FANAMBADIANA samy hafa finoana toa mbola olana!

21. papounjy ( 27/07/2006 05:46)
Marina fa efa betsaka ny malagasy mihevitra fa tsy olana izay finoana tsy mitovy ao anaty tokantrano izany, saingy rehefa tonga eo aminao ny olana dia eo ianao vao gaga. Manana rahavavy telo aho manana olana amin'io finoana io.
Ny iray nanambady silamo, niteny ireo ray aman-dreninay fa vao maika izy niditra dia navela izy nanao izay tiany. Nandritra ny mariazy dia efa olana be, na ny fombafomba na ny sakafo. Ny fianakaviana andaniny katolika. Fa noho ny fitiavanay ny anay dia tsy nasianay olana firy, izay moa ny safidiny.Aty aoriana anefa dia hita fa sadaikatra ihany io zandriko io @ fifaneraserana amin'ny fianakaviana (oh fotsiny ny tsy fihinanana kisoa...)Mampalahelo fa dia safidin'ny tsirairay io...
Ny zandriko iray moa dia manana fofombady hafa finoana tsy haiko izay anarany fa tsy tia protestanta sy katolika. Io bandy io nefa t@ izy ireo vao niaraka dia katolika, nefa izao nivadika finoana izao. Hatramin'izao dia tsy vita ny raharahan'izy ireo satria ilay zandriko vavy mihintsy no tsy manaiky. Nataon'ilay zandriko ny marimaritra iraisana hoe samy hivadika protestanta ry zareo fa tsy nanaiky ilay bandy.
Hany herin'ilay zandriko dia namela ny situation amin'izao aloha fa tsy hanaiky ny hanaovana ny raharaha izy. Ry zareo anefa dia mifankatia tanteraka. Ka asa na ny fitiavana no handresy na ny finoana amin'izany.
22. soanja ( 27/07/2006 07:39)
pissoa:

Ka tsy maninona anie izany ry Soanja rehefa alohan'ny fanambadiana no fantatra e ... ( Ngah moa rehefa vady aza dia tsy misy surprise intsony mihitsy ny aminy :roll: )
Fa hoe rehefa fantatra ilay dia mametraka olana ve sa tsia.


Pissoa a izao no fahitako azy hoe:
Zah dia tsy hanapa-kevitra hiaraka amin'iza n'iza raha tsy efa mba fantampatantro ny momba azy. Zany hoe tsy mino ny coup de foudre aho fa na zah tara amin'ilay olona fotsiny fa tsy hiarahako izy raha tsy tena fantatro na mijanona ho tsiambaratelo ao anatiko ny fitiavana azy dia foana moramora rehefa avy eo. Ny fitiavana amiko dia zavatra koloina. Ny anton'izay dia araka ireo voalaza eo ambony hoe saropady ny fanapahan-kevitra eo amin'ny fiainana indrindra ny finoana, ohatra hoe na bogosy toy ny ahoana aza le ol aloha nefa silamo dia sarotra amiko ny hiditra amin'izany fa dia tazanim-potsiny ilay fitiavana (attraction physique) sns fotsiny anefa no nisy teo fa ilay fitiavana mbola avo lenta noho io.
Mila mifanerasera amiko matetitetika izy , izay mpinamana ary manantena ny hiaraka ahafantarako hoe intellectually challenging ho ahy ve izy sa boring, dia ny tena important indrindra hoe aiza ho aiza ny fipetraky ny finoany momba an'Andriamanitra? Miana-javatra aminy ve aho sa zah no mpampinatra sa mifampianatra eo izahay? Mety daholo ireo fa raha kosa tonga dia hoe milaza izy fa tsy misy arako momba ny finoana sns fa dia miaina goana dia veloma lava fa vetivety dia tsy eo intsony i soanja.
Rehefa tratra daholo ireo ka hiroso amin'ny fanambadiana dia mino aho fa efa voaresaka nandritran'io fiarahana io hoe aiza no aleha satria efa voaresaka ny ho avy.
fa marina ny anao, tsy misy mahalala 100% ny olona iray na efa vady 10 taona tao an-trano aza fa isan'andro dia decouverte saingy tsy ireo resaka ireo fa zavatra hafa.


23. pissoa ( 27/07/2006 08:14)
Marina ny tenin'i Soanja. Fa nisy tsy azon'i Soanja ny tiako notenenina. Izaho tsy manda ny tokony hahalana tsara ny olona hiarahana mihitsy. Fa hoy fotsiny aho hoe amin'ilay mifanerasera aminy sy miezaka mahafantatra azy iny no hahafantarana ny finoany (sy handraisana hanapahan-kevitra na hivady na tsia) fa tsy hoe tsy fantatra izany ny olona iarahana na vadiana.
24. soanja ( 27/07/2006 08:31)
Hay, ny ahy indray dia hoe tsy misipa mihitsy raha tsy efa fantatra ireo ka. Fa ilay serasera namana fotsiny.
25. fens ( 27/07/2006 08:37)
Olana le izy satria misy tsy manaiky mihitsy, zany oe tsy misy marimaritra iraisna zany oe tsy fitiavana izany amiko, satria amiko ny hoe tia de miaiga amin'ny fifandeferana! zay ihany alou no azoko ambara; :P
26. majinikakely ( 27/07/2006 08:52)
za zaony baviko manambady advà manaja ny andro sabata tsy mikaly kisoa fa mlam tsara zareo
reefa tonga any amin'ny tanan d tsy menay kotleta kah fa anaovanay henomby rou aminny anamamy
zareo mivavaka any amin ny fiangonanay zaay koa torak izany fa ny fanambadian dry zareo mlam b kah tsisy olana aloha hatramizao raha momba io resaka finoana io.
27. mamzelkely ( 27/07/2006 09:07)
ôtrany firazanana ihany io e mametraka olana eo am sasany :lol:
28. ravakamalala ( 27/07/2006 09:09)
soanja > feno fahendrena sy fahatoniana be ny valinteninao, fa izao anefa misy zavatr tsy azon ny fitiavana resena, ny tiako tenenina dia ny hoe , indraindray ianao rehefa tena tia ka entin 'ny fihetseham po dia tsy mihevitra ny fihetsikao intsony, mora be ny miteny ny hoe fantariko alou ilay olona vao ho tiaviko, fa ny zavatra mitranga matetika anefa dia ny hoe tiako aloha ilay olona, dia avy eo miankina amin ny degré ny fitiavanao azy ny hoe anaraka ny tiany aho sa tsia.

momba ilay lohahevitra indray dia zava dehibe ioresaka finoana io satria ao anaty tokantrano iray dia tokony hisy firaisan-tsaina, firaisana ara-panahy ary firaisana ara-batana ( :wink: ) raha tsy ao ny iray amin ireo dia mandringa ny tokantrano.
29. pissoa ( 27/07/2006 10:05)
Soanja, tsy hofantatra mandritra ny mahampinamana daholo izay afeniny sy tsy afenina.

fens, fa maninona no tsy fitiavana? Dia raha misy miteny hoe tsy nahafantatra ny finoany (mba tsy hitenenana hoe tsy nino) akory ireny olona nivadika finoana ireny noho ny fanarahana vady, dia ho ekenao ve izany?

Misy azonao andeferana - misy kosa tsy handeferana, miankina amin'ny tsirairay io. Amin'ny olona sasany, ny fitiavana no zava-dehibe (olon-droa) aminy, ka na inona na inona mitranga eo, rehefa mifankatia izy roa, dia tsy olana aminy. Amin'ny hafa kosa ny finoany no manan-danja kokoa aminy. Dia izay no mitondra azy - ny hafa no ampandeferina fa tsy ny finoana no ariana.
30. cutie ( 27/07/2006 10:20)
Mpandefa : ramialy [ Valio ] 27-07-2006 10:33:29
Lohateny : Re : FANAMBADIANA samy hafa finoana toa mbola olana!
Ny ahy aloha ny mifanohitra amiko foana no miaraka amiko e, asa rehefa tena vady ho hita eo Tsy misy tsara ohatra ny mitovy, fa rehefa mifanara-tsaina na protestante na catholique dia mety

mitovy isika:-D
31. yonikafopl ( 27/07/2006 11:04)
Rehefa mifankatia tsy hitako izay tokony hampisy olana am resaka finoana ( na firazanana koa aza).
Fa ny fitiavana no ambony indrindra, matoa mbola misy mametraka olana am reo resaka ireo na ny andaniny na ny ankilany, dia samia mieritreritra fa mbola tsy ao le fitiavana.
Ny hevitro dia samia mivavaka ho an'ny olontiany ny tsirairay avy, Andriamanitra mahay manova azy hino izay hinoanao.
32. cutie ( 27/07/2006 11:11)
: yonikafopl [ Valio ] 27-07-2006 16:04:25
Lohateny : Re : FANAMBADIANA samy hafa finoana toa mbola olana!
Rehefa mifankatia tsy hitako izay tokony hampisy olana am resaka finoana ( na firazanana koa aza).
Fa ny fitiavana no ambony indrindra, matoa mbola misy mametraka olana am reo resaka ireo na ny andaniny na ny ankilany, dia samia mieritreritra fa mbola tsy ao le fitiavana.
Ny hevitro dia samia mivavaka ho an'ny olontiany ny tsirairay avy, Andriamanitra mahay manova azy hino izay hinoanao.
=D
33. yonikafopl ( 27/07/2006 11:18)
cutie:wink:
ka zany aky aaaa, raha marina izay hinoako, vavaka manova zavatra,
34. cutie ( 27/07/2006 11:32)
Marina zay ka, refa tsy ataonao ho tombontsoa anao samirery le fivavahana ho azy .:wink:
35. yonikafopl ( 27/07/2006 11:36)
cutie, ka zay,raha mivavaka ho anjy za, tsy ny tombotsoako no tadiaviko amzany fa ho anjy, :wink:
36. cutie ( 27/07/2006 13:31)
non izy roa koa:wink:
Mivavaka ho anareo roa njy fa tsy hivavaka ho azy rery mba hiova izy, fa mitady le marimaritra iraisana e :lol:
37. pissoa ( 27/07/2006 13:47)
yonikafopl:
Fa ny fitiavana no ambony indrindra, matoa mbola misy mametraka olana am reo resaka ireo na ny andaniny na ny ankilany, dia samia mieritreritra fa mbola tsy ao le fitiavana.

"Izay te-hanaraka ahy ka tia ny rainy na ny reniny na ny rahalahiny na ny anabaviny na ny havany mihoatra ahy dia tsy mendrika ny ho mpianatro" (Cf New Testament).
38. cutie ( 27/07/2006 13:49)
tsy mazava le lazain'i pissoa:roll:
39. pissoa ( 27/07/2006 13:59)
Hoy i Yonika hoe ny fitiavana (ilay olon-droa io) no ambony indrindra - dia hoy aho hoe ny Andriamanitro mbola ambony lavitra ...
"Izay te-hanaraka Ahy (Jesoa Andriamanitra io fa tsy i pissoa) ka tia ny rainy na ny reniny na ny rahalahiny na ny anabaviny na ny havany mihoatra Ahy (dia mbola Jesoa koa io) dia tsy mendrika ny ho mpianatro (mpianatry i Jesoa)" (Cf New Testament).
40. cutie ( 27/07/2006 14:14)
hay ve e
Ka eto an-tany tsika zao de le fiainana eto no resahina zao .
Fa ny fitiavana no zava-dehibe indrindra eto an-tany :lol:
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2016