MIOVA TOKOA!!!...

1. xxx ( 16/04/2006 18:17)
Tsy dia mahay milalao intsony ny ankizy ankehitrio HAFA NY TALOHA!!tao ny fangala-piery ny bande sy rôle ny tomobile kapoaka ny papango rivotra ny kivarivary ny tantara vato na ny kilalao diavolana somambisamby ny tsikonina 26 juin etc...sady tsapa fa taloha afaka miara-milalao daholo ny classe sociale rehetra ny zanaky ny farahidiny sy ny manankatao dia afaka miara-milalao .:°):°)INDRISY !!!
2. Fiffi ( 16/04/2006 18:21)
ka indrisy ahoana moa fa ny andro koa anie ka miova eh! efa lasa informatika avokoa ny lalao rehetra nefa na izany aza , mbola misy hiany kosa ankizy milalao an'ireny eh!
3. pissoa ( 16/04/2006 18:24)
Tsy ny ankizy akory no tsy mahay milalao, fa ny kilalao no miova. Karazana milina sy plastika indray angamba izao no hilalaovana.

Nefa matsiro be le kilalao talou ireo an, hihihi. Indrindra le bandy sy role, le kasikasy kapoaka de le tomobila :-D:-D:-D:-D
4. Fiffi ( 16/04/2006 18:28)
pissoa: de inona zao ny lalao mbola hataondry @ zao ,?:-D:-D:-D:-D:-D
5. lemenakely ( 16/04/2006 18:44)
Variana variana ery eee
ny ankizy etsy an-tokontany eee
manangona vovoka anaty kapoaka
fa hanao kivarivary...

Tahona zoro no atao borosy ee..

Ny kivadivady aza moa nataony eeee

HIRAN I TARIKA LEVELO IO ASA IZAY NAHATADIDY:°):°)
6. vale ( 16/04/2006 18:54)
hihi, sady ny ankizy @zao maika ho lehibe!:°)
7. pissoa ( 16/04/2006 19:09)
Fiffi, zah tsy milalao izany intsony fa efa olon-dehibe de efa matotsa be :@:-D:-D:-D:-D:-D:-D:-D
8. Herimiafina ( 16/04/2006 20:44)
Fivoaran,ny fiaraha-monina no mahatonga an'io kah. Efa nivoatra ny teknolojia ka mihamora ny karazana kilalao hafa toy ny Playstation ohatra, ny fahitalavitra koa tsy lany fandaharana.

Taloha mantsy tsy misy atao afatsy ny fanenjika sy ny fangalampiery ny ankizy, satria ny télé ohatra tsy mandeha afatsy adiny 2 isan'andro tamin,ny andron'ny TVM, ny magnetoscope lafo be ny tomobila kely teleguidé tsy takatra.

Tadidio anefa fa io observation io dia mety tsy valable any ambanivohitra fa antanandehibe ihany. :@
9. Fiffi ( 17/04/2006 04:23)
Ho an'ny olona izay tsy afaka mividy ny kilalao lafo vidy be ireny dia tsy maintsy mbola ireny hiany zao no mba hataony eh ? indrindra fa ny eny ambanivohitra marina.
10. diamondra27 ( 17/04/2006 06:10)
mbola misy ankizy milalao kiafinafina kosa hatr@izao fa aza mandainaga e! kilalao tena tian'ny ankizy io

izany no atao hoe: génération playstation sy msn
11. Fiffi ( 17/04/2006 06:15)
ny kiafinafina kosa aloha dia tsy ho hadino mandrakizay io an! io angamba ny lalao izay tsy mety ho maty mihintsy n'inona hidona n'inona hitranga satria era-tany io lalao io ary manao an'io daholo ny ankizy rehetra.
Marina mihintsy any andry ry DM an!
12. Achia ( 17/04/2006 10:06)
ary ny kivadivady zany koa ve misy e?:?:fa by kivarivary aloha no fantatro:^)
13. Fiffi ( 17/04/2006 16:01)
:roll:
14. cutie ( 17/04/2006 19:17)
Mpandefa : xxx [ Valio ] 16-04-2006 23:17:31
Lohateny : MIOVA TOKOA!!!...
Tsy dia mahay milalao intsony ny ankizy ankehitrio HAFA NY TALOHA!!tao ny fangala-piery ny bande sy rôle ny tomobile kapoaka ny papango rivotra ny kivarivary ny tantara vato na ny kilalao diavolana somambisamby ny tsikonina 26 juin etc...sady tsapa fa taloha afaka miara-milalao daholo ny classe sociale rehetra ny zanaky ny farahidiny sy ny manankatao dia afaka miara-milalao .INDRISY !!!

:cry::cry::cry::cry:
15. Fiffi ( 18/04/2006 06:11)
cutie: ndryyyyyyyyy :-*:-*:-*
16. mamzelkely ( 18/04/2006 06:28)
zah ko aloh de mana-remarker an zay zvt zay ko hoe miova ee na ny dessin animés mande amizao fotôna aza lasa ratsy beuu dôly no sady violent be dôly fa ts mba misy an le dessin animé le mampanofy tam mbola kely reny trony :cry:
17. Fiffi ( 18/04/2006 11:21)
mamz: marina ny andry , lasa dragon sns .... aiza ve dia manjary mitady hirahira na dessin animé na mamorona ho an'ny zazakely ankehitriny fa tsy hita intsony ireo mahazatra!
18. miantra ( 18/04/2006 11:31)
Ny ahy ry reto raha ny fijeriko azy dia marina fa miova ny kilalaon'ny ankizy fa anjaran'ny ray aman-dreny sy ny olon-dehibe no mampita ireo kilalao fahiny .

Fa izany hoe mila tia milalao miaraka amin'ny ankizy kosa aloha satria ianao indray no tsy avelany mipetraka rehefa avy eo ataony hoe: dia inona koa ny kilalaonareo taloha?

19. diamondra27 ( 18/04/2006 20:04)
titeuf kosa milay e!
20. Herimiafina ( 18/04/2006 20:34)
Andao tsika hanao kivadikivady de izaho sy DM foana no miaraka e! ahan :@
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1336