Rakitra (fanatitra) sy ny am-pahafolon-karena. Azavao.

1. niryna ( 10/12/2006 22:33)
Fony mbola kely aho dia nisy fiangonana iray nanangona vola, volamena sy ny rojon\'ny olona tao am-piangonana.Rehefa votom-pinoana ny olona dia naname ity pasitera ny harena izay natao hoe am-pahafolon- karena.Kanjo lasa nandositra ity pasitera ary nahazo fiara tsaratarehy.Nikatona ilay fiangonana taty aoriana
Mandeha miangona ny tena dia manao adidy ary rehefa tonga ny fety dia maro midangana be ny adidy ka tafiditra eo koa moa izany ny fanaovana akanjo vao fa ho eny amin\'ny alitara hanatitra vola.Indraindray teno heno hoe mavesatra mihitsy ilay izy satria efa rakitra in-efatra mbola tsy ampy foana.Mino aho fa ny karama tsy mitombo ilay rakitra anefa tena bobaka be.Taty aoriana dia lasa torinteny ny Malakia 3:8-10 \"Handroba an\'Antra va ny olona,no mandroba ahy hianareo? Amin\'inona moa no androbanay Anao? Amin\'ny fahafolon-karena sy ny fanatitra.
Paoly anefa milaza fa manomeza amin\'ny fonao madio.
Manazava ny olona fa raha tsy terena andoha io 1/10 io ny olona izany hoe aterina ho fanasoavana ny fiangonana ny 1/10 karamanao miampy ny rakitra izay foinao.Ny antsika anefa be adidy ka ahoana ny fipetrany raha ohatra ka maro ny fianakaviana mahan tra mila vonjy dia omenao koa,kanefa ny tena toa terena andoha ilay 1/10? Azavao aho fa sahirana ny saiko satria aho tsy mbola zatra izany 1/10 izany, manome izay fantatro aho ary izaho aza mba faly nahafoy kanefa toa tsy ampy.
novalian'i niryna ny 05/01/2007 16:30
2. ikaretsaka ( 10/12/2006 23:27)
Izay no tsy maha baibolista ahy... tsy hoe voasoratra ao io de ampiharina be amin'izao.. Ny ahy dia ny conscience ko no mitondra an'io, ny foko sy ny saiko no manoa hoe mety izay na tsy ampy izay fa tsy asiako reference ary sy atsy izany
3. ikaretsaka ( 10/12/2006 23:41)
aoka samy tena hieritreritra sy handanjalanja lalina sy haka ny logiquen'ny Soratra masina vao mandray fanapahankevitra, fa tsy haka ny toko sy andininy vitsivitsy ao @ baiboly fotsiny ka ho tratran'ny fanahy mpamitaka sy diso lalana
4. maliang ( 11/12/2006 05:44)
tena ara-baiboly ny ampahafolon-karena , Andriamanitra mihintsy no niteny hoe :"entonareo ny fahafolon-karena rehetra ho ao min'ny trano firaketako, mba hasian-kanina ao an-tranoko, ary izahao toetra amin'izany Aho , hoy Jehovah tompon'ny maro raha tsy hovohako ny varavaran'ny lanitra ho anareo ka hampidinako fitahiana manana amby ampy ho anareo " @ alalan'ny ampahafolon-karena no hitahin'Andriamanitra izay mankato azy hoy koa Izy hoe : " iza no hanome ahy mba hanomezako azy?" io no secretn'ny fitahiana ary izany fitahiana izay dia tsy voatery vola na fiara na trano fa @ zavatra ehetra toy ny fahasalamana , ny fahavokarana , fiadanana , filaminan'tsina sns . Ny tena zava-dehibe dia ianao mankato ny tenin'Andriamanitra , tsy natao ampiasaina ao am-piangonana ny apahafolon-karena fa natao ho an'ny Mpitandrina , ary afaka mitaky @ Andriamaintra mihintsy ianao @ fotona tena ilanao azy hoe : efa nanome ny apahafolony ho Anao aho dia aiza amin'izay ny fitahina nampamantenanao ary afaka mizaha toetra Azy amin'izany ianao
5. malalatinasoa ( 11/12/2006 06:01)
Manomeza izay vokatry ny fo fa tsy terena.
6. Fiffi ( 11/12/2006 06:36)
niryna:
nisy fiangonana iray nanangona vola, volamena sy ny rojon\'ny olona tao am-piangonana.Rehefa votom-pinoana ny olona dia naname ity pasitera ny harena izay natao hoe am-pahafolon- karena.Kanjo lasa nandositra ity pasitera ary nahazo fiara tsaratarehy.Nikatona ilay fiangonana taty aoriana
:-w:-w:-w


7. moi ( 11/12/2006 07:46)
Amin'ny teny tsotra no mba hilazako hoe Atolory an'Atra aloha ny tenanao, fa izay no tena tokony ho vita ; rehefa avy eo mihoatra ny ampahafolony aza no tianao atolotra.
Vola very na "domiko tapany andoa erany" ny anao raha tsy ao aloha izay !
8. Fiffi ( 11/12/2006 07:57)
niryna:
Mandeha miangona ny tena dia manao adidy ary rehefa tonga ny fety dia maro midangana be ny adidy ka tafiditra eo koa moa izany ny fanaovana akanjo vao fa ho eny amin\'ny alitara hanatitra vola.
tsy aiko fa hoe andeha hiangona ve de ny fikanjoan'ny olona no jerena ? :-w:-w


9. caprio ( 11/12/2006 11:23)
Rehefa manome enao dia tsy mieritseritra intsony we nahazo fiara i pastera ,fa ny anjaranao dia ny manome izay voalazan'Atra ary raha misy manambaka hianao @izany dia tsarovy fa eo anatrehan'Atra dia efa nanome hianao fa anjaran'Atra ny sisa,ary za dia mihaino vavan'olona intsony rehefa miaraka @Atra.Koa apetrako ny fanotaniana we ny pasitera ve tsy mahazo mividy fiara mintsy fa raha mividy izy dia we volam-piangonana eee zao eee makatsy eee makaroa eee?ary tsarovy fa fahotana ho anao ny miheritseritra an-zany fa esory ao an-tsaina zany raha tsy manana porofo mazava hianao.
10. caprio ( 11/12/2006 11:27)
Ikaretsaka:nareo angamba ilay kamo mamaky baiboly satria lava loatra ny voasoratra ao dia izay no mahatonga anareo hilaza we tsy baibolista na koa ilay mahatsiaro voatsindrona foana refa torina teny dia milaza fa we tsy baibolista,kanefa asa kaloa fa eritseritra ny ahy iny:?::?::?::?::?::?:
11. caprio ( 11/12/2006 11:29)
fanitsiana kely:ary (aza)mihaino.........
12. Achia ( 11/12/2006 13:37)
:-D:-D:-D:-D caprio
13. xxx ( 11/12/2006 15:23)
Hoy ilay olombelona iray :

"Ny ahy dia ny conscience ko no mitondra an'io,"

fa tsy voatery hoe izay titian'ise ka mifanarakaraka @ izay conscience 'BE' ananan'ise akory ny tena tian'ny Baiboly (izay tsy tian'ise arahana) ambara amin'ise.

Ary aza adino fa ny fihevitr'Andriamanitra dia mifanohitra amin'ny fihevitry ny olona izay mbola tsy miala @ ratsy fa manota isak'izay mahatsiaro.

"ny fihevitro tsy fihevitrareo" hoy Izy.

Farany momba ny 1/10 harena, tsy ny fandoavana fahafolo-karena akory no hidirantsika ny fanjakan'ny lanitra ka na mahaloa an'io aza ianao ka lasa any @ afobe iany rehefa avy eo. dia inona fotsiny?
14. Rasiligaoma ( 11/12/2006 16:07)
aoka samy tena hieritreritra sy handanjalanja lalina sy haka ny logiquen'ny Soratra masina vao mandray fanapahankevitra, fa tsy haka ny toko sy andininy vitsivitsy ao @ baiboly fotsiny ka ho tratran'ny fanahy mpamitaka sy diso lalana




fa tsy voatery hoe izay titian'ise ka mifanarakaraka @ izay conscience 'BE' ananan'ise akory ny tena tian'ny Baiboly (izay tsy tian'ise arahana) ambara amin'ise.


dia ahoana ihany e.. inona ihany izany no tena tiany?
15. xxx ( 11/12/2006 17:18)
Izao no lazainy:

Fa fahafatesana no tambin'ny ota; ary fiainana mandrakizay no fanomezam-pahasoavana avy amin'Andriamanitra ao amin'i Kristy Jesosy Tompontsika.

Ho an'izay mahay teny anglisy.

For the wages of sin is death; but the GIFT OF GOD IS ETERNAL LIFE through Jesus Christ our Lord”
16. Rasiligaoma ( 11/12/2006 17:23)
Rakitra ange no resaka ato tompoko fa sao hors sujet indray nareo e
17. xxx ( 11/12/2006 18:17)
Tsy hors sujet satria:

Ny rakitra tompoko dia zavatra atolotsika ho an Andriamanitra.

Kanefa fantaro fa Andrimanitra dia nanolotra zavatra ho anao koa? ary Izy no nanolotra izany talohanao!!!

arak io voalaza eo ambony io:
>>> "fanomezam-pahasoavana" na "Gift". dia ilay fianana mandrakizay ao amin'i Jesosy kristy Zanany.

Ka raha isika aza tsy mandray io fanomezana avy aminy io , dia mihevitra ve isika fa misy dikany ny rakitra ataontsika??

18. Rasiligaoma ( 11/12/2006 19:01)
izany hoe ampaha folon'ny fananan'i jesosy koa izany ny fanomezan-pahasoavana dia izay ny nahatonga ilay hoe 1/10?
19. xxx ( 11/12/2006 19:21)
fianana mandrakizay no natolotr'Andriamnitra ho an izay manaiky handray izany ao @ Jesosy Kristy.
tsy misy resaka fananana (vola, etc..) sy am-pafolony ntsony zany mandrakizay zany.
20. Rasiligaoma ( 11/12/2006 19:27)
ko ny voasoratra io ambony io hoe 1/10 ko.. sady ao anaty baiboly io an
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.5445