:32)
:-D:-D:-D Aleo tsy tohizana fa sady tsy mahasoa anao no tsy mahasoa ahy koa ilay dinika sady ianao mora tezitra de manaova Krismasy bedabe e!
110. pissoa ( 29/12/2006 09:04)
Achia, teneno raha mbola misy tenenina ka ! Izaho no efa niteny hoe afa-po. Raha tsy azonjy amin'ireo ny dikan'ny hoe TALOHA sy ny hoe TALOHA ary ny hoe TALOHA dia tsy ho azonjy mandrakizay. Indrisy ... tsy voasoratra ao anaty baiboly ny definition an'io ka tsy afaka manampy anjy aho :cry: Fa Andriamanitra aloha mahay ny dikan'ny hoe TALOHA.

Izaho ve tezitra ? Tsia. Masiaka angamba :oops: Fa tsy maintsy nampiasa sora-baventy aho satria tsy mandeha ilay sora-matevina (bold). Fa ito sarikely " 8O " ito kosa nefa dia SHOCKED no dikany raha tsy fantanjy ... ary tsy izaho no nampiasa an'io :wink:

Ie - mbola hanao Krismasy foana ka. Sakatsakanana aza mandeha koa maika fa misy mampazoto toy izao :wink:
111. exdadabe ( 31/12/2006 18:29)
tsara be le adihevitr'i pissoa sy Achia fa ny indro kely fotsiny dia ilay tsy fahazakana ny hoe "hamaky baiboly" manjaray lasa fampianaran'olombelona indray no ambony raha toa ka tsy mamaky baiboly
112. pissoa ( 04/01/2007 04:32)
Omeo andalana iray manohitra ny hankalazana, na hanomezana voninahitra na hanarahana an'i Jesoa hoa za raha mahita ao elah ... Achia alou tsy nahita :lol:
113. exdadabe ( 17/01/2007 17:27)
tsy azoko le tiandry holazaina :roll:
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0424