Andriamanitra sady Ray no Reny (ho an'ny Kristianina)

1. hery ( 01/08/2006 05:45)
Mahita ilay zavatra nolazain'i Soanja ato amin'ity lohahevitra ity aho dia mahatsiaro ny fampianarana ihany koa... fa Andriamanitra dia sady Ray no Reny (Araka ilay voalazan'ny gasy hoe Raiamandreny) na dia ho an'ny Kristianina aza.
Tsy rediredin'ny andro farany toy ny lazain'i Lazamahay akory... fa Andriamanitra dia mihoatra ny fiheverantsika ny resaka masculin sy feminin. Ary tena gaga mihitsy aho raha ny Jiosy izay somary mametraka ny vehivavy ho anjorom-bala no mahavita mieritreritra hoe tsy Ray (masculin) fotsiny Andriamanitra.
Jesoa kristy tamin'ny maha-olombelona azy no tena azo antoka fa lehilahy (misy ny mahalehilahy ny lehilahy rehetra) fa Andriamanitra "Ray" kosa dia tsy azo fehezina amin'ny maha Ray azy satria manana ny maha-Reny azy koa (sinon tsy Andriamanitra feno izy)
Raha fehezina dia hoe Tsy Ray fotsiny Andriamanitra (araka ilay Ray iheveran'ny olombelona azy) fa Reny ihany koa (araka ilay Reny iheveran'ny olombelona azy).
2. hery ( 01/08/2006 05:52)
Betsaka ny teolojianina katolika sy protestanta namelabelatra bebe kokoa io nolazaiko io.

Sombiny amin'ireny ilay boky
Dieu dans l'Écriture nosoratan'i Jacques BRIEND. (Éditions du Cerf, collection "Lectio divina" 150, Paris, 1992) Izay nanokana chapitre iray manontolo amin'io boky io hanazavana ny tiana holazaina amin'ilay maternité de Dieu.

Ankoatry ny resaka ara-baiboly dia manindry mafy ry zareo ny tokony hihoarana hatrany (il faut dépasser) ilay fiheveran'ny olombelona ny lahy sy ny vavy... ka tsy hanadino fa Andriamanitra dia nanao ny olombelona (lahy sy vavy) mitovy endrika aminy.
3. pissoa ( 01/08/2006 06:55)
Misaotra an'i Hery.
4. LazaDaddy ( 01/08/2006 07:05)
hery:
Andriamanitra sady Ray no Reny (ho an'ny Kristianina)
amin'ny Kristianina dia Ray Andriamanitra e! hahaha!
Ny Baiboly aiza indray no misy an'io fa aza mamorona na manaiky be fahatany izay foronin'olona. hahaha!

Rainay izay any an-danitra
Hohamasinina anie ny anaranao
...

Mba manomeza kely hoe porofo ara-tsoratra masina milaza raha tena reny Izy? Rehefa tsy mahita dia aza mamorona sy mamitaka olona.

Tohizako kely indray...ahoana indray ilay doctrine katolika hoe "renin'Andriamanitra"? hahaha =))
5. Fiffi ( 01/08/2006 07:50)
hery: nefa indray raha toa ka mijery ireo fivav ahana zay nataon'i Jesoa aho de hita ary voalaza foana hoe " Père " ohatra zao hoe ( Père, pardonne-leur, car ils ne savent pas ce qu'ils font Luc 23.34

Dia efa nahazatra koa ny fihenohina hoe "Ray" Ohatra hoe "Amin'ny anaran'ny Ray , sy ny Zanaka ary ny Fanahy masina" (au nom du Père..)
6. lapino ( 01/08/2006 08:37)
Ray Andriamanitra ka! izay no nolazainy, sady nolazainy mivantana.
Izay milaza izany fa reny koa Izy, dia mahita mihoatra noho izay voalazan'Andriamanitra.
7. pissoa ( 01/08/2006 08:42)
Izay tsy mahita fa tena Raiamandreny Andriamanitra dia mamehy be loatra an'Andriamanitra amin'ny fisian'ilay zavatra lavalava mahalehilahy iny :roll:
8. LazaDaddy ( 01/08/2006 08:55)
Pissoa> Andriamanitra ihany no nampahafantatra ny tenany ho RAY. Raha misy ao amin'ny Baiboly miteny hoe reny koa Izy dia mba ampianaro anay eto. Fa aza mamorona ny tsy nambaran'Andriamanitra fa tsy mendrika.
9. pissoa ( 01/08/2006 10:40)
Tsy zavatra diso io ka! Izaho tsy nanda hoe Ray Andriamanitra.

Inona avy kay no hitanareo ao amin'izany Raiamandreny izany? Izaho dia mahita Fahamboniana - Fahefana - Fitiavana - sns. Tsy misy famaritana ao ny sexe io hoe lehilahy sa vehivavy. Dia misy diso ve ao? Sa misy fametavetana?
10. LazaDaddy ( 01/08/2006 10:45)
pissoa:
Izaho tsy nanda hoe Ray Andriamanitra.
fa mamorona ianao hoe reny Izy, izay tsy nambarany akory!:)
11. pissoa ( 01/08/2006 10:49)
Tsy mbola tapitra teo amin'io nataonao quote io ny teniko ka :P
12. LazaDaddy ( 01/08/2006 10:52)
hahaha! ka io anie no teneniko hoe tsy ny "fomba fahitanao" Azy fa Izy no efa manambara ny tenany ho Ray e. Dia angatahiko porofo ara-tsoratra masina anefa ianao tsy manome satria zavatra noforoninao araka ny fahitanao no tohananao fa tsy araka ny Teniny.
13. pissoa ( 01/08/2006 10:59)
:-D:-D:-D
Diso angaha ilay fahitako azy hoe Ambony - Tompon'ny Fahefana - Fitiavana - sns? :oops:
14. LazaDaddy ( 01/08/2006 11:03)
diso ny famoronanao Azy ho reny satria tsy izay no nolazainy fa Ray. Avoahy ilay porofo raha misy fa ianao ange mamorona e!
Dia lazaivo fa Ravalomanana koa Andriamanitra satria Ambony sy tompon'ny fahefana sns... hahaha!
15. pissoa ( 01/08/2006 11:39)
diso ny famoronanao Azy ho reny satria tsy izay no nolazainy fa Ray. Avoahy ilay porofo raha misy fa ianao ange mamorona e!

Teneno ahy aloha raha diso io fandraisako an'Andriamanitra io na tsia e! :P

Dia lazaivo fa Ravalomanana koa Andriamanitra satria Ambony sy tompon'ny fahefana sns... hahaha!
Izaho tsy niteny hoe izay olona ambony sy manam-pahefana dia Andriamanitra. Hoy aho hoe Andriamanitra dia Ambony sy Tompon'ny fahefana.
16. Herimiafina ( 01/08/2006 11:51)
Mety ho marina ihany leisy io tenin'i Hery io ry Laza an! Any andanitra anie tsy misy sexe izany e! :wink:
17. LazaDaddy ( 01/08/2006 11:59)
HM> tsy misy resaka sexe anie eto fa izy no mamorona mampiditra an'izany e. hahaha.
Fa ny Baiboly no arosoko hanoherako izay foronony: Andriamanitra tsy mbola niteny Azy ho reny fa Ray!
18. Herimiafina ( 01/08/2006 12:06)
Ary raha ny Teny Arameana (ancien jiosy) no vakiana dia inona no voasoratra ry Laza? Matetika mantsy toa somary mifanipaka ny teny arameana sy ny fandikana azy amin'ny teny gasy. Sao mantsy dia tsy "Ray" no dika teny voasoratra ao?

Somary hazavao fa na izahoa za very! :wink:
19. soanja ( 01/08/2006 13:30)
hery:

Mahita ilay zavatra nolazain'i Soanja ato amin'ity lohahevitra ity aho dia mahatsiaro ny fampianarana ihany koa... fa Andriamanitra dia sady Ray no Reny (Araka ilay voalazan'ny gasy hoe Raiamandreny) na dia ho an'ny Kristianina aza.
Tsy rediredin'ny andro farany toy ny lazain'i Lazamahay akory... fa Andriamanitra dia mihoatra ny fiheverantsika ny resaka masculin sy feminin. Ary tena gaga mihitsy aho raha ny Jiosy izay somary mametraka ny vehivavy ho anjorom-bala no mahavita mieritreritra hoe tsy Ray (masculin) fotsiny Andriamanitra.
Jesoa kristy tamin'ny maha-olombelona azy no tena azo antoka fa lehilahy (misy ny mahalehilahy ny lehilahy rehetra) fa Andriamanitra "Ray" kosa dia tsy azo fehezina amin'ny maha Ray azy satria manana ny maha-Reny azy koa (sinon tsy Andriamanitra feno izy)
Raha fehezina dia hoe Tsy Ray fotsiny Andriamanitra (araka ilay Ray iheveran'ny olombelona azy) fa Reny ihany koa (araka ilay Reny iheveran'ny olombelona azy).



Marina tsy iadian-kevitra.
Misaotra ry Hery nanazava.
Ny fahitako ny fijery eto tena mitovy amin'ny fijery amin'ny solomaso mena matetitika. Ka rehefa mena no hita ao anatiny dia mena ihany fa tsy afaka hiteny hoe loko hafa io ao ambadika.
Ilay Reny tokoa mantsy dia ny zavabitan'Andriamanitra sy ny relation-ny amintsika olombelona ka lasa mahareny aza satria mety hafa ny role-ny Ray fa tsy ny sex-ny akory.


20. Achia ( 01/08/2006 17:09)
Tsy hoe ho fanamaivanana ny hvitry ny namana akory fa mba ho fiarahamandinika sy mitady ny tena lalana mankany Jerosalema vaovao no mba hilazako inty hevitro inty , fa le hoe fandalinana ny hoe ATRA ve RAY sa RENY sa Raiamandreny dia ataoko angamba fa tsy dia laharampahamehana loatra @ famonjena ny fanahy fa ny fitadiavana ny sitrapony mba ahazoana ny fiainana mandrakizay ngamba no tena tokony ho tanjona fa ny hoe ray amandreny sa ray fotsiny ohatra ny hoe fanariana dia ho an'ny kristiana fotsiny , misaotra e !
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2212