FANAMBADIANA samy hafa finoana toa mbola olana!

61. Achia ( 27/07/2006 20:07)
ahhhh da lava ty ressaka ty :°)
62. cutie ( 27/07/2006 20:10)
achia, aiza ny hevin-jy
63. ravakamalala ( 28/07/2006 06:18)
Azoko ny tian i cutie tenenina hoe ny fitiavana no zava dehibe, dia rehefa mifankatia izany dia mandeha ho azy ny ambiny fa matoa tsy mandeha dia tsy mifankatia.

nefa koa tsara tadidina fa raha kristiana marina dia Andriamanitra no tiavina voalohany zay vao ny olona, isika anie ho entina ho tsaraina amin ny zavatra ataontsika eto antany e!
64. lapino ( 28/07/2006 06:51)
lemenakely:
Fa dia fitiavana moa izy ity rey olona ka tsy ny marimaritra iraisana ve no tena izy e?:?::?:

Tsia, tsy vahaolana mihitsy ny marimaritra iraisana ka!

Eo amin'ny mpivady manko, tsy hilaozan'izay tsy hisy tsy fitovian-kevitra izany, na resaka fombafomba io na resaka zavatra hafa. Tokony misy adihevitra sy fifanazavana eo amin'izay. Dia samy milaza ny mahamety an'itsy sy ny tsy mahamety an'iroa. Fa ny tompon'ny fanapahan-kevitra farany dia izay lohan'ny tokatrano ihany, araka izay fahendrena ananany. Izany hoe ny lehilahy raha ohatra ka kristiana. (Tsy afaka misy lohany anankiroa koa tsinona)

Raha nilaza ny baiboly hoe "ianareo vehivavy, maneke ny vadinareo", dia tsy teniteny foana izany. Tena manala olana bediabe io, sady manamafy ny tokatrano. :wink:
65. pissoa ( 28/07/2006 09:39)
lapino:
Fa ny tompon'ny fanapahan-kevitra farany dia izay lohan'ny tokatrano ihany, araka izay fahendrena ananany. Izany hoe ny lehilahy raha ohatra ka kristiana. (Tsy afaka misy lohany anankiroa koa tsinona)
An3 ka. Misy tohiny ilay hoe ny lehilahy no lohany ka: Tahaka an'i Kristy lohan'ny Eglisy (tsy tadidiko ny tena voasoratra fa io ny heviny :oops: ) Ka rehefa tsy tahaka an'i Kristy lohan'ny Eglizy ianareo lehilahy dia tsy atao lohanay vehivavy ka.
66. lapino ( 28/07/2006 10:06)
Ohatra an'izao no voasoratra:
ny baiboly ao @ efesiana.5:
22 Hianareo vehivavy, maneke ny vadinareo tahaka ny anekena ny Tompo.

23 Fa ny lahy no lohan'ny vavy, dia tahaka an'i Kristy koa Lohan'ny fiangonana; ary Izy no mpamonjy ny tena.

24 Fa tahaka ny anaken'ny fiangonana an'i Kristy no haneken'ny vavy ny lahy koa amin'ny zavatra rehetra.

25 Hianareo lehilahy, tiava ny vadinareo, dia tahaka ny nitiavan'i Kristy ny fiangoanana ka nanolorany ny tenany hamonjy azy,

Ka raha voahaja ireo, dia ho voavaha ny olana maro. Na tsy kristiana aza, toroana hevitra foana ireo fa mahasoa.

Zavatra roa tsy mifampiankina mihitsy ny teny ho an'ny lehilahy sy ny ho an'ny vehivavy eo. Tsy misy condition mihitsy hoe "Rehefa tsy ... dia ...".
67. pissoa ( 28/07/2006 10:56)
Ary izy mahay baiboly an :wink: Sa ve am'le misy resaka vehivavy :roll::-D:-D:-D

Ka inona ary no dikan'io oe 22-24 io e? Ndrindra io tahaka an'i Kristy koa lohan'ny fiangonana io?
68. pissoa ( 28/07/2006 10:59)
Ooops - azoko tampoka kay ka :oops:

Fa tokony oe ny lehilahy kay no notenenina taloha (eo amin'ireo natao quote ireo) :-D:-D:-D
69. lapino ( 28/07/2006 11:07)
Misy fizahan-teny ao amin'ny baiboly.org ka! :wink:
Ka tsy ny lehilahy no notenenina taloha ko! :P
70. majinikakely ( 28/07/2006 11:29)
soa ianay fa mitovy ny finoanay sy rafotsikely
fa saikavadika aditoaako aminareo an
hihihhiuhihih
hahahaha
71. cutie ( 28/07/2006 20:01)
Mpandefa : ravakamalala [ Valio ] 28-07-2006 11:18:22
Lohateny : Re : FANAMBADIANA samy hafa finoana toa mbola olana!
Azoko ny tian i cutie tenenina hoe ny fitiavana no zava dehibe, dia rehefa mifankatia izany dia mandeha ho azy ny ambiny fa matoa tsy mandeha dia tsy mifankatia.

nefa koa tsara tadidina fa raha kristiana marina dia Andriamanitra no tiavina voalohany zay vao ny olona, isika anie ho entina ho tsaraina amin ny zavatra ataontsika eto antany e!

Vakio le lazain'i yonika:P
Za nanampy kely fotsiny :P
72. Herimiafina ( 28/07/2006 20:28)
Miala tsiny fa hiala amin'ity ady hevitra ity ry zareo ny tenako fa lasa mitady hanavakavaka ny rahalahiko sy anabaviko zah nefa zinona moa izay izaho izay pentina kely iray ao anatin'ity onivera ngodalahy be ity?

Aleo Andriamanitra ihany no hanavaka fa tsy manana fahefana mihoatra azy aho ka hanilikilika izay tsy mitovy amiko aloha!

Satria raha izaho no anontaniana dia maro ihany ny voahilikilika de tsy tiako! :-w
73. Solitikabe ( 29/07/2006 02:07)
Za kosa ve raha olona tena tia amalona ohatra dia andeha hanambady olona mifady amalona? Na izaho raha tia saosisy henan-kisoa dia haka vady olona tsy mihinan-kisoa?
Fa io ianao hihinana no erany, ary izay tia mandefitra. Nefa aza mandefitra amin'ny fotaka, fa aletiny.
74. Achia ( 29/07/2006 04:42)
cutie:

achia, aiza ny hevin-jy


Ny ahy ny hevitro mitovy @ io voalazan'i Solitikabe io ahoana tokoa moa no ahafahan'ny ol roa hivady tsy mitovy fomba mety hanahirana ihany ao anaty tokantrano ao a ! en + zany le fanompoana an'ATRA mitsy no tsy mitovy donc sarotsa e ! aleo mijery ol mitovy firainkevitra @ tena e
75. pissoa ( 29/07/2006 09:14)
Herimiafina:
Miala tsiny fa hiala amin'ity ady hevitra ity ry zareo ny tenako fa lasa mitady hanavakavaka ny rahalahiko sy anabaviko zah nefa zinona moa izay izaho izay pentina kely iray ao anatin'ity onivera ngodalahy be ity?
Aza fehezina amin'ny hoe fanavahana ny resaka. Ny fanavahana dia toy ny hoe tsy mila miarahaba an'iny fa iny tsy mino an'Andriamanitra, na hoe tsy mahazo mividy zavatra eo fa ireo Kristianina, na hoe tsy mahazo mividy zavatra eto amiko ianao fa tsy mitovy ny finoantsika.

Ny resaka eto kosa dia toy izao. Raha manaraka an'i Kristy ianao (ohatra), no hanambady olona manitrikitrika fa tsy nisy i Kristy fa tantara noforonina. Dia hanao ahoana ny finoanao, na ny tokantranonao? Ny fahazahoana ny antsoina hoe vady na tokantrano aza dia efa tsy mitovy (na mifanipaka be) ka ahoana no hiheverana ny hananganana tokantrano amin'izany?
76. Achia ( 29/07/2006 20:23)
Piso a ka na samy Kristiana aza anie mety hanahirana ihany e , jereo ohatra fotsiny zao eto @ sera2 eto fa maro no tsy mitovy fijery ny baiboly de manjary misy mifanao teny hafa2 ndraindray ka mety ho sahirana ihany ra mpivady no voany mety hiafara hatramin'ny fisarahana nefa zay le tena tsy sitrak'ATRA
77. xxx ( 30/07/2006 07:20)
matoa mitambatra ho mpivady dia nakatoavin'Atra ny fitiavany izay. ka na kristianina na silamo na tsy mpino, ny tsirairay no mahalala izay mety sy tsy mety atao. rehefa tsy noterena ianao na novozonana hiaraka @ olona iray, dia izay no hitan'Atra fa mety aminao aloha raha kristianina ianao. La voix de Dieu hono est impenatrable! tsisy mahalala isika izay ho rahampitso fa Izy mahalala. Ny mitandrina ny didiny iany no azontsika atao, fa Azy ny lahatra, Izy no manome ny anjara! tsy maninona ra misy ny tsy mitovy hevitra amiko, forum piblika tsinona ity!
78. cutie ( 30/07/2006 18:08)
Za mitovy hevitra @xxx :lol:
79. pissoa ( 30/07/2006 18:40)
Achia - ie! Fa ilay hoe tena fahasahiranana be anie no mba ialana kosa e :)

xxx - Andriamanitra amiko dia manome safidy ny olona foana. Jereo anie fa na hoe hino Azy aza dia tsy misy tereny mihitsy e, samy mifidy isika hoe hino an'Andriamanitra aho na tsia. Dia toy izay koa ny tokantrano (amiko).
80. Herimiafina ( 30/07/2006 18:52)
Ny finoana ve Fiangoanana no dikany eto sa ilay zavatra tsara be nomen'Andriamanitra antsika tsirairay e? :roll:
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.4064