ny hakingan tsaina.

41. kally ( 28/07/2006 12:07)
Herimiafina:

Kally, momba ilay resaka tontolo dai tsara tadidiana fa misy formule azo hanazavana azy vetivety angamba ity.
P=G+M
-P=phenotype; endrika miseho ivelany, ny hita amso.
-G=genotype; toetra anaty, avy amin'ny gène.
-M=milieu; totolo misy ilay olona (sakafo, fahsalamana, serasera, fanabeazana, toetr'andro, sns).

Ny dikan'io dia ny phenotype no anisan'ny endriky ny toetra hita ivelany. izy io dai miankina amin,ny gene fa kosa miampy ny effet du milieu amin'ilay olona.

Na dia ao amin'ilay olona aza ilay gène hoe intelligent izy araka ny lazain,io mpikaroka notanisain'i fijo io dia tsy hipoitra mihintsy izany raha tsy mi-favoriser azy ny milieu, ary mety hiova aza satria ny milieu dia misy fiantraikany amin'ny expression d'un gene, mety hisy mutation na fiovan-toetra manaranaka na somation na fiovantoetra tsy manaranaka mihintsy.

Ny fikarohana momba ny fikarakarana ny zaza mbola kely no tena hitako mitondra ny phenotype-ny raha resaka hakingantsaina rehefa lehibe. Mitovy avokoa ny zavatra tadiavin'ny zaza fony vao kely izy, kanefa ireo ratsy sakafo fony kely hono hoy ny mpikaroka momba ny nutrition humaine no anisan'ireo voa mafy any ampianarana aty aoriana.

Tena zavatra important be izany ny alimentation amin'ny zaza surtout ny resaka proteine, izay hita any amin'ny nono, izay manamarina fa ilaina ny mampinono zaza satria iny no sure fa hanome azy ny proteine ilainy amin'ny formation de son esprit sy ny fahasalaman'ny atidohany.

Misy anefa ireo zaza negligé, satria voan'ny crise post-partum ohatra ny reniny, marary ka tsy afaka mikarakara ny zaza, na koa ireo kamboty, na ireo zanaka mahantra tsy ampy sakafo loatra. Izy ireny dia mety hanana olana eo amin'ny resaka fianarana sy hakingantsaina aty aoriana.

ka ny vaha-olana dai karakarao tsara ny zaza dieny mbola any ankibo, ny resaka sakafo no tena important aminy, tandremo ny defiscience proteinique, sns. :wink:





Dia ahoana izany? Izaho anefa mahita zaza gasy be dia be tsy ampy sakafo ny reniny t@ bevohoka nefa ilay zaza kinga sady fetsy be?
Dia inona ho'a ilay tontolo fa tsy asianareo resaka mazava mihitsy fa resak'olona ambony latabatra be ve:cry:
42. watafon ( 28/07/2006 13:39)
Kally: kinga saina sy fetsy b ahoana alou zany e!
ny tontolo tiako hambara d ireo izay mitaiza ilay zaza ! sy ny manodidina azy mandritra ny fitomboany e!
43. soanja ( 28/07/2006 13:49)
Indry moa tary ambony nanontany hoe efa nahita reny nanidy zaza. Efa nisy mihitsy io taty Amerika fa maman'ilay zaza sy ny dadany no nanidy azy tao anaty WC nandritra ny 7 taona. Tena nofehezina teo ambony toilet mihitsy an. Sakafo fotsiny no nateriny taminy dia tsy nisy niresaka na afaka nilalao ilay zaza. Olona sendra nandalo no naheno ilay zaza nitomany indray mandeha no naharakatra azy satria ry zareo mpifanolo bodirindrina dia mbola tsy nahita zaza tao mihitsy.
Fa ilay zaza dia lasa tena nitapy mihitsy satria tsy niasa ny atidohany ka na ny niteny aza dia tsy hainy. Indry koa efa naheno ilay tantaran'ilay Enfant Loup http://www.feralchildren.com/en/index.php

Ny tena crucial age momba ny tokony hahafeno ny sakafo dia eo amin'ny age 0-3 taona. Ka raha mampinono i neny dia tsy olana io satria sakafo feno. Saingy i neny koa mila misakafo tsara mba ho ampy vitamines.
Ny zaza gasy dia tsy very anjara satria ny manodidina azy no laboratoire-ny fiainana. Rehefa miasa hoa ny tanana ka mandinika ny maso dia miasa ny saina. Ka na tapakazo io na kalesa na vy fotsy rehefa mandinika tsara izy dia ho kinga (observing, trial and error, practice) . Mila manao zavatra fotsiny. Ny aty an-dafy ara mampalahelo fa raha tsy any amin'ny playground (parks) dia ao an-trano with babysitter dia tele sy video no maneno ny loha. Tsy mba nisy hoe ndeha aho hiodikodina any Besarety nefa ny tanana any Antanimena ohatra. :D:D:D
44. Herimiafina ( 28/07/2006 14:14)
Jeux, dessin, kisarisary, patte à modeler, bricolage, ireo dia élément-na tontolo tena mamparanitra zaza.

Izao fotsiny e! Ny zaza dia kinga sy maranitra daholo fony mbgola kely, ny antony dai mbola tsy feno ny disque dure-ny, mbola vao manao formation de l'esprit sy manamboatra personnalité izy.

Mila zavatra maro nefa izy vao hahatanteraka izay antsakany sy andavany, toy ny sakafo ara-dalana (tsy fahavokisana no tanjona fa alimentation equilibrée) ny affection-n'ny ray amandreniny, fitiavana, fiarovana, sns.

Nahatsiaro zavatr iray izay aho momba an'io apprentisage des enfants io: tany Mananjary Antsenavolo tany fahiny, nizara chocolat ny ankizy tamin'izay andro izay fa dia nalohany sy naroran'izy ireto ny chocolat satria nahoana hoy ianareo? Tsy tafiditra ao amin'ny Mémoire Organoleptique (na ny tadidy ara-tsakafo) ny gout ny chocolat izay nomeko azy ka tsy tiany satria tsy nozarina tamin'izany ny Aire de reflexe organoleptique-ny ao amin'ny cortex atidohany.

Mi-enregistrer be izany ny atidohan'ny zaza. Ny tontolo (sakafo, affection, ,,,) misy azy nefa no mametra na mampitombo ny fahafahany mano izay.

"ne pas être intélligent ne veut pas dire absence de forme d'intelligence":^)
45. fijo ( 28/07/2006 18:51)
marina io teny farany io.
soanja,efa henoko io resaka za nogadrainatao anaty XC io
46. kally ( 29/07/2006 07:14)
watafon> kinga saina sy fetsy ary maharaka mianatra tsara, sa tokony nasiako sary ve?:lol:
Soanja> Resaka ankapobeny angamba no resatsika teto fa tsy resaka ho an'ny tranga iray manokana.:roll:

HM> Ny tao an-tranonay fony kely aho nihinana fromage foana fa tsy nanakana ahy tsy handrora ny fromage omena ahy izany hatramin'izao. Donto aho ve?:?:
47. booboo ( 29/07/2006 08:46)
:-D voa be fotsiny kah satria matsiro ny fromage hihihihihihihi
48. Herimiafina ( 29/07/2006 12:33)
kally:

HM> Ny tao an-tranonay fony kely aho nihinana fromage foana fa tsy nanakana ahy tsy handrora ny fromage omena ahy izany hatramin'izao. Donto aho ve?:?:


Kally :-D:-D
Tsara retsy ny fromage an!

Iny indray tsy resaka fahadontosana mihintsy kah, fa resaka fiforonan'ny atidoha, sy resaka fipetrahan'ny tsironkanina ao amin'ny Aire gustative (toerana iray mitadidy ny karazana tsiro) ao amin'ny atidoha (cortex na fonony no marina kokoa).

Mety efa nipetraka tao andohanao na mbola tsia izany ny tadidy amin'ny resaka fromage ary iny ilay hoe fandoavana iny dia reflexe (arc reflexe simple) izay mifandray amin'ny attitude (na ny fandraisanao ny fromage) izay mifandray amin'ny tadidy ny fofony, ny tadidy voalohany ny paoziny. Mety nisy zavatra particulier iray nitranga tamin'ny ianao nihinana fromage voalohany dia iny no mitondra ilay reflexe handrora ilay fromage.

Raha efa nihinana ka mbola mandrora foana dia izay, fa raha mbola tsy nihinana mihintsy no mandrora dai tsy mi-existe ao anaty atidoha izany ilay efitra mitadidy ny tsirony dai mazava hoa azy tsy tia aloha.

hahatsiarovako ilay menasofina nanadrana ramanonaka voalohany izay, hatezerana izao, nandrora eran'ny tànana nefa taty aoriana lasa tia ramanonaka be! :wink:
49. xxx ( 29/07/2006 13:42)

za kou t@ mbola kely tsy tia akizy vavy mintsy fa nony lehibe tena oooooooooooooooooooooooay eee :-D:-D:-D:-D:-D:-D:-D:-D:-D:-D
50. Herimiafina ( 29/07/2006 13:50)
Ny tsy fantatra ihany aloha no tsy tiana amboalohany e, toy izany ny hira, ny sakafo, vao voalohany nohenoina na nandramana dia matetika tsy dai tiana! fa avy eo tiana ihany! :roll:
51. MTN ( 29/07/2006 14:24)
Tsy voalazanareo teo: misy karazany ny atao ho marani-tsaina. Omeko fanontaniana ohatra ianareo: iza no marani-tsaina Einstein sa Mozart sa Pele sa ... Arakaraky ny domainenany io.
Noho izany dinio tsara ny zanakao hoe aiza no hainy? Aiza izy no mahira-tsaina? fa aza entim-paniriana hoe tiako ho izao zy izao ny zanako dia asisika any na dia tsy ao mihitsy aza izy.
52. Herimiafina ( 29/07/2006 14:47)
Remarka tena tsara io an'i MTN io satria ny Intelizansa araka ny lazain'ny menasofina dia tsy zavatra iray mitoetra fa miovaova.
Misy famaritana maro dia maro mihintsy izy io: compétence, habilité, capacité, intelligence, malin, rusé, izay tsy voatery hitovy avokoa ny dikany sy ny zavatra hampiharana azy. :^)
53. kally ( 29/07/2006 17:44)
booboo:

:-D voa be fotsiny kah satria matsiro ny fromage hihihihihihihi



Na ho karamaina kosa aza aho kah! ny hany mba ho haniko dia ny fromage hollandais,nefa izaho tia bononóka an!
54. Herimiafina ( 29/07/2006 17:49)
Betsaka mihintsy ny toa an'i Kally izany, selectif amin'ny sakafo, indraindray koa resaka hormone no mahatonga izay!
55. watafon ( 29/07/2006 17:59)
HM: fa mino aho fa nihinana ihany ireo ankizy reo avy eo e?
Kally:ny zaza kinga saina eritreretiko mantsy d hoe mihoatra ny zavatra tokony ho hainy ny fahalalany e! ity misy tantara kely : nisy zazavavy kely 2 ans 1/2 zay zany manao sarin'olona d nataony tsy mitovy ny tongony d nanontaniana izy oe maninn akia no tsy mitovy ny halavan'ny tongony ? d novaliany oe : k midina totohatra izy k ! nahavariana ahy mihitsy io valinteny io an ! sa ahoana oziz nareo ?
56. Aino ( 30/07/2006 07:31)
ny XX avy amin'ny vavy ,,no mamindra sy manome ny hakingan tsain'ny zaza.izany hoe raha dada mahay be,fa neny venavena,dia ahiana ny ahazoana zaza henahena.
fa raha dada mivanana,nefa neny tena koi,dia mety zaza ho sahisa.
ka tandremo ihany zalahy ny fisafidianana sipa,fa ireo izany "hono" no mampita ny zavatra any amin'ny taranaka an.

:-D:-D
57. Fiffi ( 01/08/2006 19:04)
wata: :-D:-D tena tsy ratsy kosa aloha an! ary tena marina kosa ange ny an'le zaza eh ! taiza koa anefa no nisy tongotra miakatra tohatra ny iray eo ambony , ny iray mbola eo ambany de hitovy halava ve ? hummm kel intelizensa an ! :)
58. fijo ( 01/08/2006 19:51)
kally an,rahoviana no hiara mikaly,fa za no hiantoka."fromazy be no hoanina an.
59. Fiffi ( 02/08/2006 03:48)
tandremo hiany ny cholesteroly @ fromazy , aleo mihinana le 15% MT .
60. watafon ( 02/08/2006 18:08)
d ahoana zany ny Raclette amzany ? rehefa misotro ftsn ry fijo d tsy tsara atao tsaky ny fromage an ! mi-favoriser fiforonan'ireny atherosclerose izay mety hanentsina ny lalandrà mantsy ny fiarahany @ alcool !
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.3962