Rakitra (fanatitra) sy ny am-pahafolon-karena. Azavao.

101. niryna ( 04/01/2007 16:58)
Misy olona nandalina ny teolojia ary misy tsy nianatra fa tonga dia voa-antso ho mpitandrina,mahita olona mihoatra ny roa aho no nantsoina ary olona folo mpiangona tao aminy ka amin\'izao feno hipoka ny fiangonana.Tsy manodikodina valiny aho ry ika fa manome porofo foana vao miteny ka izay no tsy amaliako azy mivantana.Ny zavatra fantatra sy hitan\'ny masoko kosa aloha na mpitandrina aza izy dia manome ny 1/10 koa ary efa noteneniko io hoe ahoana no anomezany azy an\'Atra?
Mitovy ny fitenin\'ny namana maro,fanampiana, fanaovana misionera, fitorian-teny,famangiana olona marary, ny eny am-ponja, sekoly alahady,na ny zava-baovao fotsiny aza dia mila vola daholo.Ny any an-dafy izao tsy mila mitondra fihirana intsony ny olona fa efa misy ecran-lehibe ka mamaky tonony fotsiny sy mamaky soratra masina eo.Vola daholo izany satria mila ordinateur koa
102. niryna ( 05/01/2007 16:30)
Izay hafafy no ho jinjaina.Tsy ny % no jerena fa ny fonao manolotro.Mety tsy tianao ny teny hoe omeo ny 10% kanefa afaka manome mihoatra an\'io ianao.Tadidio fa ny fananantsika rehetra na ny ain-tsika aza dia avy amin\'Atra daholo.Jesosy nilaza fa ny fananan\'ilay vehivavy mahantra dia nomeny azy daholo 100% izany, nanontany koa ity mpanankarena ny fomba ahatongavany any an-danitra sy ny aha-voavonjy azy.Hoy Jesosy hoe amidio daholo ny fanananao dia omeo ny mahantra 100% no notakiany,izy tsy niteny hoe omeo ahy.NY mpino rehetra dia nivarotra ny fananany ary nanatitra azy teo amn\'i Paoly ho hiombonana 50%,ary raha tonga ity mpivady izay avy nivarotra ny fananany ka nanafina ny ampahany 50% ahoana hoy Paoly taminy? Ny zavatra namidinao moa tsy fanananao daholo? nahoana ianao no mandainga ary dia nozonony ilay olona ka maty teo, vao niditra koa ity vadiny dia nitovy ny tenin\'ity rangahy vadiny no noteniny ary dia voahozina koa izy ka nitsitra teo.Ny fomba fiteny ny faha-folo dia zavatra entina hanentanana ny tsirairay fa afaka manome mihoatra ny hanananao ianao satria mitovy daholo ny am-pahany ho an\'ny mahantra na mpanan-karena.Manangona ny tso-dranonao any an-danitra ianao satria na iray aza tsy hitondra vola hiala eto.Izay kely hananana no ahiratra.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2332