sarotra be le mitia

81. razokybe ( 20/08/2006 09:45)
miaraka vô mitia, sa mitia vô miaraka.....!
sa miarakaraka eny fotsiny aloha de ho hita eo....!
82. cutie ( 20/08/2006 10:44)
Mpandefa : razokybe [ Valio ] 20-08-2006 20:45:02
Lohateny : Re : sarotra be le mitia
miaraka vô mitia, sa mitia vô miaraka.....!
sa miarakaraka eny fotsiny aloha de ho hita eo....!
Miverina ery ambony
Hamaly ny hevitra
cache 20-08-06 20:45

matoa efa miarakaraka de efa misy fitiavana ao zany na de kely fotsiny aza :P:P:P:P
83. bmw307 ( 20/08/2006 18:14)
marina mihintsy io voalazanao io ry cutie:lol:
84. diamondra27 ( 21/08/2006 07:09)
lasa jeu de mot njay ve ty
tsy arako intsony?


Mety hoe: miaraka mitia angamba no tsy sarotra ka!
85. Fiffi ( 21/08/2006 11:57)
tsy araka intsony fa aleo aloha vakiana hatramin'ny voalohany hihihihi
86. pissoa ( 21/08/2006 17:52)
razokybe:
miaraka vô mitia, sa mitia vô miaraka.....!
sa miarakaraka eny fotsiny aloha de ho hita eo....!


Inona no tianao - ianao no maitre sa ianao no mpanompo? :-D:-D:-D

Ny maitre dia mihevitra fa miaraka vao mitia. Manana tanjona mazava izy matetika. Manana sens-na responsabilite koa. Izay mitranga dia hoy izy hoe misy azoko atao - na hoe izaho no nahatonga izao.

Ny mpanompo kosa dia mihevitra fa mitia vao miaraka. Tsy dia manana tanjona izy matetika fa manaraka ambonkony izay tian'ny maitre-ny (ny fitiavana). Tsy manaiky diso izy fa rehefa misy zavatra tsy mety dia hoy izy hoe izay ilay fitiavana.

Ny miarakaraka eny fotsiny aloha dia hita eo ... kosa dia hita fa tsy mba misy tanjona mazava.
87. Fiffi ( 21/08/2006 20:58)
hummm! tena sarotra hoa an!
88. diamondra27 ( 22/08/2006 04:23)
:-w:-w
89. soanja ( 22/08/2006 04:54)
diamondra27:

ireto daholo hono no vokany sy tokony ho izy : de ahoana ny hevitrareo?

Ny fitiavana dia:
maharipo,
mora fanahy
tsy mialona
tsy mirehareha
tsy mieboebo
tsy manao izay tsy mahamendrika
tsy mitady ny azy = égïste)
tsy mora sosotra
tsy manao otripo
tsy mifaly @ tsy fahamarinana
miara-mifaly @ fahamarinana
mandefitra ny zavatra rehetra
mino ny zavatra rehetra
manantena ny zavatra rehetra
maharitra ny zavatra rehetra




Mora ny mitia rehefa mifankatia.


90. pissoa ( 22/08/2006 06:43)
Soanja:
Mora ny mitia rehefa mifankatia.

mifankatia = izy mitia zaho - Izaho mitia izy :-D:-D:-D

Dia tsy azoko ny tian'i Soanja ambara hoe mora ny mitia rehefa mifankatia ... otran'ny miodikodina fotsiny :roll::-D:-D:-D
91. diamondra27 ( 22/08/2006 06:50)
sarotra amiko ry 'reto ny mitia olona ohatra hoe: manitsakitsaka ahy nefa za tia azy....nefa angatahina amiko hoe: mandefera, maharipo, tsy mora sosotra sns...

efa io ve no mahazo ahy ohatra de tsy ho sosotra ?
De zay le hoe: sarotra le mitia

exemple iray fotsiny io fa be ny ohatra azo raisina
92. bmw307 ( 22/08/2006 13:02)
de anjaranao no mandanjalanja azy fa "iatanao " na manao ny tsara azaianao dembola misy manakiana foana, maika fa manao ny tsimety tsy vaomaika loza,TANDEMO
93. diamondra27 ( 22/08/2006 13:14)
bmw : tsy azoko tsara le lazainao
94. soanja ( 22/08/2006 21:42)
pissoa:

Soanja:
Mora ny mitia rehefa mifankatia.

mifankatia = izy mitia zaho - Izaho mitia izy :-D:-D:-D

Dia tsy azoko ny tian'i Soanja ambara hoe mora ny mitia rehefa mifankatia ... otran'ny miodikodina fotsiny :roll::-D:-D:-D



Ny atao hoe fifankatiavana dia olona roa mifanintona amin'ny lafiny rehetra na sasany amin'ny fiainana ary vonona hamakivaky izany fiainana izany miaraka amin'ny fomba na fijery iray na isan-karazany ka manana tanjona iray na maromaro fa itovizana (fisipana, lahy sy vavy io na lahy sy lahy na vavy sy vavy). Io lazain'i diam io dia no fikolokoloina ny fifankatiavana araky ny lazainy dia vokany sy ny tokony ho izy eo amin'ilay fifankatiavana.
Zany hoe rehefa mifankatia ny olona roa dia tsy mipetraka akory ireo satria raha tianao ny olona iray dia tsy tianao atao aminy ny tsy tianao atao aminao ary ataonao aminy izay mba fanirianao atao aminao. Inona moa izany fa tsy ny fifanakalozan-kevitra sy ny fifampitokisana ary ny fitazomana izany teny fikasana izany.


95. razokybe ( 22/08/2006 23:19)
pissoa:

Inona no tianao - ianao no maitre sa ianao no mpanompo? :-D:-D:-D

Ny maitre dia mihevitra fa miaraka vao mitia. Manana tanjona mazava izy matetika. Manana sens-na responsabilite koa. Izay mitranga dia hoy izy hoe misy azoko atao - na hoe izaho no nahatonga izao.

Ny mpanompo kosa dia mihevitra fa mitia vao miaraka. Tsy dia manana tanjona izy matetika fa manaraka ambonkony izay tian\'ny maitre-ny (ny fitiavana). Tsy manaiky diso izy fa rehefa misy zavatra tsy mety dia hoy izy hoe izay ilay fitiavana.

Ny miarakaraka eny fotsiny aloha dia hita eo ... kosa dia hita fa tsy mba misy tanjona mazava.


ha, zalah e...laligna de laligna izy zany; mila tsa ho araka marina..!

matetika ny miseho sy mitranga dia miaraka toy ny mpinamana \"tsotra\" aloha, avy eo mitsiry na miha-lehibe ilay fitia, dia mipôka ny fitoriam-pitiavana ka miseho ireo vetsom-po tao anaty hatrizay, ka miantoboka ho mpifankatia.raha heverina zany dia efa misy fitia tsy miseho masoandro ao anaty fiarahana ho mpinamana tsotra. koa raha fintinina dia mitia zany vô miaraka.

raha raisina ndray le hoe \"miaraka vô mitia\", de mipetraka ny :?:: miaraka ahoana zany? mety par interé ve, ambôlohany? tahotra ny RAD ve? koa amizany fiarahana izany dia toy ny ankeriny daôlo zay rehetra atao ao... satria tsy ao ilay fitia. tsy mety nefa zany.

ny \"miarakaraka eny dia ho hita eo\"... dia io le revy e...tena marina ny tenin-dry oe tsisy tanjona mintsy; tsy ifanarahana fa iaraha-mahalala fa revy e... magnala azy, de mimeme, da fety be da fety be...
:-D:-D:-D:-D
96. razokybe ( 22/08/2006 23:22)
tena ôrsizé be izy zany leaza....:?:?:?
97. diamondra27 ( 23/08/2006 00:03)
razokybe: samy milaza ny heviny e
98. Herimiafina ( 23/08/2006 00:12)
Tsy sarotra mihintsy retsy ny mitia an!
Ny miaraka no belm satria betsaka ny tsy maty manota e! Sarotra no mitady ilay olona tokony hiaraka tsara aminao.

Aafaka tiavina daholo i babay sy roa vohitra fa kosa tsy afaka iarahana daholo.

Zah izao tia be an'i jennifer Lopez nefa refa tena hoe hiaraka aminy toa gravy be kle. lol :-D
99. Fiffi ( 23/08/2006 10:02)
Herimiafina:
Ny miaraka no belm satria betsaka ny tsy maty manota e! Sarotra no mitady ilay olona tokony hiaraka tsara aminao.
indrindra raha heritreretina hoe hahazahoana desespoir sy illusion le izy !


100. pissoa ( 23/08/2006 18:39)
razokybe:
matetika ny miseho sy mitranga dia miaraka toy ny mpinamana "tsotra" aloha, avy eo mitsiry na miha-lehibe ilay fitia, dia mipôka ny fitoriam-pitiavana ka miseho ireo vetsom-po tao anaty hatrizay, ka miantoboka ho mpifankatia.raha heverina zany dia efa misy fitia tsy miseho masoandro ao anaty fiarahana ho mpinamana tsotra. koa raha fintinina dia mitia zany vô miaraka.

raha raisina ndray le hoe "miaraka vô mitia", de mipetraka ny : miaraka ahoana zany? mety par interé ve, ambôlohany? tahotra ny RAD ve? koa amizany fiarahana izany dia toy ny ankeriny daôlo zay rehetra atao ao... satria tsy ao ilay fitia. tsy mety nefa zany.


Mbola hazomiko ny hevitro ery ambony dia ampiako hoe:

Fa maninona no hoe ankeriny raha par intere na natahotra RAD no nahatonga ny fiarahana? Nambanany tamin'ny basy efa voafahana ve? Sa nihazona antsy izy dia tapahako ny lohanao ozizy raha tsy manao izay tiako? Tsy misy ankeriny izany io - fa resaka sadidy daholo. Efa nandeha teto amin'ny forum ilay resaka hoe vady atolotra iny ... :-D:-D:-D
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2252