Andriamanitra sady Ray no Reny (ho an'ny Kristianina)

21. Herimiafina ( 01/08/2006 17:49)
Ny ahy aleoko mametrampanontaniana foana ihany satria tsy dia voafehiko io resaka io ka dai aleo aloha handinika, tsy dai tiako mantsy ny mamaky baiboly teny malagasy fa a eloko tonga dai ny teny niandohany mihintsy no andramana vakiana fa sao dai handika vilana aho ka loza! :roll:
22. hery ( 01/08/2006 17:53)
Raha vao manao "hahaha" aloha dia mbola hatsikana sy lalao ihany izany :-) tsy haharesy lahatra

Izao aho vao mamaly fa izay indray vao tafaverina eto Roma... (gravy ny hafanana eto zalahy)

Efa nampoiziko avy hatrany ny valiny ho azo... indrindra ho an'izay mandray an-tendrony. Jereo tsara io nolazaiko io. Andriamanitra dia sady Ray no Reny tsy tahaka ny fiheveran'ny olona ny ray sy reny fa tahaka ny fiheveran'ny Malagasy ny Raiamandreny.
Ny filazana an'Andriamanitra fa RAy fotsiny (tahaka ny fihevitry ny olombelona ny Ray) dia fiheverana azy ho manana "penis" (sa tsy voalazany ao amin'ny baiboly koa hoe manana penis Andriamanitra ka angamba Ray tsisy penis?) .
Ny filazana an'Andriamanitra ho Ray tahaka ny fihevitry ny olombelona dia fiheverana azy ho vaky feo, be volombava, ny nahazoana antsika zanany sy an'i Jesoa zanany ka dia avy amin'ny firaisana tamin'ny vehivavy.

Fa tsy Ray toa izany Andriamanitra.

Ka raha tsy RAy toa izany Andriamanitra dia inona no maha Ray azy? Tsy ny toetrany fotsiny ve? Dia raha toetra feno fitiavana no maha Ray azy, maninona no tsy hananany koa ny toetran'ny Reny?

Ka izay no ilazako fa misy toetran-dreny tsy ananan'ny ray ka mba hahafeno taneraka ilay toetra maha Raiamandreny dia antsoina toy ny fiantson'ny Malagasy hoe Raiamandreny Andriamanitra.

Inona moa izany ilay tokony hoporofoina ara-baiboly? Apetraho eto aloha ireo nilazan'Andriamanitra ny Tenany hoe Ray... dia mety azo hapetraka eto koa rehefa avy eo ny mety ho nilazan'Andriamanitra ny tenany ho Reny.
23. LazaDaddy ( 01/08/2006 22:19)
hery:
Ny filazana an'Andriamanitra fa RAy fotsiny
Tsy nisy niteny mihitsy teo hoe Ray fotsiny Andriamanitra fa ianareo no tena mandray an-tendrony. Ny marina dia niteny Izy tenany fa Ray, ary niteny koa Izy fa Izy no Izy, niteny koa Izy fa Izy no Yahweh sy ireo anarany maro hafa izay hita ao @ Baiboly.
Fa mba omeo kely hoe aiza ho aiza ao @ io Teniny io no milaza fa reny izy ho jerena? Araka ny fiheveran'ny olombelona ny mamorona izay tsy nolazainy sa araka ny fiheveran'iza indray?:) hahaha!

Ny anareo ange efa miteny Izy fa Ray, Yahweh,...dia mbola mamorona indray ianareo hoe "tsy ampy ireo anaranao ireo fa aleo ampianay hoe reny"!!!
24. cutie ( 01/08/2006 22:30)
nareo koa de mampime
in zao ny pble na Reny na Ray Atra:roll::roll:
25. LazaDaddy ( 01/08/2006 22:31)
cutie> ny ahy ny mampihomehy ahy dia misy mahalala an'Andriamanitra mihoatra noho izay noteneniny momba Azy. hahaha!
"Izaho ho rainy, ary izy ho zanako" 2 Samoela 7:14a
26. cutie ( 01/08/2006 22:32)
mazotoa e :-D
tsetsetra tsy aritra ny ahy :-D
27. cutie ( 01/08/2006 22:43)
Achia [ Valio ] 01-08-2006 22:09:40
Lohateny : Re : Andriamanitra sady Ray no Reny (ho an'ny Kristianina)
Tsy hoe ho fanamaivanana ny hvitry ny namana akory fa mba ho fiarahamandinika sy mitady ny tena lalana mankany Jerosalema vaovao no mba hilazako inty hevitro inty , fa le hoe fandalinana ny hoe ATRA ve RAY sa RENY sa Raiamandreny dia ataoko angamba fa tsy dia laharampahamehana loatra @ famonjena ny fanahy fa ny fitadiavana ny sitrapony mba ahazoana ny fiainana mandrakizay ngamba no tena tokony ho tanjona fa ny hoe ray amandreny sa ray fotsiny ohatra ny hoe fanariana dia ho an'ny kristiana fotsiny , misaotra e !

manohana tanteraka ny hevitry i Achia:P
28. soanja ( 01/08/2006 23:04)
Azonareo atao tsara mihitsy manatsotra fiainana ka. Tsy misy olana izany fa ho an'ny olona tia mametraka fanontaniana dia tsy maintsy misy ihany olona hitady valiny.
Nahoana i Andriamanitra no nantsoina hoe Ray? Fa nahoana izy no tsy Reny? sns Izay no mahatonga ny mpandalina. Tsy vitan'ny olona maika lava sy tsy te harary andoha. Amiko ampiasaiko ny atidohako amin'ny zavatra mahafinaritra sy mahaliana ahy. Dia mizara rehefa avy eo. Samy maka izay tandrifiny avy. Izay no fiainana.
29. cutie ( 01/08/2006 23:05)
ka raha resaka hahasoa le izy ry soanja de tsy laviko ka :wink:
30. soanja ( 01/08/2006 23:13)
Tena mahasoa izany ry Cutie a. Tsara ny mahafantatra zavatra fa tsy miaina ao anatin'ny aizina.
Zavatra hoe mahaliana anao angamba sy ny hoe tsy mahaliana no mety resaka tokony hipetraka eto.
Tsy zava-dehibe ny fahafantarana ohatra ny fisian'ny vitsiki Mada amin'ny olombelona iray aty Amerika ohatra saingy vitsika io ka mila ianarana satria misy.
31. Fiffi ( 02/08/2006 04:22)

Fiche n° 6


Dieu "Père et Mère" riche en miséricorde




"Dieu Père aux entrailles de Mère"

Le SEIGNEUR est un « Dieu de tendresse (de miséricorde), bienveillant, lent à la colère… » (Ex 34,6) La même racine rehem conjugue entrailles, matrice, utérus, miséricorde, tendresse. C'est l'attachement viscéral de la femme pour ses enfants « car ses entrailles (rehem) étaient enflammées pour son enfant » (1 R 3,26). Il est un " Dieu Père aux entrailles de Mère ".

Raha mamaky an'ity aho aloha de tena Ray sy Reny Andriamanitra an!

Ce Dieu Père et Mère est au-delà du masculin et du féminin. Il n'est pas la projection de notre expérience et ne peut se laisser enfermer dans nos mots. « Sion avait dit : "Le SEIGNEUR m'a abandonnée, le SEIGNEUR m'a oubliée." Une femme oublie-t-elle son petit enfant, est-elle sans pitié pour le fils de ses entrailles ? Même si les femmes oubliaient, moi, je ne t'oublierai pas… » (Is 49,14-15).
Miala tsiny raha @ teny frantsay fa tena tsy vitako namadika azy .

Nahitsin'i hery
novalian'i Fiffi ny 02/08/2006 20:51
32. Fiffi ( 02/08/2006 04:24)
Hery: azonao hahitsy ve azafady fa tokony halana ny voasoratra eo ambony io ? Nisy fahadisoana kely eh! :( zany hoe ny tiako nalefa teto de manomboka eo @ io hoe "Dieu Père aux entrailles de Mère"
misaotra.
33. soanja ( 02/08/2006 09:05)
Fiffi:

Hery: azonao hahitsy ve azafady fa tokony halana ny voasoratra eo ambony io ? Nisy fahadisoana kely eh! :( zany hoe ny tiako nalefa teto de manomboka eo @ io hoe "Dieu Père aux entrailles de Mère"
misaotra.

Misaotra betsaka Fiffi nitondra an'io. Ny fikarohana momba an'Andriamanitra misy ifandraisany amin'ny baiboly dia mbola mitohy hatrany ary tsy manam-petra. Raha ny Fanahy Masina no manampy amin'ny torolalana dia ahita mazava fa tsy very mihitsy.


34. prime ( 02/08/2006 10:14)
Tsy misy soratra mikasika ny maha-Reny an'Andriamanitra izany ao @ baiboly na dia tendron-tsoratra iray aza...
Fa marina ny lazain'i Achia, tsy mitondra fitahiana na dia voatsinapy iray aza ny fiheverana azy ho Reny ka aleo mitandrina ihany mba tsy ho voavilivily @ tena fototra... hoy Jesosy : "Izaho sy ny Ray dia Iray ihany..."
35. cutie ( 02/08/2006 10:27)
Mpandefa : soanja [ Valio ] 02-08-2006 04:13:59
Lohateny : Re : Andriamanitra sady Ray no Reny (ho an'ny Kristianina)
Tena mahasoa izany ry Cutie a. Tsara ny mahafantatra zavatra fa tsy miaina ao anatin'ny aizina.
Zavatra hoe mahaliana anao angamba sy ny hoe tsy mahaliana no mety resaka tokony hipetraka eto.
Tsy zava-dehibe ny fahafantarana ohatra ny fisian'ny vitsiki Mada amin'ny olombelona iray aty Amerika ohatra saingy vitsika io ka mila ianarana satria misy.

Mahasoa @in alou fa tsy haiko ???
za manko mitady zavatra practical ihany :P
36. prime ( 02/08/2006 10:47)
:°):)
37. pissoa ( 02/08/2006 11:19)
Fa hono hoa:
Hery teo hoe:
Ny filazana an'Andriamanitra ho Ray tahaka ny fihevitry ny olombelona dia fiheverana azy ho vaky feo, be volombava, ny nahazoana antsika zanany sy an'i Jesoa zanany ka dia avy amin'ny firaisana tamin'ny vehivavy.

Fa tsy Ray toa izany Andriamanitra.

(Izaho miombon-kevitra amin'io)

Mba azonareo azavaina ve ilay hoe Ray ry Prime sy Laza sns? Tsy hoe Andriamanitra akory no tiako hazavainareo amiko - fa ny fahazahoanareo ilay hoe Ray tamin'Andriamanitra niteny hoe Ray Izy. (Sao samy miteny fotsiny nefa mitovy hevitra :) )
38. Fiffi ( 02/08/2006 11:20)
prime: ka hoe ny Ray Andriamanitra zany de tsy hanary velively ny zanany , de isika zany , tahaka ny reny , ny reny ve hanary ny zanany ?
39. LazaDaddy ( 02/08/2006 11:29)
Hery teo hoe:
Ny filazana an'Andriamanitra ho Ray tahaka ny fihevitry ny olombelona dia fiheverana azy ho vaky feo, be volombava, ny nahazoana antsika zanany sy an'i Jesoa zanany ka dia avy amin'ny firaisana tamin'ny vehivavy.Fa tsy Ray toa izany Andriamanitra.

Pissoa> Ka izay anie no mampiharihary fa mamorona i Hery e! Angaha raha niteny Andriamanitra hoe Ray Izy dia ireo fihevitra noforonin'i Hery ireo no lazainy? Dia noho izay ve no nahatonga an'i Hery namoronana avy eo hoe Reny Andriamanitra?
40. pissoa ( 02/08/2006 11:38)
LazaDaddy:
Pissoa> Ka izay anie no mampiharihary fa mamorona i Hery e! Angaha raha niteny Andriamanitra hoe Ray Izy dia ireo fihevitra noforonin'i Hery ireo no lazainy? Dia noho izay ve no nahatonga an'i Hery namoronana avy eo hoe Reny Andriamanitra?

Izaho tsy nangataka anao hiteny hoe mamorona ve i Hery sa tsia (tsy mahaliana ahy io amin'izao). Hoy aho hoe azavao ny fahazahoanao ny dikan'ilay hoe Ray tamin'Andriamanitra niteny hoe Ray Izy. :)
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0616