Rakitra (fanatitra) sy ny am-pahafolon-karena. Azavao.

81. ikaretsaka ( 16/12/2006 22:36)
mety ho izay..
io ilay hoe omena an-drapasy izay an-drapasy izany dia an'i razezo izay an'i razezo e
82. soanja ( 17/12/2006 03:16)
pissoa:

Dia ahoana hono no hanomezan'ny mpitandrina azy an'Andriamanitra, Ankoatra ny hoe fanaovana soa sy ny karazana rakitra ? Sa atao an'le oe atsipy eny ambony dia alain'Andriamanitra izay ilainy dia ny ambiny an'ny mpitandrina ? :roll::-D


Tsara petraka be ity fanontaniana ity.


83. niryna ( 17/12/2006 12:25)
Ny fahalalako azy dia izay kely anana no ahiratra. Jesosy tao am-piangonana nijery ireo nanao fanatitra ka rehefa nanantona ity vavy mahantra dia vola kely kanefa betsaka ho azy no nomeny an'i jesosy.Io vehivavy io no manana rakitra betsaka any an-danitra noho ilay mpanan- karena izay sombitsobiny no nomeny.Ny 1/10 ny tsirairay dia mitovy daholo araka ny fidiram-bola io.Mbola tsy madio ny fo-tsika ka tsy mahafoy isika.Rehefa dinihiko ilay izy dia na manana na tsia rehefa tonga ilay fahafantesana samy tsy mahazaka koa tsy aleo ve hanaovan-tsoa.Aleo hono manome noho ny mandray.Raha tahaka ahy manokana aloha dia efa tia mizara aho na zavatra na hevitra rehefa mety mahasoa dia tsy tapaka ny manome aho.Raha misy fianakaviana mahantra mangataka amiko ka manana aho dia tsy mandry ny saiko ny tsy hanome an'iny.Marina fa fitenin'ny olona sasany ny mangata-dava fa mba tsy fidiny ho azy ny mila vonjy.
84. soanja ( 19/12/2006 07:09)
Ka raha io resahinao io indray ry Niryna dia mino aho fa efa manao daholo ny rehetra ary bteaka ny manome mihoatra ny 1/10 fa ny tena olana mipetraka eto (hevitra) angamba dia ny hoe maninona no tsy maintsy omena an'ilay pasitera le vola sa ve diso aho satria izay le takian'i bible hono. Nefa ny rakitra miditra impiry any ampiangonana ankoatran'io.
85. Rasiligaoma ( 19/12/2006 15:06)
ilay omena an'i pasitera (tsy maintsy) no
TSY OUI amiko
86. pissoa ( 19/12/2006 20:30)
Hatraty io fa mbola miandry valin'ny fanontaniana :-D
87. ikaretsaka ( 20/12/2006 05:50)
hatraty io tsy oui io!
ny ahy tsotra ihany e...
tsy izay voalaza ao anaty baiboly ka nataoko sy tsy nataoko ihany no hitsarana ahy fa ny zavatra nataoko rehetra na ny ao anaty baiboly na ny tsy ao
88. Fiffi ( 20/12/2006 07:58)
ikaretsaka:

tsy izay voalaza ao anaty baiboly ka nataoko sy tsy nataoko ihany no hitsarana ahy fa ny zavatra nataoko rehetra na ny ao anaty baiboly na ny tsy ao
ekena !


89. soanja ( 21/12/2006 03:00)
ikaretsaka:

hatraty io tsy oui io!
ny ahy tsotra ihany e...
tsy izay voalaza ao anaty baiboly ka nataoko sy tsy nataoko ihany no hitsarana ahy fa ny zavatra nataoko rehetra na ny ao anaty baiboly na ny tsy ao


=D=D=D=D=D=D=D




90. ikaretsaka ( 23/12/2006 03:04)
ny fanontanian'i pissoa tsy nisy namaly hatramin'izao
aiza ry maliang sy ry dailynews hamalu
91. niryna ( 23/12/2006 05:47)
Valiako ary ny tenin\'i pissoua e.Ny rakitra dia tsy an\'ny pasitera,misy fiangonana kely tsy mahatakatra sinoda izy dia izy no mivelona amin\'ny rakitra.kely io ary efa nahita izany aho ka isan\'andro mivavaka izy mianakavy mba hisy olona hanampy.Izany no mahatonga ny hoe aza manahy ny am-pitso,misy olona foana manatitra vary na voanjo na izay ilaina ilay mpitandrina.Ny fiangonana lehibe ka efa ampy ny eo am-pelantanany sy manana sinoda izy dia io sinoda io ihany no manome karama ny pasitera,ny vola dia natao hanampiana ny mahantra, hitetezana ny toerana mbola tsy misy mpivavaka izay no mahatonga ny teny hoe mpampiely baiboly, mpanao mission, evanjelista, mandefa baiboly any amin\'ny toerana mahantra, toy ny afrika,manao fiangonana any amin\'ireny firenena ireny sy toby fahasalamana, fanasitranana,feno any india,ireo karana izay tsy mino an\'Atra ireo, manana toby ny fiangonana matanjaka mitsabo maimaipoana ny mahantra.Izay vola hohanin\'ny pasitera aty an-jorony tsy nataony fanitarana na fanatsarana ny fampielezana ny baiboly dia azy sy A/tra no mifampitana.
92. ikaretsaka ( 23/12/2006 13:30)
ka izay..
1)tsy voatery ho vola izany ilay izy ary tsy voatery ny 1/10, azo atao vary sns
93. pissoa ( 23/12/2006 20:30)
Niryna : samy manaiky ny fanaovana asa soa sns anie e ! Fa ilay hoe
Ny ampahafolon-karena dia tsy ny fanaovana asa soa , na fanomezana ho an'ny mahantra fa natokana mihintsy ho an'Andriamanitra omena ny Mpitandrina , tsy omena izay tianao omena azy koa fa ny mpitandrina ny fiangonanay na tianao izy na tsy

no anontaniana e !

Ny voalaza eo dia hoe tsy natao hanaovana soa io 1/10 io, tsy natao omena ny mahantra, fa omena an'Andriamanitra. HOW ? :{:-D
94. ikaretsaka ( 23/12/2006 20:44)
niryna koa ange rehefa mamaly fanontaniana de tia miodikodina be eo fotsiny de tsy hay intsony ny tianao ahatongavana e
95. prime ( 03/01/2007 10:21)
pissoa> how? hoy ianao... mpanompon\'Andriamanitra ilay Pasitera na ilay Pretra na ilay Presbytera ary efa voahosotra ho amin\'izany ka ny fiainany rehetra dia efa an\'Andriamanitra sy ny fanompoana Azy rahateo izany hoe ny fanomezana an\'Andriamanitra ilay anjarany dia ny fiantohana ny fiveloman\'ilay mpanompon\'Andriamanitra : ny valin-kasasarany (mba tsy itenenana hoe karama), ny kojakojam-piainany (sakafo, jiro sy rano, kitay sy afo...), ny fiveloman\'ny tokantranony (vady aman-janaka eo amin\'ny fianarana, fitaizàna ...sns...)...

Misy fanamarihana kosa nefa, fa ny voaangona avy amin\'ny 1/10\'n-karena tsy natao ho an\'ny Mpitandrina izany fotsiny avokoa fa ao anatiny koa ny fitsinjovana ny fiainam-piangonana andavanandro (adidy, asa fitoriana filazantsara, fikojakojàna isankarazany...)
96. pissoa ( 03/01/2007 14:59)
Fiainan'ny fiangonana andavan'andro ny fiahiana ny Pasitera, Pretra sns ka. Ary na ny vola laninao hikarakarana ny tenanao koa aza dia lasan'Andriamanitra raha izany resaka jiro sy rano sy savony, sakafo sns izany no antsoina amin'ny hoe omena an'Andriamanitra. Ny vola hanaovanao soa dia lasan'Andriamanitra daholo ... sa tsy maintsy atao "via pasitera" ny fanomezana azy ?

Dia ny Pasitera izany tsy mandoha 1/10 satria efa omena azy ihany izay omen'ny be sy ny bobaka e ! Sao mba "Mpitari-bato vilam-bava" no fiantsoana an'izany fa tsy Pasitera :-D:-D:-D

Fanamarihana fa sao ataon'i Prime otran'ny ary ambadika eo indray ny teniko :
Izaho tsy miteny hoe aza manome an ! Na dia hanome 200% amin'ny fiainana aza, vao maika tsara. Ny tsy iombonako hevitra kosa dia ny hanaovana ny olona hoe "Tsy maintsy omena ny pasitera fa rah tsy izany tsy tahian'Andriamanitra" ... Jereo ao ambony ao io fa misy soratra toy izany ao. bla bla bla :-D
97. mimich ( 03/01/2007 15:44)
Amiko manokana aloha ny Baiboly dia tsy azo raisina ara-bakiteny , ary tsy hadalana akory ny fisianan'ny teolojianina izay nandalina manokana momba azy io, ary na ny pasitera sy ny mompera izay mitory teny sy natao ho mpitarika ny kristianina aza dia mbola mianatra an-tanonany maro mikasika azy io izay vao afaka manatanteraka ny asa fitoriana ataony.Porofon'izany toa mbola tsy nahita fitakiana 1/10 fananana aloha aho amin'ireo fiangonana manana mpitandrina nanaraka ara-dalana io fiofanana io. Matoa misy ny fijerena io dia amin'ilay fiangonana kely nisitaka ka manindraindra ny am-pahany ao amin'ny Baiboly ho entina manangona olona. Zany hoe olona tsy dia nahazo fiofanana loatra mikasika ny teolojia , na nahazo foiofanana ihany fa nisitaka tamin'ny fiangonana nisy azy de manipuler -ny zavatra hainy hambaboana ny olona hiaraka aminy. Noho iznay efa misy hevitra ambadika izany.
Mikasika ilay 1/10 indray dia izay:
"Izay tia mahafoy" (mahafoy aina, vola, harena fananana,andro sns ) fa tsy voafetra ho 1/10 koa , satria mety misy ny mahafoy be lavitra noho io, ary izay manolotra an-kafaliana no sitrak'Andriamanitra", ka na tsy ampy am-pahafolony aza no atolotra ka atao an-kafaliana de zay no zava-dehibe , fa tsy ilay voatery manome 1/10 nefa tsy sitraky ny fo akory ka lasa mampidi-pahotana ho anao indray.
98. ikaretsaka ( 04/01/2007 07:16)
mimich> voalazanao daholo ry namana.. tsy misy azo hanampiana intsony
99. prime ( 04/01/2007 10:43)
pissoa> hihihi... Tsy voatery ho via Pastera kosa aloha na Pretra fa ny Fiangonana anie no anolorana azy dia ny Fiangonana manolotra azy an\'Andriamanitra izay vao ampiasaina ilay izy e... ny fampiasàna azy rehefa avy eo no tena fiantraikany mivantana amin\'Andriamanitra satria tsarovy fa Kristy no Lohan\'ny Fiangonana ary ny Fiangonana no vatana sy rantsan\'i Kristy...

Ny hoe vola anaovana soa dia lasan\'Andriamanitra daholo, ka tsy maninona izany fa ilay soa heverina hatao moa ho an\'iza tsy ho an\'Andriamanitra koa? ka na lasany na anaovana soa samy asan\'Andriamanitra avokoa ka maninona moa...

Ny Mpitandrina sy ny Pretra sy ny mpitondra fivavahana dia mandray anjara feno amin\'ny am-pahafolony mihitsy... mandoa rakitra izy ireny, manao voady, manao vokatra, mandoa adidy, mandray anjara feno amin\'ny fampandrosoana rehetra... fa toa tsy nisy niteny tao ry pissoa an hoe tsy mandoa ny mpitondra fivavahana...

pissoa:
Ny tsy iombonako hevitra kosa dia ny hanaovana ny olona hoe \"Tsy maintsy omena ny pasitera fa rah tsy izany tsy tahian\'Andriamanitra\" ...
... raha izany tokoa no voalaza ao ambony ao dia tsy ampy ny tian\'ilay olona ambara, ary marina ny ambaranao izay no nanaovako fanamarihana io ambony io hoe :
aho:
Misy fanamarihana kosa nefa, fa ny voaangona avy amin\'ny 1/10\'n-karena tsy natao ho an\'ny Mpitandrina izany fotsiny avokoa fa ao anatiny koa ny fitsinjovana ny fiainam-piangonana andavanandro (adidy, asa fitoriana filazantsara, fikojakojàna isankarazany...)
... ka ny fitahian\'Andriamanitra tsy hoe avy amin\'ilay fanomezana an\'ilay Pasitera na tsia na koa hoe fanomezana betsaka na tsia fa avy amin\'ny fo manolotra an\'Andriamanitra araka izay ananana sy tena atolotra tanteraka \"... tsy amin\'ny fimonomononana...\" toy ireo voalaza eo ambony ireo...
100. pissoa ( 04/01/2007 13:51)
Hihihi, mitovy hevitra kay tsika sy Prime tamin'iny fa tsy hitan'i Prime fotsiny ilay olona novaliako :-D:-D:-D

Ito le izy, dia io no novaliako teo.
maliang:

Ny ampahafolon-karena dia tsy ny fanaovana asa soa , na fanomezana ho an'ny mahantra fa natokana mihintsy ho an'Andriamanitra omena ny Mpitandrina , tsy omena izay tianao omena azy koa fa ny mpitandrina ny fiangonanay na tianao izy na tsy , Ny tsy fandohavana ny 1/10 ho an'Andriamanitra dia mitondra ozona eo @ fiainana'ny olona izay mahalala ny tenin'Andriamanitra nefa tsy mankato izany satria mandroba an'Andriamanitra oh hoe : mahazo vola betsaka ianao nefa tsy mahangona mihintsy , na koa hoe na dia manana ny zavatra rehetra aza dia tsy manam-pifaliana sns...
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.4599