Rakitra (fanatitra) sy ny am-pahafolon-karena. Azavao.

61. pissoa ( 14/12/2006 21:23)
zany tokoa ^^^^^^:-D
62. ikaretsaka ( 15/12/2006 01:09)
Ny Kristianina : tsy voefehin'ny 1/10 na 1/25 sy ny bla bla hafa izy. Vao mifoha izy ny maraina dia ny androny, ny asany, ny tenany iray manontolo no atolony an'Andriamanitra fa tsy ny 1/10 na ny 1/25. Raha tsy afaka manolotra ny 1/10 izy amin'ny fandraisan-karama, dia tsy marary ny fony na ny sainyno omeko fa efa fantany fa izy iray manontolo no an'i Kristy.


Izay indrindra! =D fa tsy handeha mbola hivaky loha hoe ny 1/10 n'ny "siligaomako" na ny 1/10 ny "dailynews-ko" no omeko
63. prime ( 15/12/2006 14:24)
Amin\'ny finoana no anolorana dia amin\'ny finoana koa no andraisana... i Kristy efa nanome maimaim-poana ny ràny sy ny tenany ary fanjakàny ho an\'ny mpino ka izay fahafolon\'ny harena marobe tsy hita pesimpesenina omeny ve dia tsy ho foy?

Marihina fotsiny fa ny olona efa mivelona amin\'ny finoana sy ny fitiavana an\'Andriamanitra no afaka maneho voady na tolotra na vokatra ho an\'Andriamanitra... ka tsy lalàna tsy maintsy hataon\'ny mpino ny fahafolon-karena fa fankasitrahana ny fahasoavan\'Andriamanitra vitany tamin\'ilay mpino ihany... ny ankasitrahan\'Andriamanitra dia ilay manome amin\'ny fo sy betsaka tsy araka ny habetsahan\'ny harena araka ny besinimaro fa araka ny fananan\'ny tsirairay, toy ilay vehivavy mananon-tena nanolotra izay nananany iray manontolo tao an-tempoly ka nankasitrahan\'i Jesosy manokana noho ny finoany sy ny fitiavany an\'Andriamanitra...
64. niryna ( 15/12/2006 16:08)
Misaotra antsika rehetra nilaza ny fomba fankasitrahana an\'Atra. Fiteny ny hoe tsy mampaninona ny samy mpanankarena ny mifanome samy izy,fa mankarary azy kosa ny manome ny mahantra.Misy olona manankarena ny manome hevitra hoy izy no ataovy( ao ambadika izany hoe ny volako tsy omeko) Tsy maninona izany ,tsy anjaran-tsika no mitsara hoy aho.Rehefa nomena maimai-poana ianao dia misokatra moramora foana ny fonao manome koa.Rehefa tsy manana izay fitiavana izay anie ka na ariary aza mankarary e.Izaho im-piry taloha novery volamena,kavina ,sns narary mihitsy ny tenako.Taty aoriana aho efa niova fo ka tsy ataoko mankarary na ny fo na ny andohako intsony izay olana misy,manana fahatokisana an\'i jesosy aho ary tsy ho hadinoko mihitsy ny teny fanomezan-toky ahy fa homba ahy mandrakariva izy.Mbola tsy namaky baiboly aho dia efa nahazo an\'io,ka maika fa izao.Ny foko no omeko azy tanteraka ary manaraka ho azy ny hareko izay avy aminy ihany fa tsy misy hoentiko ireo na iray aza ,izay kely hananako no ahiratro sy hiderako azy.Vitako io e
65. dailynews ( 15/12/2006 16:14)
tsy hitako intsony izay lazaina fa dia ireo izy ireo. Fa dia masiaka be i rasiligaoma an.....:D:D njekako...
66. pissoa ( 15/12/2006 16:18)
Mba nanontany fotsiny kosa izy e ! Saika nantaniko io oe
ny sainao koa?
io fa izy no nantany alou ... Nefa tsy novalian'i DN akory :oops::lol:
67. dailynews ( 15/12/2006 16:27)
tsy misy tokony ho valiana @ fanontaniana tahaka izany aky pissoa a. mifidy ny zavatra valiako sy tsy valiako aho fa raha tsy mampandroso dia tsy tokony ho valiana akory sa...??? samy manana ny safidiny tsinona anie e... ary rehefa tsy mandresy lahatra ahy ny hamaly azy dia ataoko fa tsy misy tokony hiresahiko intsony fa ampy ny efa voalaza. raha betsaka loatra manjary mivoana indray tsinona kah..
68. pissoa ( 15/12/2006 16:35)
Ny marina kokoa dia efa hay ny valiny : TSIA :lol: fa tsy resaka safidy bla bla bla io ... Raha ENY ny valiny dia inoako fa tonga dia noteneninao hatramin'ny maribola mihitsy fa $(something) ny vola nalohanao nazahoanao ny sainao.

Noho izany tsy voafehin'ny 1/(whatever) io ! Ka atolotra sa tsia ? Dia 1/10 tokoa ve ilay atolotra sa tsia ? Sao kely noho 1/10 raha tsy atolotra ara-dalana ny coco be mandende ka mande direkta any amy afobe (:°):-D:-D:-D) Sa ny vola ihany fa ny tsy vola tsy atolotra ? :roll:
69. dailynews ( 15/12/2006 16:50)
saina, fo sy ny fanahy, fotoana, ary ny vatana koa aky atolotra a.( Rom 12:1-2)(l)
70. dailynews ( 15/12/2006 16:53)
ny vatana : satria ny vatan ny mpino dia tempolin ny Fanahy Masina. (fanazavana fanampiny miampy kely fotsiny):wink:
71. dailynews ( 15/12/2006 17:08)
atolotra 100% ireo voalaza eo ambony ireo. izany ireny raha tiandry ho fantatra fa tsy 10% ihany. Ny dikan izany dia ho an ny mpino dia ny fiainany rehetra mihitsy.

Ny fomba fanaoko azy raha tiandry zaraiko dia vao maraina aho: dia apetarako eo ampelatanan ny Tompo daholo ny zavatra ataoko, h@ manasa vilia, mandalo eto @ internet eto, ny eny andalana, ny rehetra mihitsy e....... dia izay no maha 100% azy.
Ary ny saiko ny foko ny fanahiko ihany koa dia atolotra azy isanandro...
izay ilay hoe fiainambavaka, ary mivavaha ka aza mitsahatra...tsy possible ny olona iray hoe handohalika mandrazizay hivavaka satria hoe mivavaha ka aza mitsahatra..fa ny zavatra rehetra atao kosa dia mila atao ho an Atra ary hapetraka ho an Atra, na ny fomba firesaka izany na ny fomba fiteny na ny fomba...ny rehetra e.....
72. dailynews ( 15/12/2006 17:16)
ary raha ampiako ihany koa aza dia izao. ny 10 % iny no ho any ampiangonana + ny rakitra sy ny charite samihafa any ivelany... fa kosa ny 90% izay tavela ampiasaiko dia mbola atolotro ho an ny Tompo ihany koa, satria izaho mino fa tsy manana aho na ariary akory aza raha tsy avy Aminy ary raha tiany alaina avy aty amiko ao anatin ny indray mipimaso iny dia azony alana amiko daholo ny rehetra, eny fa na ny aiko aza.
koa raha hividy zavatra aho @ iny vola ambiny iny dia mbola apetrako @ Tompo ihany satria tsy ahy iny raha ny tena marina fa ny Tompo no manome ahy hitantana azy fotsiny ihany.

73. pissoa ( 15/12/2006 17:18)
pissoa:
Ny Kristianina : tsy voefehin'ny 1/10 na 1/25 sy ny bla bla hafa izy. Vao mifoha izy ny maraina dia ny androny, ny asany, ny tenany iray manontolo no atolony an'Andriamanitra fa tsy ny 1/10 na ny 1/25. Raha tsy afaka manolotra ny 1/10 izy amin'ny fandraisan-karama, dia tsy marary ny fony na ny sainy fa efa fantany fa izy iray manontolo no an'i Kristy. :lol:

:lol:
74. ikaretsaka ( 15/12/2006 18:10)
bravo pissoa =D
75. booboo ( 15/12/2006 18:12)
oudry ! tô ihomezahan'i Pissoa ndray ny hevitr'i Pissoa ? hihihihihihihihihihi
76. pissoa ( 15/12/2006 18:23)
hihihi - tsy mehezako zany fa zany oe zah bedy raha tsy mivanitika de tsy maintsy asiana an'io :lol: io :oops::-D:-D:-D
77. pissoa ( 15/12/2006 18:36)
Fanampin'ny efa voalazan'ny namana rehetra :

Rehefa manome enao dia tsy mieritseritra intsony we nahazo fiara i pastera ,fa ny anjaranao dia ny manome izay voalazan'Atra ary raha misy manambaka hianao @izany dia tsarovy fa eo anatrehan'Atra dia efa nanome hianao fa anjaran'Atra ny sisa

Ny Tenin'Andriamanitra akory tsy natao hanararaotana ny vahoaka mahantra amin'ny 1/10 alaina foana nefa atao ratsy tantana :-D Ka rehefa hita fa tsy manjary ny fitantanana ny vola OHATRA, dia tsy ny Kristianina no miteny hoe "Ny anjarako dia ny manome fa izay hitantanany azy any dia azy sy Andriamanitra." Tsia dia tsia. There are two kinds of evil people. People who do evil stuff; and people who see evil stuff being done and don't try to stop it. (Mean Girls) :-D:-D:-D

PS : Faly be amizay ve xxx fa matotra be zah ? :-P:-D:-D:-D
78. Rasiligaoma ( 15/12/2006 18:57)
hoy iny skoto rehefa ny andro hoe

..." ry Jesoa andriamanitra (. . . )atolotro anao ny fivavahako, ny asako, ny hafaliako, sy ny fijaliako rehetra amin'ity andro anio ity"

fa tsy hoe ny 1/10 ny asako ihany na ny fananako
79. maliang ( 16/12/2006 07:06)
Ny ampahafolon-karena dia tsy ny fanaovana asa soa , na fanomezana ho an'ny mahantra fa natokana mihintsy ho an'Andriamanitra omena ny Mpitandrina , tsy omena izay tianao omena azy koa fa ny mpitandrina ny fiangonanay na tianao izy na tsy , Ny tsy fandohavana ny 1/10 ho an'Andriamanitra dia mitondra ozona eo @ fiainana'ny olona izay mahalala ny tenin'Andriamanitra nefa tsy mankato izany satria mandroba an'Andriamanitra oh hoe : mahazo vola betsaka ianao nefa tsy mahangona mihintsy , na koa hoe na dia manana ny zavatra rehetra aza dia tsy manam-pifaliana sns...
80. pissoa ( 16/12/2006 18:10)
Dia ahoana hono no hanomezan'ny mpitandrina azy an'Andriamanitra, Ankoatra ny hoe fanaovana soa sy ny karazana rakitra ? Sa atao an'le oe atsipy eny ambony dia alain'Andriamanitra izay ilainy dia ny ambiny an'ny mpitandrina ? :roll::-D
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.4797