Te handray nefa tsy te hizara

1. hery ( 22/08/2006 07:17)
Dia hovelabelarina indray ve? Toetra mpahazo antsika rehetra io tsinona... samy voa sy samy mamely daholo :-)
Ohatra fotsiny.
Sarobabay izay voa aza tezitra :-)

Te ho top bizou... kanefa matity biz'oroka
Te hanana ny adiresin'ny namana rehetra... kanefa zara raha manome solonanarana.
Te hijery ny sarin'ny namana rehetra mihitsy... kanefa tsy te ho hita, na dia an-tsary aza.
Rehefa misy fihaonana dia hoe sary e, sary e... kanefa rehefa sendra nanatrika fihaonana dia hoe "aza aseho ny sariko azafady an" :-)
Te handray foana... kanefa tsy mba mizara mihitsy.

Ny moraly?
Izay afafy ihany no jinjaina e
Izay atolotra ihany no raisina
Izay tianao hataon'ny olona aminao no ataovy amin'ny olona
2. pissoa ( 22/08/2006 07:22)
Hihihi :oops::oops::oops::-D

Inona kay no dikan'ito fa tsy haiko :oops:
Sarobabay izay voa aza tezitra

3. hery ( 22/08/2006 07:25)
pissoa> rehefa hilaza zavatra imaso imaso, basy atifi-kavana, ianao... kanefa somary ataonao hatsikana, dia io fomba fiteny io no ampiasain'ny olona.
4. pissoa ( 22/08/2006 07:58)
Misaotra an'i Hery :)
5. mamzelkely ( 22/08/2006 08:04)
marina toko alou io vôlazan hery io :oops::oops: ary za anisany :lol:
6. sasa ( 22/08/2006 08:26)
hery hi hihihihi tsatsa daholy, za kosa aloha rehefa fihaonana d tsy maninona na aseho aza ny sariko fa ny angatahako fotsiny hoe aleo tsy asiana pseudo fotsiny d'efa miady amiko, d za koa rehefa mangataka sary amin'ny fihaonana d tsy midemande pseudo mintsy fa le ambiance sy ny fiarahan'ny ankizy no tena tiako ho hita :-D:-D:-D:-D
mamz ha ha ha hitako za mangataka ny sarinjy tsy mahazo mintsy lol :-D:-D:-D
7. Bakobako2 ( 22/08/2006 08:36)
De Pseudo kou nefa zao de maninna , oupa aza hoy ny mpihara tsy mahafaty.
8O8O
Sasa tsy nomeny ! ! ! ouuuuu nampanaelo njay Sasa:-o:-o
8. sipagasy ( 22/08/2006 08:42)
miarahaba aloha e!

toa misy fahamarinany daholo izany rehetra izany e!!!
9. mamzelkely ( 22/08/2006 08:47)
sasa:


mamz ha ha ha hitako za mangataka ny sarinjy tsy mahazo mintsy lol :-D:-D:-D



ountssssssss taiza ko njy no ts nomeko sary ;) :-D
:-D:-D njy aza efa nahita direct be ko :P:-D:-D
10. sasa ( 22/08/2006 08:58)
bakobako2 ny an'ahy izay kan! ny sariko azo apoitra rehefa misy fihaonana fa tsy asiana ny pseudo-ko fotsiny izay no tiako fa raha tsy izay d tsy azo apoitra ny sariko.:-D
sipagasy marina be mintsy ny tenin'i hery io akia
mamz ha ha ha ha k'efa hoe mody atao anzany fa aza miteniteny :-*:-*
11. Fiffi ( 22/08/2006 09:30)
sipagasy:
toa misy fahamarinany daholo izany rehetra izany e!!!
tsy toa hoe misy fahamarinana fa tena marina mihintsy ireo voalaza ireo an! heu...ny tena koh moa anisany ka de mahatsiaro tena eh! hihihihih nefa faly be ery nahita an'i sipagasy hihihihi :):-* sy ireo tsy lazaina ny ps-ny !


12. hery ( 22/08/2006 09:38)
Tena eritreritra nandalo io ry zareo a :-)

Fiffi> tena otran'izany hafalianao mahita ny sarin'ny namana izany koa no ho hafalian'ny namana hafa mahita ny sarinao. (asa aloha :-()

Sasa> rehefa resiproka dia izay no tena izy e. Tiako be ilay principe hoe ianao koa tsy te hahalala ny ps-n'ny olona eo amin'ny sary... de tsy tianao hisy ps ny sarinao.
13. diamondra27 ( 22/08/2006 09:45)
:-D:-D

marina daholo reo ry hery fa na de zany aza de mba mangataka sary ihany ny namana e!:lol:
za efa nisy ni-présenter anah:oops::oops: sady fantanao@izay 'zao le hoe: diamondra27:-D:-D

maka sary groupe nge tsy maninona izany fa matoa manaiky maka sary de fantatra izay fa tsy maintsy avoaka iny

Tsy aleo mitsotra ohatra ahy hoe: "tsy azo alaina sary mifamihina, na en groupe na sary olona 2 fotsiny"

Avis ho an'ny namana @ manaraka io an! valable pour tout le monde sans exception


14. sasa ( 22/08/2006 09:53)
hery eritreritra mandalo io fa tena marina be mintsy. Fa ny mahagaga anie metetika d ny namana tsy mametaka sary no tena mpangataka.
Fiffi ary mba apetao amzay ny sarinjy akia ho hitanay :-*:-*
15. xxx ( 22/08/2006 10:00)
Fa aiza no misy sarin'i diamondra27

Bedin'i hery ndray manafina pseudo nefa mangataka sary :)
16. pissoa ( 22/08/2006 10:02)
hihihi
17. hery ( 22/08/2006 10:14)
diamondra27> ny blem fotsiny indraindray dia betsaka ny paparazzi. Tamin'isika sy ianao nifamihina iny ohatra (:lol:) dia fakantsary 4 no indray nipika. Dia aza gaga raha any amin'ny "Choc" no ahitana ny sary :-)

Bedy indray zao tsss

xxx> censurées daholo ny sary fa tsy en groupe.
Mbola vao tadiavina ze sary groupe-n'oul tsy mijery fakantsary.
18. diamondra27 ( 22/08/2006 10:36)
hery: tsiky de ampy zany ary e:D
de misaotra nampahatsiaro an'io e!

iza daholo le paparazzi teo moa?
ndeha hiantso an'i Steven Seagal za raha izany, miomana nareo ry paparazzi:-D:-D fa hisy kombaka be
19. diamondra27 ( 22/08/2006 10:38)
xxx: efa hoe: censuré ny sarin'i diamondra=))=))


omeko sary manokana i xxx fa atoroy ny ps:-D:-D
20. Fiffi ( 22/08/2006 10:58)
hery:
Fiffi> tena otran'izany hafalianao mahita ny sarin'ny namana izany koa no ho hafalian'ny namana hafa mahita ny sarinao. (asa aloha :-()
hery: tena marina io kah! ny ahy manko ny mba tiako de le tena mifankahita fa ny sary heu....(ho heritreretina hiany fa mety hanisy):) saingy nisy antony tena tsy nahafahana kosa aloha tà le fihaonana teo an!

-ary ity koa ary ? ahoana ozy nareo an ? misy namana hoa nifanaovana RDV de efa raikitra zao de misy zavatra lazaina foana hoe tsy lasa ! de efa im-piry zay tsy lasa foana ? fa en panne foana le fiara klé ! hehehehe !! :wink:
Ary le tsy sahy akory mandefa an'le webcam de milaza hoe tsy manana nefa misoratra be io hoe misy webcam ? tondé debranchéna ? nahazo manko zah an! :roll::(


© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1289