FANAMBADIANA samy hafa finoana toa mbola olana!

1. lemenakely ( 26/07/2006 14:21)
Mandrak'ankehitriny dia mbola hita sy tsapa fa mbola mametraka olana @ fanambadiana ny maha samy hafa ny finoana .Rien qu'entre catholique sy protestant dia misy olana! indrindra ny momba ny ankizy refa avy eo hanaraka ny finoan'i dada sa i mama.Raha ny tena lôjika dia tsy maintsy manaraka ny finoan-drangahy ramatoa sy ny ankizy!Taloha ohatra dia atao batemy ,kôminio voalohany ary confirmasion ny vehivavy prôtestanta manambady katôlika refa avy vita mariazy.Izao tsy dia haiko loatra toa miankina @ ramatoa raha manaiky hivadi-pinoana izy dia misy ny kôminio @ mariazy fa raha tsy manaiky izy dia tsy misy kôminio ny lamesa.

Raha sekta moa ny iray toa vao maika compliqué be ny raharaha!
Fa dia fitiavana moa izy ity rey olona ka tsy ny marimaritra iraisana ve no tena izy e?:?::?:
novalian'i mami14 ny 23/12/2014 19:04
2. cutie ( 26/07/2006 14:24)
ie:wink:
3. soanja ( 26/07/2006 14:58)
Rehefa mifankatia dia tsy mipetraka izay olana izay. Izay iray mandefitra no fahitako azy. Amiko aloha dia manara-bady ihany no fomba gasy. Izay alehany alehako.
4. pissoa ( 26/07/2006 15:17)
Raha ny hevitro dia tokony ho olana lavitra io, raha oharina amin'ny ny resaka firazanana izay mbola misy mametraka olana koa eo amintsika malagasy ...

Dia misy degre-ny koa ny hasarotan'ny olana eo amin'ny finoana roa. (Ohatra hoe: Katolika sy Protestanta, tsy mitovy amin'ny Katolika sy Silamo, tsy mitovy amin'ny Katolika sy ny olona milaza fa tsy misy Andriamanitra, sns)

Izaho tsy manaiky an'izany hoe manaraka ny lehilahy izany ny vehivavy. Fa maninona? Rehefa heveriko fa tsy mety ve dia arahiko fotsiny ihany satria aho vehivavy :roll: (Tsy feminism io fa common sense.)
5. miangalyandria ( 26/07/2006 15:19)
ny fomba gasy no manara-bady, ny finoana jiosy ohatra dia ny lehilahy hafa finoana aminy no mivadika juif raha ohatra te-hanambady azy satria ny reny no mampita ny finoana ! ny silamo koa toy izay !
6. cutie ( 26/07/2006 15:19)
Fa dia fitiavana moa izy ity rey olona ka tsy ny marimaritra iraisana ve no tena izy e?

pissoa, araho io e :P
7. pissoa ( 26/07/2006 15:34)
Ka raha tsisy marimaritra iraisana :roll:
8. dadabe ( 26/07/2006 15:36)
lemenakely> inona aloha le atao hoe sekta e?? :-w
9. cutie ( 26/07/2006 15:41)
Mpandefa : pissoa [ Valio ] 26-07-2006 20:34:13
Lohateny : Re : FANAMBADIANA samy hafa finoana toa mbola olana!
Ka raha tsisy marimaritra iraisana

de mijanona koa
10. pissoa ( 26/07/2006 15:43)
Ie! izay mihitsy :)
11. cutie ( 26/07/2006 15:46)
sady refa tsy tian-jy koa le oul de mijanona:-D
12. lemenakely ( 26/07/2006 15:49)
dadabe:

lemenakely> inona aloha le atao hoe sekta e?? :-w



Io moa ry bedada lasa polémique be io resaka secte io .Azonao jerena @ google ny tena définition éxacte ny resaka momba io sécte io !
Toa raha tsy diso koa aho efa resa-be ny momba azy io teto ao @ dinika momba ny fivavahana ka tsy hivalapatra be aho manjary mipasoka ny efa malàma.:°):°)
13. soanja ( 26/07/2006 18:06)
Fa ny anareo ve alohan'ny hirahana amin'ny olona na indrindra hoe hanambadiana AZY dia tsy mba efa fantatra mialoha ve ny mombamomba azy sa dia surprise daholo ny rehetra.
14. cutie ( 26/07/2006 18:14)
soanja, ny an'ny sasany zany ngamba, tsy za alou e :-D
15. pissoa ( 26/07/2006 18:24)
Ka tsy maninona anie izany ry Soanja rehefa alohan'ny fanambadiana no fantatra e ... ( Ngah moa rehefa vady aza dia tsy misy surprise intsony mihitsy ny aminy :roll: )
Fa hoe rehefa fantatra ilay dia mametraka olana ve sa tsia.
16. fijo ( 26/07/2006 18:33)
izao e,ny zavatra ratsy indrindra ary tena mitarika ny ady dia io finoana io.izay resaka hidiran'io,dia ady ny hiafarany.ka raha sahala amiko,dia samia mijanona amin'izay tiany,fa aza io no jerena.
17. miangalyandria ( 26/07/2006 18:48)
mampijaly ihany ka

18. LazaDaddy ( 27/07/2006 02:35)
fijo:
izao e,ny zavatra ratsy indrindra ary tena mitarika ny ady dia io finoana io.
satria i Satana tsy hanaiky mihitsy raha tsy azony ny tanjony dia ireto roa ireto:
- tsy mino toa an'i fijo ny olona:)
- manompo azy ny olona
fijo:
ka raha sahala amiko,dia samia mijanona amin'izay tiany,fa aza io no jerena.
Efa azony ilay tanjony eto dia tsy mandraharaha an'i fijo intsony izy aloha fa ny olon-kafa indray no jonoiny.

fijo> miala tsiny fa aleoko tonga dia tsorina toy izay miolakolana araka ny fomba ratsy gasy. hahaha!
19. miyah ( 27/07/2006 03:43)
Fa i lemenakely v alou katolika sa protestant é? d enao no mamosaka ny hvtr d enao ahona ny hevitrao enao v mametraka olana amin finoana na sekta na ao anaty FFKM ny olona miaraka aminao?
Za manokana alou d malalaka b ny finoana satry io ny tena marina entre ny olombelona sy andriamanitra ihany?
ary nareo é?
20. ramialy ( 27/07/2006 05:33)
Ny ahy aloha ny mifanohitra amiko foana no miaraka amiko e, asa rehefa tena vady ho hita eo:wink: Tsy misy tsara ohatra ny mitovy, fa rehefa mifanara-tsaina na protestante na catholique dia mety
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0551