Rakitra (fanatitra) sy ny am-pahafolon-karena. Azavao.

41. dailynews ( 14/12/2006 15:13)
Raha te hahita ny voninahitr Atra ao anaty ny teniny dia raiso @ Teniny Izy.

Raha nilaza Izy hoe hanasitrana, hanome fitahiana tsy takatry ny saina raha manao fahafolonkarena, hamaly vavaka sns....dia tazomy iny teniny iny rehefa mivavaka fa izay ilay finoana. Finoana izay lazainy fa tsy hoe finoana ny fisiany fotsiny(na ny devoly aza nino ihany koa hoy ny TA)

I Petera, teny ambony lakana raha nahita an i Jesoa niantso azy hoe "manantona"(matio 14:29) dia nino ny teniny. Tsy mila nino ny fisian i Jesoa intsony izy fa efa zavatra misy iny), fa nino ny zavatra nolazainy izy hoe "manantona" . Koa na dia inona na inona fitranga-javatra nanodidina azy hoe rano be ity ary tokony hilentika izy..tsy ny rano sy ny filentehana no ninoany fa ny tenin i Jesao hoe " manantona". Ary rehefa nino ny tenin i Jesoa izy dia niseho ny voninahitr Atra.
Koa raha te hahita ny voninahitr 'Atra anaty ny fahafolonkarena sns ihany koa dia na inona na inona zavatra manodidina dia ny teniny hinoana hoe: " ataovy izany ary hampahitako fitahiana ianao"( hafoheziko fotsiny io fa afaka jerena ao @ Malak 3:10-12)

Izay ilay finoana mampihetsika ny fon Atra. Fa tsy milaza foana hoe mino an Atra aho anefa ny zavatra rehetra lazainy zara raha hinoako.
42. dailynews ( 14/12/2006 15:17)
fanazavana: na ny devoly aza nino ny fisiany koa fa tsy hoe nino ihany koa. azafady.
43. Rasiligaoma ( 14/12/2006 15:20)
ka amin'ny saina tsy miangatra tokoa...
fa maninona no 1/10 fa tsy izy manontolo r'ianona?
dia misy mahavita ve?
ny ahy aloha dia tsoriko fa miovaova e...
dia ny ahy koa tsy voatery hoe vola io fananana io fa izay rehetra "ananana"
Herim-po, fahafoizan-tena.
Androany aho mety 100% no omeko, rahampitso 0%, araakaraka ny ilana azy io amiko fa tsy hamorona ny tsy misy
44. dailynews ( 14/12/2006 15:36)
rasiligaoma> satria Izy nilaza hoe "entonareo ny ampahafolonkarena..." dia izay no ataoko fara fahakeliny, raha manome betsaka kokoa dia tsara izany raha manana amboniny kokoa omena.

ny hoe izay rehetra ananana. dia izao no mba takatry ny saiko @ ilay izy.


ny 1/10 ny karamako no homeko satria avy @ iny no hahazoako izay rehetra vidiako ao antrano, noho izany dia izay rehetra ananako ao antrano izany dia efa tafiditra anatin iny 1/10 ny karama iny koa tsy mila manao inventaire ny ao antrano intsony aho(h@ volamena sns.. izany)

fa raha kosa aho nahazo vola kado tany @ olona izay tsy tao anatin ny karamako izay efa nomeko dia ny 1/10 n iny indray no alefako. asa aloha fa izay no fanaoko.

dia raha kado tsy vola indray dia tsoriko fa tsy haiko... h@ izao aloha aho tsy nanome satria tsy hitako hoe omena @ fomba ahoana...ilay izy kado tsinona ary tsy fantatro ny vidiny sa tsy te hahafanatra aho??(mbola mila mianatra e..asa raha misy afaka manazava izany)



45. Rasiligaoma ( 14/12/2006 16:10)
dailynews:

rasiligaoma> satria Izy nilaza hoe "entonareo ny ampahafolonkarena..."


ka voatery ho
vola moa izany io harena io?
misy manko ny haren-tsaina, ny harem-panahy, ny harem-batana ..
betsaka e
46. Fiffi ( 14/12/2006 16:18)

Hoy Jesoa : "Izay hataonareo @ ireny madinika ireny de hataonareo amiko"

-Nga voatery hoe rakitra 1/10 no tsy maintsy omena ?
-Raha ohatra ve ka afaka manomé an'le 1/10 , tsy aleo ve zarazaraina io ? @ zay mahazo ny fiangonana , mahazo ny mahantra , na manampy ny karitasy sns.....?
47. Rasiligaoma ( 14/12/2006 17:43)
dia raha tsy manambola fa harena hafa dia sy mety izany?
48. Fiffi ( 14/12/2006 17:56)
Rasiligaoma:
dia raha tsy manambola fa harena hafa dia sy mety izany?
Moa ve tsy zay zavatra hatao @ fo no tena mavesa-danja ?

Ny harena tena hitako hoe ambony indrindra angamba de ny fanompoana an'Andriamanitra....ny finoana , ny fivavahana.....matériel zany vola zany amiko.

De ahoana zany ny olona tsy manam-bola na harena afatsin'ny fony ? Ny fony no tena harena amiko .


49. Rasiligaoma ( 14/12/2006 18:33)
izay manko ange e
50. dailynews ( 14/12/2006 18:44)
rasiligaoma>
t@ andron i abrahama, raha nanome izy dia ny zavatra rehetra nananany no natolony(Gen 14:16-20). Nanolotra izany izy satria tsy mbola nisy ny vola.

Fa ankehitriny izao. Ny zavatra rehetra izay hananako dia novidian ny volako. Donc, efa tafiditra anaty ny karamako izany ilay izy. Satria ny 10 % ny karamako efa nomeko ary tao @ 90% ny karamako sisa ireo zavatra ireo no novidiko izany hoe efa tafiala izany ny vidin ny zavatra hananako.

Misy anefa ny mpamboly izay reko tany mada fa tsy nanana hafa tsy ny vokatra tao aminy izy dia iny vokatra iny no nomeny. No problem.. raha ny tena marina anie, ilay izy ilay fanaovana ny sitrapon Atra eo anatrehan io no tena zava dehibe fa tsy hoe vola sa harena. Raha tsy hainao ny manao azy vola dia ataovy harena izany...( izaho manokana aloha tsy haiko hoe harena @ ahoana iandrindra @ izao vaninandro hiainantsika izao..)
51. dailynews ( 14/12/2006 18:49)
Nony t@ andron i Jesoa efa nisy ny vola dia nivadika vola indray ny homena an Atra (ilay t@ resaka izy nitana ilay vola farantsa, ary hoy izy omeo an i kasisara izay an i kaisara ary omeo an Atra izay an Atra)
52. Rasiligaoma ( 14/12/2006 19:35)
dailynews:
Fa ankehitriny izao. Ny zavatra rehetra izay hananako dia novidian ny volako.

Hay ve?:oops::?:
ny sainao koa?
53. pissoa ( 14/12/2006 19:46)
:lol:
54. xxx ( 14/12/2006 20:56)
'Zany koa de hiadivana hevitra be eto hoe vola sa harena. Izao fotsiny atao. Hifonay ny tsy vita fa fahotana hono satria fandrobana na fangalarana an Atra ilay tsy nanome. Ary manomboka izao fotsiny dia alao @ karamanao de zay de vita, raha harena moa ny tian'i siligoma de ataovy zay mety ao ary..aza atao siligoma be dia be fotsiny fa sao marary andoha pasitera mitsako azy. :-*:-*:-*:-*
55. pissoa ( 14/12/2006 21:03)
xxx toa mbola maneho hevitsa iany nefa oe io koa de hiadiana hevitra :-D:-D:-D
56. xxx ( 14/12/2006 21:06)
Ka mba inona aza no lazain i pissoa e. Isaky ny hitako dia toa mitsikanikany fotsiny no ataonao fa tsy mba miditra lalina @ hevitra izay misy. :roll::roll:
57. pissoa ( 14/12/2006 21:14)
Ary xxx zany laozany mandinindinika anah fotsiny kou :-D:-D:-D

Ny hevitro : Vakio ze nolazain'i Rasiligaoma sy Ika. Tsy mila averina adikako ngambany reny :-D

Ny Kristianina : tsy voefehin'ny 1/10 na 1/25 sy ny bla bla hafa izy. Vao mifoha izy ny maraina dia ny androny, ny asany, ny tenany iray manontolo no atolony an'Andriamanitra fa tsy ny 1/10 na ny 1/25. Raha tsy afaka manolotra ny 1/10 izy amin'ny fandraisan-karama, dia tsy marary ny fony na ny sainy fa efa fantany fa izy iray manontolo no an'i Kristy. :lol:

Happy? :-D:-D:-D
58. xxx ( 14/12/2006 21:16)
Zay akay. Anjarako indray izao no mihomehy. :-D:-D:-D
59. pissoa ( 14/12/2006 21:19)
Fa za refa matotra be de manao xxx otsan'ny toi de tsy kobo ka ... :-D:-D:-D

Oops - no need to justify myself anyway. :-P:-D:-D:-D
60. xxx ( 14/12/2006 21:21)
zany an
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.5975