Rakitra (fanatitra) sy ny am-pahafolon-karena. Azavao.

21. isambo ( 12/12/2006 00:20)
tsy zavatra iray loha ihany no iankinan'ny hahavoavonjy antsika tsirairay,tsy hoe rehefa mitandrina ny didy folo na vita batisa sy mandray fanasan'ny Tompo fotsiny dia ampy fa ny fanajana ireo baikao rehetra omen'Andriamanitra toy ny fanatanterahana ny teny hoe:"mandehana ataovy mpianatra ny firenena rehetra"sy ny tsy maintsy handoavana ny 1/10 fa an'A.tra io .Raha tehizaha toetra an'A.tra isika dia avereno aminy ny 1/10
22. soanja ( 12/12/2006 01:20)
Tsy namaky ny tany ambony aho fa ny hevitro de hoe aza mety rebirebena amin'izany faha-10 karena izany.
Jereo hoe aiza ao anatin'ny firahamonina no mila ny fanampianao. Na manao volontaire amin'ny zavatra isan-karazany na zavatra tahak'izany dia efa ampy hahafaly an'Andriamanitra. Raha toa moa ka vola mihitsy no foinao anampiana olona mijaly na fadiranovana dia diniho tsara raha hanampy azy iny. Halalino hoe sao vao maika handetika azy na hanimba azy.
Tsy voatery handoa faha-10 karena izany ianao fa raha hitanao fa misy ilana vola ao ampiangonana dia mahaiza manampy mifanaraka amin'iny filan'ny fiangonana iny ary indrindra koa mifanaraka amin'ny fahafahanao.
Ny fiainana dia natao handinihina fa tsy manara-drenirano fotsiny, indrindra moa ka rehefa nahita izany fanambakana fandosirana izany ianao. IZAY FOY NO OMEO ary aza kahidy.
23. ikaretsaka ( 12/12/2006 04:38)
o re olona e! efa impiry aho no miteny fa aza raisina isan'andalana hoe io baibolinareo io!


tsy voatery hoe izay titian'ise ka mifanarakaraka @ izay conscience 'BE' ananan'ise akory ny tena tian'ny Baiboly (izay tsy tian'ise arahana) ambara amin'ise.


angaha hotsaraina araka ny fahaizany mitanisa andalana baiboly sy tian'ny baiboly moa ny olona iray fa tsy araka ny conscience "BE" ananany,?! ny ahy Ramose de izay hitsarana ahy ihany an... tsy nisy niteny mihitsy na aiza na aiza hoe hotsaraina araka ny fahaizany baiboly ny kristianina fa araka ny eritreriny sy ny safidiny sy ny nataony (=conscience)

Sady amiko izany baiboly izany tsy afaka mitia fa Andriamanitra no afaka mitia ko
24. Papoose ( 12/12/2006 05:11)
ikaretsaka:

o re olona e! efa impiry aho no miteny fa aza raisina isan'andalana hoe io baibolinareo io!


tsy voatery hoe izay titian'ise ka mifanarakaraka @ izay conscience 'BE' ananan'ise akory ny tena tian'ny Baiboly (izay tsy tian'ise arahana) ambara amin'ise.


angaha hotsaraina araka ny fahaizany mitanisa andalana baiboly sy tian'ny baiboly moa ny olona iray fa tsy araka ny conscience "BE" ananany,?! ny ahy Ramose de izay hitsarana ahy ihany an... tsy nisy niteny mihitsy na aiza na aiza hoe hotsaraina araka ny fahaizany baiboly ny kristianina fa araka ny eritreriny sy ny safidiny sy ny nataony (=conscience)

Sady amiko izany baiboly izany tsy afaka mitia fa Andriamanitra no afaka mitia ko



faly manadala an'i karetsaka ato fotsiny za fa tsy mahita ho tenenina fa @nay tsy misy ampahafolon-karena omena koa!:°):°):°)
25. xxx ( 12/12/2006 07:06)
isambo:

tsy zavatra iray loha ihany no iankinan'ny hahavoavonjy antsika tsirairay,tsy hoe rehefa mitandrina ny didy folo na vita batisa sy mandray fanasan'ny Tompo fotsiny dia ampy fa ny fanajana ireo baikao rehetra omen'Andriamanitra toy ny fanatanterahana ny teny hoe:"mandehana ataovy mpianatra ny firenena rehetra"sy ny tsy maintsy handoavana ny 1/10 fa an'A.tra io .Raha tehizaha toetra an'A.tra isika dia avereno aminy ny 1/10

tsy maints ... :-w

Natao ho an'ny mpikarama isam-bolana ihany ngah ony zany lanitra zany ARAKA NY BAIBOLY e ? Misy toerana ho an'ny mpitsindroka ve any an-danitra any [b]ARAKA NY BAIBOLY[/B] ? Ny azy mantsy, tsy misy vola karama izany, tsy misy fananana akory, tsy misy na inona na inona fa ny hohanina androany atoandro aza mbola eny amin'ny zordira no hotadiavina ... (enga anie mba hisy any ...) Ka fahafolon'ny inona no tokony alohany ? Tokony ho zarainy folo ve ilay rotika voro-damba efa maloto kely eny ankodiny, sy ilay plastic bags natambatambatra ... ka ateriny any ampiangonana :-w

Aza Baibolista fa mba Kristianina :)
26. xxx ( 12/12/2006 07:11)
Ika : =D=D=D=D=D

tsy voatery hoe izay titian'ise ka mifanarakaraka @ izay conscience 'BE' ananan'ise akory ny tena tian'ny Baiboly (izay tsy tian'ise arahana) ambara amin'ise.

Zao dia mbola manda ny lazaina hoe baibolista ihany, nefa na ny soratana aza dia ny tena tian'ny baiboly no tadiavina fa tsy ny sitrapon'i Kristy. Tadidio fa efa nampiasain'i Satana ny baiboly ka tsy voatery izay dika vilana alaintsika ao no hevitry i Kristy :-*
27. Rasiligaoma ( 12/12/2006 15:31)
Marina izany...
ny ahy aloha dia i Kristy ihany ary tsy baiboly ihany no nahalalako an'io fa ny fampianaran'i Dada sy mama na i mopera na i masera e ..
izay hitiavako ny tompo sy ny fanatanterahakoo ny sirapony no tanjona
ary tsy izay voasoratra ao anaty baiboly ihany no sitrapony fa betsaka lavitra
28. kallakelly ( 12/12/2006 17:19)
Ny ampahafolon-karena dia tsy antsika fa an'Andriamanitra.
Mandroba Azy isika raha tsy mamerina izany.
Nampanantena Izy fa hanokatra ny varavaran'ny lanitra hampidina fitahiana be dia be ho antsika raha manao izany famerenana ny faha-folonkarena izany isika.
Tena lazainy mihitsy hoe marina izany fa izahao toetra anie aho hoy izy e, izany hoe andramo dia ho hitanareo fa tena hisy fahasamihafany tokoa ny fiainanareo taloha sy taorianan'ny namerenanareo ny ampahafolony.
Matokia ny tenin'Andriamanitra fa tsy mba mpandainga Izy ary efa be dia be ny olona no nanao fanandramana momba an'izany fa dia hitany novohan'Andriamanitra tokoa araky ny teny fikasàny ny varavaran'ny lanitra nandrotsahany fitahiana ho azy ireo.
Koa andramo ary aza be calcul hoe tsy ampy anie ny hivelomana raha analàna an'io vola io? Moa misy zava-mahagaga tsy hain'i Jehovah va? I Sara efa antitra be efa nitsaha-jaza ela be aza nataony nitoe-jaza.
29. dailynews ( 12/12/2006 17:35)
ny fafafolonkarena dia fitahiana azo ety ambonin ny tany azo avy @ fanaovana ny sitrapon Atra @ fanekena manome ny 1/10 ny vola miditra @ tokatrano iray, izay homena ny fiangonana hampandrosoana azy araka ny Malakia 3:10. jereo toetra amin izany hono i Atra raha tsy ho tahiany ny olona iray(vakio h@ farany) ety ambonin ny tany ny fahafolokarena no ilaina satria ety amboni ny tany no mila fitahiana.

ny manome io dia finoana fa Atra afaka ny hanantanteraka ny zavatra nolazainy rehefa avy nanome ny olona iray, pratique-na finoana izany io. Raha nangalatra ny pasitera azy sy Atra izany, fa ny fanatanterahana ny sitrapo-ny dia an 'ny olona iray nanome sy Atra.

izany hoe volamena sns izany kosa aloha dia efa ilay pasitera mihitsy izany no te hangalatra, tsy miala maina @ izany izy.
ny fiangonana handehanako dia ny karama isambolana. raha tsy misy karama miditra inona moa izany no homena... zavatra normale be izany eto. tsy haiko aloha e, ny fiangonana handehanako.

hafa ny rakitra ary hafa ny charite izay hatao, tokony hatao ihany koa ireny araka izay misy eo ampelatanana.

T@ za nanao fahafolonkarena voalohany tany mkara dia asa( tsy ampy izany ny heures niasako fa mi temps tsinona) iray ihany no nananako ary tsy dia ampy ny volako tam zay. fa hoy aho fotsiny hoe Atra efa niteny hoe zahao toetra @ izany aho dia ataoko satria izay no teniny. dia nalefako ny volako. fa finoana ilay izy, ary izay no hijeren Atra ny olona finoana. fa rehefa mino ny lazainy ny olona iray dia miseho ny voninahitr'Atra. dia niandry mihitsy aho hoe, aiza ary izany ny valiny fanaovana ny sitrapony. herinandro taorian izay aho no nahazo ny asako iray mi temps ihany koa, ary izy roa mitambatra dia lasa plein-temps ny asako. ary ny tena nahagaga dia tsy nifanindry mihitsy ny ora.
30. Rasiligaoma ( 12/12/2006 17:45)
ataovy izay tianareo atao aza fa tsy haiko hoe aiza isika no mihaona..
any andanitra any sa any @ afobe
Afo fandiovana sa ambondrombe
hoy ny hiran'i Mahaleo izay
31. kallakelly ( 12/12/2006 18:53)
Mahafinaritra be ny fanandramana nataon'i dailynews satria mampahery. Misaotra
32. Rasiligaoma ( 12/12/2006 19:06)
fa ny ahy manokana ny fanaovako adidy amin'andriamanira dia tsy tambazana @ io misy miracle ohaatran'i dailynews io fa lasa finoanoam-poana ny iafarany.
sy tebiteby lava tahaka ny hoe sao noho izaho ilay (TSY) nanao izao ary!
33. niryna ( 13/12/2006 07:01)
Misaotra antsika rehetra nanazava ny tao am-potsika tsirairay.Izaho dia niangona ary nanontany ity namako iray ohatrinona no rakitro dia noteneniko ilay izy.Be loatra hoy izy izany raha isan-kerinandro.Nanome maimai-poana aho ka nahazo feno koa.Izay fahaizana na harena na vola na fahasalamana, na inona na inona dia tokony hisaotra tsy tapaka isika.An\'Andriamanitra daholo ireo rehetra ireo.Araka izay hamaranao no amaharana anao koa, araka izay omenao no rakitra tahirizinao any an-danitra koa.Betsaka izay porofo hitako izay na namana na ny tenako manokana saingy tsy nahalala izany 1/10 izany aho moa ny fiangonana koa tsy mba nanery.Toy ireny isika mandoha hetra-trano, fiara, mividy zavatra dia mandoha vola am-pahany, toy ireny koa no tokony hataon-tsika. Mahihitra isika raha toa ka manana ny omena kanefa kely no averina amin\'Atra.Izaho aloha tsy mbola nahatsiaro very asa izany ary raha vao misy izany dia misy hafa indray, tsy mbola misy hoe tsy nanam-bola izany na tsy nihinan-kanina izany.Noheveriko fa ampy ahy ny rakitra nomeko tany am-piangonana ,izaho aho nandalina ny baiboly miaraka olona maromaro ary izy ireo dia samihafa ny fiangonana hiangonany kanefa samy mandoha 1/10 daholo miampy ny rakitra.Amin\'ny herin-taona aho hiezaka an-doha 1/10 raha misy aza ny mihoatra izany dia mbola hataoko.Efa noteneniko ny hoe vakio ny Malakia3:8-10.Izay hafafintsika no hojinjaina koa.Tsy miteny koa isika fa ahitsikely ilay hoe iny ary ny volako fa omeo izay tadiaviko amin\'izay aho.Mahafinaritra koa hono ny manome noho ny mandray.Ny antony hanaovan-tsika adidy anie dia ny hitorina ny filazan-tsara e, hividianana boky hampianarana ny ankizy. Raha manao fiangonana ny fanampiny rehefa vita ilay izy ka mbola mangataka ny mpitandrina dia raharaha hafa raha tsy hoe misy dinidinika hafa angaha.Izay efa nafoy izany dia tsy anjaran-tsika ny mieritreritra hoe hanaovany inona ary ny vola, ny adidin-tsika fontsiny no tanterao fa ho an\'izay mpitam-bola ka mihinana ny vola dia izy sy
Andriamanitra no mifampitana fa ny antsika vita ny adidy
34. tywa68 ( 13/12/2006 08:11)
tsy olana anie ny manome raha tena vokatry ny fo fa tsy hoe mati-kenamaso @ mpitambola sy ny mpiangona d hanome ! ny fanomezako dia arakaraky ny fananana ampelatanako fa tsy ho voatery 1/10 satria nalaina arabakiteny ny baiboly ! soa fa tsy vakiana ohatr'izany dhl io ary zay no mahasamy hafa ny fiangonana kristianina !
Ny handeha hiangona hanatitra voka-dehibe sy manao akanjo vao dia efa fomba ratsindra-olombelona !
Soa fa tsy arakarak'izay rakitra aterinao no hahazoanao ny fiainana mandrakizay ! Atra dia mahalala ny ao anatinao : fa ra-olombelona no manao zay saimpatany !
35. Fiffi ( 13/12/2006 08:51)
Araka izay hamaranao no amaharana anao koa, araka izay omenao no rakitra tahirizinao any an-danitra koa.
:-w:-w
Mahihitra isika raha toa ka manana ny omena kanefa kely no averina amin'Atra.
Isika iza moa izany ? Io aloha de samy manana ny fombany ny tsirairay eh ! tsy hoe plus enao manomé , plus enao ahazao valintsoa ! Fa tsy no fo nanomé hiany ve no tena mavesan-danja ?
.Izaho aloha tsy mbola nahatsiaro very asa izany ary raha vao misy izany dia misy hafa indray, tsy mbola misy hoe tsy nanam-bola izany na tsy nihinan-kanina izany
sambatra enao zany ! ka inona indray moa no tadiavina ankoatr'zany ?
Fa mivavaha aza ho an'ireo zay tsy hanan'asa mba ahita tahaka anao koh !
Hivavaho koa ireo mahantra tsy misy ho raisina , tsy misy ho hanina fa de mitady zay mba hamenohina ny kibo isan'andro...
Amin'ny herin-taona aho hiezaka an-doha 1/10 raha misy aza ny mihoatra izany dia mbola hataoko.
na 1/10 na plus , na faran'zay kely omena aza , mino aho fa Andriamanitra tsy hitsara satria vokatrin'ny fo no nanomezana ..

Fotoana fiheritreretan-tena sy fihomanana isika zao ka na de tsy nisy azo nomena t@ rakitra aza , mino aho fa tsy nisy hadisoana zany fa Andriamanitra hiany no mahita izay ao am-pontsika tsirairay avy...
36. ikaretsaka ( 13/12/2006 14:12)
fiffi =D
37. ikaretsaka ( 13/12/2006 15:11)
fa mba lasa fotsiny ny eritreritro...tena misy lanjany ve le hoe 1/10 sa symbolika fotsiny ...
fa maninona no 1/10 fa tsy 1/25 na ohatran'izay
38. Fiffi ( 13/12/2006 16:18)
ikaretsaka:
fa mba lasa fotsiny ny eritreritro...tena misy lanjany ve le hoe 1/10 sa symbolika fotsiny ...
fa maninona no 1/10 fa tsy 1/25 na ohatran'izay
amiko aloha de zay fanomezana , zay mba azonao hatao ka natao t@ fo no mavesa-danja indrindra !


39. ikaretsaka ( 14/12/2006 03:41)
mitovy @ fifi koa ny ahy
40. Fiffi ( 14/12/2006 06:50)
Amiko kosa aloha na ho betsaka na ho kely ny zavatra hataoko , indrindra fa hoe andeha hanome rakitra zany de tsy ho lazaiko an'iza na iza satria zavatra ato am-poko io !
Ary zay no nolazaiko hoe Andriamanitra hiany no mahita zay ao am-pon'ny tsirairay.

Raha ohatra manko ka reharehahana le fanomezana de tsy vokatrin'ny fo intsony zany fa fampisehoana an'olona hoe zao no vitako ......

Fotoana fiheritreretan-tena sy fihomanana isika zao ka na de tsy nisy azo nomena t@ rakitra aza , mino aho fa tsy nisy hadisoana zany fa Andriamanitra hiany no mahita izay ao am-pontsika tsirairay avy...
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.8825