Judas Iscariote

81. Fiffi ( 19/04/2006 12:21)
marozevo: ilay ao amin'ny baiboly ka! fa na izany aza dia mbola manadihady mafy aho , mba manalindalina , mba ahazahoako tsara hoe i Judas dia apôtre niaraka tamin'i Jesoa nefa dia nahasahy namadika an'i Jesoa izy.
82. marozevo ( 19/04/2006 20:25)
Tamin'izay fotoana izay dia iray ihany ny Jodasy. Ankehitriny be dia be ny Jodasy.
Tsaroantsika ve ilay hiran'i Nanahary hoe "I Jodasy no namadika an'i Jesoa zanak'i Ra-Maria... I Jodasy Jodasy ihany fa ny taranany mbola any, manerana ny tany sady mamitaka be vinany."?
83. Fiffi ( 20/04/2006 06:57)
tsy aiko indray aloha izany hira zany an! fa marina ny anao hoe @ izao fotoana izao dia maro dia maro tokoa ny Jodasy.
Ny fanontaniana tiako hapetraka indray dia izao: Judas namadika an'i Jesoa , satria ve Jodasy nanao an'io famadihana io dia ankehitriny ny olona izay mamadika rehetra dia hatao hoe Jodasy koa avokoa. Nanjary ratsy mihintsy raha vao tatran'ny hoe Jodasy ianao dia gaga ny sasany hoe Jodasy ?
84. marozevo ( 20/04/2006 14:49)
Iny aloha dia hira ka hira eh. Izaho kosa tsy manaiky fa izay rehetra mamadika dia JOdasy avokoa. Tsy ekeko satria tsy ekeko koa fa izay rehetra avadika dia Jesoa.
Fa tena misy sary (type) biblika manambara famadihana namana na olon-tiana koa ka. I Dalilà, ilay namadika an'i Samson. Misy hira izay fa tsy haiko ny mpihira azy, manao hoe : "Samson et Dalilà, un rècit biblique...
C'est ainsi que son nom (de Dalilà) devient symbole de trahison".
85. Fiffi ( 21/04/2006 09:43)
Tsy ekeko satria tsy ekeko koa fa izay rehetra avadika dia Jesoa
tsy azoko an!
86. marozevo ( 22/04/2006 22:24)
Izao e.
Satria izay Mpamadika izany dia Jodasy, hoy isika.
Noho izany, izay voavadika (trompé na trahi) izany dia Jesoa, satria i Jesoa no navadik'i Jodasy.
Kanefa, izay rehetra voafitaka teto an-tany ve dia azo ampitahaina amin'i Jesoa ? Tsia no valiny. Izaho efa nisy namitaka fa tsy sahy milaza aho fa Jesoa ny tenako. Izaho koa efa namitaka fa mba tsy ekeko kosa raha atao hoe Jodasy indray aho.
87. Fiffi ( 26/04/2006 07:43)
Satria izay Mpamadika izany dia Jodasy, hoy isika.
io aloha dia tena misy tokoa ny olona milaza fa izay mamadika azy dia " Jodasy " izy zany.
Noho izany, izay voavadika (trompé na trahi) izany dia Jesoa, satria i Jesoa no navadik'i Jodasy.
tsy izany kosa an! satria iza moa no olona afaka hanao "comparaison" amin'i Jesoa ? Satria fotsiny amintsika dia i Jodasy no namadina an'i Jesoa ka amintsika ny mamadika zany dia ratsy , tsy azo hatao , haintsika zany fa ny mamadika dia ratsy ka noraisina hoe ny mamadika dia Jodasy fa tsy hoe hatao koa hoe izay voavadika dia Jesoa.
Izaho efa nisy namitaka fa tsy sahy milaza aho fa Jesoa ny tenako.
Iza anefa no tsy efa voafitaka tamintsika olombelona ? Mbola tsy nahare na nahita olona aloha sahy milaza na nilaza fa Jesoa izy satria voafitaka. Satria nahoana ? Jesoa dia Jesoa ary olon-tokana Izy , Izy no arahintsika , Izy no hinoantsika satria Tompo izy.
Izaho koa efa namitaka fa mba tsy ekeko kosa raha atao hoe Jodasy indray aho.
Samy manana ny fisainany ny tsirairay , ny olona izay nolazaina fa Jodasy satria namitaka izy dia ahatonga azy hiheritreritra amin'ny manaraka mba tsy hanao an'izany intsony. Marina aloha fa tsy hanaiky hatao na hantsohina hoe Jodasy ny olona iray izay namitaka ohatra , nefa tsy ny olona rehetra koa no milaza an'izany .
88. marozevo ( 27/04/2006 21:08)
Tsy nila nanazava betsaka intsony aho, satria io fa voavahavahan'i Fiffi hatramin'ny antsipirihiny ny tian-kambara.
Misaotra amin'ny fiaraha-miasa.
89. Fiffi ( 28/04/2006 06:30)
de angina ve zany ? io anie ry marozevo ka ny hevitro an! fa ny anao na ny tsirairay dia samy manana ny heviny daholo kah! :)
90. marozevo ( 28/04/2006 14:42)
Ny hoe hangina kosa aloha tsy misy eh..
Raha miteny ny vato dia mangina aho.
Momba io hevitra io ihany no lazaiko, fa ny resaka azo tohizina ka !
Ndao hitarina kely ary ny resaka momba an'i Jodasy eh...
1 - Samy namadika ihany na i Jodasy na Piera, nefa nahoana no samy hafa ny tohin'ny tantaran'izy roalahy.
2 - Natsipin'i Jodasy tao am-piangonana anie no niafaran'ilay vola ry reto eh. Moa azo lazaina fa tena fitiavam-bola ve sa antony hafa no namadihan'i Jodasy an'i Jesoa ?
91. Fiffi ( 29/04/2006 07:03)
2 - Natsipin'i Jodasy tao am-piangonana anie no niafaran'ilay vola ry reto eh. Moa azo lazaina fa tena fitiavam-bola ve sa antony hafa no namadihan'i Jodasy an'i Jesoa ?
io ary fa tafavoaka @ zay ny anton'ny namoahako an'ity dinika ity. Sady tena manitiitika ahy mihintsy ny tena fandehany izay voalaza ao @ baiboly .
-Marina ve fa i Jesoa no nilaza taminy ny hamadihany azy ?
-Sa ve efa izay no tena tokony fandehany ?
-Nefa dia nanaiky Jodasy t@ nanomezana azy vola.
-Nanenina ve izy nohon'ny novonohina Jesoa ka nanariany ny vola azony tao am-piangonana ?
-Tena fitiavambola tokoa ve ny antony namadihany an'i Jesoa ?

Nefa indray koa dia raha hoe Jesoa hiany no nangataka an'i Judas hamadika azy , dia ahoana izany ny t@ hoe rehefa tafaraka daholo indray Jesoa sy ny mpanompo azy (mpanompo ?) apôtres moa izany an! dia nilaza Jesoa hoe "misy iray aminareo hamadika ahy" ary nifampijery daholo ry zareo hoe iza amintsika izany ?

Tokony ho zaraina roa zany aloha ny dinika satria ao aloha i Piera izay namadika an'i Jesoa koa ( tadidiko tampoka hoe izay namadika dia hatao hoe Jodasy )
92. marozevo ( 30/04/2006 08:55)
I Jodasy ity, dia mpanao Politika malaza ihany koa. Nanantena izy fa ho mpitari-tolona hiady amin'ny Romanina i Jesoa, nefa toa tsy izay no nitranga. Kivy rahngahy iry, ka izay no ANISANY namadihany an'i Jesoa. Tsy ny hamono an'i Jesoa akory no tena tanjony, fa ny handaza (dénoncer) fotsiny, saingy tsy nandeha araka izay niheverany azy ny zava-nisy. Nanenina izy, saingy tsy nahalala nitodika nankany amin'i Jesoa.
I Piera koa namadika an'i Jesoa, saingy nijery an'i Jesoa izy teo am-panenenana ka fantatr'i Jesoa fa nanenina marina izy.
Lesona : Tsy misy tsy diso izay mandia ny tany, fa izay mivarilavo (mamono tena) no adala indrindra.
Ento eo amin'i Jesoa ny ahiahinao, fa raha mijery azy ianao dia havelany heloka foana.
93. Fiffi ( 30/04/2006 19:25)
de raha fintinina zany ny tantara momban'i Jodasy , dia tsy marina velively hoe Jesoa hiany no nangataka an'i Jodasy hamadika azy . Ny voalazan'ny baiboly hiany no marina mandrakizay.
94. Fiffi ( 01/05/2006 05:05)
Firenena kristianina Madagasikara ary maro ireo mpino afaka hanaiky an’izany hevi-dehibe izany, indrindra fa ireo mpitondra fanjakana sy mpanao politika, izay malaza ho tompon’andraikitra ambony ao amin’ny Fiangonana kristianina maro.
Ny mampalahelo anefa dia tsy mampiseho toetra maha-kristianina ny maro amin’ireo olona ireo fa toa miendrika jodasy. Ny zava-misy sy ny tantara no mampiseho an’izany. Toa kabary fotsiny no betsaka. Mivadibadika toy izany foana ny toe-draharaha ary vokisana teny fotsiny ihany ny vahoaka dia rahampitso indray.
Leo ny vahoaka Tompoko ô ! Leo satria maro ny Jodasy. Betsaka ny mivadika na manao zavatra toa mifanohitra amin’ny teny nomena ka mahatonga ny mpitazana milaza fa mamitaka ny vahoaka tsy mandady harona izy ireo.
Tsy kivy anefa ny kristianina fa mivavaka hatrany. Mangataka amin’ny Andriamanitra izay nahary mba hiova ny toe-draharaha, mba hisy ny finoana mahery hampiova ny mpitondra rehetra eto an-tany mba hijery an’ireo ory sy osa, mba tsy hisian’ny fitongilanana eo amin’ny fitondrana ary mba tsy hivadi-dela eo amin’ ny teny izay nomena. Foano i Jodasy !
« Ny toetra ratsy no azo ovaina fa ny tarehy ratsy no tsy azo ovaina » hoy ny fiteny. Fandresena ny an’ny mpino kristianina satria ny olombelona afaka manova toetra. Toy izany koa ny mpitondra. Nampieritreritra lalina ny andro Paska, ny Fitsanganana amin’ny maty. Hisy fiovana ve eto amin’ny firenena sa hanjaka hatrany ny fitiavan-tena ? Sao dia diso tafahoatra ihany Tompoko ô ? Maty Jodasy !
Naivo kely : Madagascar Tribune

Nahaliana ahy ity lahatsoratra ity ka nataoko eto momba ny Jodasy.
95. marozevo ( 01/05/2006 22:40)
Misaotra an'i Fiffi nanolotra io "article" io. Teo am-panombohana dia noheveriko fa hevitrao aza ilay izy, ka taitaitra be ihany aho namaky azy. Kay nony farany dia hitako fa vavan-gazety araka ilay resaka indray andro iry.
Ataoko hoe vavan-gazety, satria vao manomboka dia diso :"Firenena Kristianina i Madagasikara...". Tsy marina velively io teny io. Asa na fantatr'i Naivo kely ny définition'izany hoe firenena Kristianina izany?
Rehefa manao article anefa dia tokony hiainga amin'ny verité universelle aloha (izany hoe zavatra marina tsy mila porofoina intsony). Diso anefa io fiatombohany io, ka ny sisa manaraka dia tsy misy mitombina intsony.

Fa na izany na tsy izany dia ho maro ny olona ho taitra amin'io artikla io.
96. Fiffi ( 02/05/2006 15:20)
fa na izany aza dia nahaliana ahy kosa aloha an! satria ny tena mbola anatin'ny resaka Jodasy ilay izy , ary marina fa misy fahadisohana hatramin'ny voalohany .
Fa ahoana aloha ny hevitrao ny momba an'io hoe ":"Firenena Kristianina i Madagasikara...". ?
97. marozevo ( 02/05/2006 22:41)
Fiffi > Ka izay ilay lazaiko eh... Na tsy mitombina aza ilay artikla dia maro no taitra... anisany ianao, anisany aho... fa izaho sy ianao afaka mandinika ny maha-mampitombina na tsia azy, fa ny Malagasy an-hetsiny .... ahoana !

Atao hoe firenena kristianina ny firenena iray rehefa majoritaire statistiquement ny Kristianina ao aminy.
98. Fiffi ( 03/05/2006 08:40)
Mat. 26. 47-56; Mar. 14. 43-52; Jao. 18. 1-11.
47 ARY raha mbola niteny Jesosy, indreo, tamy ny vahoaka, ary ilay atao hoe Jodasy, isan' ny roa ambin' ny folo lahy, dia nandeha teo alohany ka nanatona an' i Jesosy hanoroka Azy. 48 Fa hoy Jesosy taminy: Ry Jodasy, fanorohana va no amadihanao ny Zanak' olona?

Mampiheritreritra mafy ahy tokoa io zavatra nataon'i Jodasy io. Ry Jodasy, fanorohana va no amadihanao ny Zanak' olona?
99. marozevo ( 03/05/2006 23:20)
:?:
100. Fiffi ( 04/05/2006 20:41)
tsy azonao ve ry marozevo ? ilay fomba hamadiana an'i Jesoa amin'ny horoka no mampiheritreritra ahy mafy.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0659