fiteny tsy fantatra

101. prime ( 24/08/2006 11:14)
LD> :-D:-D
102. diamondra27 ( 24/08/2006 15:58)
LD: ary tsy mahazo resaka ianao an!

Mpandefa : LazaDaddy [ Valio ] 24-08-2006 11:24:04
Lohateny : Re : fiteny tsy fantatra

Hoy i diamondra27:
Za taloha manko tsy nahalala fa mahita olona intelligent, tafita, , mahay miresaka etc.... de ozy za oe: za zany eo anatrehan'ireo tsy manana don mihitsy, de nivavaka aho

hitako avy hatrany fa tsy nahazo valim-bavaka ianao satria fitsiriritana olon-kafa no nanosika anao hivavaka.


za angah nagataka don hiteny @ fiteny tsy fantatra izany ? Jereo sy araho ary avereno vakiana tsara le tantara de aza tapahiana le resaka.

Rehefa nandinintena aho , fa tsy hoe: rehefa nitsiriritra olona

Ny antony nilazako an'io de nahatsiaro za hoe: toa tsy misy ilaina ahy eo @ fiainako? de refa nivavaka de nahalala hoe: non, misy de misy tokoa.....

Isika tsirairay avy de noharian'Atra hanana zavatra utile eo @ fiainana fa tsy mahatsapa izany indraindray.

Ne te sous-estime jamais, zava-boaharin'Atra 'zany de sarobidy

LD:
pandefa : LazaDaddy [ Valio ] 24-08-2006 11:24:04
Lohateny : Re : fiteny tsy fantatra

Hoy i diamondra27:
ary nampahafantarin'i Tompo fa manana dons aho de: miteny @ fiteny tsy fantatra, manasitrana, manome conseils olona, ireo aloha no haiko ka de ataoko araka izay azoko atao ireo.

araka izay azonao atao?

tsy hieboebo @ze zavatra efa nataoko za fa Atra nahita ze vitako. Fa araka ny hevitrao de izay zany koa , ekena , zay no vitako

LazaDaddy tsy mahazo resaka,

andraso fa maika aho izao fa omeko anao ny SM milaza fa isika rehetra de important aux yeux de DIEU
103. LazaDaddy ( 24/08/2006 18:58)
:-D:-D:-D
diamondra27 miala sirika:
Rehefa nandinintena aho , fa tsy hoe: rehefa nitsiriritra olona

izy anefa mitsororotra ny hafa:
Za taloha manko tsy nahalala fa mahita olona intelligent, tafita, , mahay miresaka etc.... de ozy za oe: za zany eo anatrehan'ireo tsy manana don mihitsy, de nivavaka aho
:-D:-D:-D sady @ izay zava-poana no tsiriritiny: intelligence, "fahatafitana", fahaiza-miresaka, ...:-*
104. LazaDaddy ( 24/08/2006 19:01)
diamondra27:
tsy hieboebo @ze zavatra efa nataoko za fa Atra nahita ze vitako
izay vitanao? :-D:lol::):wink:
105. xxx ( 25/08/2006 07:56)
LazaDaddy:

:-D:-D:-D
diamondra27 miala sirika:
Rehefa nandinintena aho , fa tsy hoe: rehefa nitsiriritra olona

izy anefa mitsororotra ny hafa:
Za taloha manko tsy nahalala fa mahita olona intelligent, tafita, , mahay miresaka etc.... de ozy za oe: za zany eo anatrehan'ireo tsy manana don mihitsy, de nivavaka aho
:-D:-D:-D sady @ izay zava-poana no tsiriritiny: intelligence, "fahatafitana", fahaiza-miresaka, ...:-*


Aza de mety ataon'ny devoly fitaovana eo ry lazaDaddy an,mampalahelo be enao ampiasainy fotsiny eo,hitanao ohatran'ny le olona kamboty saina ireny izay hampanaovana azy de ataony dahôly na ratsy na tsara ,satria tsy izy no manapaka ny tenany fa ny ho ataony aza tsy fantany akory,de toy izany enao,nefa sasam-poana ange enao satria raha mandinika ny teniny diam hatramin'ny voalohany enao de olona mivavaka izy ary azo antoka fa manana ny fahendrena avy @ Atra izy ka ho tahaka ny rano atondraka ny gisa ny fandrangitana nataonao t@,ka izay no lazaiko anao hoe sasatra fôna eo enao fa tsy ahatezitra azy izany, fa vita ny azy izay mampahafantatra anao ny marina , fa ny anao sisa mino enao tsara tsy mino enao mijanona ,
ary iza ko mo no tsy mba maniry ny ho intelligence, sy ny ho tafita sy ny mahay miresaka ? hilaina @ fiainana ireo satria enao olombelona vatana fanahy ,
106. diamondra27 ( 25/08/2006 08:15)
xxx:mazava ho azy=D=D

LD: hanampiako fotsiny de oe:
inona no atao hoe: mitsiriritra ,
ary inona no atao hoe: mahita @ manodidina,
inona no atao hoe: nandini-tena

rehefa voavalinao io dia izay zany.

LD:araka izay azoko atao eto midika hoe: nasain'i Tompo mitory, mpianany sy manao ny asany isika na @ fotoana na tsia, de nena zany araka izay azoko atao, fa tsy za no manao le izy araka ny saimpantako sy eritreritro
107. prime ( 25/08/2006 09:15)
:lol:
diams> raha izaho aloha tsy manana observations @ izay lazainao loatra fa ilay motivations kosa aloha mila tandremana an... averiko indray tsy misy eritreritra aho na dia kely aza ny @ dons aminao...:lol::):-*:-*
108. soanja ( 25/08/2006 14:17)
Ny teny tsy fantatra dia anisan'ny faratampon'ny fanomezam-pahasoavana amin'ny fidinan'ny Fanahy Masina ao amin'ny olona iray. Zany hoe tsy moramora tokoa vao mahazo an'io fa vavaka, arahana fifadian-kanina ary fiezahana hiala amin'ny rendrarendran'ny izao tontolo izao fa fanokana tena ho an'Andriamanitra. Zaho manokana dia mahatsapa fa tsy hahatratra an'izany mihitsy satria sarotra ny miaina eto ambonin'ny tany raha mbola manana ity nofo ity. Saingy ezaka daholo no atao. Fa sambatra kosa izay manana an'izany ary mahavita an'izany ary mampirisika azy aho hitazona hatrany izany fahasoavan-dehibe izany.
109. booboo ( 25/08/2006 14:26)
hum...fa inona avy ny zana-tohatra @ fanomezam-pahasoavana no hoe io no faratampony ?
110. LazaDaddy ( 25/08/2006 14:47)
sao dia misy devoly xxx mandoka tena aza eto? hahaha!
111. Achia ( 26/08/2006 06:34)
nahoana moa no hilazanao fa farantampony ny fiteny tsy fantatra fa nga tsy voajerinao ito : Koritiana 1 14/ 1-4 mazotoa . Fa ny zvt tena mahagaga ahy @ ilay teny tsy fantatra tenen'ilay ol dia ohatra ny hafa mihitsy ny fahenoko sy fahitako azy a . Andao nge ho soratana araky ny fahenoana azy e fa ilay teny lazain'ilay ol de mitovy daholo ka ho andramako ra mety ho voasoratra : lalala prlalalal tskrlom jesosy tskrlom ny fanahy tskrlom masina .
Ohatra io zany raha adika fohy2 ilay ol henoko niteny tsy fantatra , izany hoe sady nisy fantatra tao no nisy tsy fantatra ilay izy mbola lava be fa io tskrlom io foana no miverina ka tsy haiko hoe tskrlom daholo ve ny teny hain'ilay fanahy nampiteny ilay ol sa ?
112. diamondra27 ( 26/08/2006 19:17)
LD: io ilay sm e!
tu es important aux yeux de DIEU
Fa ankehitriny, ry Jakoba ô, izao no lazain\'i Jehovah, Izay nahary anao sady namorona anao, ry Isiraely ô: Aza matahotra ianao, fa efa nanavotra anao Aho; Efa niantso ny anaranao Aho, Ahy ianao.

2 Raha mita ny rano ianao, dia homba anao Aho; Ary raha mita ny ony ianao, dia tsy hanafotra anao izy; Raha mandeha mamaky ny afo ianao, dia tsy ho may, Ary tsy hirehitra aminao ny lelafo;

3 Fa Izaho Jehovah no Andriamanitrao, Dia ny Iray Masin\'ny Isiraely, Mpamonjy anao; Omeko ho avotrao Egypta, ary Etiopia sy Seba ho solonao.


4 Satria malala eo imasoko ianao, eny, be voninahitra ianao sady tiako, dia olona no omeko ho solonao, ary firenena ho solon\'ny ainao.

5 Aza mahatahotra, fa momba anao Aho; Hitondra ny taranakao avy any atsinanana Aho, ary avy any andrefana no hanangonako anao;
113. soanja ( 26/08/2006 22:55)
Azontsika alalinina amin'ny hevitra vaovao ny fanomezam-pahasoavana ary voatanisa ireo ao amin'ny baiboly.
Fa ny tiako resahina satria somary diso ny namoahako azy dia ny fandraisana ny Fanahy Masina. Amiko io dia faratampony. Satria raha mivavaka aho dia izay no faniriako. Tiako ho ao amiko Jesoa ary mifandray aminy aho na miresaka aminy tsy akijanona. Anisan'ny fahafantarana fa mandray ny Fanahy Masina ny olona iray dia ny fitenenany amin'ny teny tsy fantatra, ary ao koa ny fandikana izany teny tsy fantatra izany, ny maminany, ny manasitrana sns sns . Efa nisy fotoana aho nandray ny Fanahy Masina fa tsy isanandro akory. Ny antony dia satria mbola betsaka lavitra ny fahotana ataoko izay mampiala azy tsy ho ao amiko. Ny ankoatr'izay dia ezaka ho tonga amin'izay tanjona izay.
114. diamondra27 ( 27/08/2006 09:52)
soanja: raha efa tao aminao Izy ka niala , dia tsy azo atao ve ny mivavaka tsotra fotsiny dia ho hita eo na hiverina Izy na tsia?Manokana fotoana,misaotra, de mangataka famelan-keloka aloha , dia tsy mangataka zavatra ho anao fa mivavaha ho an'ny hafa: ho an'ny firenena, ho an'ny fiara-monina , etc...

Izaho koa manko nisy fotoana 2ans tsy afaka nampiasa an'io(any am-piangonana fa ao antrano ihany no nampiasako azy) kanefa mbola mitoetra ihany Izy hatr@izao. Ary misaotra an'i Tompo @izany.
Aza kivy @izany hoe: mbola be fahotana izany de tsy mety miverina Izy. Ezaho mba tsy haverina fotsiny raha sendra misy fahotana lehibe vitanao.
Izaho izay manoratra koa ange dia mba manana ny fahotako e! fa dia mivavaka aho ary hitako mihitsy fa misy zavatra tsy tian'i Tompo ataoko(fahotana), fa na dia sendra ny fakampanahy aza, dia misy tsy fahatanterahany satria miaro ahy Izy. Dia miaiky Azy aho @izany.
115. soanja ( 27/08/2006 23:27)
Diamondra a, Zah dia tia mivavaka tokoa ary tena miezaka foana ny hahatratra ny tanjoko hoe hanana ny "fahamasinana." Mino aho fa mihaino vavaka Atra ary izy eo anilako eo mitantana sy manoro lalana ahy. Tsy fantatro anefa na mbola ao amiko IZY as a "Tempolin'Atra" aho satria io ilay hoe mandray ny "Fanahy Masina" satria rehefa nandray an'io aho taloha dia afaka manampy manasitrana marary, nisy koa ny fitenenana amin'ny teny tsy fantatra sns tsy ho voatanisako eto. Zah aloha mbola tsy naminany e. Ka rehefa tsy nahavita an'io aho dia mihevitra aho nisintaka izy fa tsy tena ao anatiko satria mbola tsy MASINA aho. Izaho indray alo dia ilay karazan'olona tsy mba mety kivy amin'ny fiainana satria niaina ny tsy zaka be dia be nefa nahafantatra fa Atra tena nanavotra ahy mihitsy sady teo anilako tsy niala mihitsy. Mahatoky Azy aho ary mino Azy tanteraka aho.
116. diamondra27 ( 28/08/2006 07:41)
soanja: azoko tsara ny dia nalehanao, ary misaotra an'i Tompo @izany position nalainao izany , dia ny hiray aminy hatr@farany.

Ny hitako sy tsapako fotsiny dia rehefa tsy ampiasaina ireny dons azo ireny dia mihena ary mety ho faty ihany koa. Fa ny Fanahy Lasina kosa de ao aminao foanarehefa nahazo indray mandeha ianao saingy tsy mirehitra intsony izy, tsy miredareda.

Ilay hoe: masina sy tsy masina indray amiko de hoe: au moment hitenenanao @Atra iny @ fiteny tsy fantatra de siora aho fa iny aho tena masina tsy misy ota intsony , fa raha afaka iny, rehefa vita ny vavaka dia mitovy toy ny rehetra ihany aho, mety ho latsapaka @ ota tsy nahy sns, ny ota fantako fa tsy azo atao dia ezahina tsy atao, saingy ny ota toy ny fahatezerana madinika ohatra dia misy kely ihany izany. Isika olombelona manko dia tsy tonga lafatra ange raha mbola eto antany. Fa kosa raha vao fantanao fa tsy nety izay nataonao tonga dia mifona haingana mba tsy ho lavo @ ota faharoa hafa indray.Dia miezaka mba tsy hamerina iny ota iny intsony.

Mahereza e! Dia andramo apetraka @i Tompo hoe: naninona aho taloha nahazo izao sy izao ary tsy afaka mampiasa izany intsony aho izao, koa mba mirary ny hiverenan'izany indray ato amiko raha azo atao araka ny sitraponao.
:-*:-*
117. xxx ( 28/08/2006 08:50)
LazaDaddy:

sao dia misy devoly xxx mandoka tena aza eto? hahaha!



Tena mampalahelo be enao ,mila vavaka manoka fa na mamantatra ny vokatrin'ny fanahy n'Atra sy ny vokatrin'ny fanahy ratsy ny devoly aza tsy hainao,
mbola mila mianatra betsaka ny tenin' Atra enao,manatona pastera na mpitandrina enao de hanotanio azy raha diso ny teniko, de hanotanio azy koa izay tokony ho ataonao,
118. prime ( 28/08/2006 08:57)
Nefa tsara koa ny manana fanomezam-pahasoavana haminany an... raha ny lazain'ny soratra masina...
Fa tsara avokoa ny fanomezam-pahasoavana omen'Andriamanitra, fa rehefa raisina @ fitiavana sy ny fanetren-tena dia izay no mendrika...
119. LazaDaddy ( 28/08/2006 09:07)
xxx> iza ny pasitera mba tena tokony anontaniako ry xxx? :lol:
120. prime ( 28/08/2006 10:50)
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.4853