Andriamanitra sady Ray no Reny (ho an'ny Kristianina)

61. hery ( 02/08/2006 22:04)
Hmmm... ary tsy azon'i Laza mihitsy zany ny resako. Aleo ataoko tsotsotra.

Toa izao ny fizotran'ny nolazaiko

1. HOy aho hoe Andriamanitra dia sady Ray no Reny (tsy araka ilay fomban'olombelona fa araka ilay heverin'ny malagasy hoe Raiamandreny izany hoe mitondra ny fomban'ny Ray - mpiahy, sns... ary mitondra ny fomban'ny Reny - mpamelona, fitiavana sns...)

2. Hoy ianareo hoe ao amin'ny baiboly (sady nisy hoe hahaha :-)) dia Ray Andriamanitra. Donc tsy Reny izy satria tsy ao amin'ny baiboly.

3. Dia hoy aho hoe... inona aloha no iantsoanareo hoe Ray Andriamanitra? Ilay fihevitr'olombelona ve (filahiana, volombava sns)... ? Raha io mantsy dia manjary tsy feno Andriamanitra. Sa ilay Ray araka ny toetrany ve? Raha io indray dia manana ny toetran'ny Reny koa izy araka ny nolazaiko teo ambony.

Manaraka ny lojikan'i Laza fotsiny aho izany.

Inona no ao anaty baiboly?

1. Andriamanitra Ray araka ny sexe ve?

Sa

2. Andriamanitra Ray araka ny toetrany?

Raha ilay 1. dia toa fanambaniana an'Andriamanitra izany manasokajy an'Andriamanitra fanaperana ho ao anatin'ny sokajin'ny sexe izany.

Raha ilay 2. dia manana ny toetran-dreny koa Andriamanitra (araka ireo andininy nolazaiko tamin'ny hafatra teo aloha ireo)

Dia inona izany no lojikan'i Laza? (na ny Baiboly araka ny fahazoan'i Laza azy?)
62. LazaDaddy ( 02/08/2006 22:18)
Hery a, hitako mihitsy hoe aiza ilay fanazavanao fa ny tsy azonao dia izao:
1- Rehefa miteny Andriamanitra hoe Ray dia Ray Izy aloha samy manaiky isika.
2- Fa ny fiheverantsika an'io teneniny hoe Ray io mihitsy no misy diso:
** ny sasany mihevitra ilay maha lahy sy vavy
** ny sasany mamaritra Azy araka ny toetran'ny raim-pianakaviana, izay mazava ho azy fa misy tsy fahafenoana satria ohariny @ olombelona.
** izaho kosa dia hoy aho hoe: aoka ho Izy ihany no mamaritra Azy araka izay ambarany ao amin'ny Teniny.

"Je suis ce que je suis":
- aoka tsy isika no hamaritra Azy araka ny fahitantsika Azy fa ny Teniny
63. soanja ( 02/08/2006 22:23)
Hery, misaotra anao nanazava.
Ny fahitako azy eto dia misy rindrina mibahana be eo anoloanao ho an'ilay tianao hiantefan'ny resaka ka na hiezaka aza ianao dia efa mirangaranga ilay hoe "henoy izany ry hazon-damosiko."
Marina tokoa mantsy ny voalazanao ery ambony hoe ahoana ny handraisan-tsika ny baiboly ka miankina amin'io ihany ny hisokafan'ny sain'ny tsi-1-1.
64. LazaDaddy ( 02/08/2006 22:55)
ilay fototra iorenan'ny fanazavanareo mihitsy no tsy mitombona amiko satria olombelona no ataonareo "reference" fa tsy Andriamanitra

- ny toetrantsika raim-pianakaviana ve no entina mametra ny toetra maha Ray an'Andriamanitra?

- sao kosa dia isika raim-pianakaviana no tokony hanana ny toetran'Andriamanitra Ray?
65. soanja ( 03/08/2006 02:15)
Izay indrindra ilay Izy ry Laza a. Sarotra ny manazava an'Andriamanitra satria mbola tsy nisy nahita azy isika. I Jesoa ilay nandalo tety an-tany dia endrik'olombelona no nanany. Ny anton'izany dia mba ny ahafahantsika mifandray aminy (to relate) satria olombelona mitovy amintsika izy. Ka raha mijaly izy ohatra dia tsapantsika ny fijaliany, indrindra ny teo ambony hazo fijaliana. Dia izay koa ny ezaka ataon'ny mpandalina hoe ilay Andriamanitra ao ambony tsy takamaso na tsy hita , ilay tsy toha , ilay nahary, ahoana ny azontsika hanazavana Azy(how do you describe him so that as a human we can relate to him) mba ahafahantsika mifandray aminy sy ho takatry ny olombelona ny fisiany.
Tsy biby fampitahorana hoa Andriamanitra ka tsy azo alalinina ny momba azy. Miankina amintsika tsi-1-1 ny handray azy ho Ray aman-dreny na Ray na Reny mba ahafantsika manakaiky azy ary izay no zava-dehibe.
66. LazaDaddy ( 03/08/2006 02:24)
soanja:
Izay indrindra ilay Izy ry Laza a. Sarotra ny manazava an'Andriamanitra satria mbola tsy nisy nahita azy isika.
kanefa eto dia misy mikiribiby mamaritra hoe tahaka izao sy tahaka izao ny toetrany amin'ny maha-Ray Azy :) Tsy aleo ny Teniny ihany no arahina? :-*


67. soanja ( 03/08/2006 02:30)
Raha misy manome ahy mofo ve dia hoe :" Io mofo ohano" dia tonga dia ihinana ve aho satria sakafo. Tsia, tsy maintsy jereko hoe Iza no mpanolotra ary io inona io mofo atolony io. Izay no tsy mampitovy antsika.
68. LazaDaddy ( 03/08/2006 02:44)
Ny fahadisoana lehibe dia izao:

- tsaraintsika araka ny idealintsika olombelona ny famaritana Azy hoe Ray (na fananahana, na toetra na endrika, sns...)

- Izy anefa @ maha Andriamanitra Ray azy dia ao aminy avokoa ny fahatsarana rehetra.

- Ny filazana fa "misy tsy fahafenoana" ny hoe "Ray" dia fihevitr'olombelona. Raha ny tokony ho izy anefa dia io toetrany feno @ maha Ray Azy io no tokony ataon'ny raim-pianakaviana modely fakan-tahaka:)
69. Fiffi ( 03/08/2006 04:05)
LazaDaddy:
Ny fahadisoana lehibe dia izao:

- tsaraintsika araka ny idealintsika olombelona ny famaritana Azy hoe Ray (na fananahana, na toetra na endrika, sns...)
LazaDaddy: fa hono hoa ? misy fahadisoana ve raha toa ka misy olona mba te handray an'Andriamanitra ho Ray sy Reny ?
Miankina @ tsirairay koa aloha io an! rehefa izay no handraisany an'Andriamanitra . Ny zavatra mavesa-danja indrindra angamba dia ny finoana , na raisina Ray sy Reny izy na tsia.


70. LazaDaddy ( 03/08/2006 04:14)
Fiffi> tsy ny fandraisantsika Azy no tokony omen-danja sy marina fa Izy @ maha Izy Azy, sy izay nambarany momba Azy. Raha izay hevitrao izay mantsy dia tsy ilaina nilaza ny momba Azy akory Izy fa isika izany afaka mamaritra Azy, izay hevitra diso tokoa.
"Je suis ce que je suis" hoy Izy.
71. Fiffi ( 03/08/2006 04:52)
LazaDaddy: ny finoana hoa no mavesa-danja kah!
72. LazaDaddy ( 03/08/2006 05:00)
Fiffi an, ianao anie mety ho manam-pinoana be e! Fa raha zavatra diso no ametrahanao an'ilay finoana dia tsy mahasoa fa vao maika manimba :) (ohatra fotsiny: sampy)
73. hery ( 03/08/2006 05:35)
Laza: Anaran'Andriamanitra tahaka ny hoe YHWH izany ilay hoe Ray? Dia aiza ao amin'ny baiboly indray ary no nitenenan'Andriamanitra hoe

Izaho no Ray (ilay tey hoe Ray mihitsy fa tsy hoe amin'ny alalan'ny toetra-ndray)

Marina mihitsy io nolazainao io hoe "Je suis ce que je suis" (Na ny marimarina kokoa Je suis celui qui suis" : Izao no ilay misy) Io no namaritan'Andriamanitra ny tenany. Ka toa ny lazainao ihany, aza mifikitra be loatra amin'izay zavatra ivelan'io. Raha fikirinao hoe Ray (araka izay heverinao) Andriamanitra dia manidy azy ao anatin'ny voafetra (limité) ianao kanefa izy dia tsy voafetra (infini)

Ny fihevitro hozy tsy fihevitrareo.

- Tandremo fa be ny efa nilaza fa manana ny Fanahy Masina ao aminy kanefa hay tsy nanana izany akory izy fa nitondra hevi-diso
- Tandremo fa be ny nilaza fa ny azy ihany no marina ary tena nampiseho toko sy andininy tao amin'ny baiboly mihitsy kanefa hay hevi-diso no nasehony

Dia aoka samy hijery ny tenany hoe sao dia ao anatin'izany isika. Na izaho na ianao.

Inoako fa nahafahanao nandinika bebe kokoa ny finoanao ny dinika teto. Raha toa moa ka nanamafy izay ifikiranao tsara izay, raha toa kosa nampisokatra kely anao amin'izay fitsofan'ny Fanahy Masina dia tsara koa.
74. LazaDaddy ( 03/08/2006 06:05)
hery:
Laza: Anaran'Andriamanitra tahaka ny hoe YHWH izany ilay hoe Ray? Dia aiza ao amin'ny baiboly indray ary no nitenenan'Andriamanitra hoe

Izaho no Ray (ilay tey hoe Ray mihitsy fa tsy hoe amin'ny alalan'ny toetra-ndray)
tena tsy mahita mihitsy ve i Hery? Vakio ohatra 2 Samoela 7:14

Dia rehefa miteny Izy hoe Ray dia aza hidina ao anaty boaty kely tokoa hoe "toetran-dRay" araka ny fihevitr'olombelona fa tena feno tanteraka io Ray io. :)
75. hery ( 03/08/2006 06:11)
Laza: Ray feno tanteraka izany sady misy Reny koa ao anatiny? :-) mitovy hevitra ihany isika izany
76. LazaDaddy ( 03/08/2006 06:32)
hery:
Laza: Ray feno tanteraka izany sady misy Reny koa ao anatiny? :-) mitovy hevitra ihany isika izany
tsy mitovy mihitsy fa aza terena bontolo fotsiny ohatr'izany ny resaka e :)

- ianao aloha ery ambony milaza fa ny hoe Ray (tsy misy reny) dia misy "tsy fahafenoana".
- izaho milaza fa Andriamanitra Ray dia feno tanteraka.

Izao anie no tsy takatrao aminao e:
+ amin'olombelona dia tsy feno ny Ray
+ noho izany dia tsy ekenao tsotra izao hoe tsy feno raha Ray fotsiny Andriamanitra, fa sady reny koa izy
+ Izy anefa Andriamanitra Ray fa tsy olombelona, dia terenao ho reny koa Izy izay vao feno. Hazavaiko kely:
** ireo toetra lazainao fa toetran-dreny ananany ireo angaha tsy mba toetran-dRay fa natokana ho toetran-dreny fotsiny mihitsy tokoa? Ny fihevitrao @ maha-olombelona anao no milaza fa toetran-dreny ireo ka tsy possible aminao ny hoe misy ray manana an'ireo raha tsy sady reny koa. Eo no mahatonga anao tsy manaiky ilay fahafenoana ao @ Andriamanitra Ray.


77. pissoa ( 03/08/2006 06:55)
Izaho mahita hoe mitovy fa i LazaDaddy no manao bontolo tsy te hitovy :roll:
78. LazaDaddy ( 03/08/2006 07:11)
hahaha!
79. pissoa ( 03/08/2006 07:20)
Mba kaozy e =))=))=))
Vakio anie ireo soratra be dia be ireo e ...
80. LazaDaddy ( 03/08/2006 07:25)
tena misy jamba indray ato tsy mahay mamaky teny 8O. hahaha!
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.2363