amant-maîtresse

101. bilakarenjy ( 14/03/2006 13:16)
mandrindra>tsy za akory no mahafantatra zavatra fa ny zava-misy dia milaza ny tokony ho hisy ary io tokony ho hisy io anie ka samy manana ny azy fa tsy voatery hitovy daholo e!,raisiko amin'ny anao fotsiny izao ,sarotra be amiko raha izaho no manao zavatra ka tsy tokony ho fantatry ny vadi-aman-janako ary ry zareo koa torak'izany satria tsy maintsy iraisana ao an-trano ilay vokany na dia hoe :ho ahy samy irery aza ilay zavatra .Hanome ohatra aho izao :mpihira za ,ary manafana ireny "cabaret" sy "soirée" ireny na ireny "réception"ireny , ankoatra ny hoe misy fampisehoana ary ,matetika za miteny amin'ny vady aman-janako hoe :ary ananona indray amin' zao ,ary fantany daholo ny fotoana anaovako hira ,ary ny vadiko mihitsy aza no manoro ny akanjo anaovako isak'izay miseho sehatra .Ary ny olona ifaneraserana amin'izany dia tena mahafinaritra daholo no sady taviny no volony no ....:idea::idea:,fa lazaiko anao ry mandrindra fa afaka manao izay tiako tanteraka aho raha resaka vehivavy ,fa mibahana ao an-tsaiko ny fanajako ny vadiko mba hanajany ahy .Ary ny vola azoko eo dia iarahako amin'ny vady aman-janako fa tsy ho ahy irery .Tsy midika izany fa hoe :ny ahy no azo alain-tahaka fa samy manana ny mampamety ny fiainany io ,fa ohatra entiko hanamporofona ny hevitro io asehoko io .
102. diamondra27 ( 15/03/2006 07:20)
bilak: merci
103. Fiffi ( 15/03/2006 08:12)
kala: =D=D=D DM ah!! efa novaliko akia ndry atsy an! fa :-D:-D ny ahy ary :-*:-*:-*:-* ndry.
104. ari.malala ( 15/03/2006 11:44)
kala! calme ndry fa samy manana zay itondrany ny fiainany aky io a! Zaofotsiny no tsy fantatr'ireny mpanitsakitsabady sy mpiodina ireny, izay mandeha ihany novakivaky tongotra, ary ny atao misy valiny avokoa, dia avelao izy hitaty ny valiny rehefa tonga tokoa izay fotoana izay. Efa afaka aloha izay ny adidy niteny anazy fa aazy ny azy raha mbola hiziriziry @heviny izy ko :)
105. kala ( 15/03/2006 12:39)
bilak > =D=D=D=D=D=D=D omeko naoty mihitsy enao eto klé 19,25/20

ari > zà ange kalma be fa zà ratsy tarehy de raha vao mimeme de mivadika :evil:

106. bilakarenjy ( 15/03/2006 12:59)
kala>tena mba naoty diso lalana kosa io e!,aiza ve dia 0,25 sisa dia tsy ho 20.Sao dia mba diso be loatra e!,sady ny ahy tsy naoty no tadiaviko fa ...:?::?::roll::roll::roll::roll::?::?:...
107. dadabe ( 17/03/2006 02:57)
:*kala a> aza manao an'io fa io aloha omeko bizz kely toi e :*:*:*:*:*:*:*:*:*
108. kala ( 17/03/2006 07:05)
bilak > :oops::oops::oops: be zaho nanome naoty ve?
ka le raisonnement ange no nanomezako an'io ê!
f'in no tadiavinao klé 8O

avia dadabe an! sady zao no tsy misy mandalo firy eto:*:*:*:*:*:*:*

shhhhhhhh in koa moa anefa ny olana na hitan'ny olona aza ê! sa sao de lasa maîtresse virtoaly eto zà ka:wink:





109. mandrindra ( 17/03/2006 09:09)
sarotra be amiko raha izaho no manao zavatra ka tsy tokony ho fantatry ny vadi-aman-janako ...
matetika za miteny amin'ny vady aman-janako hoe :ary ananona indray amin' zao ,

marina izany ry bilakarenjy hoe fantatra daholo izay atao rehetra, ary lazaina avokoa. saingy amin'ny akapobeny ihany izany fa tsy izay antsipirihana akory dia ho voalazanao ny vadinao daholo. ohatra tsy hovoalaza daholo hoe iza jiaby jiaby no niresaka, nifandray tanana taminao, inona avokoa ny resaka nifanaovanao tamin'ny tsirairay sy ny tranga maro samy hafa. izay mahatanatara 100% ny nataony rehetra angamba ataoko fa tsy misy izany.

ankoatr'izay dia tsara ny hoe manaja vady, fa inona tokoa moa no atao hoe fanajana azy : tsy mihodina ve? tsy mikasintanana ve? fihainona ny heviny ve? ....io dia miankina amin'ny famaritan'ny tsirairay io, amiko manokana aloha ny fihodinana dia tsy midika hoe tsy fanajana.

Tsy midika izany fa hoe :ny ahy no azo alain-tahaka fa samy manana ny mampamety ny fiainany io ,fa ohatra entiko hanamporofona ny hevitro io asehoko io .

=D miombonkevitra tanteraka, izany no mahatsara itony sehatra itony ahafahan'ny tsirairay maneho ny heviny. ny fiainan'ny tsirairay dia samy cas prticulier daholo ka izay mety amin'ny sasany tsy voatery hety amin'ny hafa
110. bilakarenjy ( 17/03/2006 13:37)
ny amin'ny hoe :tokony ho fantatry ny vady aman-janaka dia tsy notohizako hoe :amin'ny antsipirihany,ary resa-jaza raha ndeha hitanisa ny zavatra rehetra ,fa ny hoe tany ananona dia ampy ahalalana ny nataoko .Ary ny fanajana vady amiko manokana dia adidy masina satria toy ny tenako ihany ny vadiko ,raha manaja ny tenako aho dia manaja ny vadiko ary tsy misy lalana apetraka izany eo amin'ny olona roa manana fitiavana sy miaina amin'ny fitiavana .
Mandefitra marina ny vadinao ka mahazo rariny foana ianao ry mandrindra fa tsy mbola voan'ny taranak'i eva tokoa ianao vao .....,tadidio ry mandrindra fa lehilahy aho miteny fa ny vehivavy efa voaozona ho lalin-tsaina noho ny lehilahy:-w:-w:-@:-@ ,fa mbola tsy sendra ianao ...misy hanamporofoko an'io tsara mihintsy omeko anao rehefa avy eo ....

111. diamondra27 ( 18/03/2006 07:21)
=((=((=((=((
112. kala ( 18/03/2006 07:48)
bilak > izany ve?:cry:
113. ari.malala ( 20/03/2006 05:44)
mandrindra:

amiko manokana aloha ny fihodinana dia tsy midika hoe tsy fanajana.


Fa ny inona aminao no atao hoe manaja? Tsy fantatro na natao mariazy tany am-piangonana ianareo na tsia, (tsy voatery valiana fa fiaiananareo manokaan) fa na izany na tsia, tsy maintsy efa nisy occasion nanatrehanao mariazy tany ma-piangonana ka naharenesanao ny teny hoe "ho nofo iray ihany izy roa" izany hoe tsy roa intsony ianareo fa efa tena iray, ka raha manao firaisana @ olon-kafa ankoatry ny vadinao ianao, dia manaja ny tenanao ve ianao @zany? Ny aretina efa tsy fantaatra be ihany @zao fotoana izao,ka raha sanatria moa izany ka marary ilay olonkafa nanaovanao escapade, ka mifindra any @ vadinao iny aretina iny, handry ve ny eritreritrao hoe noho ny nataonao no namparary ilay andefimandrinao tsy naninon-tsy naninona? Tsy haiko alo fa samy manana ny fisainany sy ny eritreriny ny olona ary samy malalaka @ fitondrany ny fiainany, ary ekeko fa cas particulier ny fiainan'ny tsirairay, mety hoe tsy mampaninona anao angmaba, fa mba nanitona ny saiko fotsiny ny zavatra voalazanao.


114. diamondra27 ( 20/03/2006 09:40)
hummm ari an! fa inon doly ny aretina mety azo, maladie d'amour ve?
115. kala ( 20/03/2006 14:44)
ari > =D=D zany ê!
saingy ny lhl sasany : manao le action aloha ry zalahy vao miasa saina de lazaina fa dizina t@'iny fotoana iny sy ny pretexte hafa azo ialana pà rehetra zao 8O
fa ny vhv (miala tsiny raha mamaritra hoe vhv) : misaina vao manao action

de miandry an'i bilak ndray fa ianao milaza fa mbola hanohy :wink:
116. ari.malala ( 21/03/2006 06:14)
Diamondra27, ie, mety mahazo maladie d'amour refa tsy mahay miaina ko :-D:-D fa ny aretina teneniko eto d ny karazana MST
117. diamondra27 ( 21/03/2006 06:57)
ka inona daholo zany MST izany ry ari.
118. ari.malala ( 21/03/2006 13:39)
MaSika ny Tantely ky zany ry Diam a :-D:-D:-D
119. mandrindra ( 21/03/2006 15:12)
ari.malala, raha izaho sy ny fivavahana aloha dia ataoko fa efa fantatrao ny hevitro mikasika an'iny. nefa mba tiako ho hazavainao amiko ny dikan'ilay hoe:"ho nofo iray ihany izy roa". satria raha ny fahazahoko ny fanazavanao dia ny firaisana ihany no tena rarana amin'ny maha iray ny mpivady. nefa aza adino fa maro ny filana ara-nofo izay tsy iarahan'ny mpivady foana, ohatra : sakafo, rivotra, fety...Koa apetrako ny fanontaniana manao hoe ny firaisana ara-nofo ivelan'ny tokatrano ihany ary ve no ataonareo hoe hadisoana sa izay filana ara-nofo rehetra.
Raha ny mikasika ny aretina dia anjaran'ny tsirairay no maka fepetra fa tsy ny fiaraisana ar-nofo irery ihany akory no mahtonga ny aretina.

kala, izaho aloha dia tsy manaika an'izany hoe mihetsika vao misaina izany. izaho dia mandray ny andraikitra rehetra miaraka amian 'ny vokatr'izay zavatra rehetra ataoko.
120. kala ( 22/03/2006 04:43)
mandrindra > nolazaiko angamba teo ambony hoe ny lhl sasany fa tsy nataoko faobe leisy ê!:wink:

amiko aloha dia hadisoana raha olona iray efa manana ny olon-tiany (na vady io na fofombady) nefa mbola manana faniriana ny hiaraka amin'olona hafa indray:-$
fa maninona raha iny no atao zay hampety ny fiarahana amin'ny lafiny retra 8)8)

fa zà ndray de mbola manohana ny hevitry ari.malala ery ambony hatramin'ny farany ê!

zà tsy manao hoe tsy manan-tsiny an! fa kosa refa olona iray aloha de iny tiavina sy hajaina tsara.
Avelako ny olona no hivadika amiko voalohany. "fa izay mivadika foana no ho menatra" eo :oops::oops::oops:

andramo ange ê!

aza manao doubla jeu zany hoa sao votsi-droa eo koa ange ê!
:-*:-*:-*:-*:-*:-* daholo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2273