Sira

61. watafon ( 26/02/2006 16:30)
pitchou, za ngah tsy mahazo ?=))=))=))
62. Veloo ( 26/02/2006 18:20)
vale a miciiiii aky a:-*
wata fa za naninn anjy kay?8O:-D:-D
63. watafon ( 27/02/2006 03:36)
veloo, an an an ! tsy naninn mitsy k! fa inn no mahatonga anao miteny an'izany ? hay v e! le fitiavan-tsira e!
64. toubib ( 27/02/2006 10:50)
Raha be loatra ny Na+ ao amin'ny vatana vokatry ny fihinanana sira be loatra na koa ny tsy fahafahan'ny voa mamoaka io Na+ io any am pipi dia mihandrona any anelanelan'ny sela rehetra any izy ka noho izany dia miakatra ny pression osmotiquen'io milieu extracellulaire io ka dia voasintona ho any daholo ny rano; dia misy retention d'H2O izany ka mampibinabina ilay olona. Ny albumine indray dia protéine mavesatra ka ny fisiany any anaty pipi no atao hoe albumine, izany dia vokatry ny tsy fahafahan'ny voa manivana azy ka lasa any ivelany. Ny proteine ko mantsy dia ilaina eo amin'io équilibre ionique io. Hita izany ho an'ny olona marary voa na ny bevohoka sasantsasany na ny olona miakatra tosi-drà. Tsy ny olona mibinabina rehatra akory dia vokatry ny sira daholo fa misy koa ny vokatry ny tsy fahampian-tsakafo alobotra (Kwashiorkor) ndrindra eo am zaza ka vokatry ny tsy fahampian'ny protéine dia misy retention d'eau sy ions sasantsasany ihany koa. Misy olona mibinabina ampifadiana albumine raha tsy tiana ho reraka ny voany eo amin'ny fanivanana azy, fa misy koa mibinabina ampitomboina ny protéine-ny mba hampihenana ny binabinany (oh kwashiorkor, insuffisance hépatique)

Tadidio fa tsy ny sira proprement dit ihany akory no mahabe ny Na+ fa eo ihany koa ny boissons gazeuses, fromage, hazandrano, charcutéries, gâteaux mamy na mofo dipaina masira, ny fanafody sous forme-na comprimé effervescent ....izay asaina fadian'ny ol sous régime sans sel rehetra.
65. toubib ( 27/02/2006 10:57)
précision kely: ilay lazaintsika malagasy hoe voan'ny albumine no olona mibinabina ka ahitana "albumine" ny pipiany (manao albuminurie zany)
66. watafon ( 27/02/2006 12:24)
misaotra anao dokotera @ fanazavana ô !!
67. Veloo ( 27/02/2006 16:24)
toubib misaotra fa tena mazava tsara...:-*
68. Veloo ( 27/02/2006 16:29)
saika adiniko oi i toubib oe:
Tadidio fa tsy ny sira proprement dit ihany akory no mahabe ny Na+ fa eo ihany koa ny boissons gazeuses, fromage, hazandrano, charcutéries, gâteaux mamy na mofo dipaina masira, ny fanafody sous forme-na comprimé effervescent ....izay asaina fadian'ny ol sous régime sans sel rehetra.

1- ny Na+ moa sodium e?
2- ka ratsy zany ireny fanafody misy effervescence ireny? sa tsy dia atao betsaka fotsiny?
3- raha ny gato mamy ve tsy oe diabete ndray?
4- ilay izy azo @ hazandrano mahagaga ihany ka mety ny trondro maina angamba o?
69. watafon ( 27/02/2006 18:40)
1- eny, Na+= Sodium
2- tsy hoe ratsy zany ry veloo an , fa tokony tsy azo hohanina raha toa k sous régime sans sel le olona zany e!
3- le crème misy beurre iny kosa angamba no misy sira e!
4-fruits de mer angamba !
70. Veloo ( 28/02/2006 15:09)
wata a
za mantsy tia fanafody misy effervescence ireny indrindra fa ny vitamines, ka tsy misy olana izany maka an'ireny an?
fruit de mer tokotrany angamba..
71. watafon ( 28/02/2006 16:05)
Tsy maninn zany k !
72. Veloo ( 28/02/2006 17:39)
azo ny hafatra fa misaotra :-*
73. watafon ( 28/02/2006 17:49)
veloo, :-*:-*
74. Veloo ( 28/02/2006 18:33)
:-D:-D
75. fijo ( 28/02/2006 21:02)
pitchou an,"poety mamely izany
76. pitchou ( 01/03/2006 00:04)
fijo> inn ndray ary no novelesiko teo?:?
toubib> misaotra t@ fanazavana e! ngah moa ny hazan-dranomasina voatery hoe betsaka sodium? tsy we masira nge ny ranomasina d lasa mahazo koa rizareo e! misy aza somary manana tsiro mamimamy kou
77. fijo ( 01/03/2006 04:14)
tandremo kosa fa ny ankio"atsantsa"tsy mila asiana sira intsony fa tena masira an
78. watafon ( 01/03/2006 07:25)
d la morue kou !!
79. toubib ( 01/03/2006 11:15)
Adinoko tkoa,ny tena fiteny mantsy dia hoe "régime hyposodé", ka marihina moa fa ny mofomamy rehetra dia namboarina à base de "bicarbonate de sodium" ny levure chimique anamboarana azy ireny. Dia manarak'izany koa ny fanamboarana ireny comprimés effervescents ireny sy ny boissons gazeuses dia misy azy io betsaka iany koa.

Dia hazandranomasina koa dia betsaka sira mihitsy ka.
80. Fiffi ( 01/03/2006 11:41)
ny iode @ sira koa tandremo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0865